1 ULB Izao no nasehon'ny Tompo Yaveh tamiko. Indro, voankazon'ny fahavaratra iray harona! BSB BSB: This is what the Lord GOD showed me: I saw a basket of summer fruit.
2 ULB Hoy Izy hoe: "Inona no hitanao, ry Amosa?" Dia hoy aho hoe: "Ny haron'ny voankazo fahavaratra." Dia hoy i Yaveh tamiko hoe: "Efa tonga amin'ny Israely vahoakako ny farany; tsy hamindra fo amin'izy ireo intsony aho. BSB BSB: “Amos, what do you see?” He asked. “A basket of summer fruit,” I replied. So the LORD said to me, “The end has come for My people Israel; I will no longer spare them.”
3 ULB Ho tonga fidradradradrana ny hiran'ny tempoly. Tamin'izany andro izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. Ho maro ireo faty, dia hatsipin'izy ireo mangingina eny amin'ny rehetra eny ireny!" BSB BSB: “In that day,” declares the Lord GOD, “the songs of the temple will turn to wailing. Many will be the corpses, strewn in silence everywhere!”
4 ULB Henoy izao, ianareo izay manitsaka ny ory sy manilika ny mahantran'ny tany. BSB BSB: Hear this, you who trample the needy, who do away with the poor of the land,
5 ULB Hiteny izy ireo hoe: "Rahoviana no ho tapitra ny volana vaovao, mba hafahantsika mivarotra vary indray? Rahoviana no ho tapitra ny andro Sabata, mba hahafahantsika mivarotra vary? Hataontsika kely ny famarana ary hampiakarina ny vidim-bary, ary hangalatra amin'ny mizàna diso isika. BSB BSB: asking, “When will the New Moon be over, that we may sell grain? When will the Sabbath end, that we may market wheat? Let us reduce the ephah and increase the shekel; let us cheat with dishonest scales.
6 ULB Izany dia mba hahafahantsika mivarotra vary ratsy, vidio amin'ny volafotsy ny ory, ary ny mahantra amin'ny kapa." BSB BSB: Let us buy the poor with silver and the needy for a pair of sandals, selling even the chaff with the wheat!”
7 ULB Nianiana tamin'ny fireharehan'i Jakoba i Yaveh hoe: "Tena tsy ho adinoko mandrakizay mihitsy ny nataon'izy ireo." BSB BSB: The LORD has sworn by the Pride of Jacob: “I will never forget any of their deeds.
8 ULB Tsy hihorohoro noho izany ve ny tany, ary ny olona rehetra izay monina ho ao amin'izany dia misaona? Ny ankabetsahan'izany dia hitsangana toy ny Onin'i Neily, ary hisamboaravoara sy hilentika indray izany, tahaka ny Onin'ny Egypta. BSB BSB: Will not the land quake for this, and all its dwellers mourn? All of it will swell like the Nile; it will surge and then subside like the Nile in Egypt.
9 ULB "Dia ho avy izany amin'io andro io —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— fa hampiposaka ny masoandro amin'ny mitatao vovonana Aho, ary hanamaizina ny tany amin'ny atoandro. BSB BSB: And in that day, declares the Lord GOD, I will make the sun go down at noon, and I will darken the earth in the daytime.
10 ULB Hamadika ny firavoravoanareo ho fisaonana Aho ary ireo hiranareo rehetra ho fitomaniana. Hampanaoviko ny akanjo fisaonana avokoa ianareo rehetra ary ho sola ny lohan'ny tsirairay. Hanao izany ho tahaka ny fisaonana ho an'ny zanaka lahitokana izany, ary andro mangidy any amin'ny faran'izany. BSB BSB: I will turn your feasts into mourning and all your songs into lamentation. I will cause everyone to wear sackcloth and every head to be shaved. I will make it like a time of mourning for an only son, and its outcome like a bitter day.
11 ULB Indro, tonga ny andro —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— Rehefa handefa mosary eny amin'ny tany Aho, tsy mosary mofo, na koa hetaheta rano, fa ho amin'ny fandrenesana ireo tenin'i Yaveh. BSB BSB: Behold, the days are coming, declares the Lord GOD, when I will send a famine on the land—not a famine of bread or a thirst for water, but a famine of hearing the words of the LORD.
12 ULB Hivembena erakin'ny ranomasina izy ireo; dia hiazakazaka avy any avaratra ka hatrany atsinanana mba hitady ny tenin'i Yaveh, saingy tsy hahita izany izy ireo. BSB BSB: People will stagger from sea to sea and roam from north to east, seeking the word of the LORD, but they will not find it.
13 ULB Amin'izany andro izany ireo virijiny tsara tarehy sy ireo tovolahy dia ho ketraky ny hetaheta. BSB BSB: In that day the lovely young women—the young men as well—will faint from thirst.
14 ULB Ireo izay nianiana tamin'ny fahotan'i Samaria dia ho lavo izy ireo ary tsy hitsangana intsony." BSB BSB: Those who swear by the guilt of Samaria and say, ‘As surely as your god lives, O Dan,’ or, ‘As surely as the way of Beersheba lives’—they will fall, never to rise again.”