1 ULB Ankehitriny, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba ho deraina sy homem-boninahitra ny tenin'ny Tompo, dia tahakan'izany ihany koa ny aminareo. BSB BSB: Finally, brothers, pray for us, that the word of the Lord may spread quickly and be held in honor, just as it was with you.
2 ULB Mivavaha mba ho afaka amin'ireo ratsy fanahy sy olon-dratsy izahay, fa tsy ny rehetra no manam-pinoana. BSB BSB: And pray that we may be delivered from wicked and evil men; for not everyone holds to the faith.
3 ULB Fa ny Tompo dia mahatoky, izay manamafy orina sy miambina anareo amin'ilay ratsy. BSB BSB: But the Lord is faithful, and He will strengthen you and guard you from the evil one.
4 ULB Manana fahatokiana amin'ny Tompo momba anareo izahay, mba sady hanaovanareo no hanohizanareo ireo zavatra izay nandidiana anay ianareo. BSB BSB: And we have confidence in the Lord that you are doing and will continue to do what we command.
5 ULB Ny Tompo anie hitarika ny fonareo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiaretan'i Kristy. BSB BSB: May the Lord direct your hearts into God’s love and Christ’s perseverance.
6 ULB Ankehitriny mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiala amin'ireo rahalahy rehetra izay miaina ao anatin'ny hakamoana sy tsy araka ireo fomban-drazana izay noraisinareo taminay. BSB BSB: Now we command you, brothers, in the name of our Lord Jesus Christ, to keep away from any brother who leads an undisciplined life that is not in keeping with the tradition you received from us.
7 ULB Fa ianareo tenanareo dia mahafantatra fa mety aminareo ny maka tahaka anay. Tsy niaina teo anivonareo tahaka ireo izay tsy nanana fitsipika izahay. BSB BSB: For you yourselves know how you ought to imitate us, because we were not undisciplined among you,
8 ULB Tsy nihinana sakafon'olona tsy naloa vola izahay. Fa kosa, niasa andro aman'alina tamin'ny asa sarotra sy ny zava-tsarotra izahay, mba tsy ho enta-mavesatra ho an'ny tsirairay aminareo. BSB BSB: nor did we eat anyone’s food without paying for it. Instead, in labor and toil, we worked night and day so that we would not be a burden to any of you.
9 ULB Tsy hoe nohon'ny tsy fananana fahefana no nanaovanay izany. Fa kosa, nanao izany izahay mba ho fitaratra ho anareo, ka mba hanahaka anay ianareo. BSB BSB: Not that we lack this right, but we wanted to offer ourselves as an example for you to imitate.
10 ULB Rehefa niaraka taminareo izahay, dia nandidy anareo hoe: "Raha misy iray tsy te hiasa, dia tsy tokony hihinana izy." BSB BSB: For even while we were with you, we gave you this command: “If anyone is unwilling to work, he shall not eat.”
11 ULB Fa mandre izahay fa miraviravy tanana ny sasany aminareo. Tsy miasa izy ireo fa mpitsabaka. BSB BSB: For we hear that some of you are leading undisciplined lives, accomplishing nothing, but being busybodies.
12 ULB Ankehitriny ireo olona tahaka izany dia didinay sy hanarinay amin'i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahanginana sy hihinana ny sakafon'izy ireo manokana. BSB BSB: We command and urge such people by our Lord Jesus Christ to begin working quietly to earn their own living.
13 ULB Fa ianareo, ry rahalahy, aza mamoy fo amin'ny fanaovana izay marina. BSB BSB: But as for you, brothers, do not grow weary in well-doing.
14 ULB Raha misy tsy mankatoa ny tenintsika amin'ity taratasy ity, mariho eo imason'ny olona izy ary aza manana fifandraisana aminy, ka mety ho menatra izy. BSB BSB: Take note of anyone who does not obey the instructions we have given in this letter. Do not associate with him, so that he may be ashamed.
15 ULB Aza raisina ho fahavalo izy, fa hanaro ho toy ny rahalahy. BSB BSB: Yet do not regard him as an enemy, but admonish him as a brother.
16 ULB Fa ilay Tompon'ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo amin'ireo fotoana sy amin'ireo fomba rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo. BSB BSB: Now may the Lord of peace Himself give you peace at all times and in every way. The Lord be with all of you.
17 ULB Ity no fanaovako veloma, izaho Paoly, tamin'ny tanako, izay famantarana amin'ny taratasy rehetra. Izao no soratro. BSB BSB: This greeting is in my own hand—Paul. This is my mark in every letter; it is the way I write.
18 ULB Ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie ho aminareo rehetra. BSB BSB: The grace of our Lord Jesus Christ be with all of you.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.