1 ULB Nony afaka ny roa-polo taona, nandritry ny nanamboaran'i Solomona ny tranon'i Yaveh sy ny tranony manokana, BSB BSB: Now at the end of the twenty years during which Solomon had built the house of the LORD and his own palace,
2 ULB dia namboarin'i Solomona indray ireo tanàna izay nomen'i Hirama azy, ary napetrany tao ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Solomon rebuilt the cities Hiram had given him and settled Israelites there.
3 ULB Nanafika an'i Hamata-zoba i Solomona ary nandresy izany. BSB BSB: Then Solomon went to Hamath-zobah and captured it.
4 ULB Ary izy nanangana an'i Tadmora tany an'efitra, sy ireo tanàna fitehirizana rehetra, izay naoriny tao Hamata. BSB BSB: He built Tadmor in the wilderness, in addition to all the store cities that he had built in Hamath.
5 ULB Nanangana an'i Beti-horona Ambony, sy Beti-horona Ambany, tanàna voaaro amin'ny manda, sy vavahady, ary fefy vy ihany koa izy. BSB BSB: He rebuilt Upper and Lower Beth-horon as fortified cities with walls, gates, and bars,
6 ULB Nanangana an'i Baleta sy ireo tanàna fitehirizana rehetra izay nananany izy, sy ny tanàna rehetra ho an'ireo kalesiny sy ny tanàna ho an'ireo mpitaingin-tsoavaliny, sy izay rehetra niriany atsangana araka izay tiany tao Jerosalema, tao Libanona, sy tao amin'ireo tany rehetra ambany fifehezany. BSB BSB: as well as Baalath, all the store cities that belonged to Solomon, and all the cities for his chariots and horses—whatever he desired to build in Jerusalem, Lebanon, and throughout the land of his dominion.
7 ULB Ary ireo olona rehetra izay sisa tavela avy tamin'ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, sy ny Jebosita, izay tsy an'Israely, BSB BSB: As for all the people who remained of the Hittites, Amorites, Perizzites, Hivites, and Jebusites (these people were not Israelites)—
8 ULB ireo taranany sisa tavela taorian'izy ireo tany amin'ny tany, izay tsy naringan'ny vahoakan'Israely— dia nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona, izany izy ireo mandrak'ankehitriny. BSB BSB: their descendants who remained in the land, those whom the Israelites had not destroyed—Solomon conscripted these people to be forced laborers, as they are to this day.
9 ULB Na izany aza, tsy nataon'i Solomona ho mpiasa an-terivozona ny vahoakan'Israely. Fa kosa, tonga miaramilany, sy mpifehiny, manam-pahefany, ary mpifehy ny tafiky ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny izy ireo. BSB BSB: But Solomon did not consign any of the Israelites to slave labor, because they were his men of war, the leaders of his captains, and the commanders of his chariots and cavalry.
10 ULB Ireo ihany koa no manam-pahefana lehibe mpandrindra ireo mpanaramaso izay an'i Solomona Mpanjaka, 250 tamin'izy ireo, no nanaramaso ny vahoaka izay nanao ny asa. BSB BSB: They were also the chief officers for King Solomon: 250 supervisors.
11 ULB Nentin'i Solomona nivoaka ny tanànan'i Davida ho any amin'ny trano izay namboariny ho azy ny zanaka vavin'i Farao, fa hoy izy hoe: "Tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida mpanjakan'Israely ny vadiko, satria na aiza na aiza nihavian'ny fiaran'i Yaveh dia masina." BSB BSB: Solomon brought the daughter of Pharaoh up from the City of David to the palace he had built for her. For he said, “My wife must not live in the house of David king of Israel, because the places the ark of the LORD has entered are holy.”
12 ULB Avy eo Solomona nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh teo amin'ny alitarany izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana. BSB BSB: At that time Solomon offered burnt offerings to the LORD on the altar of the LORD he had built in front of the portico.
13 ULB Nanolotra sorona arak'izay notakian'ny fanao isan'andro izy; nanolotra ireo izy, nanaraka ireo torolalana hita tanatin'ny didin'i Mosesy, tamin'ny andro Sabata, ny volana vaovao, sy tamin'ny andro firavoravoana voatondro in-telo mian-taona: dia ny andro Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy Masirasira, ny Herinandro Firavoravoana, ary ny andro Firavoravoan'ny Fialofana. BSB BSB: He observed the daily requirement for offerings according to the commandment of Moses for Sabbaths, New Moons, and the three annual appointed feasts—the Feast of Unleavened Bread, the Feast of Weeks, and the Feast of Tabernacles.
14 ULB Tamim-pitandremana ireo lalàn'i Davida rainy, no nanondroan'i Solomona ireo mpisorona ho amin'ny asany, ary ireo Levita ho amin'ny fitoerany, mba hidera an'Andriamanitra sy hanompo eo anoloan'ireo mpisorona, araka izay takian'ny fanao isan'andro. Ary nanendry ireo mpiandry vavahady tamin'ny fizaràny isaky ny vavahady rehetra ihany koa izy, fa izany no efa nandidian'i Davida, ilay lehilahin'Andriamanitra. BSB BSB: In keeping with the ordinances of his father David, Solomon appointed the divisions of the priests over their service, and the Levites for their duties to offer praise and to minister before the priests according to the daily requirement. He also appointed gatekeepers by their divisions at each gate, for this had been the command of David, the man of God.
15 ULB Ary ireo vahoaka ireo dia tsy mba nivily tamin'ireo didin'ny mpanjaka tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita na tamin'inona na tamin'inona, na mahakasika ireo trano fitehirizana. BSB BSB: They did not turn aside from the king’s command regarding the priests or the Levites in any matter, including that of the treasuries.
16 ULB Ireo asa rehetra nampanaovin'i Solomona dia tontosa avokoa, hatramin'ny andro nanorenana ny fanambanin'ny tranon'i Yaveh ka mandra-pahavitan'izany. Vita ny tranon'i Yaveh. BSB BSB: Thus all the work of Solomon was carried out, from the day the foundation was laid for the house of the LORD until it was finished. So the house of the LORD was completed.
17 ULB Avy eo Solomona nankany Ezion-gebera sy Elota, teny amoron-dranomasin'ny tany Edoma. BSB BSB: Then Solomon went to Ezion-geber and to Eloth on the coast of Edom.
18 ULB Ary nandefasan'i Hirama sambo nentin'ireo manam-pahefana izay tantsambo nanana traikefa izy. Niantsambo niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona ho any Ofira izy ireo. Naka talenta volamena 450 avy any izy ireo izay nentiny tany amin'i Solomona Mpanjaka. BSB BSB: So Hiram sent him ships captained by his servants, along with crews of experienced sailors. They went with Solomon’s servants to Ophir and acquired from there 450 talents of gold, which they delivered to King Solomon.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.