1 ULB Henoy izao teny izay notenenin'i Yaveh taminareo izao, ry olon'Israely, amin'ireo fianakaviana manontolo izay nentiko hivoaka ny tany Egypta: BSB BSB: Hear this word that the LORD has spoken against you, O children of Israel, against the whole family that I brought up out of the land of Egypt:
2 ULB "Ianareo irery ihany no nofidiko amin'ireo fianakaviana rehetra eto ambonin'ny tany. Noho izany, dia hofaiziko ianareo noho ireo otanareo rehetra." BSB BSB: “Only you have I known from all the families of the earth; therefore I will punish you for all your iniquities.”
3 ULB Moa ve hiaraka handeha ny roa raha tsy niombon-kevitra izy ireo? BSB BSB: Can two walk together without agreeing where to go?
4 ULB Moa ve hierona any an'ala ny liona raha tsy misy haza izy? Moa ve hierona ao an-davany ny liona tanora raha tsy nahazo na inona na inona izy? BSB BSB: Does a lion roar in the forest when he has no prey? Does a young lion growl in his den if he has caught nothing?
5 ULB Moa ve afaka mianjera anaty fandrika ety amin'ny tany ny vorona raha tsy misy tadivavarana voapetraka ho azy akory? Moa ve hikatona ny fandrika ety amin'ny tany raha tsy nahazo na inona na inona akory izy? BSB BSB: Does a bird land in a snare where no bait has been set? Does a trap spring from the ground when it has nothing to catch?
6 ULB Haneno ao an-tanàna ve ny trompetra ka tsy hangovitra ny olona? Ho avy ao an-tanàna ve ny loza raha tsy i Yaveh no nandefa izany? BSB BSB: If a ram’s horn sounds in a city, do the people not tremble? If calamity comes to a city, has not the LORD caused it?
7 ULB Azo antoka fa tsy hanao na inona na inona i Tompo Yaveh raha tsy manambara ireo fikasany amin'ireo mpaminany mpanompony Izy. BSB BSB: Surely the Lord GOD does nothing without revealing His plan to His servants the prophets.
8 ULB Iza no tsy hahatahotra; raha nierona ny liona? Efa niteny ny Tompo Yaveh, iza no tsy haminany? BSB BSB: The lion has roared—who will not fear? The Lord GOD has spoken—who will not prophesy?
9 ULB Ambarao any amin'ireo fiarovana mafin'i Asdoda izany, ary any amin'ny fiarovana mafin'ny tany Egypta; lazao hoe: "Miangòna ianareo eny amin'ireo tendrombohitr'i Samaria ary jereo ny fifanjevona be izay ao aminy, ary inona ny fahoriana ao aminy. BSB BSB: Proclaim to the citadels of Ashdod and to the citadels of Egypt: “Assemble on the mountains of Samaria; see the great unrest in the city and the acts of oppression in her midst.”
10 ULB Fa tsy mahalala ny fanaovana ny marina izy ireo —izany no fanambaran'i Yaveh— Mitahiry herisetra sy faharavana ao amin'ny mandany izy ireo." BSB BSB: “For they know not how to do right,” declares the LORD. “They store up violence and destruction in their citadels.”
11 ULB Noho izany, izao no lazain'ny Tompo Yaveh hoe: "Hiodidina ny tany ny fahavalo. Handrava ireo fiarovanao mafy izy ary handroba ireo mandanao. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: “An enemy will surround the land; he will pull down your strongholds and plunder your citadels.”
12 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Tahaka ny famonjen'ny mpiandry ondry ny tongotra roa fotsiny amin'ny vavan'ny liona, na sombin'ny sofina, no hamonjena ny olon'Israely izay monina any Samaria, eo anjoron-tseza fotsiny, na koa eo anjorom-parafara ihany." BSB BSB: This is what the LORD says: “As the shepherd snatches from the mouth of the lion two legs or a piece of an ear, so the Israelites dwelling in Samaria will be rescued having just the corner of a bed or the cushion of a couch.
13 ULB Mihainoa ary mijoroa ho vavolombelona manohitra ny ankohonan'i Jakoba —Izao no fanambarana nataon'ny Tompo Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro: BSB BSB: Hear and testify against the house of Jacob, declares the Lord GOD, the God of Hosts.
14 ULB Fa amin'ny andro izay hamaizako ireo fahotan'Israely, dia ho faiziko ihany koa ny alitaran'i Betela. Hotapahina ireo tandroky ny alitara ary hianjera amin'ny tany. BSB BSB: On the day I punish Israel for their transgressions, I will visit destruction on the altars of Bethel; the horns of the altar will be cut off, and they will fall to the ground.