1 ULB Ankoatra an'izay dia nanamboatra alitara varahina izy, roapolo hakiho ny halavany, ary roapolo hakiho ny sakany. Folo hakiho ny haavony. BSB BSB: He made a bronze altar twenty cubits long, twenty cubits wide, and ten cubits high.
2 ULB Nataony vy ihany koa ny manodidina ny tavin-drano, folo hakiho ny molony. Dimy hakiho ny haavony, ary telopolo hakiho ny manodidina an'ilay tavin-drano. BSB BSB: He also made the Sea of cast metal. It was circular in shape, measuring ten cubits from rim to rim, five cubits in height, and thirty cubits in circumference.
3 ULB Ny ambanin'ny molotr'ilay tavin-drano manodidina dia nisy ombilahy, folo isaky ny hakiho, natambatra ho iray miaraka amin'ny tavin-drano rehefa vita ilay tavin-drano. BSB BSB: Below the rim, figures of oxen encircled it, ten per cubit all the way around the Sea, cast in two rows as a part of the Sea.
4 ULB Napetraka teo ambonin'ny omby roa ambin'ny folo ny tavin-drano, ny telo mitodika mianavaratra, ny telo mitodika miankandrefana, ny telo mitodika mianatsimo, ary ny telo mitodika miatsinanana. Napetraka teo an-tendron'ireo ny tavin-drano, ary nifanila ny zorony efatr'izy ireo. BSB BSB: The Sea stood on twelve oxen, three facing north, three facing west, three facing south, and three facing east. The Sea rested on them, with all their hindquarters toward the center.
5 ULB Matevina tahaka ny vodivoam-pelatanana ilay tavin-drano, ary ny molony dia voatefy tahaka ny molotra kapoaka, tahaka ny vonin'ny lilia. BSB BSB: It was a handbreadth thick, and its rim was fashioned like the brim of a cup, like a lily blossom. It could hold three thousand baths.
6 ULB Mahalany rano telo arivo bata ny tavin-drano. Nanamboatra koveta folo lehibe ho fanasana zavatra ihany koa izy; nasiany dimy teo an-kavanana, ary dimy teo an-kavia; fitaovana ampiasaina amin'ny fanatanterahana ny fanatitra dorana no nosasana teo amin'ireo. Ny tavin-drano kosa, mba hisasan'ireo mpisorona. BSB BSB: He also made ten basins for washing and placed five on the south side and five on the north. The parts of the burnt offering were rinsed in them, but the priests used the Sea for washing.
7 ULB Nanamboatra ireo fitoeran-jiro volamena folo izay natao araka ireo toromarika ho an'ny sary izy; napetrany tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. BSB BSB: He made ten gold lampstands according to their specifications and placed them in the temple, five on the south side and five on the north.
8 ULB Nanamboatra latabatra folo izy ka napetrany tao an-tempoly ireo, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Nanamboatra koveta volamena zato izy. BSB BSB: Additionally, he made ten tables and placed them in the temple, five on the south side and five on the north. He also made a hundred gold bowls.
9 ULB Fanampin'izany dia nanamboatra kianjan'ny mpisorona sy kianja lehibe, ary varavaran'ny kianja izy; nopetahany varahina ireo varavaran'ireo. BSB BSB: He made the courtyard of the priests and the large court with its doors, and he overlaid the doors with bronze.
10 ULB Napetrany teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano, tany atsinanana, mitodika mianatsimo ilay tavin-drano. BSB BSB: He put the Sea on the south side, at the southeast corner.
11 ULB Nanamboatra vilany, lapelina fandraofana, ary lovia famafazana i Hirama. Ka dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra: BSB BSB: Additionally, Huram made the pots, shovels, and sprinkling bowls. So Huram finished the work that he had undertaken for King Solomon in the house of God:
12 ULB dia ireo andry roa, kapitaly boribory izay teo an-tapon'ny andry roa, ary fitoeran'ny haingo makarakara roa mba hanaronana ireo kapitaly boribory roa izay teo an-tampon'ireo andry. BSB BSB: the two pillars; the two bowl-shaped capitals atop the pillars; the two sets of network covering both bowls of the capitals atop the pillars;
13 ULB Efa nanamboatra ampongabendanitra efa-jato ho an'ireo haingo makarakara izy: ampongabendanitra roa andalana isaky ny fitoeran'ny makarakara avy mba hanaronana ny kapitaly boribory roa izay teo amin'ireo andry. BSB BSB: the four hundred pomegranates for the two sets of network (two rows of pomegranates for each network covering both the bowl-shaped capitals atop the pillars);
14 ULB Nanamboatra tsangànana sy koveta natao teo ambonin'ilay tsangànana ihany koa izy; BSB BSB: the stands; the basins on the stands;
15 ULB tavin-drano iray sy omby roa ambin'ny folo eo ambaniny, BSB BSB: the Sea; the twelve oxen underneath the Sea;
16 ULB ireo vilany, lapelina fandraofana, fitrebika, ary fitaovana hafa rehetra ihany koa. Nataon'i Hirama ilay matihanina tamin'ny varahina voadio, ho an'i Solomona Mpanjaka, ho an'ny tranon'i Yaveh ireo. BSB BSB: and the pots, shovels, meat forks, and all the other articles. All these objects that Huram-abi made for King Solomon for the house of the LORD were of polished bronze.
17 ULB Narendriky ny mpanjaka teo amin'ny lemaky ny Jordana ireo, teo amin'ny tanimanga anelanelan'i Sokota sy Zaretana. BSB BSB: The king had them cast in clay molds in the plain of the Jordan between Succoth and Zeredah.
18 ULB Dia toy izany, no nanamboaran'i Solomona ireo fanaka rehetra maro be ireo; tsy afaka nofantarina tokoa ny lanjan'ny varahina. BSB BSB: Solomon made all these articles in such great abundance that the weight of the bronze could not be determined.
19 ULB Nanamboatra ny fanaka rehetra izay tao an-tranon'Andriamanitra i Solomona, ny alitara volamena ihany koa, ary ireo latabatra izay nametrahana ny mofon'ny fanatrehana; BSB BSB: Solomon also made all the furnishings for the house of God: the golden altar; the tables on which was placed the Bread of the Presence;
20 ULB ny fitoeran-jiro mbamin'ny jiron'ireo, izay voatokana ho dorana eo anoloan'ny efitra anatiny—ireo dia vita tamin'ny volamena madio; BSB BSB: the lampstands of pure gold and their lamps, to burn in front of the inner sanctuary as prescribed;
21 ULB ary ireo voninkazo, ireo jiro, ary ny lelan-jiro, dia volamena, volamena madio. BSB BSB: the flowers, lamps, and tongs of gold—of purest gold;
22 ULB Ny fanapahan-jiro, ny koveta, ny sotro, ary ditin-kazo manitra fandoro ihany koa dia vita tamin'ny volamena madio avokoa. Ny amin'ny fidirana mankao an-trano, ireo varavarana anatiny mankao amin'ny toerana masina indrindra ary ny varavaran'ny trano, izay, an'ny tempoly, dia vita tamin'ny volamena. BSB BSB: the wick trimmers, sprinkling bowls, ladles, and censers of pure gold; and the gold doors of the temple: the inner doors to the Most Holy Place as well as the doors of the main hall.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.