1 ULB Ary rehefa avy nivavaka Solomona, dia nisy afo nidina avy any an-danitra ary nandevona ireo fanatitra dorana sy ireo sorona, ary nameno ny trano ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: When Solomon had finished praying, fire came down from heaven and consumed the burnt offering and the sacrifices, and the glory of the LORD filled the temple.
2 ULB Tsy afaka niditra tao an-tranon'i Yaveh ireo mpisorona, satria heniky ny voninahiny ny tranony. BSB BSB: The priests were unable to enter the house of the LORD, because the glory of the LORD had filled it.
3 ULB Nijery avokoa ny vahoakan'Israely rehefa nilatsaka ny afo ary teo amin'ilay trano ny voninahitr'i Yaveh. Nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany teo amin'ny rarivato izy ireo, nivavaka, ary nanome fisaorana an'i Yaveh. Hoy izy ireo hoe: "Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony." BSB BSB: When all the Israelites saw the fire coming down and the glory of the LORD above the temple, they bowed down on the pavement with their faces to the ground, and they worshiped and gave thanks to the LORD: “For He is good; His loving devotion endures forever.”
4 ULB Koa nanolotra sorona ho an'i Yaveh ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra. BSB BSB: Then the king and all the people offered sacrifices before the LORD.
5 ULB Nanolotra sorona omby roa arivo sy roa alina sy ondry aman'osy 120. 000 i Solomona Mpanjaka. Koa notokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'i Yaveh. BSB BSB: And King Solomon offered a sacrifice of 22,000 oxen and 120,000 sheep. So the king and all the people dedicated the house of God.
6 ULB Nitsangana ireo mpisorona, nijoro teny amin'izay nanompoany avy ny tsirairay; ireo Levita ihany koa niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Yaveh, izay nataon'i Davida mpanjaka mba hanomezana fisaorana an'i Yaveh tao amin'ny hira manao hoe: "Fa maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky." Nampaneno ny trompetrany teo anatrehan'izy ireo avy ireo mpisorona rehetra, ary nitsangana avokoa ny Israely rehetra. BSB BSB: The priests stood at their posts, as did the Levites with the musical instruments of the LORD, which King David had made for giving thanks to the LORD and with which David had offered praise, saying, “For His loving devotion endures forever.” Across from the Levites, the priests sounded trumpets, and all the Israelites were standing.
7 ULB Nanokana ny afovoan'ny kianja teo anoloan'ny tranon'i Yaveh i Solomona. Teo no nanolorany ilay fanatitra dorana sy ilay tavin'ny fanati-pihavanana, satria ny alitara varahina izay nataony dia tsy hay hitazomana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny sabora. BSB BSB: Then Solomon consecrated the middle of the courtyard in front of the house of the LORD, and there he offered the burnt offerings and the fat of the peace offerings, since the bronze altar he had made could not hold all these offerings.
8 ULB Nataon'i Solomona nandritry ny hafitoana ny firavoravoana tamin'izany fotoana izany, ary ny Israely rehetra niaraka taminy, dia fiangonana lehibe tokoa, hatrany Lebo Hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta. BSB BSB: So at that time Solomon and all Israel with him—a very great assembly of people from Lebo-hamath to the Brook of Egypt—kept the feast for seven days.
9 ULB Tamin'ny andro fahavalo dia nanao fivavahana manetriketrika izy ireo, satria nihazona ny fanokanana ny alitara, sy ny firavoravoana nandritry ny hafitoana izy ireo. BSB BSB: On the eighth day they held a solemn assembly, for the dedication of the altar had lasted seven days, and the feast seven days more.
10 ULB Tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana fahafito, dia nampody ny vahoaka tany amin'ny tranony tamim-pifaliana sy tamin'ny fo ravoravo i Solomona nohon'ny fahatsarana izay nasehon'i Yaveh tamin'i Davida, Solomona, ary ny Israely olony. BSB BSB: On the twenty-third day of the seventh month, Solomon sent the people away to their homes, joyful and glad of heart for the good things that the LORD had done for David, for Solomon, and for His people Israel.
11 ULB Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana. Ny zavatra rehetra izay avy tamin'ny fon'i Solomona mba hatao ao an-tranon'i Yaveh sy ao an-tranony, dia notanterahiny soa aman-tsara. BSB BSB: When Solomon had finished the house of the LORD and the royal palace, successfully carrying out all that was in his heart to do for the house of the LORD and for his own palace,
12 ULB Niseho tamin'i Solomona i Yaveh ny alina ary nilaza taminy hoe: "Efa reko ny vavakao, ary efa nifidy ity toerana ity ho an'ny tenako ho tranon'ny sorona Aho. BSB BSB: the LORD appeared to him at night and said to him: “I have heard your prayer and have chosen this place for Myself as a house of sacrifice.
13 ULB Raha atao hoe manidy ireo lanitra mba tsy hisian'ny orana Aho, na raha mandidy ireo valala handevona ny tany, na raha mandefa aretina eo amin'ny oloko Aho, BSB BSB: If I close the sky so there is no rain, or if I command the locust to devour the land, or if I send a plague among My people,
14 ULB ary raha ny oloko, izay antsoina amin'ny anarako, no hanetry ny tenany, sy hivavaka, sy hitady ny tavako, ary hiala amin'ny fomba ratsin'izy ireo, dia handre any an-danitra aho, hamela ny fahotan'izy ireo, ary hanasitrana ny taniny. BSB BSB: and if My people who are called by My name humble themselves and pray and seek My face and turn from their wicked ways, then I will hear from heaven, forgive their sin, and heal their land.
15 ULB Ankehitriny dia hisokatra ny masoko ary ny sofiko hiaino tsara ireo vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity. BSB BSB: Now My eyes will be open and My ears attentive to the prayers offered in this place.
16 ULB Fa ankehitriny dia nifidy sy nanokana ity trano ity aho mba ho eo mandrakizay ny anarako. Ny masoko sy ny foko dia ho eo isan'andro. BSB BSB: For I have now chosen and consecrated this temple so that My Name may be there forever. My eyes and My heart will be there for all time.
17 ULB Raha ny aminao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao, mankatò izay rehetra nandidiako anao ary mitandrina ireo didy aman-dalàko, BSB BSB: And as for you, if you walk before Me as your father David walked, doing all I have commanded you, and if you keep My statutes and ordinances,
18 ULB dia hametraka ny seza fiandrianan'ny fanjakanao aho, araka ny nolazaiko tao amin'ny fanekena iray tamin'ny Davida rainao, rehefa nilaza Aho hoe: 'Tsy ho foana amin'ny taranakao ny ho mpanapaka eo amin'Israely.' BSB BSB: then I will establish your royal throne, as I covenanted with your father David when I said, ‘You will never fail to have a man to rule over Israel.’
19 ULB Fa raha mivadika ianao, ka mahafoy ireo lalàko sy ireo didiko izay napetrako teo anoloanao, ary raha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo amin'izy ireny ianao, BSB BSB: But if you turn away and forsake the statutes and commandments I have set before you, and if you go off to serve and worship other gods,
20 ULB dia ho fongoriko hiala amin'ny taniko izay nomeko azy ireo ireny. Ity trano izay natokako ho amin'ny anarako ity, dia hariako tsy ho eto anatrehako, ary hataoko ho ohabolana sy vazivazy eo amin'ireo olona rehetra izany. BSB BSB: then I will uproot Israel from the soil I have given them, and I will banish from My presence this temple I have sanctified for My Name. I will make it an object of scorn and ridicule among all the peoples.
21 ULB Na dia efa tsara tarehy tokoa aza ity tempoly ity izao, dia ho tohina sy hisioka izay rehetra manavatsava izany. Hanontany izy ireo hoe: 'Nahoana Yaveh no nanao izao tamin'ity tany ity sy tamin'ity trano ity?' BSB BSB: And when this temple has become a heap of rubble, all who pass by it will be appalled and say, ‘Why has the LORD done such a thing to this land and to this temple?’
22 ULB Ny hafa hamaly hoe: 'Satria izy ireo nahafoy an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra ny razamben'izy ireo hiala avy tamin'ny tany Egypta, ary nihazona ireo andriamani-kafa sy niankohoka tamin'izy ireo sy nanompo azy ireo. Izany no antony nitondran'i Yaveh izao loza rehetra izao eo amin'izy ireo.'" BSB BSB: And others will answer, ‘Because they have forsaken the LORD, the God of their fathers, who brought them out of the land of Egypt, and have embraced other gods, worshiping and serving them—because of this, He has brought all this disaster upon them.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.