1 ULB Tamin'izany andro izany dia novakian'izy ireo teo an-tsofin'ny vahoaka ny Bokin'i Mosesy. Hita voasoratra tao amin'izany fa tsy misy Amonita na Moabita tokony hiditra ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra, mandrakizay. BSB BSB: At that time the Book of Moses was read aloud in the hearing of the people, and in it they found the passage stating that no Ammonite or Moabite should ever enter the assembly of God,
2 ULB Izany dia satria tsy tonga teo amin'ny zanak'Israely niaraka tamin'ny mofo sy rano izy ireo, fa nanakarama an'i Balama mba hanozona ny Israely izy ireo. Na dia izany aza, navadiky ny Andriamanitsika ho fitahiana ny ozona. BSB BSB: because they had not met the Israelites with food and water, but had hired Balaam to call down a curse against them (although our God had turned the curse into a blessing).
3 ULB Raha vao nandre ny lalàna izy ireo, dia nosarahan'izy ireo tamin'Israely ny olona hafa firenena rehetra. BSB BSB: As soon as the people heard this law, they excluded from Israel all of foreign descent.
4 ULB Ary talohan'izany io Eliasiba mpisorona io dia voatendry ho ao amin'ireo trano fitehirizan'ny tranon'ny Andriamanitsika. Izy dia nanana fifandraisana tamin'i Tobia. BSB BSB: Now before this, Eliashib the priest, a relative of Tobiah, had been put in charge of the storerooms of the house of our God
5 ULB Nikarakara efitrano fitehirizana lehibe ho an'i Tobia i Eliasiba, izay nitehirizan'izy ireo ny fanatitra hohanina, ny ditin-kazo manitra, ireo kojakoja, sy ireo ampahafolom-bokatra, divay vaovao, ary ny diloilo, izay voatokana ho an'ireo Levita, ireo mpihira, ny mpiandry vavahady, ary ireo anjara ho an'ireo mpisorona tany aloha. BSB BSB: and had prepared for Tobiah a large room where they had previously stored the grain offerings, the frankincense, the temple articles, and the tithes of grain, new wine, and oil prescribed for the Levites, singers, and gatekeepers, along with the contributions for the priests.
6 ULB Kanefa tamin'izany fotoana rehetra izany dia tsy tao Jerosalema aho. Fa nandeha tany amin'ny mpanjaka aho tamin'ny faharoa amby telopolo taona nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Babylona. Fotoana vitsy taorian'izay dia nangataka alalana handao ny mpanjaka aho, BSB BSB: While all this was happening, I was not in Jerusalem, because I had returned to Artaxerxes king of Babylon in the thirty-second year of his reign. Some time later I obtained leave from the king
7 ULB ka niverina tany Jerosalema. Fantatro mantsy ny ratsy izay efa nataon'i Eliasiba tamin'ny nanomezany an'i Tobia efitrano fitehirizana lehibe tao an-kianjan'ny tranon'Andriamanitra. BSB BSB: to return to Jerusalem. Then I discovered the evil that Eliashib had done on behalf of Tobiah by providing him a room in the courts of the house of God.
8 ULB Tezitra mafy aho ka navoakako teo ivelan'ny efitrano fitehirizana avokoa ireo entan'ny fianakavian'i Tobia rehetra. BSB BSB: And I was greatly displeased and threw all of Tobiah’s household goods out of the room.
9 ULB Nandidy ny hanadiovan'izy ireo ireo efitrano fitehirizana aho, ary naveriko tao amin'ireny ireo entan'ny tranon'Andriamanitra, ireo fanatitra hohanina, ary ny ditin-kazo manitra. BSB BSB: Then I ordered that the rooms be purified, and I had the articles of the house of God restored to them, along with the grain offerings and frankincense.
10 ULB Fantatro fa mbola tsy nomena azy ireo ny anjaran'ireo Levita, ka nitsoaka izy ireo, samy nankany amin'ny taniny avy, ireo Levita sy ireo mpihira izay nanao ny asa. BSB BSB: I also learned that because the portions for the Levites had not been given to them, all the Levites and singers responsible for performing the service had gone back to their own fields.
11 ULB Koa nifanatrika tamin'ireo manam-boninahitra aho ka nanao hoe: "Nahoana no notsinontsinoavina ny tranon'Andriamanitra?" Nangoniko niaraka ary napetrako tamin'ny toerany ireo. BSB BSB: So I rebuked the officials and asked, “Why has the house of God been neglected?” Then I gathered the Levites and singers together and stationed them at their posts,
12 ULB Avy eo dia nitondra ny ampahafolom-bokatra, ny divay vaovao, ary ny diloilo ho an'ny efitrano fitehirizana ny Joda rehetra. BSB BSB: and all Judah brought a tenth of the grain, new wine, and oil into the storerooms.
13 ULB Nanendry an'i Selemia mpisorona sy Zadoka mpanora-dalàna, ary tamin'ireo Levita, Pedaia, ho mpitam-bolan'ny trano fitehirizan'Andriamanitra aho. Teo anilan'izy ireo i Hanana zanaka lahin'i Zakora zanaka lahin'i Matania, fa izy ireo no voalaza ho mendri-pitokisana. Ny adidin'izy ireo dia ny mizara ireo vatsy ho an'ireo mpiara-miasa amin'izy ireo. BSB BSB: I appointed as treasurers over the storerooms Shelemiah the priest, Zadok the scribe, and Pedaiah of the Levites, with Hanan son of Zaccur, the son of Mattaniah, to assist them, because they were considered trustworthy. They were responsible for distributing the supplies to their fellow Levites.
14 ULB Tsarovy aho, ry Andriamanitro, mahakasika izany, ary aza fafàna ireo asa tsara izay efa nataoko ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ireo fanompoana izany. BSB BSB: Remember me for this, O my God, and do not blot out my deeds of loving devotion for the house of my God and for its services.
15 ULB Ary tamin'izany andro izany dia nahita ireo vahoaka tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata ary nitondra salohim-bary ka nampitondra ireny tamin'ny borikiny, ary koa divay, voaloboka, aviavy, ary ireo karazan-javatra mavesatra rehetra, izay nentin'izy ireo tao Jerosalema tamin'ny andro Sabata aho. Nanohitra mafy ny nivarotan'izy ireo hanina tamin'izany andro izany aho. BSB BSB: In those days I saw people in Judah treading winepresses on the Sabbath and bringing in grain and loading it on donkeys, along with wine, grapes, and figs. All kinds of goods were being brought into Jerusalem on the Sabbath day. So I warned them against selling food on that day.
16 ULB Ireo lehilahy avy tany Tyro nipetraka tao Jerosalema dia nitondra hazandrano sy entam-barotra samihafa, ary novarotan'izy ireo tamin'ny andro Sabata tamin'ny vahoakan'i Joda sy tao amin'ny tanàna ireny! BSB BSB: Additionally, men of Tyre who lived there were importing fish and all kinds of merchandise and selling them on the Sabbath to the people of Judah in Jerusalem.
17 ULB Ary nifanatrika tamin'ireo mpitarik'i Joda aho hoe: "Inona izao zava-dratsy ataonareo, mandoto ny andro Sabata izao? BSB BSB: Then I rebuked the nobles of Judah and asked, “What is this evil you are doing—profaning the Sabbath day?
18 ULB Moa nanao izao ve ireo razanareo? Moa tsy Andriamanitra ve no nitondra izao ratsy rehetra izao tamintsika sy tamin'ity tanàna ity? Ankehitriny ianareo dia mitondra fahatezerana bebe kokoa amin'Israely tamin'ny fandotoana ny Sabata." BSB BSB: Did not your forefathers do the same things, so that our God brought all this disaster on us and on this city? And now you are rekindling His wrath against Israel by profaning the Sabbath!”
19 ULB Raha vantany vao maizina teo amin'ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nandidy ny hikatonan'ireo varavarana sy ny tsy tokony hisokafan'ireny intsony hatramin'ny aorian'ny Sabata aho. Nametraka ny sasany tamin'ireo mpanompoko teo amin'ireo vavahady aho mba tsy hisian'ny entana ho afaka entina miditra amin'ny andro Sabata. BSB BSB: When the evening shadows began to fall on the gates of Jerusalem, just before the Sabbath, I ordered that the gates be shut and not opened until after the Sabbath. I posted some of my servants at the gates so that no load could enter on the Sabbath day.
20 ULB Nitoby tany ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ireo mpandranto sy mpivarotra karazan'entana rehetra. BSB BSB: Once or twice, the merchants and those who sell all kinds of goods camped outside Jerusalem,
21 ULB Nefa izaho nampitandrina azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitoby ivelan'ny manda? Raha mbola mamerina izany ianareo, dia hikasi-tanana anareo aho!" Nanomboka tamin'izany fotoana izany dia tsy tonga tamin'ny andro Sabata intsony izy ireo. BSB BSB: but I warned them, “Why are you camping in front of the wall? If you do it again, I will lay hands on you.” From that time on, they did not return on the Sabbath.
22 ULB Avy eo nandidy ireo Levita aho mba hanadio ny tenan'izy ireo, ary ho tonga hiambina ireo vavahady, mba hanamasina ny andro Sabata. Tsarovy ihany koa aho ny amin'izany, ry Andriamanitro, ary mamindrà fo amiko nohon'ny tsy fivadiham-panekena anananao amiko. BSB BSB: Then I instructed the Levites to purify themselves and guard the gates in order to keep the Sabbath day holy. Remember me for this as well, O my God, and show me mercy according to Your abundant loving devotion.
23 ULB Tamin'izany andro izany dia nahita ireo Jiosy izay nanambady ireo vehivavin'i Asdoda, Amona, ary Moaba ihany koa aho. BSB BSB: In those days I also saw Jews who had married women from Ashdod, Ammon, and Moab.
24 ULB Niteny tamin'ny fitenin'i Asdoda ny antsasaky ny taranak'izy ireo. Tsy nisy tamin'izy ireo nahay niteny ny fitenin'ny Joda, fa ny fitenin'ny iray amin'ireo olona hafa irery ihany. BSB BSB: Half of their children spoke the language of Ashdod or of the other peoples, but could not speak the language of Judah.
25 ULB Nifanatrika tamin'izy ireo aho, ka nanozona azy ireo, ary namely ny sasany tamin'izy ireo sy nandrirotra ny volon'izy ireo. Nampianiana azy ireo tamin'Andriamanitra aho, nanao hoe: "Ianareo dia tsy tokony hanome ny zanaka vavinareo ho an'ireo zanaka lahin'izy ireny, na haka ny zanaka vavin'izy ireny ho an'ny zanaka lahinareo, na ho anareo. BSB BSB: I rebuked them and called down curses on them. I beat some of these men and pulled out their hair. Then I made them take an oath before God and said, “You must not give your daughters in marriage to their sons or take their daughters as wives for your sons or for yourselves!
26 ULB Moa tsy nanota tamin'ireo vehivavy ireo ve i Solomona mpanjakan'Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy tamin'ireo firenena maro, ka tian'ny Andriamaniny izy, ary Andriamanitra nanao azy ho mpanjaka nanerana ny Israely rehetra. Na dia izany aza, nampanotain'ireo vadiny hafa firenena izy. BSB BSB: Did not King Solomon of Israel sin in matters like this? There was not a king like him among many nations, and he was loved by his God, who made him king over all Israel—yet foreign women drew him into sin.
27 ULB Moa ve tokony hihaino anao izahay ka hanao izany ratsy lehibe izany, ka mivadika amin'ny Andriamanitsika amin'ny fakàna vehivavy hafa firenena ho vady?" BSB BSB: Must we now hear that you too are doing all this terrible evil and acting unfaithfully against our God by marrying foreign women?”
29 ULB Tsarovy izy ireny, ry Andriamanitro, satria efa nandoto ny fisoronana, sy ny faneken'ny fisoronana ary ireo Levita. BSB BSB: Remember them, O my God, because they have defiled the priesthood and the covenant of the priesthood and of the Levites.
30 ULB Toy izany no nandiovako azy ireny tamin'ny zava-drehetra hafa firenena, ka nametraka ireo adidin'ireo mpisorona sy ireo Levita, ny tsirairay ho samy amin'ny asany avy. BSB BSB: Thus I purified the priests and Levites from everything foreign, and I assigned specific duties to each of the priests and Levites.
31 ULB Namatsy tamin'ny fotoana voatondro ny fanatitra kitay sy ireo voaloham-bokatra aho. Tsarovy amin'ny tsara aho, ry Andriamanitro. BSB BSB: I also arranged for contributions of wood at the appointed times, and for the firstfruits. Remember me, O my God, with favor.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.