1 ULB Henoy izao teny izao, ianareo ry ombivavin'i Basana, ianareo izay any an-tendrombohitr'i Samaria, ianareo izay mampahory ny mahantra, ianareo izay manorotoro ny ory, ianareo izay milaza amin'ny vadinareo hoe: "Itondray zava-pisotro izahay." BSB BSB: Hear this word, you cows of Bashan on Mount Samaria, you women who oppress the poor and crush the needy, who say to your husbands, “Bring us more to drink.”
2 ULB Efa nianiana tamin'ny fahamasinany ny Tompo Yaveh hoe: "Indro, ho avy aminareo ny andro izay hakan'izy ireo anareo amin'ny farango, ary ny sisa aminareo amin'ny fintana. BSB BSB: The Lord GOD has sworn by His holiness: “Behold, the days are coming when you will be taken away with hooks, and your posterity with fishhooks.
3 ULB Hivoaka eo amin'ilay vaky eo amin'ny mandan'ny tanàna ianareo, samy hanitsy amin'izany avy, ary hatsipy any ivelany mankany Harmona ianareo —izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: You will go out through broken walls, each one straight ahead of her, and you will be cast out toward Harmon,” declares the LORD.
4 ULB "Mandehana any Betela dia manotà, any Gilgala ka ampitomboy ny fahotana, ento isa-maraina ny soronareo, ny ampahafolon-karenareo isaky ny telo andro. BSB BSB: “Go to Bethel and transgress; rebel even more at Gilgal! Bring your sacrifices every morning, your tithes every three days.
5 ULB Manolora sorona fanati-pisaorana miaraka amin'ny mofo; manambarà fanati-tsitrapo; torio ireo, fa mahafinaritra anareo izany, ry olon'Israely —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: Offer leavened bread as a thank offering, and loudly proclaim your freewill offerings. For that is what you children of Israel love to do,” declares the Lord GOD.
7 ULB Nanakana ny orana tsy ho eo aminareo ihany koa Aho raha mbola nisy telo volana hijinjana. Nataoko nanorana teo amin'ny tanàna iray, ary nataoko tsy nanorana teo amin'ny tanàna iray hafa. Ny ampahan-tany nisy orana, fa ny ampahany hafa izay tsy mba nisy orana dia maina. BSB BSB: “I also withheld the rain from you when the harvest was three months away. I sent rain on one city but withheld it from another. One field received rain; another without rain withered.
8 ULB Tanàna roa na telo no nivembena nankany amin'ny tanàna iray hafa mba hisotro rano, saingy tsy afa-po. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo —izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: People staggered from city to city for water to drink, but they were not satisfied; yet you did not return to Me,” declares the LORD.
9 ULB Nampahory anareo tamin'ny fahamainan'ny voly sy ny bobongolo aho. Ny habetsahan'ny sahanareo, ny tanim-boalobokareo, ny hazon'aviavinareo, ary ny hazon'olivanareo— efa narapaky ny valala avokoa izy rehetra. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “I struck you with blight and mildew in your growing gardens and vineyards; the locust devoured your fig and olive trees, yet you did not return to Me,” declares the LORD.
10 ULB Nandefa areti-mandringana teo aminareo toy ny teo amin'ny Egypta Aho. Novonoiko tamin-tsabatra ny tovolahinareo, nalaiko ny soavalinareo, ary nataoko teo amin'ny vavoronareo ny hamaimbon'ny tobinareo. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “I sent plagues among you like those of Egypt; I killed your young men with the sword, along with your captured horses. I filled your nostrils with the stench of your camp, yet you did not return to Me,” declares the LORD.
11 ULB Nandringana tanàna teo aminareo aho, toy ny tamin'ny nandringanan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora. Efa sahala amin'ny tapa-kazo mirehitra nosintonina avy tao amin'ny afo ianareo. Kanefa tsy niverina tamiko ihany ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “Some of you I overthrew as I overthrew Sodom and Gomorrah, and you were like a firebrand snatched from a blaze, yet you did not return to Me,” declares the LORD.
12 ULB Noho izany dia hanao zavatra mahatsiravina aminareo Aho, ry Israely; ary satria hanao zavatra mahatsiravina aminareo Aho, dia miomàna hihaona amin'ny Andriamanitrareo, ry Israely! BSB BSB: “Therefore, that is what I will do to you, O Israel, and since I will do this to you, prepare to meet your God, O Israel!
13 ULB Fa indro, ilay nanao ny tendrombohitra ihany koa no nahary ny rivotra, mampiseho ny heviny amin'ny zanak'olombelona, mahatonga ny maraina ho aizina, ary manosiosy ny toerana avon'ny Tany. Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro, no anarany." BSB BSB: For behold, He who forms the mountains, who creates the wind and reveals His thoughts to man, who turns the dawn to darkness and strides on the heights of the earth—the LORD, the God of Hosts, is His name.”