1 ULB Nahita ny Tompo nijoro teo akaikin'ny Alitara aho, ary hoy Izy hoe: "Kapohy ny tendron'ireo andry mba hihozona ireo fototra. Torotoroy ny eny amin'ny lohany rehetra eny, ary hamono amin'ny sabatra ny sisa tavela amin'izy ireo Aho. Tsy misy iray handositra amin'izy ireo, tsy misy ho tafatsoaka amin'izy ireo. BSB BSB: I saw the Lord standing beside the altar, and He said: “Strike the tops of the pillars so that the thresholds shake. Topple them on the heads of all the people, and I will kill the rest with the sword. None of those who flee will get away; none of the fugitives will escape.
2 ULB Na handavaka any amin'ny fiainan-tsi-hita aza izy ireo, dia ny tanako no haka azy ireo any. Na dia hiakatra eny amin'ny lanitra aza izy ireo, dia ho entiko midina. BSB BSB: Though they dig down to Sheol, from there My hand will take them; and though they climb up to heaven, from there I will pull them down.
3 ULB Na dia miafina any an-tampon'ny Karmela aza izy ireo, dia hikaroka ary haka azy ireo any Aho. Na dia miafina any ambanin'ny ranomasina aza izy ireo, dia haniraka ny bibilava any Aho, ary hanaikitra azy ireo izany. BSB BSB: Though they hide themselves atop Carmel, there I will track them and seize them; and though they hide from Me at the bottom of the sea, there I will command the serpent to bite them.
4 ULB Na dia mandeha ao amin'ny fahababoana aza izy ireo, entin'ny fahavalony eo anoloan'izy ireo, dia hanome baiko ny sabatra Aho, ary hamono azy ireo izany. Hijery azy ireo foana ny masoko mba hanimba fa tsy hanao soa azy ireo." BSB BSB: Though they are driven by their enemies into captivity, there I will command the sword to slay them. I will fix My eyes upon them for harm and not for good.”
5 ULB Yaveh Tompon'ny maro dia nikasika ny tany ary lasa karakaina izany; ny rehetra izay miaina ao amin'izany dia misaona; hiakatra toy ny Ony izany rehetra izany, ary hilentika indray toy ny onin'i Egypta, BSB BSB: The Lord GOD of Hosts, He who touches the earth and it melts, and all its dwellers mourn—all the land rises like the Nile, then sinks like the river of Egypt—
6 ULB Izy no nanamboatra ireo tohany any an-danitra, ary efa nametraka ny andohalambony manerana ny tany. Niantso ny ranon'ny ranomasina Izy, ary nandraraka izany teo amin'ny velaran-tanin'izy ireo, Yaveh no anarany. BSB BSB: He builds His upper rooms in the heavens and founds His vault upon the earth. He summons the waters of the sea and pours them over the face of the earth. The LORD is His name.
8 ULB Indro, eo amin'ny fanjakana mpanota ny mason'ny Tompo Yaveh, ary hamongotra azy tsy ho eto ambonin'ny tany aho, kanefa tsy hamotika tanteraka ny tranon'i Jakoba aho —izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Surely the eyes of the Lord GOD are on the sinful kingdom, and I will destroy it from the face of the earth. Yet I will not utterly destroy the house of Jacob,” declares the LORD.
9 ULB Indro, hanome baiko, ary hanozongozona ny zanak'Israely eo amin'ny firenena rehetra Aho, tahaka ny olona manivana vary amin'ny sivana, mba tsy hilatsahan'ny vato kely amin'ny tany. BSB BSB: “For surely I will give the command, and I will shake the house of Israel among all the nations as grain is sifted in a sieve; but not a pebble will reach the ground.
10 ULB Ny mpanota rehetra avy amin'ny vahoakako dia ho faty amin'ny sabatra, ireo izay milaza hoe: 'Tsy hahatratra na hanatona antsika ny loza.' BSB BSB: All the sinners among My people will die by the sword—all those who say, ‘Disaster will never draw near or confront us.’”
11 ULB Amin'izay andro izay dia hanangana ny trano-lain'i Davida izay nianjera Aho, ary hanampina ireo bangany. hatsangako ireo faharavany, ary hamboariko ho toy ny tamin'ny andro fahiny izany. BSB BSB: “In that day I will restore the fallen tent of David. I will repair its gaps, restore its ruins, and rebuild it as in the days of old,
12 ULB Mba hananan'izy ireo ny sisa tavela an'i Edoma, ary ny firenena rehetra izay nantsoina tamin'ny anarako —izany no fanambaran'i Yaveh—nanao izany Izy. BSB BSB: that they may possess the remnant of Edom and all the nations that bear My name,” declares the LORD, who will do this.
13 ULB Indro, ho avy ilay andro—izany no fanambaran'i Yaveh— rehefa mahatratra ny fijinjana ny mpiasa-tany, ary ireo mpioty voaloboka dia hahatratra azy izay namboly ny voany. Ireo tendrombohitra dia hampiboiboika divay mamy, ary ireo havoana rehetra dia hikoriana miaraka amin'izany. BSB BSB: “Behold, the days are coming,” declares the LORD, “when the plowman will overtake the reaper and the treader of grapes, the sower of seed. The mountains will drip with sweet wine, with which all the hills will flow.
14 ULB Ho entiko miverina avy any amin'ny fahababoana ny vahoakako Israely. Hanangana ireo tanàna rava izy ireo ary hipetraka amin'izany, hamboly tanim-boaloboka izy ireo ary hisotro ny divain'izany, ary hanao zaridaina izy ireo ary hihinana ny vokatr'izany. BSB BSB: I will restore My people Israel from captivity; they will rebuild and inhabit the ruined cities. They will plant vineyards and drink their wine; they will make gardens and eat their fruit.
15 ULB Hamboly izany eo amin'ny tanin'izy ireo Aho, ary tsy hihongotra eo amin'ny tany izay nomeko azy ireo intsony mihitsy izy ireo," hoy i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: I will firmly plant them in their own land, never again to be uprooted from the land that I have given them,” says the LORD your God.