1 ULB Ankehitriny, ry malala, manoratra ho anareo ity taratasy faharoa ity aho ho fampatsiahivana entina hamporisihana ny sainareo madio, BSB BSB: Beloved, this is now my second letter to you. Both of them are reminders to stir you to wholesome thinking
2 ULB mba hahatsiarovanao ireo teny nolazain'ny mpaminany masina tany taloha sy ny didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsika izay nomen'ireo apostolinareo. BSB BSB: by recalling what was foretold by the holy prophets and commanded by our Lord and Savior through your apostles.
3 ULB Fantaro aloha izao, fa ny mpaniratsira dia ho avy amin'ny andro farany. Izy ireo dia haneso ary handeha araka ny filàn'izy ireo manokana. BSB BSB: Most importantly, you must understand that in the last days scoffers will come, scoffing and following their own evil desires.
4 ULB Izy ireo dia hiteny hoe: "Aiza ny fampanantenana ny amin'ny fiverenany? Fa hatrizay nodian'ny razambe mandry, dia tsy niova ny zavatra rehetra, eny fa hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao aza." BSB BSB: “Where is the promise of His coming?” they will ask. “Ever since our fathers fell asleep, everything continues as it has from the beginning of creation.”
5 ULB Izy ireo dia minia manadino fa ny lanitra sy ny tany dia nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotoana ela, BSB BSB: But they deliberately overlook the fact that long ago by God’s word the heavens existed and the earth was formed out of water and by water,
6 ULB nohon'ny didin'Andriamanitra, ary tamin'ny alalan'ireo zavatra ireo, no nandravàna ny tontolo tamin'izany fotoana izany, tamin'ny tondra-drano. BSB BSB: through which the world of that time perished in the flood.
7 ULB Fa ankehitriny ny lanitra sy ny tany dia natokana ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io ihany. Izy ireo dia voatokana ho amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanana ny olona ratsy fanahy. BSB BSB: And by that same word, the present heavens and earth are reserved for fire, being kept for the day of judgment and destruction of ungodly men.
10 ULB Na izany aza, ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lanitra dia hanjavona miaraka amin'ny feo mafy. Ny zavatra rehetra dia ho main'ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao aminy dia hambara. BSB BSB: But the Day of the Lord will come like a thief. The heavens will disappear with a roar, the elements will be destroyed by fire, and the earth and its works will be laid bare.
11 ULB Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia tokony ho olona manao ahoana ianareo? Tokony hiaina amin'ny fahamasinana sy ny fiainana araka an'Andriamanitra ianareo. BSB BSB: Since everything will be destroyed in this way, what kind of people ought you to be? You ought to conduct yourselves in holiness and godliness
12 ULB Tokony hanantena ary hanafaingana ny fiavian'ny andron' Andriamanitra ianareo. Amin'izany andro izany, ny lanitra dia ho levon'ny afo, ary ny zavatra rehetra dia hiempo amin'ny hafanana be. BSB BSB: as you anticipate and hasten the coming of the day of God, when the heavens will be destroyed by fire and the elements will melt in the heat.
13 ULB Fa araka ny fampanantenany, dia miandry ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hitoeran'ny fahamarinana. BSB BSB: But in keeping with God’s promise, we are looking forward to a new heaven and a new earth, where righteousness dwells.
14 ULB Noho izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, manaova ny tsara indrindra avy any aminareo mba tsy hisy pentina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany, am-piadanana. BSB BSB: Therefore, beloved, as you anticipate these things, make every effort to be found at peace—spotless and blameless in His sight.
16 ULB Paoly dia miresaka izany zavatra izany ao amin'ny taratasiny rehetra, izay misy zavatra sarotra takarina. Olona tsy misy fahalalana ary tsy miorina no manova ireny zavatra ireny, tahaka ny hanaovany ireo soratra masina hafa ihany koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. BSB BSB: He writes this way in all his letters, speaking in them about such matters. Some parts of his letters are hard to understand, which ignorant and unstable people distort, as they do the rest of the Scriptures, to their own destruction.
17 ULB Noho izany, ry malala, satria fantatrareo izany zavatra izany, dia tandremo ny tenanareo mba tsy ho voafandriky ny fitakin'ny olona ratsy fanahy ka ho very ny fahamarinanareo. BSB BSB: Therefore, beloved, since you already know these things, be on your guard so that you will not be carried away by the error of the lawless and fall from your secure standing.
18 ULB Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra ankehitriny ary mandrakizay. Amena! BSB BSB: But grow in the grace and knowledge of our Lord and Savior Jesus Christ. To Him be the glory both now and to the day of eternity. Amen.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.