1 ULB Izany no nasehon'i Yaveh tamiko. Indro, namorona valala be izy rehefa nanomboka niakatra ny vokatry ny lohataona, ary indro, taraiky ny vokatra tao aorian'ny vokatry ny mpanjaka. BSB BSB: This is what the Lord GOD showed me: He was preparing swarms of locusts just after the king’s harvest, as the late spring crop was coming up.
2 ULB Rehefa avy nihinana ny vokatry ny tany izy ireo, dia hoy aho: "Ry Tompo Yaveh, mba mamindrà re fo amiko, ahoana no haveloman'i Jakoba? Satria dia tena kely izy?" BSB BSB: And when the locusts had eaten every green plant in the land, I said, “Lord GOD, please forgive! How will Jacob survive, since he is so small?”
3 ULB ka nanatsahatra ny mahakasika izany Yaveh. "Tsy hiseho izany", hoy Izy. BSB BSB: So the LORD relented from this plan. “It will not happen,” He said.
4 ULB Izao no nasehon'i Tompo Yaveh ahy: Indro, miantso amin'ny fitsaran'ny afo ny Tompo Yaveh. Izany no nanamaina ny tany malalaka, ny rano lalina ambanin'ny tany ary handevona ny tany ihany koa. BSB BSB: This is what the Lord GOD showed me: The Lord GOD was calling for judgment by fire. It consumed the great deep and devoured the land.
5 ULB Kanefa hoy aho hoe: "Tompo Yaveh o, ajanony re; ahoana no haveloman'i Jakoba? Fa tena bitika izy." BSB BSB: Then I said, “Lord GOD, please stop! How will Jacob survive, since he is so small?”
6 ULB Dia nanatsahatra ny mahakasika izany i Yaveh hoe: "Tsy hitranga ihany koa izany," hoy ny Tompo Yaveh. BSB BSB: So the LORD relented from this plan. “It will not happen either,” said the Lord GOD.
7 ULB Izao no nasehony ahy: Indro, nitsangana teo akaikin'ny rindrina ny Tompo, niaraka tamin'ny vato pilao teny an-tanany. BSB BSB: This is what He showed me: Behold, the Lord was standing by a wall true to plumb, with a plumb line in His hand.
8 ULB Yaveh nanao tamiko hoe: "Ry Amosa, Inona no itanao?" Dia hoy aho: "Vato pilao milahatra." Ary hoy ny Tompo hoe: "Indro, hametraka pilao eo amin'ny Israely vahoakako Aho. Tsy hamindra fo amin'izy ireo intsony Aho. BSB BSB: “Amos, what do you see?” asked the LORD. “A plumb line,” I replied. “Behold,” said the Lord, “I am setting a plumb line among My people Israel; I will no longer spare them:
9 ULB Horavana ireo fitoerana avon'i Isaka, hopotehina ireo fitoerana masin'ny Israely, ary hitsangana hanohitra amin'ny sabatra ny taranak'i Jeroboama Aho." BSB BSB: The high places of Isaac will be deserted, and the sanctuaries of Israel will be laid waste; and I will rise up against the house of Jeroboam with My sword.”
10 ULB Ary Amazia, ilay mpisoron'i Betela, nandefa hafatra tany amin'ny Jeroboama, mpanjakan'Israely hoe: "Efa nitetika hanohitra anao eo anivon'ny taranak'Israely i Amosa. Tsy zakan'ny tany ireo teniny rehetra. BSB BSB: Then Amaziah the priest of Bethel sent word to Jeroboam king of Israel, saying, “Amos has conspired against you in the midst of the house of Israel. The land cannot bear all his words,
11 ULB Fa izao no tenin'i Amosa: 'Ho faty amin'ny sabatra i Jeroboama, ary ho sesi-tany hiala amin'ny taniny tokoa ny Israely.'" BSB BSB: for this is what Amos has said: ‘Jeroboam will die by the sword, and Israel will surely go into exile, away from their homeland.’”
12 ULB Amazia niteny tamin'i Amosa hoe: "Ry Mpahita, miverena any amin'ny tanin'i Joda, ary mihinana mofo sy maminania any. BSB BSB: And Amaziah said to Amos, “Go away, you seer! Flee to the land of Judah; earn your bread there and do your prophesying there.
13 ULB Fa aza manao faminaniana eto Betela intsony, satria fitoerana masin'ny mpanjaka sy tranon'ny mpanjaka ity." BSB BSB: But never prophesy at Bethel again, because it is the sanctuary of the king and the temple of the kingdom.”
14 ULB Dia hoy Amosa tamin'i Amazia hoe: "Tsy mpaminany aho na zanaky ny mpaminany. Mpiandry ondry sy mpikarakara hazo amontana ary aviavy aho. BSB BSB: “I was not a prophet,” Amos replied, “nor was I the son of a prophet; rather, I was a herdsman and a tender of sycamore-fig trees.
15 ULB Fa naka ahy avy teny ampiandrasan'ondry i Yaveh ary niteny tamiko hoe: "Mandehana, ka maminania amin'ny Israely vahoakako." BSB BSB: But the LORD took me from following the flock and said to me, ‘Go, prophesy to My people Israel.’
16 ULB Ankehitriny mihainoa ny tenin'Yaveh. Hoy ianao hoe: "Aza maminany hanohitra an'i Israely, ary aza miteny manohitra ny taranak'Isaka." BSB BSB: Now, therefore, hear the word of the LORD. You say: ‘Do not prophesy against Israel; do not preach against the house of Isaac.’
17 ULB Noho izany dia izao no lazain'Yaveh: "Ho lasa mpivaro-tena ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakalahinareo sy ireo zanakavavinareo dia ho lavo amin'ny alalan'ny sabatra; horefesina ny taninao ary hozaraina; ho faty ao amin'ny tany maloto ianao, ary halefa sesi-tany hiala ao amin'ny taniny tokoa ny Israely."" BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: ‘Your wife will become a prostitute in the city, and your sons and daughters will fall by the sword. Your land will be divided by a measuring line, and you yourself will die on pagan soil. And Israel will surely go into exile, away from their homeland.’”