1 ULB Loza ho an'ireo izay mahazo aina ao Ziona, ary ho an'ireo izay milamina ao amin'ny tany havoan'i Samaria, ireo olo-malaza avy amin'ireo firenena tsara indrindra, izay hatongavan'ny taranak'Israely mba ho vonjena! BSB BSB: Woe to those at ease in Zion and those secure on Mount Samaria, the distinguished ones of the foremost nation, to whom the house of Israel comes.
2 ULB Hoy ireo mpitarika anareo: "Mandehana any Kalne ka mijere; avy ao dia mandehana any Hamata, ilay tanàna lehibe; avy eo dia midìna any Gatan'ireo Filistina. Moa ve tsara noho ireo fanjakanao roa ireo? Moa ve lehibe noho ny faritaninao ny faritanin'izy ireo?" BSB BSB: Cross over to Calneh and see; go from there to the great Hamath; then go down to Gath of the Philistines. Are you better than these kingdoms? Is their territory larger than yours?
3 ULB Loza ho an'ireo izay mampihemotra ny andron'ny loza sy mampanakaiky ny seza fiandrianan'ny herisetra. BSB BSB: You dismiss the day of calamity and bring near a reign of violence.
5 ULB Nihira ireo hira adaladala tamin'ny feon'ny harpa izy ireo; namoromporona zava-maneno tahaka ny nataon'i Davida. BSB BSB: You improvise songs on the harp like David and invent your own musical instruments.
6 ULB Nisotro divay tamin'ny lovia jobo izy ireo ary nihosotra diloilo tsara indrindra, nefa tsy nalahelo ny amin'ny faharavan'i Josefa. BSB BSB: You drink wine by the bowlful and anoint yourselves with the finest oils, but you fail to grieve over the ruin of Joseph.
7 ULB Koa handeha an-tsesitany miaraka amin'ireo sesitany voalohany izy ireo ankehitriny, ary ny firavoravoan'ireo izay mitsotsotra dia ho foana. BSB BSB: Therefore, you will now go into exile as the first of the captives, and your feasting and lounging will come to an end.
8 ULB "Izaho, Tompo Yaveh, dia efa nianiana tamin'ny tenako —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, halako ny fieboeboan'i Jakoba; halako ny fiarovana mafiny. Koa hanolotra ny tanàna mbamin'izay rehetra ao aminy Aho." BSB BSB: The Lord GOD has sworn by Himself—the LORD, the God of Hosts, has declared: “I abhor Jacob’s pride and detest his citadels, so I will deliver up the city and everything in it.”
9 ULB Ary raha misy folo lahy tavela ao an-trano iray, dia ho faty avokoa izy rehetra. BSB BSB: And if there are ten men left in one house, they too will die.
10 ULB Raha misy havan-dralehilahy tonga mba haka ny fatin'izy ireo—ny iray izay handoro ny fatin'izy ireo aorian'ny hitondrany ireo faty mivoaka ny trano—raha miteny amin'ny olona ao an-trano izy hoe: "Misy olona miaraka aminao ve ao?" Raha mamaly izany olona izany hoe: "Tsia". Dia hiteny izy hoe: "Mangìna, fa aoka isika tsy hanonona ny anaran'i Yaveh." BSB BSB: And when the relative who is to burn the bodies picks them up to remove them from the house, he will call to one inside, “Is anyone else with you?” “None,” that person will answer. “Silence,” the relative will retort, “for the name of the LORD must not be invoked.”
11 ULB Fa, indro, hanome baiko Yaveh, ka ho torotoro ny trano lehibe ary ho potipotika ny trano kely. BSB BSB: For the LORD gives a command: “The great house will be smashed to pieces, and the small house to rubble.”
12 ULB Moa ve ny soavaly mihazakazaka amin'ny harambato? Moa ve misy olona mampihosy omby ao? Nefa namadika ny fahamarinana ho poizina ianareo ary ny vokatry ny fahamarinana ho fangidian. BSB BSB: “Do horses gallop on the cliffs? Does one plow the sea with oxen? But you have turned justice into poison and the fruit of righteousness into wormwood—
13 ULB Ianareo izay mifaly amin'i Lodebara, izay manao hoe: "Moa ve tsy efa naka an'i Karnaima tamin'ny herinay ihany izahay?" BSB BSB: you who rejoice in Lo-debar and say, ‘Did we not take Karnaim by our own strength?’
14 ULB "Nefa indro, hanangana firenena hanohitra anareo Aho, ry taranak'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. Hampahory anareo manomboka ao Lebo-hamata hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Araba izy ireo." BSB BSB: For behold, I will raise up a nation against you, O house of Israel,” declares the LORD, the God of Hosts, “and they will oppress you from Lebo-hamath to the Brook of the Arabah.”