1 ULB Dia hoy Solomona hoe: "Nambaran'i Yaveh fa hitoetra ao anaty aizim-pito Izy, BSB BSB: Then Solomon declared: “The LORD has said that He would dwell in the thick cloud.
2 ULB kanefa efa nanorina trano tsara tarehy ho Anao aho, dia toerana hitoeranao mandrakizay." BSB BSB: But I have built You an exalted house, a place for You to dwell forever.”
3 ULB Dia nihodina ny mpanjaka ary nitso-drano ny fiangonan'Israely rehetra, raha mbola teo am-pitsanganana ny fiangonan'Israely rehetra. BSB BSB: And as the whole assembly of Israel stood there, the king turned around and blessed them all
4 ULB Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay niteny tamin'i Davida raiko, ary nahatanteraka izany tamin'ny tanany ihany, nanao hoe: BSB BSB: and said: “Blessed be the LORD, the God of Israel, who has fulfilled with His own hand what He spoke with His mouth to my father David, saying,
5 ULB 'Hatramin'ny andro nitondrako ny vahoakako nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, dia tsy nifidy tanàna teo amin'ny fokon'Israely rehetra mba hanorenana trano Aho, mba hitoeran'ny anarako ao. Ary tsy mba nifidy olona ho andriandahy eo amin'Israely oloko Aho. BSB BSB: ‘Since the day I brought My people out of the land of Egypt, I have not chosen a city from any tribe of Israel in which to build a house so that My Name would be there, nor have I chosen anyone to be ruler over My people Israel.
6 ULB Kanefa, nifidy an'i Jerosalema Aho, mba hitoeran'ny anarako ao, ary nifidy an'i Davida Aho mba hanapaka eo amin'Israely oloko.' BSB BSB: But now I have chosen Jerusalem for My Name to be there, and I have chosen David to be over My people Israel.’
7 ULB Ary tao am-pon'i Davida raiko ny hanorina trano ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely. BSB BSB: Now it was in the heart of my father David to build a house for the Name of the LORD, the God of Israel.
8 ULB Fa hoy Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: 'Fa nataonao tao am-ponao ny hanorina trano ho an'ny anarako, dia tsara ny nanaovanao izany tao am-ponao. BSB BSB: But the LORD said to my father David, ‘Since it was in your heart to build a house for My Name, you have done well to have this in your heart.
9 ULB Na izany aza, dia aoka tsy hanorina ilay trano ianao; fa kosa, ny zanakao lahy, izay ho teraka avy amin'ny voanao, no hanorina ilay trano ho an'ny anarako.' BSB BSB: Nevertheless, you are not the one to build it; but your son, your own offspring, will build the house for My Name.’
10 ULB Notanterahin'i Yaveh ny teny izay efa nolazainy, satria nitsangana handimby ny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny trano. BSB BSB: Now the LORD has fulfilled the word that He spoke. I have succeeded my father David, and I sit on the throne of Israel, as the LORD promised. I have built the house for the Name of the LORD, the God of Israel.
11 ULB Napetrako tao ilay fiara, izay misy ny faneken'i Yaveh, izay nataony tamin'ny vahoakan'Israely." BSB BSB: And there I have placed the ark, which contains the covenant of the LORD that He made with the children of Israel.”
12 ULB Nijoro teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona teo amin'ny fanatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra, ary namelatra ny tanany. BSB BSB: Then Solomon stood before the altar of the LORD in front of the whole assembly of Israel and spread out his hands.
13 ULB Fa nanamboatra sehatra varahina izy, izay dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny haavony. Napetrany teo afovoan'ny kianja izany. Nijoro teo ambonin'izany izy ary nandohalika teo anatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra, ary avy eo namelatra ny tanany nakany amin'ny lanitra izy. BSB BSB: Now Solomon had made a bronze platform five cubits long, five cubits wide, and three cubits high and had placed it in the middle of the courtyard. He stood on it, knelt down before the whole assembly of Israel, spread out his hands toward heaven,
14 ULB Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any an-danitra na ety an-tany, izay mitàna fanekena sy fitiavana tsy mivadika amin'ireo mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony manontolo; BSB BSB: and said: “O LORD, God of Israel, there is no God like You in heaven or on earth, keeping Your covenant of loving devotion with Your servants who walk before You with all their hearts.
15 ULB Ianao izay efa nitàna izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao. Eny, niteny tamin'ny vavanao Ianao ary notanterahinao tamin'ny tananao izany, hatramin'ny androany. BSB BSB: You have kept Your promise to Your servant, my father David. What You spoke with Your mouth You have fulfilled with Your hand this day.
16 ULB Ankehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: 'Tsy ho foana aminao ny hanana olona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo imasoko, raha toa ka mitandrina ny handeha amin'ny lalàko ny taranakao, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.' BSB BSB: Therefore now, O LORD, God of Israel, keep for Your servant, my father David, what You promised when You said: ‘You will never fail to have a man to sit before Me on the throne of Israel, if only your descendants guard their way to walk in My law as you have walked before Me.’
17 ULB Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'Israely, mivavaka aho mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida mpanomponao. BSB BSB: And now, O LORD, God of Israel, please confirm what You promised to Your servant David.
18 ULB Fa tena honina ety an-tany miaraka amin'ny zanak'olombelona tokoa ve Andriamanitra? Indro, izao tontolo izao sy ny lanitra aza tsy antonona Anao—mainka fa ity tempoly izay naoriko ity! BSB BSB: But will God indeed dwell with man upon the earth? The heavens, even the highest heavens, cannot contain You, much less this temple I have built.
19 ULB Kanefa mba henoy re ity vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany ity, ry Yaveh Andriamanitro; mba henoy ny talaho sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao. BSB BSB: Yet regard the prayer and plea of Your servant, O LORD my God, so that You may hear the cry and the prayer that Your servant is praying before You.
20 ULB Enga anie ka hisokatra amin'ity tempoly ity andro aman'alina ny masonao, dia ilay toerana izay nampanantenainao hametrahana ny anaranao. Hihaino ny vavaka ataon'ny mpanomponao manatrika ity toerana ity anie Ianao. BSB BSB: May Your eyes be open toward this temple day and night, toward the place where You said You would put Your Name, so that You may hear the prayer that Your servant prays toward this place.
21 ULB Koa henoy ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izahay. Eny, mihainoa avy any amin'ny toerana honenanao, avy any an-danitra; ary rehefa mihaino Ianao, dia mamelà. BSB BSB: Hear the plea of Your servant and of Your people Israel when they pray toward this place. May You hear from heaven, Your dwelling place. May You hear and forgive.
22 ULB Raha manota amin'ny namany ny olona iray ka tsy maintsy hampanaovina fianianana, ary raha tonga izy ka manao fianianana eo anatrehan'ny alitaranao ato amin'ity trano ity, BSB BSB: When a man sins against his neighbor and is required to take an oath, and he comes to take an oath before Your altar in this temple,
23 ULB dia mihainoa avy any an-danitra ka miasà ary tsarao ireo mpanomponao, mba hamaly ny ratsy fanahy, mba hampanody izay nataony ho eo amin'ny lohany ihany. Ambarao ho tsy manan-tsiny ny marina, mba hamaliana soa azy nohon'ny fahamarinany. BSB BSB: then may You hear from heaven and act. May You judge Your servants, condemning the wicked man by bringing down on his own head what he has done, and justifying the righteous man by rewarding him according to his righteousness.
24 ULB Rehefa resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka raha miverina aminao izy ireo, manaiky ny anaranao, mivavaka, ary mangataka famelana avy aminao ato amin'ity tempoly ity— BSB BSB: When Your people Israel are defeated before an enemy because they have sinned against You, and they return to You and confess Your name, praying and pleading before You in this temple,
25 ULB dia mihainoa avy any an-danitra re ary mamelà ny fahotan'Israely olonao; ento miverina any amin'ny tany izay nomenao azy ireo sy ny razambeny izy ireo. BSB BSB: then may You hear from heaven and forgive the sin of Your people Israel. May You restore them to the land You gave to them and their fathers.
26 ULB Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao ny vahoaka—raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy ireo, manaiky ny anaranao, ary miala amin'ny fahotany rehefa avy nampahorianao— BSB BSB: When the skies are shut and there is no rain because Your people have sinned against You, and they pray toward this place and confess Your name, and they turn from their sins because You have afflicted them,
27 ULB dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao. BSB BSB: then may You hear from heaven and forgive the sin of Your servants, Your people Israel, so that You may teach them the good way in which they should walk. May You send rain on the land that You gave Your people as an inheritance.
28 ULB Raha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin'izy ireo ny fahavalony, na misy areti-mandringana na faharariana— BSB BSB: When famine or plague comes upon the land, or blight or mildew or locusts or grasshoppers, or when their enemies besiege them in their cities, whatever plague or sickness may come,
29 ULB ary raha atao indray hoe misy vavaka sy fangatahana nataon'ny olona iray na ny Israely vahoakanao manontolo— izay samy mahalala ny aretina sy ny alahelo any am-pony avy raha mamelatra ny tanany ho amin'ity tempoly ity izy. BSB BSB: then may whatever prayer or plea Your people Israel make—each knowing his own afflictions and spreading out his hands toward this temple—
30 ULB Dia mihainoa any an-danitra, ilay toerana honenanao; mamelà, ary valio soa ny olona rehetra nohon'ny lalany rehetra; Ianao mahalala ny fony, satria Ianao dia Ianao ihany no mahalala ny fon'olombelona. BSB BSB: be heard by You from heaven, Your dwelling place. And may You forgive and repay each man according to all his ways, since You know his heart—for You alone know the hearts of men—
31 ULB Ataovy izany mba hatahoran'izy ireo Anao, mba handehanan'izy ireo amin'ny lalanao amin'ny andro rehetra iainan'izy ireo ao amin'ilay tany izay nomenao an'ireo razambenay. BSB BSB: so that they may fear You and walk in Your ways all the days they live in the land that You gave to our fathers.
32 ULB Ny amin'ireo vahiny izay tsy isan'Israely olonao, saingy—nohon'ny anaranao lehibe, ny tananao mahery, ary ny sandrinao mitsotra—dia tonga sy mivavaka manatrika ity trano ity, BSB BSB: And as for the foreigner who is not of Your people Israel but has come from a distant land because of Your great name and Your mighty hand and outstretched arm—when he comes and prays toward this temple,
33 ULB dia mihainoa re any an-danitra, izay toerana honenanao, ary ataovy izay rehetra angatahin'ilay vahiny aminao, mba hahafantaran'ny olona rehetra eto an-tany ny anaranao ka hahatahoran'izy ireo Anao, araka ny ataon'Israely olonao manokana, ary mba hahafantaran'izy ireo fa ity trano izay naoriko ity dia antsoina amin'ny anaranao. BSB BSB: then may You hear from heaven, Your dwelling place, and do according to all for which the foreigner calls to You. Then all the peoples of the earth will know Your name and fear You, as do Your people Israel, and they will know that this house I have built is called by Your Name.
34 ULB Raha atao hoe mandeha mivoaka hiady amin'ny fahavalon'izy ireo ny olonao, na inona na inona fomba nandefasanao azy ireo, ary raha mivavaka aminao manatrika ity tanàna izay voafidinao ity izy ireo, ary manatrika ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao. BSB BSB: When Your people go to war against their enemies, wherever You send them, and when they pray to You in the direction of this city You have chosen and the house I have built for Your Name,
35 ULB Dia mihainoa ny vavaka, sy ny fangatahan'izy ireo avy any an-danitra, ary omeo rariny izy ireo. BSB BSB: then may You hear from heaven their prayer and their plea, and may You uphold their cause.
36 ULB Raha atao hoe manota aminao izy ireo—satria tsy misy olona tsy manota—ary raha atao hoe tezitra amin'izy ireo Ianao ka manolotra azy ireo ho eo amin'ny fahavalo, mba hitondran'ny fahavalo azy ireo sy hangalana azy ireo ho babo any amin'ny tanin'izy ireo, na lavitra na akaiky. BSB BSB: When they sin against You—for there is no one who does not sin—and You become angry with them and deliver them to an enemy who takes them as captives to a land far or near,
37 ULB Ary raha atao hoe tsaroan'izy ireo fa any amin'ny tany izay nanaovana sesin-tany azy izy ireo, ary raha atao hoe mibebaka izy ireo ka mitady sitraka aminao any amin'ny tany nahababo azy ireo. Raha miteny izy ireo hoe: 'Nanao zavatra tsy nety izahay ary nanota. Ratsy fitondran-tena izahay.' BSB BSB: and when they come to their senses in the land to which they were taken, and they repent and plead with You in the land of their captors, saying, ‘We have sinned and done wrong; we have acted wickedly,’
38 ULB Raha atao hoe miverina aminao amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo any amin'ilay tanin'ny fahababoany izy ireo, izay nitondrany azy ireo ho babo, ary raha atao hoe mivavaka amin'ny taniny izy ireo, dia izay nomenao ho an'ny razamben'izy ireo, sy manandrify ny tanàna izay nofidinao, ary manandrify ilay trano izay naoriko ho an'ny anaranao. BSB BSB: and when they return to You with all their heart and soul in the land of the enemies who took them captive, and when they pray in the direction of the land that You gave to their fathers, the city You have chosen, and the house I have built for Your Name,
39 ULB Dia henoy avy any an-danitra, ilay toerana honenanao, ny vavak'izy ireo sy ny fangatahan'izy ireo famonjena, ary omeo ny rariny izy ireo. Mamelà ny olonao, izay nanota taminao. BSB BSB: then may You hear from heaven, Your dwelling place, their prayer and pleas, and may You uphold their cause. May You forgive Your people who sinned against You.
40 ULB Ankehitriny, ry Andriamanitro, miangavy aminao aho, aoka hisokatra ny masonao, ary aoka ny sofinao hihaino ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity. BSB BSB: Now, my God, may Your eyes be open and Your ears attentive to the prayer offered in this place.
41 ULB Ankehitriny ary mitsangàna, ry Yaveh Andriamanitra, eo amin'ny toerana fitsaharanao, Ianao sy ny fiaran'ny tanjakao. Aoka ny mpisoronao, ry Yaveh Andriamanitra, mba hitafy famonjena, ary aoka ireo olo-masinao hiravo amin'ny fahatsaranao. BSB BSB: Now therefore, arise, O LORD God, and enter Your resting place, You and the ark of Your might. May Your priests, O LORD God, be clothed with salvation, and may Your godly ones rejoice in goodness.
42 ULB Ry Yaveh Andriamanitra, aza mampiodina ny tavan'ilay voahosotrao hiala aminao. Tsarovy ireo asan'ny tsy fivadiham-panekenao ho an'i Davida, mpanomponao." BSB BSB: O LORD God, do not reject Your anointed one. Remember Your loving devotion to Your servant David.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.