1 ULB Rehefa nandre ny lazan'i Solomona ny mpanjaka vavin'i Sheba, dia nakany Jerosalema izy mba hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra. Nandeha niaraka tamin'ny mpanao rodobe lava dia lava, sy rameva nampilanjaina zava-manitra, volamena maro be, ary vatosoa sarobidy maro izy. Rehefa tonga tany amin'i Solomona izy, dia nambarany taminy avokoa izay rehetra tao am-pony. BSB BSB: Now when the queen of Sheba heard about the fame of Solomon, she came to test him with difficult questions. She arrived in Jerusalem with a very large caravan—with camels bearing spices, gold in abundance, and precious stones. And she came to Solomon and spoke with him about all that was on her mind.
2 ULB Novalian'i Solomona avokoa ireo fanontaniany rehetra; tsy dia nisy sarotra loatra ho an'i Solomona; tsy nisy fanontaniana izay tsy voavaliny. BSB BSB: And Solomon answered all her questions; nothing was too difficult for him to explain.
3 ULB Rehefa hitan'ny mpanjaka vavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny lapa izay efa naoriny, BSB BSB: When the queen of Sheba saw the wisdom of Solomon, the palace he had built,
4 ULB ny sakafo teo ambony latabany, ny fipetran'ireo mpanompony, ny asan'ireo mpanompony ary ny fitafian'izy ireo, ireo mpitondra kapoakany sy fitafiany ihany koa, ary ny fomba izay nanolorany ny fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh, dia tsy nisy fanahy intsony tao aminy. BSB BSB: the food at his table, the seating of his servants, the service and attire of his attendants, the attire of his cupbearers, and the burnt offerings he presented at the house of the LORD, it took her breath away.
5 ULB Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka hoe: "Marina tokoa, ny tatitra izay reko tany amin'ny taniko momba ireo teninao sy ny fahendrenao. BSB BSB: She said to the king, “The report I heard in my own country about your words and wisdom is true.
6 ULB Tsy nino izay reko aho ambara-pahatongavako teto, ary ankehitriny dia hitan'ny masoko izany. Tsy antsasany akory no nolazaina tamiko momban'ny fahendrenao sy ny harenao! Nihoaranao ny laza izay reko. BSB BSB: But I did not believe the reports until I came and saw with my own eyes. Indeed, not half of the greatness of your wisdom was told to me. You have far exceeded the report I heard.
7 ULB Endrey sambatra ny vahoakanao, ary sambatra ireo mpanomponao izay efa teo anatrehanao foana, satria mandre ny fahendrenao izy ireo. BSB BSB: How blessed are your men! How blessed are these servants of yours who stand continually before you and hear your wisdom!
8 ULB Isaorana anie Yaveh Andriamanitrao, izay faly nandray anao, izay nametraka anao teo amin'ny seza fiandrianany, mba ho mpanjaka ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Satria ny Andriamanitrao efa nitia an'Israely, mba hametrahana azy ireo mandrakizay, dia nataony ho mpanjaka teo amin'izy ireo ianao, mba hanaovanao ny rariny sy fahamarinana!" BSB BSB: Blessed be the LORD your God, who has delighted in you to set you on His throne to be king for the LORD your God. Because your God loved Israel enough to establish them forever, He has made you king over them to carry out justice and righteousness.”
9 ULB Nomeny talenta volamena 120 ny mpanjaka ary zava-manitra sy vato sarobidy maro. Tsy nisy fatran-java-manitra maro noho ireo izay nomen'ny mpanjaka vavin'i Seba ho an'i Solomona Mpanjaka mbola nomena ho azy indray. BSB BSB: Then she gave the king 120 talents of gold, a great quantity of spices, and precious stones. There had never been such spices as those the queen of Sheba gave to King Solomon.
10 ULB Ireo mpanompon'i Hirama sy ireo mpanompon'i Solomona, izay nitondra volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato sarobidy ihany koa. BSB BSB: (The servants of Hiram and of Solomon who brought gold from Ophir also brought algum wood and precious stones.
11 ULB Tamin'ny hazo almoga, dia nanao dingana ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ny tranony ny mpanjaka, ary koa harpa sy lokanga ho an'ireo mpitendry. Tsy mbola nisy hazo toy izany ka hita tany amin'ny tanin'ny Joda tany aloha. BSB BSB: The king made the algum wood into steps for the house of the LORD and for the king’s palace, and into lyres and harps for the singers. Never before had anything like them been seen in the land of Judah.)
12 ULB Dia nomen'i Solomona Mpanjaka ireo zavatra izay niriany ny mpanjaka vavin'i Sheba, na inona na inona nangatahany, ho fanampin'izay efa nentiny tamin'ny mpanjaka. Koa dia lasa izy ary niverina tany amin'ny taniny, izy sy ireo mpanompony. BSB BSB: King Solomon gave the queen of Sheba all she desired—whatever she asked—far more than she had brought the king. Then she left and returned to her own country, along with her servants.
13 ULB Ary ny lanjam-bolamena tonga tany amin'i Solomona tao anatin'ny herintaona dia talenta volamena 666, BSB BSB: The weight of gold that came to Solomon each year was 666 talents,
14 ULB ankoatra ny volamena izay nentin'ireo mpiserasera sy ireo mpandranto. Ireo mpanjakan'i Arabia rehetra sy ireo governora tao amin'ny firenena ihany koa dia nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomana. BSB BSB: not including the revenue from the merchants and traders. And all the Arabian kings and governors of the land also brought gold and silver to Solomon.
15 ULB Nanamboatra apinga volamena voafantina lehibe roanjato i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato nomena ho an'ny tsirairay. BSB BSB: King Solomon made two hundred large shields of hammered gold; six hundred shekels of hammered gold went into each shield.
16 ULB Nanamboatra apinga volamena voafantina telonjato ihany koa izy. Mina volamena telo no nanaronana ny apinga tsirairay; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona ireo. BSB BSB: He also made three hundred small shields of hammered gold; three hundred shekels of gold went into each shield. And the king put them in the House of the Forest of Lebanon.
17 ULB Avy eo ny mpanjaka nanamboatra seza fiandrianana ivoara lehibe ary nopetahiny takela-bolamena tena manify indrindra izany. BSB BSB: Additionally, the king made a great throne of ivory and overlaid it with pure gold.
18 ULB Dingana enina no nankeo amin'ny seza fiandrianana, ary boribory ny tao aorian'ny tampon'ny seza fiandrianana. Nisy fitehenan-tanana teo amin'ny andanin'ny fipetrahana tsirairay, ary nisy liona roa nijoro teo amin'ireo andanin'ny fitehenan-tanana. BSB BSB: The throne had six steps, and a footstool of gold was attached to it. There were armrests on both sides of the seat, with a lion standing beside each armrest.
19 ULB Liona roa ambin'ny folo no nijoro teo amin'ireo dingana, iray isaky ny andanin'ny isaky ny dingana enina. Tsy mbola nisy seza fiandrinana toy ity tany amin'ny fanjakàna hafa. BSB BSB: Twelve lions stood on the six steps, one at either end of each step. Nothing like this had ever been made for any kingdom.
20 ULB Volamena avokoa ireo kapoaka fisotroan'i Solomona Mpanjaka, ary ny kapoka fisotroana rehetra tao amin'ny Tranon'ny Alan'i Libanona dia volamena tsy mifangaro avokoa. Tsy nisy volafotsy satria tsy noheverina ho sarobidy ny volafotsy tamin'ny andron'i Solomona. BSB BSB: All King Solomon’s drinking cups were gold, and all the utensils of the House of the Forest of Lebanon were pure gold. There was no silver, because it was accounted as nothing in the days of Solomon.
21 ULB Ny mpanjaka dia nanana sambo mpandeha an-dranomasina, niaraka tamin'ireo sambon'i Hirama. Indray mandeha isan-telo taona no nitondran'ny sambo volamena, volafotsy, ary ivoara, mbamin'ireo rajako sy gidro. BSB BSB: For the king had the ships of Tarshish that went with Hiram’s servants, and once every three years the ships of Tarshish would arrive bearing gold, silver, ivory, apes, and peacocks.
22 ULB Noho izany dia nihoatra ireo mpanjaka rehetra eran'izao tontolo izao tamin'ny harena sy fahendrena i Solomona Mpanjaka. BSB BSB: So King Solomon surpassed all the kings of the earth in riches and wisdom.
23 ULB Izao tontolo izao dia nitady ny fanatrehan'i Solomona mba handre ny fahendreny, izay efa napetrak'Andriamanitra tao am-pony. BSB BSB: All the kings of the earth sought an audience with Solomon to hear the wisdom that God had put in his heart.
24 ULB Ireo izay nitsidika dia nitondra rakitra, fanaka volafotsy sy volamena, fitafiana, fiarovana, ary zava-manitra, ary soavaly sy apondra, isan-taona. BSB BSB: Year after year, each visitor would bring his tribute: articles of silver and gold, clothing, weapons, spices, horses, and mules.
25 ULB Nanana fihinanam-bilona efatra arivo ho an'ireo soavaly sy ireo kalesy i Solomona, ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay natobiny tao amin'ny tanànan'ny kalesy sy niaraka taminy tany Jerosalema. BSB BSB: Solomon had 4,000 stalls for horses and chariots, and 12,000 horses, which he stationed in the chariot cities and also with him in Jerusalem.
26 ULB Nanapaka teo amin'ireo mpanjaka rehetra hatrany amin'ny Ony Eofrata ka hatrany amin'ny tanin'ny Filistina izy, ary hatrany amin'ny sisin-tanin'i Egypta. BSB BSB: He reigned over all the kings from the Euphrates to the land of the Philistines, as far as the border of Egypt.
27 ULB Nanana volafotsy tany Jerosalema ny mpanjaka, betsaka noho ireo vatosoa teny amin'ny tany. Nanamboatra hazo sedera betsaka noho ireo hazo amontana aviavy izay tao amin'ny tany lemaka izy. BSB BSB: The king made silver as common in Jerusalem as stones, and cedar as abundant as sycamore in the foothills.
28 ULB Nitondra soavaly ho an'i Solomona avy any Egypta sy avy any amin'ny tany rehetra izy ireo. BSB BSB: Solomon’s horses were imported from Egypt and from all the lands.
29 ULB Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Solomona, voalohany sady farany, tsy efa voasoratra tao amin'ny Tantaran'i Natana mpaminany, tao amin'ny Faminanian'i Ahija ilay Silonita, sy tao amin'ny Fahitan'Ido mpahita mahakasika an'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Solomon, from beginning to end, are they not written in the Records of Nathan the Prophet, in the Prophecy of Ahijah the Shilonite, and in the Visions of Iddo the Seer concerning Jeroboam son of Nebat?
30 ULB Nanjaka teo amin'Israely rehetra nandritry ny efapolo taona i Solomona. BSB BSB: Solomon reigned in Jerusalem over all Israel forty years.
31 ULB Nody mandry niaraka tamin'ireo razambeny izy ary ny vahoaka nandevina azy tany amin'ny tanànan'i Davida rainy. Rehoboama, zanaka lahiny, no tonga mpanjaka nandimby ny toerany. BSB BSB: And Solomon rested with his fathers and was buried in the city of his father David. And his son Rehoboam reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.