1 ULB Taorian'ny nahafatesan'i Saoly, dia niverina avy any amin'ny fanafihana an'ireo Amalekita i Davida ary nijanona tao Ziklaga nandritra ny roa andro. BSB BSB: After the death of Saul, David returned from the slaughter of the Amalekites and stayed in Ziklag two days.
2 ULB Tamin'ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy iray niaraka tamin'ny fitafiany rotidrotika sy loto teo amin'ny lohany no tonga avy tany amin'ny tobin'i Saoly. Rehefa tonga teo amin'i Davida izy dia niankohoka tamin'ny tany ary nanondrika ny tenany. BSB BSB: On the third day a man with torn clothes and dust on his head arrived from Saul’s camp. When he came to David, he fell to the ground to pay him homage.
3 ULB Hoy Davida taminy hoe: "Avy aiza ianao?" Namaly izy hoe: "Nitsoaka avy tany amin'ny tobin'Israely aho." BSB BSB: “Where have you come from?” David asked. “I have escaped from the Israelite camp,” he replied.
4 ULB Hoy Davida taminy hoe: "Lazao ahy re ny fisehoan'izany zavatra izany." Namaly izy hoe: "Nandositra tamin'ny ady ireo vahoaka. Maro no lavo ary maro no maty. Saoly sy Jonatana zanany lahy ihany koa dia maty." BSB BSB: “What was the outcome?” David asked. “Please tell me.” “The troops fled from the battle,” he replied. “Many of them fell and died. And Saul and his son Jonathan are also dead.”
5 ULB Hoy Davida tamin'ilay tovolahy hoe: "Ahoana no hahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany?" BSB BSB: Then David asked the young man who had brought him the report, “How do you know that Saul and his son Jonathan are dead?”
6 ULB Namaly ilay tovolahy hoe: "Kisendrasendra no naha-teo amin'ny Tendrombohitr'i Gilboa ahy, ary indro Saoly nitehina tamin'ny lefony, ary ireo kalesy sy ireo mpitaingina azy dia teo am-pisamborana azy. BSB BSB: “I happened to be on Mount Gilboa,” he replied, “and there was Saul, leaning on his spear, with the chariots and the cavalry closing in on him.
7 ULB Nihodikodina Saoly ary nahita ahy ka niantso mafy ahy. Dia namaly aho hoe: 'Inty aho.' BSB BSB: When he turned around and saw me, he called out to me, and I answered, ‘Here I am!’
8 ULB Hoy izy tamiko hoe: 'Iza ianao?' Namaly azy aho hoe: 'Amalekita aho.' BSB BSB: ‘Who are you?’ he asked. So I told him, ‘I am an Amalekite.’
9 ULB Hoy izy tamiko hoe: 'Mitsangàna re eto akaikiko ary vonoy aho, fa fahoriana lehibe no manjo ahy, kanefa mbola ato amiko ny aina.' BSB BSB: Then he begged me, ‘Stand over me and kill me, for agony has seized me, but my life still lingers.’
10 ULB Noho izany dia nanatona teo aminy aho ary namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy taorian'ny nahalavo azy. Avy eo dia nalaiko ny satro-boninahitra izay teo amin'ny lohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ary ireo nentiko eto aminao ireo, ry tompoko." BSB BSB: So I stood over him and killed him, because I knew that after he had fallen he could not survive. And I took the crown that was on his head and the band that was on his arm, and I have brought them here to my lord.”
11 ULB Avy eo dia nandrovitra ireo fitafiany i Davida, ary nanao toy izany koa ireo olona rehetra niaraka taminy. BSB BSB: Then David took hold of his own clothes and tore them, and all the men who were with him did the same.
12 ULB Nisaona izy ireo, nitomany, ary nifady hanina ho an'i Saoly mandrapa-hariva, ho an'i Jonatana zanany lahy, ho an'ireo vahoakan'i Yaveh, ary ho an'ny ankohonan'Israely satria lavo tamin'ny sabatra izy ireo. BSB BSB: They mourned and wept and fasted until evening for Saul and his son Jonathan, and for the people of the LORD and the house of Israel, because they had fallen by the sword.
13 ULB Hoy Davida tamin'ilay tovolahy hoe: "Avy aiza ianao?" Namaly izy hoe: "Zanaky ny vahiny iray eo amin'ny tany aho, Amalekita iray." BSB BSB: And David inquired of the young man who had brought him the report, “Where are you from?” “I am the son of a foreigner,” he answered. “I am an Amalekite.”
14 ULB Hoy Davida taminy hoe: "Nahoana ianao no tsy natahotra namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh tamin'ny tananao ihany?" BSB BSB: So David asked him, “Why were you not afraid to lift your hand to destroy the LORD’s anointed?”
15 ULB Niantso ny iray tamin'ireo tovolahy i Davida ary niteny hoe: "Mandehana ary vonoy izy." Koa nandeha izany lehilahy izany ary namely azy, ka maty ilay Amalekita. BSB BSB: Then David summoned one of the young men and said, “Go, execute him!” So the young man struck him down, and he died.
16 ULB Avy eo dia niteny tamin'ny fatin'ilay Amalekita i Davida hoe: "Eo amin'ny lohanao ny rànao satria ny vavanao ihany no vavolombelona nanohitra anao ary nanao hoe: 'Namono ny mpanjaka voahosotr'i Yaveh aho.'" BSB BSB: For David had said to the Amalekite, “Your blood be on your own head because your own mouth has testified against you, saying, ‘I killed the LORD’s anointed.’”
17 ULB Avy eo dia nihira ity hira fisaonana momban'i Saoly sy Jonatana zanany lahy ity i Davida. BSB BSB: Then David took up this lament for Saul and his son Jonathan,
18 ULB Nibaiko ny vahoaka izy mba hampianatra izany Hiran'ny Tsipîka izany an'ireo zanaka lahin'i Joda, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara. BSB BSB: and he ordered that the sons of Judah be taught the Song of the Bow. It is written in the Book of Jashar:
19 ULB "Ny voninahitrao, ry Israely, dia maty, voavono teo amin'ny toeranao avo! Endrey ny fahalavòn'ilay mahery! BSB BSB: “Your glory, O Israel, lies slain on your heights. How the mighty have fallen!
20 ULB Aza lazaina ao Gata izany, aza ambara eny amin'ireo lalan'i Askelona, mba tsy ho afaka hifaly ireo zanaka vavin'ny Filistina, mba tsy hankalaza ireo zanaka vavin'ny tsy voafora. BSB BSB: Tell it not in Gath; proclaim it not in the streets of Ashkelon, lest the daughters of the Philistines rejoice, and the daughters of the uncircumcised exult.
21 ULB Ry Tendrombohitr'i Gilboa, tsy hisy ando sy orana anie eo aminao, na saha manome voa ho fanatitra, satria teo ny fiarovan'ilay mahery no voaloto. Ny fiarovan'i Saoly dia tsy voahosotra amin'ny menaka intsony. BSB BSB: O mountains of Gilboa, may you have no dew or rain, no fields yielding offerings of grain. For there the shield of the mighty was defiled, the shield of Saul, no longer anointed with oil.
22 ULB Avy amin'ny ràn'ireo izay voavono, avy amin'ny fatin'ireo mahery, dia tsy niverina ny tsipîkan'i Jonatana, ary tsy niverim-poana ny sabatr'i Saoly. BSB BSB: From the blood of the slain, from the fat of the mighty, the bow of Jonathan did not retreat, and the sword of Saul did not return empty.
23 ULB Saoly sy Jonatana dia tiana sy mpamindra fo teo amin'ny fiainana, ary tsy nosarahina izy ireo tamin'ny fahafatesan'izy ireo. Malaika noho ny voromahery izy ireo, natanjaka noho ny liona. BSB BSB: Saul and Jonathan, beloved and delightful in life, were not divided in death. They were swifter than eagles; they were stronger than lions.
24 ULB Ianareo ry zanaka vavin'Israely, mitomania an'i Saoly, izay nampitafy jaky sy firavaka anareo, ary izay nametaka firavaka volamena teo amin'ny akanjonareo. BSB BSB: O daughters of Israel, weep for Saul, who clothed you in scarlet and luxury, who decked your garments with ornaments of gold.
25 ULB Endrey ny fahalavon'ilay mahery teo afovoan'ny ady! Novonoina teo amin'ny toeranao avo i Jonatana. BSB BSB: How the mighty have fallen in the thick of battle! Jonathan lies slain on your heights.
26 ULB Ory nohon'ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko. Tena malala tamiko ianao. Mahatalanjona ny fitiavanao ahy, mihoatra noho ny fitiavan'ireo vehivavy. BSB BSB: I grieve for you, Jonathan, my brother. You were delightful to me; your love to me was extraordinary, surpassing the love of women.
27 ULB Endrey ny fahalavon'ilay mahery, sy ny fahalevonan'ireo fitaovam-piadian'ny ady!" BSB BSB: How the mighty have fallen, and the weapons of war have perished!”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.