1 ULB Tamin'ny andron'i Ahasoerosy (Ahasoerosy no nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, nanenika ny faritany 127), BSB BSB: This is what happened in the days of Xerxes, who reigned over 127 provinces from India to Cush.
3 ULB Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ireo manam-pahefana sy ireo mpanompony rehetra izy. Ny tafik'i Persia sy Media, ireo lehilahy manan-kaja, sy ireo governoran'ireo faritany dia teo amin'ny fanatrehany. BSB BSB: In the third year of his reign, Xerxes held a feast for all his officials and servants. The military leaders of Persia and Media were there, along with the nobles and princes of the provinces.
4 ULB Nampiharihary ny haren'ny famirapiratan'ny fanjakany sy ny hajan'ny voninahitrin'ny fahalehibiazany nandritry ny andro maro, nandritry ny 180 andro izy. BSB BSB: And for a full 180 days he displayed the glorious riches of his kingdom and the magnificent splendor of his greatness.
5 ULB Ary rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanao firavoravoana nandritry ny fito andro ny mpanjaka. Natao ho an'ny olona rehetra teo amin'ny fiarovana mafin'i Sosana izany, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny madinika indrindra. Natao teo an-kianjan'ny zaridainan'ny lapan'ny mpanjaka izany. BSB BSB: At the end of this time, in the garden court of the royal palace, the king held a seven-day feast for all the people in the citadel of Susa, from the least to the greatest.
6 ULB Ny kianjan'ny zaridaina dia voahaingo tamin'ny lamba vita amin'ny landihazo fotsy sy volomparasy, tamin'ny kofehin-drongony fotsy madinika ary volomparasy, nihantona tamin'ny mason-drojo volafotsy hatreny amin'ny andrin'ny marbra. Nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny filaharan'ny lampivato porfira, marbra, hara, sy rarivato miloko. BSB BSB: Hangings of white and blue linen were fastened with cords of fine white and purple material to silver rings on the marble pillars. Gold and silver couches were arranged on a mosaic pavement of porphyry, marble, mother-of-pearl, and other costly stones.
7 ULB Naroso tamin'ny kapoaka volamena ny zava-pisotro. Ny kapoaka tsirairay dia tsy manam-paharoa ary betsaka tokoa ny divaim-panjakana nohon'ny fahalalan-tanan'ny mpanjaka. BSB BSB: Beverages were served in an array of goblets of gold, each with a different design, and the royal wine flowed freely, according to the king’s bounty.
8 ULB Ny zava-pisotro dia nentina nivoaka ho fitandrovana ny didy hoe: "Tsy misy faneriterena." Nanome baiko ny mpiasa rehetra tao an-dapany ny mpanjaka mba hanao izay rehetra irin'ny vahiny tsirairay. BSB BSB: By order of the king, no limit was placed on the drinking, and every official of his household was to serve each man whatever he desired.
9 ULB Koa nanao fanasana ho an'ny vehivavy ihany koa i Vasty mpanjaka vavy tao amin'ny lapan'i Ahasoerosy mpanjaka. BSB BSB: Queen Vashti also gave a banquet for the women in the royal palace of King Xerxes.
10 ULB Tamin'ny andro fahafito, raha nahatsiaro faly ny fon'ny mpanjaka nohon'ny divay, dia niteny tamin'i Mehomana, Bizta, Harbona, Bigta, Abagta, Zetara, ary Karkasa (ireo manam-boninahitra fito nanompo teo anoloany) izy, BSB BSB: On the seventh day, when the king’s heart was merry with wine, he ordered the seven eunuchs who served him—Mehuman, Biztha, Harbona, Bigtha, Abagtha, Zethar, and Carkas—
11 ULB mba hitondra ny mpanjaka vavy Vasty ho eo anoloany miaraka amin'ny satro-boninahiny. Tiany haseho amin'ny vahoaka sy ireo manam-boninahitra ny hatsarany, satria manaitra loatra ny endriny. BSB BSB: to bring Queen Vashti before him, wearing her royal crown, to display her beauty to the people and officials. For she was beautiful to behold.
12 ULB Fa nandà ny handeha araky ny tenin'ny mpanjaka izay nentin'ireo manam-boninahitra teo aminy i Vasty mpanjaka vavy. Avy eo dia tezitra mafy ny mpanjaka; nirehitra tao anatiny ny fahatezerany. BSB BSB: Queen Vashti, however, refused to come at the king’s command brought by his eunuchs. And the king became furious, and his anger burned within him.
13 ULB Noho izany ny mpanjaka dia nifandinika tamin'ireo lehilahy izay fantatra fa hendry, izay mahafantatra ny andro (fa izany no fanaon'ny mpanjaka manoloana an'ireo rehetra manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna sy ny fitsaràna). BSB BSB: Then the king consulted the wise men who knew the times, for it was customary for him to confer with the experts in law and justice.
14 ULB Ary ny akaiky azy indrindra dia i Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, ary Memokana, ireo andriana fiton'i Persia sy Media. Afaka nifanerasera tamin'ny mpanjaka izy ireo, ary nitàna ny toerana ambony tao amin'ny fanjakana. BSB BSB: His closest advisors were Carshena, Shethar, Admatha, Tarshish, Meres, Marsena, and Memucan, the seven princes of Persia and Media who had personal access to the king and ranked highest in the kingdom.
15 ULB "Araka ny fanarahan-dalàna, inona no tokony hatao amin'i Vasty mpanjaka vavy nohon'ny tsy fankatoavany ny baikon'i Ahasoerosy mpanjaka, izay nentin'ireo manam-boninahitra teo aminy?" BSB BSB: “According to law,” he asked, “what should be done with Queen Vashti, since she refused to obey the command of King Xerxes delivered by the eunuchs?”
16 ULB Hoy Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo manam-boninahitra hoe: "Tsy tamin'ny mpanjaka ihany i Vasty mpanjaka vavy no nanao fahadisoana, fa tamin'ireo manam-boninahitra sy ireo vahoaka izay manerana ny faritanin'i Ahasoerosy mpanjaka ihany koa. BSB BSB: And in the presence of the king and his princes, Memucan replied, “Queen Vashti has wronged not only the king, but all the princes and the peoples in all the provinces of King Xerxes.
17 ULB Fa ny zavatra nataon'ny mpanjaka vavy dia ho fantatr'ireo vehivavy rehetra. Hahatonga azy ireo hamingavinga ny vadin'izy ireo izany. Hiteny izy ireo hoe: 'Nanome didy i Ahaseorosy mpanjaka mba ho entina eo anoloany i Vasty mpanjaka vavy, fa nandà izy. BSB BSB: For the conduct of the queen will become known to all women, causing them to despise their husbands and say, ‘King Xerxes ordered Queen Vashti to be brought before him, but she did not come.’
18 ULB Mialohan'ny hiafaran'ity andro ity ihany ny andriambavin'i Persia sy Media izay naheno ny zavatra nataon'ny mpanjaka vavy dia hiteny toy izany amin'ireo manam-boninahitry ny mpanjaka koa. Dia hisy famingavingana sy fahatezerana be. BSB BSB: This very day the noble women of Persia and Media who have heard about the queen’s conduct will say the same thing to all the king’s officials, resulting in much contempt and wrath.
19 ULB Raha ankasitrahan'ny mpanjaka izany, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy any aminy, ary aoka ho voasoratra ao amin'ny lalànan'i Persianina sy Medianina, izay tsy azo foanana, fa Vasty dia tsy mahazo mankeo anoloany intsony. Aoka homen'ny mpanjaka ho an'ny vehivavy izay tsara noho izy ny toerana maha-mpanjaka azy. BSB BSB: So if it pleases the king, let him issue a royal decree, and let it be recorded in the laws of Persia and Media so that it cannot be repealed, that Vashti shall never again enter the presence of King Xerxes, and that her royal position shall be given to a woman better than she.
20 ULB Rehefa voatory manerana ny fanjakana midadasika izany didin'ny mpanjaka izany, dia hanaja ny vadiny avokoa ny vehivavy rehetra, manomboka amin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny madinika indrindra." BSB BSB: The edict the king issues will be heard throughout his vast kingdom—and so all women, from the least to the greatest, will honor their husbands.”
21 ULB Dia sitraky ny mpanjaka sy ny andriany izany toro-hevitra izany, ary nanao araka izay nanoloran'i Memokana hevitra azy ny mpanjaka. BSB BSB: The king and his princes were pleased with this counsel; so the king did as Memucan advised.
22 ULB Nandefa taratasy ho any amin'ny faritanim-panjakana rehetra izy, ho an'ireo faritany rehetra araka sorany avy, ary ho an'ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy. Nanao didy izy fa ny lehilahy rehetra dia ho masi-mandidy eo amin'ny tokatranony. Nomena araka ny fitenin'ireo vahoaka tsirairay tao amin'ny fanjakany izany didy izany. BSB BSB: He sent letters to all the provinces of the kingdom, to each province in its own script and to each people in their own language, proclaiming that every man should be master of his own household.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.