1 ULB Rehefa vita ny asa rehetra izay nataon'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh, dia nampidirin'i Solomona ireo zavatra izay efa natokan'i Davida, rainy, ho an'izany tanjona izany, anisan'izany ny volafotsy, ny volamena, ary ireo fanaka rehetra—napetrany tao amin'ny fitehirizana tao an-tranon'Andriamanitra ireo. BSB BSB: So all the work that Solomon had performed for the house of the LORD was completed. Then Solomon brought in the items his father David had dedicated—the silver, the gold, and all the furnishings—and he placed them in the treasuries of the house of God.
2 ULB Dia nampivorian'i Solomona, tany Jerosalema, ireo loholon'Israely, ireo mpitarika ny foko rehetra, ary ireo mpitarika ny fianakavian'ny vahoakan'Israely, mba hampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh avy ao amin'ny tanànan'i Davida, izay i Ziona. BSB BSB: At that time Solomon assembled in Jerusalem the elders of Israel—all the tribal heads and family leaders of the Israelites—to bring up the ark of the covenant of the LORD from Zion, the City of David.
3 ULB Niangona teo anoloan'ny mpanjaka tamin'ny andro firavoravoana, izay tamin'ny volana fahafito ny olon'Israely rehetra. BSB BSB: So all the men of Israel came together to the king at the feast in the seventh month.
4 ULB Tonga ny loholon'Israely rehetra, ka dia nampiakatra ny fiara ireo Levita. BSB BSB: When all the elders of Israel had arrived, the Levites took up the ark,
5 ULB Nampiakarin'izy ireo ny fiara, ny tranolay fihaonana, ary ny fanaka masina rehetra izay tao an-day. Ireo mpisorona izay avy tamin'ny fokon'i Levy no nampiakatra ireo zavatra ireo. BSB BSB: and they brought up the ark and the Tent of Meeting with all its sacred furnishings. The Levitical priests carried them up.
6 ULB Niara-tonga teo anoloan'ilay fiara i Solomona Mpanjaka sy ny fiangonan'Israely rehetra, nanao sorona ondry sy omby izay tsy tambo isaina. BSB BSB: There, before the ark, King Solomon and the whole congregation of Israel who had assembled with him sacrificed so many sheep and oxen that they could not be counted or numbered.
7 ULB Ireo mpisorona dia nampiakatra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh ho ao amin'ny fitoerany, tao amin'ny efitra anatin'ny trano, tao amin'ny toerana masina indrindra, ambanin'ireo elatry ny kerobima. BSB BSB: Then the priests brought the ark of the covenant of the LORD to its place in the inner sanctuary of the temple, the Most Holy Place, beneath the wings of the cherubim.
8 ULB Satria ny kerobima dia namelatra ny elatr'izy ireo eo amin'ny fitoeran'ny fiara, ka nanarona ilay fiara sy ireo bao izay hilanjana izany ireo. BSB BSB: For the cherubim spread their wings over the place of the ark and overshadowed the ark and its poles.
9 ULB Ireo bao dia lava tokoa ka dia hita avy ao amin'ny fitoerana masina anoloan'ny efitra anatiny ireo fiafarany, saingy tsy hita avy any ivelany izany. Ao mandrak'androany ireo. BSB BSB: The poles of the ark extended far enough that their ends were visible from in front of the inner sanctuary, but not from outside the Holy Place; and they are there to this day.
10 ULB Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fiara afa-tsy ireo vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tao tany Horeba, tamin'i Yaveh nanao fanekena tamin'ny vahoakan'Israely, rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo. BSB BSB: There was nothing in the ark except the two tablets that Moses had placed in it at Horeb, where the LORD had made a covenant with the Israelites after they had come out of Egypt.
11 ULB Ary nivoaka tao amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona. Ireo mpisorona tonga rehetra dia nanoka-tena ho an'i Yaveh, tsy nandaha-tena araka ny fizaran'izy ireo. BSB BSB: Now all the priests who were present had consecrated themselves regardless of their divisions. And when the priests came out of the Holy Place,
12 ULB Ireo Levita izay mpihira ihany koa, izy rehetra, anisan'izany i Asafa, Hemana, Jedotona, ary ireo zanaka lahy sy rahalahin'izy ireo, niakanjo rongony fotsy madinika ary nitendry kipantsona, harpa, sy lokanga, dia nijoro teo amin'ny farany atsinanan'ny alitara. Nisy mpisorona 120 nitsoka trompetra niaraka tamin'izy ireo. BSB BSB: all the Levitical singers—Asaph, Heman, Jeduthun, and their sons and relatives—stood on the east side of the altar, dressed in fine linen and playing cymbals, harps, and lyres, accompanied by 120 priests sounding trumpets.
13 ULB Ary nampiara-peo ireo mpitsoka trompetra sy ireo mpihira, nanao feo tokana mba ho re ho fiderana sy fisaorana an'i Yaveh. Nanandratra ny feony tamin'ny trompetra sy kipantsona ary zava-maneno hafa izy ireo, ka nidera an'i Yaveh. Nihira izy ireo hoe: "Fa tsara Izy, satria maharitra mandrakizay ny tsy fivadiham-panekeny." Ary ny trano, ilay tranon'i Yaveh, dia feno rahona. BSB BSB: The trumpeters and singers joined together to praise and thank the LORD with one voice. They lifted up their voices, accompanied by trumpets, cymbals, and musical instruments, in praise to the LORD: “For He is good; His loving devotion endures forever.” And the temple, the house of the LORD, was filled with a cloud
14 ULB Tsy afaka nijoro mba hanompo ireo mpisorona nohon'ny rahona, satria nameno ny tranony ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: so that the priests could not stand there to minister because of the cloud. For the glory of the LORD filled the house of God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.