1 ULB Iza no olon-kendry? Iza no mahalala ny dikan'ireo zava-miseho eo amin'ny fiainana? Ny fahendrena eo amin'ny olona dia mahatonga ny tavany ho miramirana, ary miova ny hamafin'ny tavany. BSB BSB: Who is like the wise man? Who knows the interpretation of a matter? A man’s wisdom brightens his face, and the sternness of his face is changed.
2 ULB Manoro hevitra anao aho mba hankatò ny didin'ny mpanjaka nohon'ny fianianan'Andriamanitra hiaro azy. BSB BSB: Keep the king’s command, I say, because of your oath before God.
3 ULB Aza malaina amin'ny fanatrehana azy, ary aza mifikitra amin'ny fanaovan-dratsy, satria ny mpanjaka manao izay rehetra iriany. BSB BSB: Do not hasten to leave his presence, and do not persist in a bad cause, for he will do whatever he pleases.
4 ULB Manjaka ny tenin'ny mpanjaka, ka iza no hiteny aminy hoe: "Inona ity ataonao?" BSB BSB: For the king’s word is supreme, and who can say to him, “What are you doing?”
5 ULB Na iza na iza mitandrina ireo didin'ny mpanjaka dia misoroka hatezerana. Ny fon'olon-kendry dia manaiky ny lalana iombonana sy ny fotoanan'ny fihetsehana. BSB BSB: Whoever keeps his command will come to no harm, and a wise heart knows the right time and procedure.
6 ULB Misy valiny marina sy fotoana hamaliana ny zavatra rehetra, satria lehibe ireo olan'ny olona. BSB BSB: For there is a right time and procedure to every purpose, though a man’s misery weighs heavily upon him.
7 ULB Tsy misy mahalala izay ho avy manaraka. Iza no afaka hilaza aminy izay ho avy? BSB BSB: Since no one knows what will happen, who can tell him what is to come?
8 ULB Tsy misy mpanapaka amin'ny fofon'ainy ka hampijanona ny fofon'aina, ary tsy misy manan-kery amin'ny andron'ny fahafatesany. Tsy misy afaka amin'ny tafika mandritry ny ady, ary ny faharatsiana dia tsy hamonjy ireo izay andevon'izany. BSB BSB: As no man has power over the wind to contain it, so no one has authority over his day of death. As no one can be discharged in wartime, so wickedness will not release those who practice it.
9 ULB Nahafantatra izany rehetra izany aho; nampihatra ny foko tamin'ny asa tsara rehetra izay natao tety ambany masoandro aho. Misy ny fotoana izay ampahorian'ny olona ny hafa amin'ny ratran'izany olona izany. BSB BSB: All this I have seen, applying my mind to every deed that is done under the sun; there is a time when one man lords it over another to his own detriment.
10 ULB Ka hitako ny ratsy fanahy nalevina am-pahibemaso. Nalaina tamin'ny faritra masina izy ireo ka nalevina ary noderain'ireo mponina tao amin'ny tanàna izay nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Izany koa dia tsy misy dikany. BSB BSB: Then too, I saw the burial of the wicked who used to go in and out of the holy place, and they were praised in the city where they had done so. This too is futile.
11 ULB Raha tsy tanteraka faingana ny didim-pitsarana hanohitra ny heloka bevava ratsy, dia mitaona ireo fon'olombelona hanao ratsy izany. BSB BSB: When the sentence for a crime is not speedily executed, the hearts of men become fully set on doing evil.
12 ULB Na dia manao ratsy in-jato aza ny mpanota ary mbola velona mandritry ny fotoana maharitra, dia fantatro fa tsara ho an'ireo izay manaja an'Andriamanitra, izay manome voninahitra ny fanatrehany miaraka amin'izy ireo izany. BSB BSB: Although a sinner does evil a hundred times and still lives long, yet I also know that it will go well with those who fear God, who are reverent in His presence.
13 ULB Fa tsy ho tsara ho an'ny olona ratsy fanahy izany; tsy haharitra ny fiainany. Ireo androny dia toy ny aloka mihelina satria tsy manome voninahitra an'Andriamanitra izy. BSB BSB: Yet because the wicked do not fear God, it will not go well with them, and their days will not lengthen like a shadow.
14 ULB Mbola misy zava-poana hafa—zavatra hafa vita tety ambonin'ny tany. Ireo zavatra mitranga amin'ny olo-marina dia tahaka ny fitrangan'ireo amin'ny olona ratsy fanahy, ary tahaka ny itrangan'ireo zavatra amin'ny ratsy fanahy no itrangan'izany amin'ny olo-marina. Hoy aho hoe zava-poana ihany koa izany. BSB BSB: There is a futility that is done on the earth: There are righteous men who get what the actions of the wicked deserve, and there are wicked men who get what the actions of the righteous deserve. I say that this too is futile.
15 ULB Koa mitaky ny hafaliana aho, satria tsy misy zavatra tsara azon'ny olona eny ambany masoandro noho ny mihinana sy misotro ary mifaly. Dia ny hafaliana no hanaraka azy any amin'ny asany amin'ny androm-piainany rehetra izay nomen'Andriamanitra azy ambany masoandro. BSB BSB: So I commended the enjoyment of life, because there is nothing better for a man under the sun than to eat and drink and be merry. For this joy will accompany him in his labor during the days of his life that God gives him under the sun.
16 ULB Raha nanefy ny foko hahalala ny fahendrena aho sy hahafantatra ny asa izay atao eto ambonin'ny tany, dia vita tsy amin-torimaso amin'ny alina na amin'ny atoandro matetika ny asa, BSB BSB: When I applied my mind to know wisdom and to observe the task that one performs on the earth—though his eyes do not see sleep in the day or even in the night—
17 ULB dia nandinika ireo asan'Andriamanitra rehetra aho, ary ny olona dia tsy afaka ny hahatakatra ny asa izay vita teto ambanin'ny masoandro. Na ahoana na ahoana ny hamaroan'ny asan'ny olona mba hahita ireo valiny, dia tsy hahita izany izy ireo. Na izany aza ny olon-kendry dia mety hino fa mahalala izy, nefa tsy dia tena mahalala akory. BSB BSB: I saw every work of God, and that a man is unable to comprehend the work that is done under the sun. Despite his efforts to search it out, he cannot find its meaning; even if the wise man claims to know, he is unable to comprehend.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.