1 ULB Taorian'izany dia nanontany an'i Yaveh i Davida ary niteny hoe: "Tokony hiakatra any amin'ny iray amin'ireo tanànan'i Joda ve aho?" Namaly azy i Yaveh hoe: "Miakàra." Hoy i Davida hoe: "Any amin'ny tanàna aiza no tokony halehako?" Dia namaly Yaveh hoe: "Any Hebrona." BSB BSB: Some time later, David inquired of the LORD, “Should I go up to one of the towns of Judah?” “Go up,” the LORD answered. Then David asked, “Where should I go?” “To Hebron,” replied the LORD.
2 ULB Noho izany dia niakatra niaraka tamin'ireo vadiny roa i Davida, dia i Ahinoama avy any Jezirelita, sy Abigaila avy any Karmela, ilay mpitondratena navelan'i Nabala. BSB BSB: So David went there with his two wives, Ahinoam of Jezreel and Abigail the widow of Nabal of Carmel.
3 ULB Nitondra ireo olona izay niaraka taminy, izay samy nitondra ny fianakaviany avy, ho any amin'ireo tanànan'i Hebrona, izay nanomboka nonenan'izy ireo i Davida. BSB BSB: David also took the men who were with him, each with his household, and they settled in the towns near Hebron.
4 ULB Avy eo tonga ireo lehilahy avy any Joda ary nanosotra an'i Davida ho mpanjaka eo amin'ny ankohonan'i Joda. Hoy izy ireo tamin'i Davida hoe: "Ireo olon'i Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly." BSB BSB: Then the men of Judah came to Hebron, and there they anointed David king over the house of Judah. And they told David, “It was the men of Jabesh-gilead who buried Saul.”
5 ULB Noho izany dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin'ireo olon'i Jabesi-gileada i Davida ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Tahian'i Yaveh ianareo, satria ianareo dia nampiseho izany tsy fivadihana izany tamin'i Saoly tomponareo sy nandevina azy. BSB BSB: So David sent messengers to the men of Jabesh-gilead to tell them, “The LORD bless you, because you showed this kindness to Saul your lord when you buried him.
6 ULB Ankehitriny haneho fanekem-pihavanana tsy mivadika sy fahatokiana aminareo anie Yaveh. Izaho ihany koa dia haneho izany fahatsarana izany aminareo satria nanao izany zavatra izany ianareo. BSB BSB: Now may the LORD show you loving devotion and faithfulness, and I will also show you the same favor because you have done this.
7 ULB Koa ankehitriny ary, aoka hatanjaka ny tananareo; manàna herim-po fa maty i Saoly tomponareo, ary ny fokon'i Joda nanosotra ahy ho mpanjaka eo amin'izy ireo." BSB BSB: Now then, be strong and courageous, for though Saul your lord is dead, the house of Judah has anointed me as their king.”
8 ULB Fa Abnera zanaka lahin'i Nera, mpifehy ny tafik'i Saoly, dia naka an'Isboseta zanaka lahin'i Saoly ary nitondra azy tany Mahanaima. BSB BSB: Meanwhile, Abner son of Ner, the commander of Saul’s army, took Saul’s son Ish-bosheth, moved him to Mahanaim,
9 ULB Nanao an'Isboseta ho mpanjakan'i Gileada, Asorita, Jezirela, Efraima, Benjamina, ary amin'Israely rehetra izy. BSB BSB: and made him king over Gilead, Asher, Jezreel, Ephraim, and Benjamin—over all Israel.
10 ULB Efapolo taona Isboseta zanaka lahin'i Saoly no nanomboka nanjaka teo amin'Israely, ary nanjaka nandritra ny roa taona izy. Fa nanaraka an'i Davida ny fokon'i Joda. BSB BSB: Saul’s son Ish-bosheth was forty years old when he began to reign over Israel, and he reigned for two years. The house of Judah, however, followed David.
11 ULB Fito taona sy enim-bolana ny fotoana nanjakan'i Davida tamin'ny fokon'i Joda tao Hebrona. BSB BSB: And the length of time that David was king in Hebron over the house of Judah was seven years and six months.
12 ULB Abnera zanaka lahin'i Nera, ary ireo mpanompon' Isboseta zanaka lahin'i Saoly, dia niala tao Mahanaima ho any Gibeona. BSB BSB: One day Abner son of Ner and the servants of Ish-bosheth son of Saul marched out from Mahanaim to Gibeon.
13 ULB Ary Joaba zanaka lahin'i Zeroia sy ireo mpanompon'i Davida dia nivoaka ary nihaona tamin'izy ireo teo amin'ny farihin'i Gibeona. Teny izy ireo no nipetraka, ny vondrona iray teo ankilan'ny farihy ary ny vondrona iray hafa teo andaniny. BSB BSB: So Joab son of Zeruiah and the servants of David marched out and met them by the pool of Gibeon. And the two groups took up positions on opposite sides of the pool.
14 ULB Hoy Abnera tamin'i Joaba hoe: "Aoka hitsangana sy hifaninana eo anoloantsika ireo tovolahy." Dia hoy Joaba hoe: "Aoka hitsangana izy ireo." BSB BSB: Then Abner said to Joab, “Let us have the young men get up and compete before us.” “Let them get up,” Joab replied.
15 ULB Dia nitsangana sy niara-niangona ireo tovolahy, roa ambin'ny folo avy tamin'i Benjamina sy Isboseta zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo avy tamin'ireo mpanompon'i Davida. BSB BSB: So they got up and were counted off—twelve for Benjamin and Ish-bosheth son of Saul, and twelve for David.
16 ULB Ny lehilahy tsirairay dia samy nisambotra ny mpifanandrina taminy tamin'ny lohany sy nanatsatoka ny sabany teo amin'ny andilan'ny mpifanandrina taminy, ary dia niara-lavo izy ireo. Koa dia nantsoina tamin'ny teny Hebreo hoe: "Helkata-hazorima" na "Sahan-tsabatra" izany toerana izany, izay any Gibeona. BSB BSB: Then each man grabbed his opponent by the head and thrust his sword into his opponent’s side, and they all fell together. So this place, which is in Gibeon, is called Helkath-hazzurim.
17 ULB Tena mafy ny ady tamin'io andro io ary resy teo anoloan'ireo mpanompon'i Davida i Abnera sy ireo lehilahin'Israely. BSB BSB: The battle that day was intense, and Abner and the men of Israel were defeated by the servants of David.
18 ULB Teo ireo zanak'i Zeroia telo lahy: Joaba, sy Abisay, ary Asahela. Ny tongotr'i Asahela dia haingam-pandeha tahaka ny gazela-dia. BSB BSB: The three sons of Zeruiah were there: Joab, Abishai, and Asahel. Now Asahel was fleet of foot like a wild gazelle,
19 ULB Ary Asahela nanenjika akaiky an'i Abnera sy nanaraka azy tsy nivilivily tamin'ny lalany rehetra. BSB BSB: and he chased Abner, not turning to the right or to the left in his pursuit.
20 ULB Nijery ny tao aoriany Abnera ary nanao hoe: "Ianao ve io ry Asahela?" Namaly izy hoe: "Izaho ity." BSB BSB: And Abner glanced back and said, “Is that you, Asahel?” “It is,” Asahel replied.
21 ULB Dia hoy Abnera taminy hoe: "Mivilia any amin'ny ankavananao na ny ankavianao, ary misambora iray amin'ireo tovolahy ka alaivo ny fiadiany." Fa tsy nivily Asahela. BSB BSB: So Abner told him, “Turn to your right or to your left, seize one of the young men, and take his equipment for yourself.” But Asahel would not stop chasing him.
22 ULB Dia hoy indray Abnera tamin'i Asahela hoe: "Ajanony ny fanenjehana ahy. Nahoana aho no tokony hamely anao amin'ny tany? Ataoko ahoana ny hanatri-tava an'i Joaba, rahalahinao?" BSB BSB: Once again, Abner warned Asahel, “Stop chasing me. Why should I strike you to the ground? How could I show my face to your brother Joab?”
23 ULB Fa tsy nanaiky ny hivily i Asahela, ary dia notrobaran'i Abnera ny antsin-defony ny vatany, ka nivoaka avy tao an-damosiny ilay lefona. Nikarapoka ary maty teo Asahela. Koa izay olona tonga teo amin'ilay toerana izay nampikarapoka sy nahafaty an'i Asahela, dia nijanona sy tsy nihetsika teo. BSB BSB: But Asahel refused to turn away. So Abner thrust the butt of his spear into his stomach, and it came out his back, and he fell dead on the spot. And every man paused when he came to the place where Asahel had fallen and died.
24 ULB Fa nenjehan'i Joaba sy Abisay i Abnera. Rehefa nilentika ny masoandro, dia tonga teo amin'ny havoan'i Ama, izay akaikin'i Gia eo amoron'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona izy ireo. BSB BSB: But Joab and Abishai pursued Abner. By sunset, they had gone as far as the hill of Ammah opposite Giah on the way to the wilderness of Gibeon.
25 ULB Niara-niangona tao aorian'i Abnera ireo lehilahin'i Benjamina ary nitsangana teo an-tampon'ilay havoana. BSB BSB: The Benjamites rallied to Abner, formed a single unit, and took their stand atop a hill.
26 ULB Avy eo dia niantso an'i Joaba i Abnera ary niteny hoe: "Tsy maintsy handrapaka mandrakizay ve ny sabatra? Tsy fantatrao ve fa hangidy izany any amin'ny farany? Mandra-pahoviana ianao vao hiteny ny olonao mba hitsahatra tsy hanenjika ny rahalahiny izy ireo? BSB BSB: Then Abner called out to Joab: “Must the sword devour forever? Do you not realize that this will only end in bitterness? How long before you tell the troops to stop pursuing their brothers?”
27 ULB Dia namaly Joaba hoe: "Raha mbola velona koa Andriamanitra, raha tsy niteny izany ianao, dia ho nanenjika ireo rahalahin'izy ireo mandra-maraina ireo miaramilako!" BSB BSB: “As surely as God lives,” Joab replied, “if you had not spoken up, the troops would have continued pursuing their brothers until morning.”
28 ULB Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ary nijanona ny olony rehetra ka tsy nanenjika ny Israely intsony, na niady intsony izy ireo. BSB BSB: So Joab blew the ram’s horn, and all the troops stopped; they no longer pursued Israel or continued to fight.
29 ULB Nanditra izany alina izany dia nandeha namakivaky an'i Arabà i Abnera sy ny olony. Niampita an'i Jordana izy ireo, nandeha nandritra ny ampitso maraina tontolo, ary dia tonga tao Mahanaima. BSB BSB: And all that night Abner and his men marched through the Arabah. They crossed the Jordan, marched all morning, and arrived at Mahanaim.
30 ULB Niverina avy nanenjika an'i Abnera i Joaba. Nanangona ny olony rehetra izy, ka i Asahela sy miaramila sivy ambin'ny folo avy amin'i Davida no tsy teo. BSB BSB: When Joab returned from pursuing Abner, he gathered all the troops. In addition to Asahel, nineteen of David’s servants were missing,
31 ULB Fa ireo olon'i Davida dia namono 360 lahy tamin'ny olon'i Benjamina izay niaraka tamin'i Abnera. BSB BSB: but they had struck down 360 Benjamites who were with Abner.
32 ULB Avy eo dia nalain'izy ireo i Asahela ary naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ireo olony nandeha ny alina tontolo, ary vao nangiran-dratsy izy ireo no tonga tao Hebrona. BSB BSB: And they took Asahel and buried him in his father’s tomb in Bethlehem. Then Joab and his men marched all night and reached Hebron at daybreak.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.