1 ULB Niteny tamin'ny Mosesy Yaveh ary nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Atokany ho ahy ny teraka voalohany rehetra, ireo lahimatoa rehetra ao amin'ireo Israelita, na olona na ireo biby. Ahy ireo voalohan-terak." BSB BSB: “Consecrate to Me every firstborn male. The firstborn from every womb among the Israelites belongs to Me, both of man and beast.”
3 ULB Ary hoy i Mosesy tamin'ny vahoaka hoe: "Tsarovy sy ankalazao izao andro izao, dia ny andro izay nivoahanareo avy tany Egypta, avy tamin'ny trano fanandevozana, satria tamin'ny tanana maherin'i Yaveh no nitondrany anareo nivoaka avy tao amin'io toerana io. Tsy misy mofo misy lalivay azo hohanina. BSB BSB: So Moses told the people, “Remember this day, the day you came out of Egypt, out of the house of slavery; for the LORD brought you out of it by the strength of His hand. And nothing leavened shall be eaten.
4 ULB Hivoaka an'i Egypta amin'ity andro ity ianareo, amin'ny volan'i Abiba. BSB BSB: Today, in the month of Abib, you are leaving.
5 ULB Rehefa entin'i Yaveh ao amin'ny tanin'ny Kananita, Hitita, Amorita, Hivita, ary ny Jebosita, ny tany izay nianianany tamin'ireo razanareo homeny anareo, dia ny tany tondra-dronono sy tantely— dia tsy maintsy hitandrina izany fomba fivavahana izany ianareo amin'io volana io. BSB BSB: And when the LORD brings you into the land of the Canaanites, Hittites, Amorites, Hivites, and Jebusites—the land He swore to your fathers that He would give you, a land flowing with milk and honey—you shall keep this service in this month.
6 ULB Mandritra ny fito andro dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy lalivay ianareo; amin'ny andro fahafito dia hisy andro firavoravonana mba hanomezam-boninahitra an'i Yaveh. BSB BSB: For seven days you are to eat unleavened bread, and on the seventh day there shall be a feast to the LORD.
7 ULB Mofo tsy misy lalivay no tsy maintsy hohanina mandritra ny fito andro; tsy tokony hisy mofo misy lalivay akory hita eo aminareo. Tsy misy lalivay tokony ho hita miaraka aminareo ao anatin'ny sisin-taninareo. BSB BSB: Unleavened bread shall be eaten during those seven days. Nothing leavened may be found among you, nor shall leaven be found anywhere within your borders.
8 ULB Amin'izany andro izany dia hilaza amin'ireo zanakao ianao hoe: 'Izany dia noho izay nataon'i Yaveh tamiko rehefa nivoaka tany Egypta aho.' BSB BSB: And on that day you are to explain to your son, ‘This is because of what the LORD did for me when I came out of Egypt.’
9 ULB Izany dia ho fampatsiahivana ho anareo eo amin'ny tananareo, ary fampatsiahivana eo amin'ny handrinareo. Izany dia mba ho eo am-bavanareo ny lalàn'i Yaveh, fa tamin'ny tanana maherin'i Yaveh no nitondrana anareo nivoaka avy tao Egypta. BSB BSB: It shall be a sign for you on your hand and a reminder on your forehead that the Law of the LORD is to be on your lips. For with a mighty hand the LORD brought you out of Egypt.
10 ULB Noho izany dia tsy maintsy tandremanareo ity lalàna ity amin'ny fotoana efa voatondro isan-taona isan-taona. BSB BSB: Therefore you shall keep this statute at the appointed time year after year.
11 ULB Rehefa mitondra anareo ao amin'ny tanin'ireo Kananita Yaveh, araka ny nianianany taminareo sy ireo razanareo fa ho ataony, ary rehefa manome ny tany ho anareo Izy, BSB BSB: And after the LORD brings you into the land of the Canaanites and gives it to you, as He swore to you and your fathers,
12 ULB dia tsy maintsy hanokana ho Azy ny zaza voalohan-teraka rehetra sy ny voalohan-terak'ireo bibinareo. Ary ho an'i Yaveh ireo lahy. BSB BSB: you are to present to the LORD the firstborn male of every womb. All the firstborn males of your livestock belong to the LORD.
13 ULB Ireo voalohan-teraky ny boriky rehetra dia tsy maintsy hamidy zanak'ondry. Raha tsy mamerina mividy izany ianao, dia tsy maintsy manapaka ny vozony. Fa ireo lahimatoa rehetra eo aminareo—dia tsy maintsy averinareo vidiana. BSB BSB: You must redeem every firstborn donkey with a lamb, and if you do not redeem it, you are to break its neck. And every firstborn of your sons you must redeem.
14 ULB Raha manontany anao ny zanakao lahy any aoriana hoe: "Inona no dikan'izao?" dia ho lazainao azy hoe: "Tamin'ny tana-maherin'i Yaveh no nitondrany anay nivoaka avy tao Egypta, tao amin'ny trano fanandevozana. BSB BSB: In the future, when your son asks you, ‘What does this mean?’ you are to tell him, ‘With a mighty hand the LORD brought us out of Egypt, out of the house of slavery.
15 ULB Rehefa nandà mafy ny hamela anay handeha i Farao, dia novonoin'i Yaveh ny voalohan-teraka tao amin'ny tany Egypta, ny voalohan-teraky ireo vahoaka sy ny voalohan-terak'ireo biby. Izany no antony anaovako sorona ho an'i Yaveh ny lahy voalohan-teraky amin'ny biby rehetra, ary ny antony hamerenako ny vidin'ny lahimatoa amin'ireo zanako.' BSB BSB: And when Pharaoh stubbornly refused to let us go, the LORD killed every firstborn in the land of Egypt, both of man and beast. This is why I sacrifice to the LORD the firstborn male of every womb, but I redeem all the firstborn of my sons.’
16 ULB Ho zary fampatsiahivana eo amin'ny tananao, sy fampatsiahivana eo amin'ny handrinao izany, fa tamin'ny tana-mahery no namoahan'i Yaveh antsika avy tao Egypta." BSB BSB: So it shall serve as a sign on your hand and a symbol on your forehead, for with a mighty hand the LORD brought us out of Egypt.”
17 ULB Rehefa namela ny vahoaka nandeha i Farao, dia tsy nitarika azy ireo tamin'ny làlana tany amin'ny tanin'ireo Filistina Andriamanitra, na dia teo akaiky teo aza izany tany izany. Fa hoy Andriamanitra hoe: "Angamba hiova hevitra ireo vahoaka raha mandalo ady ary hiverina any Egypta." BSB BSB: When Pharaoh let the people go, God did not lead them along the road through the land of the Philistines, though it was shorter. For God said, “If the people face war, they might change their minds and return to Egypt.”
18 ULB Fa nentin'Andriamananitra nanodidina ny efitry ny Ranomasina Mena ireo vahoaka. Niakatra avy tao amin'ny tany Egypta ireo Israelita ary nivonona ho amin'ny ady. BSB BSB: So God led the people around by the way of the wilderness toward the Red Sea. And the Israelites left the land of Egypt arrayed for battle.
19 ULB Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolam-balon'i Josefa, fa Josefa nampianiana mafy ireo Israelita ka nilaza hoe: "Azo antoka fa hamonjy anareo Andriamanitra, ary tsy maintsy hitondra ny taolam-baloko miaraka aminareo ianareo." BSB BSB: Moses took the bones of Joseph with him because Joseph had made the sons of Israel swear a solemn oath when he said, “God will surely attend to you, and then you must carry my bones with you from this place.”
20 ULB Nandeha avy tany Sokota ireo Israelita ary nitoby tao Etama teo amin'ny sisin'ny tany efitra. BSB BSB: They set out from Succoth and camped at Etham on the edge of the wilderness.
21 ULB Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo tao amin'ny andri-rahona tamin'ny atoandro mba hitarika azy ireo eny an-dalana. Ary ny alina Izy dia nandeha toy ny andri-afo mba hanome azy fahazavana. Tamin'izany fomba izany no nahafahan'izy ireo nandeha ny andro sy ny alina. BSB BSB: And the LORD went before them in a pillar of cloud to guide their way by day, and in a pillar of fire to give them light by night, so that they could travel by day or night.
22 ULB Tsy nanaisotra ny andri-rahona ny atoandro na ny andri-afo ny alina nanoloana ireo vahoaka Yaveh. BSB BSB: Neither the pillar of cloud by day nor the pillar of fire by night left its place before the people.