1 ULB Ny laza tsara dia tsara kokoa noho ny ranomanitra lafo vidy, ary ny andro hahafatesana dia tsara kokoa noho ny andro hahaterahana. BSB BSB: A good name is better than fine perfume, and one’s day of death is better than his day of birth.
2 ULB Tsara kokoa ny mandeha any amin'ny trano fisaonana noho ny any amin'ny trano firavoravoana, satria ny fisaonana dia tonga amin'ny olona rehetra amin'ny faran'ny fiainana, ka tokony raisin'ny olona velona am-po izany. BSB BSB: It is better to enter a house of mourning than a house of feasting, since death is the end of every man, and the living should take this to heart.
3 ULB Ny alahelo dia tsara kokoa noho ny tsiky, fa aorian'ny endrika malahelo no hiavian'ny hafalian'ny fo. BSB BSB: Sorrow is better than laughter, for a sad countenance is good for the heart.
4 ULB Ny fon'ny hendry dia ao an-trano fisaonana, fa ny fon'ny adala kosa ao an-trano firavoravoana. BSB BSB: The heart of the wise is in the house of mourning, but the heart of fools is in the house of pleasure.
5 ULB Tsara kokoa ny mihaino ny teny mafin'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ireo adala. BSB BSB: It is better to heed a wise man’s rebuke than to listen to the song of fools.
6 ULB Fa tahaka ny fikarepok'ireo tandroka mirehitra ambany vilany, dia toy izany koa ny fihomehin'ireo adala. Izany, ihany koa, dia zava-poana. BSB BSB: For like the crackling of thorns under the pot, so is the laughter of the fool. This too is futile.
7 ULB Ny fangalana an-keriny dia azo antoka fa mahalasa adala ny hendry, ary ny kolikoly manimba ny fo. BSB BSB: Surely extortion turns a wise man into a fool, and a bribe corrupts the heart.
8 ULB Tsara kokoa ny fiafaran'ny raharaha iray noho ny fiandohany; ary ny olona maharitra am-panahy dia tsara kokoa noho ny mirehareha am-panahy. BSB BSB: The end of a matter is better than the beginning, and a patient spirit is better than a proud one.
9 ULB Aza mora tezitra ny fanahinao, satria ny hatezerena dia mitoetra ao am-pon'ireo adala. BSB BSB: Do not be quickly provoked in your spirit, for anger settles in the lap of a fool.
10 ULB Aza miteny hoe: "Nahoana ireo andro fahiny no tsara kokoa noho ireto?" Fa izany dia tsy noho ny fahendrena raha manontany io fanontaniana io ianao. BSB BSB: Do not say, “Why were the old days better than these?” For it is unwise of you to ask about this.
11 ULB Ny fahendrena dia tsara noho ireo zavatra manan-danja izay nolovaintsika avy tamin'ireo razambetsika. Izany dia mitondra tombon-tsoa ho an'ireo izay mahita ny masoandro. BSB BSB: Wisdom, like an inheritance, is good, and it benefits those who see the sun.
12 ULB Fa ny fahendrena dia mitondra fiarovana toy ny vola izay afaka mitondra fiarovana, saingy ny tombon-tsoan'ny fahalalana dia ny hoe manome fiainana ho an'izay manana azy ny fahendrena. BSB BSB: For wisdom, like money, is a shelter, and the advantage of knowledge is that wisdom preserves the life of its owner.
13 ULB Saino ireo asan'Andriamanitra: Iza no afaka hanitsy ny zavatra rehetra nomelohany? BSB BSB: Consider the work of God: Who can straighten what He has bent?
14 ULB Rehefa tsara ny andro, dia miainà amim-pifaliana amin'izany hatsarana izany, fa rehefa ratsy ny andro, dia saino ny momba ity: Andriamanitra dia efa namela azy roa hiaraka. Noho izany antony izany, dia tsy misy mahita ny zavatra rehetra izay mitranga aoriany. BSB BSB: In the day of prosperity, be joyful, but in the day of adversity, consider this: God has made one of these along with the other, so that a man cannot discover anything that will come after him.
15 ULB Efa nahita zavatra maro aho nandritr'ireo andro keliko. Misy ireo olo-marina izay levona na dia eo aza ny fahamarinan'izy ireo, ary misy ireo olona ratsy fanahy izay ela velona na dia eo aza ny haratsian'izy ireo. BSB BSB: In my futile life I have seen both of these: A righteous man perishing in his righteousness, and a wicked man living long in his wickedness.
16 ULB Aza manamarin-tena, hendry eo imasonao. Nahoana no tokony hanimba ny tenanao ianao? BSB BSB: Do not be overly righteous, and do not make yourself too wise. Why should you destroy yourself?
17 ULB Aza dia ratsy fanahy na miadaladala loatra. Nahoana ianao no tokony ho faty mialohan'ny fotoanao? BSB BSB: Do not be excessively wicked, and do not be a fool. Why should you die before your time?
18 ULB Tsara raha mihazona io fahendrena io ianao, ary tsy tokony hamela ny fahamarinana handeha. Fa ny olona izay matahotra an'Andriamanitra dia hahita ireo adidiny rehetra. BSB BSB: It is good to grasp the one and not let the other slip from your hand. For he who fears God will follow both warnings.
19 ULB Mahery ny fahendrena ao amin'ny olo-kendry, mihoatra noho ny mpanapaka folo ao amin'ny tanàna iray. BSB BSB: Wisdom makes the wise man stronger than ten rulers in a city.
20 ULB Tsy misy olo-marina manao soa sy tsy mbola nanota izany mihitsy eto an-tany. BSB BSB: Surely there is no righteous man on earth who does good and never sins.
21 ULB Aza mihaino ny teny rehetra izay voalaza, satria mety handre ny mpanomponao hanozona anao ianao. BSB BSB: Do not pay attention to every word that is spoken, or you may hear your servant cursing you.
22 ULB Toy izany koa, ianao dia mahafantatra fa efa nanozona matetika ny hafa tao am-ponao manokana ianao. BSB BSB: For you know in your heart that many times you yourself have cursed others.
23 ULB Ireo rehetra ireo dia efa voaporofoko tamin'ny fahendrena. Hoy aho hoe: "Ho hendry aho," saingy nihoatra ny tokony ho izy izany. BSB BSB: All this I tested by wisdom, saying, “I resolve to be wise.” But it was beyond me.
24 ULB Ny fahendrena dia lavitra sy lalina. Iza no afaka hahita izany? BSB BSB: What exists is out of reach and very deep. Who can fathom it?
25 ULB Nanova ny foko mba hianatra sy handinika ary hitady ny fahendrena sy ireo fanazavana ny zava-misy aho, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny hadalana dia fahaverezan-tsaina. BSB BSB: I directed my mind to understand, to explore, to search out wisdom and explanations, and to understand the stupidity of wickedness and the folly of madness.
26 ULB Hitako fa mangidy kokoa noho ny fahafatesana ny vehivavy izay feno fandrika sy harato ny fony, ary misy rojo vy ny tanany. Na iza na iza mankasitraka an'Andriamanitra dia ho afaka aminy, fa ireo mpanota kosa ho lasany. BSB BSB: And I find more bitter than death the woman who is a snare, whose heart is a net, and whose hands are chains. The man who pleases God escapes her, but the sinner is ensnared.
27 ULB "Saino izay efa hitako," hoy ny Mpitoriteny. "Nanampy vokam-pikarohana iray tamin'ny hafa aho mba hahita fanazavana ny zava-misy. BSB BSB: “Behold,” says the Teacher, “I have discovered this by adding one thing to another to find an explanation.
28 ULB Izany no mbola karohiko, saingy tsy hitako izany. Tsy nahita olo-marina iray teo amin'ny arivo aho, ary tsy nahita vehivavy iray teo amin'ireo rehetra ireo aho. BSB BSB: While my soul was still searching but not finding, among a thousand I have found one upright man, but among all these I have not found one such woman.
29 ULB Ity ihany no efa hitako: fa Andriamanitra dia namorona ny olombelona ho mahitsy, saingy nandeha nitady fahasahiranana maro izy ireo." BSB BSB: Only this have I found: I have discovered that God made mankind upright, but they have sought out many schemes.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.