1 ULB Henoy ity teny izay nalaiko ho fitarainana eo aminao ity, ry ankohonan'Israely. BSB BSB: Hear this word, O house of Israel, this lamentation I take up against you:
2 ULB Lavo ny virijinin' Israely; ary tsy hitsangana intsony izy; nazera tamin'ny taniny izy; ary tsy misy na dia iray aza hanangana azy. BSB BSB: “Fallen is Virgin Israel, never to rise again. She lies abandoned on her land, with no one to raise her up.”
3 ULB Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Ilay tanàna izay nivoahan'ny arivo dia hanana zato tavela, ary ilay iray izay nivoahan'ny zato dia hanana folo tavela izay an'ny ankohonan'Israely." BSB BSB: This is what the Lord GOD says: “The city that marches out a thousand strong will have but a hundred left, and the one that marches out a hundred strong will have but ten left in the house of Israel.”
4 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh tamin'ny ankohonan'Israely hoe: "Tadiavo Aho dia ho velona ianao! BSB BSB: For this is what the LORD says to the house of Israel: “Seek Me and live!
5 ULB Aza mitady an'i Betela; na miditra any Gilgala; aza mandeha any Beri-sheba. Fa Gilgala dia azo antoka fa ho babo, ary ho lasa tsinontsinona i Betela. BSB BSB: Do not seek Bethel or go to Gilgal; do not journey to Beersheba, for Gilgal will surely go into exile, and Bethel will come to nothing.
6 ULB Tadiavo Yaveh dia ho velona ianao, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ao amin'ny ankohonan'i Josefa Izy. Handrapaka izany, ary tsy hisy na iza na iza hamono izany any Betela. BSB BSB: Seek the LORD and live, or He will sweep like fire through the house of Joseph; it will devour everything, with no one at Bethel to extinguish it.
7 ULB Ireo olona ireo dia hamadika ny rariny ho zava-mangidy ary hanipy ny fahamarinana amin'ny tany!" BSB BSB: There are those who turn justice into wormwood and cast righteousness to the ground.
8 ULB Andriamanitra nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy; mamadika ny haizina ho maraina Izy; manao ny andro ho maizina miaraka amin'ny alina Izy ary miantso ny ranon'ny ranomasina; mandraraka ireo amin'ny velaran-tany Izy. Yaveh no anarany! BSB BSB: He who made the Pleiades and Orion, who turns darkness into dawn and darkens day into night, who summons the waters of the sea and pours them over the face of the earth—the LORD is His name—
9 ULB Mitondra faharinganana tampoka eo amin'ny mahery izy mba ho tonga eo amin'ny fiarovana mafy ny fandravana. BSB BSB: He flashes destruction on the strong, so that fury comes upon the stronghold.
10 ULB Mankahala ny olona rehetra izay manitsy azy ireo ao amin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, ary mankahala ny olona rehetra izay miteny ny marina izy ireo. BSB BSB: There are those who hate the one who reproves in the gate and despise him who speaks with integrity.
11 ULB Satria manitsakitsaka ireo mahantra ianao ary maka ampaham-bary aminy— na dia nanorina trano vita tamin'ny vato aza ianao, dia tsy hipetraka ao amin'izany. Manana tanim-boaloboka mahafinaritra ianao, kanefa tsy hisotro ny divain'izany ianao. BSB BSB: Therefore, because you trample on the poor and exact from him a tax of grain, you will never live in the stone houses you have built; you will never drink the wine from the lush vineyards you have planted.
12 ULB Fa fantatro ny isan'ireo fandikan-dalànao sy ny halehiben'ireo fahotanao— ianao izay mampahory ny rariny, mandray ny kolikoly, ary mivily amin'ireo olona mila fanampina ao amin'ny vavahadin'ny tanàna. BSB BSB: For I know that your transgressions are many and your sins are numerous. You oppress the righteous by taking bribes; you deprive the poor of justice in the gate.
13 ULB Noho izany dia mangina amin'ny fotoana tahaka izany ny olon-kendry, satria fotoana ratsy izany. BSB BSB: Therefore, the prudent keep silent in such times, for the days are evil.
14 ULB Mitadiava ny tsara fa tsy ny ratsy, mba ho velona ianao. noho izany Yaveh, Ilay Andriamanitry ny maro, dia tena homba anao, araka ny lazainao fa Izy. BSB BSB: Seek good, not evil, so that you may live. And the LORD, the God of Hosts, will be with you, as you have claimed.
15 ULB Hankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, apetraho ny rariny ao amin'ny vavahadin'ny tanàna. Angamba Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro hamindra fo amin'ireo sisa navelan'i Josefa. BSB BSB: Hate evil and love good; establish justice in the gate. Perhaps the LORD, the God of Hosts, will be gracious to the remnant of Joseph.”
16 ULB Noho izany, izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro, ny Tompo hoe: "Ny fidradradradrana dia ho amin'ny ireo efa-joro rehetra, ary hilaza izany any amin'ny lalana rehetra izy ireo, 'Loza, loza!' Hiantso ireo mpamboly mba ho amin'ny fisaonana izy ireo ary ireo malahelo mba hidradradradra. BSB BSB: Therefore this is what the LORD, the God of Hosts, the Lord, says: “There will be wailing in all the public squares and cries of ‘Alas! Alas!’ in all the streets. The farmer will be summoned to mourn, and the mourners to wail.
17 ULB Hisy fidradradradrana ao amin'ireo tanim-boaloboka rehetra, satria handalo ao afovoanareo Aho," hoy Yaveh. BSB BSB: There will be wailing in all the vineyards, for I will pass through your midst,” says the LORD.
18 ULB Loza ho anareo izay maniry ny andron'i Yaveh! Nahoana ianareo no maniry ny andron'i Yaveh? Ho fahamaizinana izany ary tsy hisy hazavana, BSB BSB: Woe to you who long for the Day of the LORD! What will the Day of the LORD be for you? It will be darkness and not light.
19 ULB toy ny olona rehefa mandositra liona sy bera mifanena aminy, na miditra ao amin'ny trano sy mametraka ny tanany eo amin'ny manda ary manaikitra azy ny menarana. BSB BSB: It will be like a man who flees from a lion, only to encounter a bear, or who enters his house and rests his hand against the wall, only to be bitten by a snake.
20 ULB Moa ve ny andron'i Yaveh tsy aizina fa tsy hazavana? Haizim-pito ary tsy misy famirapiratana? BSB BSB: Will not the Day of the LORD be darkness and not light, even gloom with no brightness in it?
21 ULB "Halako, hataoko tsinontsinona ny firavoravoanareo, tsy maka maminy amin'ireo fivondronanareo manetriketrika Aho. BSB BSB: “I hate, I despise your feasts! I cannot stand the stench of your solemn assemblies.
22 ULB Na dia manolotra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina Amiko aza ianareo, dia tsy handray ireo Aho, na hijery ny fanati-pihavanan'ireo biby matavinareo. BSB BSB: Even though you offer Me burnt offerings and grain offerings, I will not accept them; for your peace offerings of fattened cattle I will have no regard.
23 ULB Esory tamiko ny tabataban'ireo hiranareo; tsy hihaino ny feon'ny lokanganareo aho. BSB BSB: Take away from Me the noise of your songs! I will not listen to the music of your harps.
24 ULB Fa kosa, avelao hikoriana toy ny rano ny rariny, ary ny fahamarinana toy ny renirano mikoriana lalandava. BSB BSB: But let justice roll on like a river, and righteousness like an ever-flowing stream.
25 ULB Nitondra sorona sy fanatitra tany an'efitra nandritry ny efa-polo taona ho ahy ve ianareo, ry ankohonan'Israely? BSB BSB: Did you bring Me sacrifices and offerings forty years in the wilderness, O house of Israel?
26 ULB Hanandratra an'i Sokita ho mpanjakanareo ianareo, ary Kiona, andriamanitry ny kintanareo —sampy izay nataonareo ho anareo. BSB BSB: You have taken along Sakkuth your king and Kaiwan your star god, the idols you made for yourselves.
27 ULB Noho izany dia halefako sesitany mihoatran'i Damaskosy ianareo," hoy Yaveh, izay Andriamanitry ny maro no anarany. BSB BSB: Therefore I will send you into exile beyond Damascus,” says the LORD, whose name is the God of Hosts.