1 ULB Fa nieritreritra ny momba izany rehetra izany tato an-tsaiko aho mba hahatakarako momban'ny olo-marina sy ny olon-kendry ary ireo asan'izy ireo. Eo am-pelatanan'Andriamanitra avokoa izy rehetra. Tsy misy na iza na iza mahalala na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ny olona iray. BSB BSB: So I took all this to heart and concluded that the righteous and the wise, as well as their deeds, are in God’s hands. Man does not know what lies ahead, whether love or hate.
2 ULB Mitovy ny lahatry ny tsirairay. Mitovy ny lahatra miandry ny olo-marina sy ny olona ratsy fanahy, ny tsara, ny madio sy ny maloto, ary izay manao sorona sy izay tsy manao sorona. Ho faty ny olo-marina, dia ho tahaka izany ihany koa ny mpanota. Ho faty izay mianiana, dia ho tahaka izany ihany koa ny olona izay matahotra manao fianianana. BSB BSB: It is the same for all: There is a common fate for the righteous and the wicked, for the good and the bad, for the clean and the unclean, for the one who sacrifices and the one who does not. As it is for the good, so it is for the sinner; as it is for the one who makes a vow, so it is for the one who refuses to take a vow.
3 ULB Misy lahatra ratsy ho an'ny zavatra rehetra izay atao eto ambany masoandro, lahatra iray ho an'ny tsirairay. Feno ratsy ny fon'olombelona, ary ao am-pon'izy ireo ny fahadalana raha mbola velona koa izy ireo. Koa aorian'izany dia mankany amin'ny maty izy ireo. BSB BSB: This is an evil in everything that is done under the sun: There is one fate for everyone. Furthermore, the hearts of men are full of evil and madness while they are alive, and afterward they join the dead.
4 ULB Fa na iza na iza miombona amin'ny velona rehetra, dia misy fanantenana, tahaka ny mahatsara kokoa ny amboa velona noho ny liona maty. BSB BSB: There is hope, however, for anyone who is among the living; for even a live dog is better than a dead lion.
5 ULB Fa ny olombelona dia mahafantatra fa ho faty izy ireo, fa ny maty tsy mahafantatra na inona na inona. Tsy manana valisoa intsony izy ireo, satria efa adino ny fahatsiarovana azy ireo. BSB BSB: For the living know that they will die, but the dead know nothing. They have no further reward, because the memory of them is forgotten.
6 ULB Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fanirian'izy ireo dia efa nanjavona hatry ny ela. Tsy hanana toerana amin'ny zavatra rehetra izay atao ety ambany masoandro intsony izy ireo. BSB BSB: Their love, their hate, and their envy have already vanished, and they will never again have a share in all that is done under the sun.
7 ULB Mandehana amin'ny lalanao, hano am-pifaliana ny mofonao, ary sotroy amin'ny fo faly ny divainao, satria Andriamanitra dia manaiky ny fankalazana ireo asa tsara. BSB BSB: Go, eat your bread with joy, and drink your wine with a cheerful heart, for God has already approved your works:
8 ULB Aoka ho fotsy mandrakariva ny akanjonao ary aoka ho voahosotra amin'ny diloilo ny lohanao. BSB BSB: Let your garments always be white, and never spare the oil for your head.
9 ULB Miainà am-pifaliana miaraka amin'ny vady tianao amin'ny androm-piainanao rehetra mandalo foana, dia ireo andro izay nomen'Andriamanitra anao teny ambany masoandro mandritr'ireo andronao mandalo foana. Izany no valisoanao amin'ny fiainana noho ireo asanao teny ambany masoandro. BSB BSB: Enjoy life with your beloved wife all the days of the fleeting life that God has given you under the sun—all your fleeting days. For this is your portion in life and in your labor under the sun.
10 ULB Na inona na inona hitan'ny tananao atao, dia hiasao amin'ny herinao izany satria tsy misy asa na fanazavana na fahalalana na fahendrena any amin'ny Fiainan-tsy hita, izay handehananao. BSB BSB: Whatever you find to do with your hands, do it with all your might, for in Sheol, where you are going, there is no work or planning or knowledge or wisdom.
11 ULB Efa nahita zavatra sasantsasany mahaliana teo ambany masoandro aho: Ny hazakazaka dia tsy an'ny olona haingam-pandeha. Ny ady dia tsy an'ny olona matanjaka. Ny mofo dia tsy an'ny olon-kendry. Ny harena dia tsy an'ny olon'ny fahazavan-tsaina. Ny sitraka dia tsy an'ny olon'ny fahalalana. Fa kosa, ny fotoana sy ny vintana dia miantraika amin'izy rehetra. BSB BSB: I saw something else under the sun: The race is not to the swift, nor the battle to the strong; neither is the bread to the wise, nor the wealth to the intelligent, nor the favor to the skillful. For time and chance happen to all.
12 ULB Fa tsy misy na iza na iza mahafantatra ny fotoana hahafatesany, tahaka ny hazan-drano izay tratra ao amin'ny haraton'ny fahafatesana, na tahaka ny vorona izay azon'ny fandrika. Tahaka ireo biby, ny olombelona dia gadra ao amin'ny fotoan-dratsy izay tonga tampoka amin'izy ireo. BSB BSB: For surely no man knows his time: Like fish caught in a cruel net or birds trapped in a snare, so men are ensnared in an evil time that suddenly falls upon them.
13 ULB Efa nahita fahendrena teo ambany masoandro ihany koa aho toy ny hoe lehibe tamiko izany. BSB BSB: I have also seen this wisdom under the sun, and it was great to me:
14 ULB Nisy tanàna kely iray izay vitsy olona tao aminy, ary nisy mpanjaka lehibe tonga nanao fahirano izany ary nanorina toerana fiakarana lehibe teo anilan'izany. BSB BSB: There was a small city with few men. A mighty king came against it, surrounded it, and built large siege ramps against it.
15 ULB Ary nisy mahantra iray, lehilahy hendry hita tao amin'ilay tanàna, izay nanavotra ilay tanàna tamin'ny fahendreny. Nefa taty aoriana kely, dia tsy nisy nahatadidy io lehilahy mahantra io intsony. BSB BSB: Now a poor wise man was found in the city, and he saved the city by his wisdom. Yet no one remembered that poor man.
16 ULB Ka feheziko amin'ny hoe: "Tsara kokoa ny fahendrena noho ny tanjaka, kanefa natao tsinontsinona ny fahendren'ilay olo-mahantra, ary tsy re ireo teniny." BSB BSB: And I said, “Wisdom is better than strength, but the wisdom of the poor man is despised, and his words are not heeded.”
17 ULB Ny teny malefaky ny hendry dia re tsara kokoa noho ny fitreron'izay mpanapaka eo amin'ny adala. BSB BSB: The calm words of the wise are heeded over the shouts of a ruler among fools.
18 ULB Ny fahendrena dia tsara kokoa noho ireo fitaovam-piadiana amin'ny ady, kanefa ny mpanota iray dia mety handrava tsara maro. BSB BSB: Wisdom is better than weapons of war, but one sinner destroys much good.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.