1 ULB Yaveh niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: Now the LORD said to Moses and Aaron in the land of Egypt,
2 ULB Hoy Izy hoe: "Ho anareo, ity volana ity no ho fiandohan'ireo volana, dia ny voalohan'ny volana amin'ny taona ho anareo. BSB BSB: “This month is the beginning of months for you; it shall be the first month of your year.
3 ULB Lazao amin'ny fiangonan'Israely hoe: 'Amin'ny andro fahafolon'ity volana ity izy ireo dia tsy maintsy maka ondry na zanak'osy avy ho azy ireo, ny fianakaviana tsirairay dia samy hanao izany, zanak'ondry iray isaky ny fianakaviana. BSB BSB: Tell the whole congregation of Israel that on the tenth day of this month each man must select a lamb for his family, one per household.
4 ULB Raha vitsy loatra ka tsy hahalany zanak'ondry iray ny fianakaviana iray, ny lehilahy sy ny mpiray vody rindrina aminy dia tokony haka ny henan-janak'ondry na zanak'osy izay ampy hohanin'ny isam-batan'olona. Tokony ho ampy hohanin'ny rehetra izany, noho izany izy ireo dia tsy maintsy maka hena sahaza hamokisana azy rehetra. BSB BSB: If the household is too small for a whole lamb, they are to share with the nearest neighbor based on the number of people, and apportion the lamb accordingly.
5 ULB Tsy tokony hisy kilema mihitsy ny zanak'ondry na ny zanak'osinareo, lahy herintaona. Afaka maka iray amin'ireo ondry na osy ianareo. BSB BSB: Your lamb must be an unblemished year-old male, and you may take it from the sheep or the goats.
6 ULB Tsy maintsy karakarainareo tsara izany mandra-pahatongan'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io. Ary tsy maintsy mamono ireo biby ireo ny fiangonan'Israely manontolo amin'ny takariva. BSB BSB: You must keep it until the fourteenth day of the month, when the whole assembly of the congregation of Israel will slaughter the animals at twilight.
7 ULB Tsy maintsy maka sasany amin'ny rà ianareo ary mametraka izany amin'ny tolàm-baravarana anankiroa sy eo amin'ny tataom-baravaran'ny trano ao amin'izay hihinananareo ny hena. BSB BSB: They are to take some of the blood and put it on the sides and tops of the doorframes of the houses where they eat the lambs.
8 ULB Tsy maintsy hohaninareo amin'io alina io ilay hena, rehefa natono mialoha tamin'ny afo. Hoano miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira, miaraka amin'ny hanitra mafaitra izany. BSB BSB: They are to eat the meat that night, roasted over the fire, along with unleavened bread and bitter herbs.
9 ULB Aza hohanina manta na ampangotrahana amin'ny rano izany. Fa kosa, atonoy amin'ny afo miaraka amin'ny lohany, ny tongony ary ny ao anatiny. BSB BSB: Do not eat any of the meat raw or cooked in boiling water, but only roasted over the fire—its head and legs and inner parts.
10 ULB Tsy tokony havelanareo ho tratra maraina ny ambin'izany. Tsy maintsy doranareo izay sisa tavela amin'ny maraina. BSB BSB: Do not leave any of it until morning; before the morning you must burn up any part that is left over.
11 ULB Izao no fomba tsy maintsy hihinanareo izany: mifatotra ny fehi-kibonareo, ny kapanareo eny amin'ny tongotrareo, ary ny tehina eny an-tananareo. Tsy maintsy mihinana haingana izany ianareo. Izany no Paskan' i Yaveh. BSB BSB: This is how you are to eat it: You must be fully dressed for travel, with your sandals on your feet and your staff in your hand. You are to eat in haste; it is the LORD’s Passover.
12 ULB Izao no lazain'i Yaveh: Handeha hamakivaky ny tany Egypta Aho amin'ity alina ity ka handringana ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby rehetra ao amin'ny tany Egypta. Hitondra famaizana ho an'ireo andriamanitr'i Egypta rehetra Aho. Izaho no Yaveh. BSB BSB: On that night I will pass through the land of Egypt and strike down every firstborn male, both man and beast, and I will execute judgment against all the gods of Egypt. I am the LORD.
13 ULB Ny rà no ho famantarana eo amin'ny tranonareo ny amin'ny fahatongavako ao aminareo. Rehefa mahita ny rà Aho, dia handalo eo aminareo fotsiny rehefa handringana ny tany Egypta. Tsy ho ao aminareo ka handringana anareo ny loza. BSB BSB: The blood on the houses where you are staying will be a sign; when I see the blood, I will pass over you. No plague will fall on you to destroy you when I strike the land of Egypt.
14 ULB Ho andro fahatsiarovana ho anareo io andro io, izay tsy maintsy hotandremanareo ho firavoravoana ho an'i Yaveh. Ho lalàna ho anareo mandrakariva, amin'ny taranaky ny vahoakanareo, fa tsy maintsy mitandrina izany andro izany ianareo. BSB BSB: And this day will be a memorial for you, and you are to celebrate it as a feast to the LORD, as a permanent statute for the generations to come.
15 ULB Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritra ny fito andro. Amin'ny andro voalohany ianareo dia hanala ny lalivay ao an-tranonareo. Na iza na iza mihinana mofo tsy misy masirasira amin'ny andro voalohany mandra-pahatonga ny andro fahafito, izany olona izany dia tsy maintsy halàna ao Israely. BSB BSB: For seven days you must eat unleavened bread. On the first day you are to remove the leaven from your houses. Whoever eats anything leavened from the first day through the seventh must be cut off from Israel.
16 ULB Amin'ny andro voalohany dia hisy vondrona izay atokana ho Ahy, ary amin'ny andro fahafito dia hisy fanangonana hafa toy izany. Tsy misy asa ho atao amin'izany andro izany, afa-tsy ny mahandro sakafo hohanin'ny rehetra. Izany ihany no asa azonareo atao. BSB BSB: On the first day you are to hold a sacred assembly, and another on the seventh day. You must not do any work on those days, except to prepare the meals—that is all you may do.
17 ULB Tsy maintsy tandremanareo io andron'ny Fankalazana ny Mofo tsy misy Lalivay io satria amin'io andro io no hitondrako ny olonareo, isan-tokony avy, hiala ny tany Egypta. Ka tsy maintsy tandremanareo amin'ny taranaky ny olona izany andro izany. Ho lalàna ho anareo mandrakariva izany. BSB BSB: So you are to keep the Feast of Unleavened Bread, for on this very day I brought your divisions out of the land of Egypt. You must keep this day as a permanent statute for the generations to come.
18 ULB Tsy maintsy mihinana mofo tsy misy lalivay ianareo manomboka amin'ny takarivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohan'ny taona, mandra-pahatongan'ny takarivan'ny andro faha-iraika amby roapolon'ny volana. BSB BSB: In the first month you are to eat unleavened bread, from the evening of the fourteenth day until the evening of the twenty-first day.
19 ULB Mandritra ireo andro fito ireo, dia tsy tokony hisy lalivay hita mihitsy ao an-tranonareo. Izay rehetra mihinana mofo misy lalivay dia ho alàna amin'ny vondron'Israely, na vahiny izany olona izany na olona teraka teo amin'ny taninareo. BSB BSB: For seven days there must be no leaven found in your houses. If anyone eats something leavened, that person, whether a foreigner or native of the land, must be cut off from the congregation of Israel.
20 ULB Tsy tokony hihinana zavatra misy lalivay mihitsy ianareo. Na aiza na aiza honenanao, dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira."' BSB BSB: You are not to eat anything leavened; eat unleavened bread in all your homes.”
21 ULB Ary niantso ny loholon'Israely rehetra i Mosesy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana ary misafidiana ondry na zanak'ondry izay ampy hamahanana ny fianakavianareo ka vonoy ny zanak'ondrin'ny Paska. BSB BSB: Then Moses summoned all the elders of Israel and told them, “Go at once and select for yourselves a lamb for each family, and slaughter the Passover lamb.
22 ULB Avy eo dia makà rantsana hysopa ary atsobohy ao anatin'ny rà izay ao anaty koveta izany. Hosory amin'ny tolàm-baravarana roa sy tataom-baravarana ny rà izay tao anaty koveta. Tsy misy na iza na iza mahazo mivoaka ny tranony mandra-piavin'ny maraina. BSB BSB: Take a cluster of hyssop, dip it into the blood in the basin, and brush the blood on the top and sides of the doorframe. None of you shall go out the door of his house until morning.
23 ULB Satria Yaveh dia handalo mba handringana ireo Egyptiana. Rehefa mahita ny rà amin'ny tataom-baravarana sy ny tolàm-baravarana roa Izy, dia handalo fotsiny amin'ny varavaranareo ary tsy hamela ny mpandringana hiditra ao an-tranonareo mba hamely anareo. BSB BSB: When the LORD passes through to strike down the Egyptians, He will see the blood on the top and sides of the doorframe and will pass over that doorway; so He will not allow the destroyer to enter your houses and strike you down.
24 ULB Tsy maintsy tandremanareo izany fotoana izany. Ho lalàna mandrakariva ho anareo sy ny taranakareo izany. BSB BSB: And you are to keep this command as a permanent statute for you and your descendants.
25 ULB Rehefa hiditra ny tany izay homen'i Yaveh anareo ianareo, araka izay efa nampanantenainy ho ataony, dia tsy maintsy hitandrina izany fomba fivavahana izany ianareo. BSB BSB: When you enter the land that the LORD will give you as He promised, you are to keep this service.
26 ULB Rehefa manontany anareo ny zanakareo hoe: 'Inona no dikan'izao fomba fivavahana izao?' BSB BSB: When your children ask you, ‘What does this service mean to you?’
27 ULB dia tsy maintsy hiteny ianareo hoe: 'Soron'ny Paskan'i Yaveh izao, satria nandalo tamin'ny tranon'ireo Israelita tao Egypta Yaveh rehefa namely an'ireo Egyptiana. Nanafaka ny ankohonanay Izy."' Dia niankohoka ny vahoaka ka nidera an'i Yaveh. BSB BSB: you are to reply, ‘It is the Passover sacrifice to the LORD, who passed over the houses of the Israelites in Egypt when He struck down the Egyptians and spared our homes.’” Then the people bowed down and worshiped.
28 ULB Nandeha ireo Israelita ka nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona. BSB BSB: And the Israelites went and did just what the LORD had commanded Moses and Aaron.
29 ULB Ary tamin'ny sasak'alina dia naringan'i Yaveh ny voalohan-teraka rehetra tao amin'ny tany Egypta, nanomboka tamin'ny lahimatoan'i Farao, izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, hatramin'ny lahimatoan'ilay olona tany an-tranomaizina mbamin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. BSB BSB: Now at midnight the LORD struck down every firstborn male in the land of Egypt, from the firstborn of Pharaoh, who sat on his throne, to the firstborn of the prisoner in the dungeon, as well as all the firstborn among the livestock.
30 ULB Nifoha i Farao nony alina—izy, ireo mpanompony rehetra, ary ny Egyptiana rehetra. Nisy fitomaniana mafy tao Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nisy maty tao anatiny. BSB BSB: During the night Pharaoh got up—he and all his officials and all the Egyptians—and there was loud wailing in Egypt; for there was no house without someone dead.
31 ULB Niantso an'i Mosesy sy Arona i Farao ny alina ary niteny hoe: "Mitsangàna, mialà eo amin'ny vahoakako, ianareo sy ireo Israelita. Mandehana, manompoa an'i Yaveh, araka izay nambaranareo fa tianareo hatao. BSB BSB: Then Pharaoh summoned Moses and Aaron by night and said, “Get up, leave my people, both you and the Israelites! Go, worship the LORD as you have requested.
32 ULB Ento ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo, araka izay nolazainareo, ary mandehana, ka tsofy rano ihany koa aho." BSB BSB: Take your flocks and herds as well, just as you have said, and depart! And bless me also.”
33 ULB Tao anaty fahamaikana tanteraka no nandroahan'ireo Egyptiana azy ireo hiala ny tany, satria hoy izy ireo: "ho faty daholo isika rehetra." BSB BSB: And in order to send them out of the land quickly, the Egyptians urged the people on. “For otherwise,” they said, “we are all going to die!”
34 ULB Koa dia naka ny koba tsy misy lalivay ny vahoaka. Efa nifatotra tao amin'ny akanjon'izy ireo sy teo amin'ny sorok'izy ireo ny lovia fihinanana. BSB BSB: So the people took their dough before it was leavened, carrying it on their shoulders in kneading bowls wrapped in clothing.
35 ULB Ary nanao araka izay nolazain'i Mosesy azy ireo ny vahoakan'Israely. Nangataka volafotsy, volamena, ary akanjo tamin'ireo Egyptiana izy ireo. BSB BSB: Furthermore, the Israelites acted on Moses’ word and asked the Egyptians for articles of silver and gold, and for clothing.
36 ULB Nataon'i Yaveh nila sitraka tamin'ireo Israelita ny Egyptiana. Ka nomen'ireo Egyptiana azy ireo avokoa izay rehetra nangatahin'izy ireo. Tamin'izany fomba izany no nandroban'ireo Israelita an'ireo Egyptiana. BSB BSB: And the LORD gave the people such favor in the sight of the Egyptians that they granted their request. In this way they plundered the Egyptians.
38 ULB Vahoaka nifangaro izay tsy Israelita ihany koa no nandeha niaraka tamin'izy ireo, niaraka tamin'ny ondry aman'osy sy omby, ary biby fiompy marobe. BSB BSB: And a mixed multitude also went up with them, along with great droves of livestock, both flocks and herds.
39 ULB Nanao mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba izay nentiny avy tany Egypta izy ireo. Tsy nisy masirasira izany satria noroahina avy tao Egypta izy ireo ka tsy afaka nitaraikiraiky tamin'ny fikarakarana sakafo. BSB BSB: Since their dough had no leaven, the people baked what they had brought out of Egypt into unleavened loaves. For when they had been driven out of Egypt, they could not delay and had not prepared any provisions for themselves.
40 ULB 430 taona no niainan'ireo Israelita tao Egypta. BSB BSB: Now the duration of the Israelites’ stay in Egypt was 430 years.
41 ULB Tamin'ny fiafaran'ny 430 taona, tamin'izany andro izany indrindra, no nialan'ireo antokon'i Yaveh rehetra tao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: At the end of the 430 years, to the very day, all the LORD’s divisions went out of the land of Egypt.
42 ULB Alina tsy fatoriana io alina io, satria Yaveh no nitondra azy ireo hiala ny tany Egypta. Izany no alin'i Yaveh izay tokony ho tandreman'ireo Israelita rehetra hatramin'ny taranaky ny vahoakan'izy ireo. BSB BSB: Because the LORD kept a vigil that night to bring them out of the land of Egypt, this same night is to be a vigil to the LORD, to be observed by all the Israelites for the generations to come.
43 ULB Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy sy Arona: "Ity no fitsipika amin'ny Paska: tsy misy vahiny manana anjara amin'ny fihinanana izany. BSB BSB: And the LORD said to Moses and Aaron, “This is the statute of the Passover: No foreigner is to eat of it.
44 ULB Kanefa, ny andevon'ny Israelita rehetra, izay novidiam-bola, dia afaka mihinana rehefa avy noforainareo izy. BSB BSB: But any slave who has been purchased may eat of it, after you have circumcised him.
45 ULB Ireo vahiny sy ireo mpanompo nokaramaina dia tsy mahazo mihinana amin'ny sakafo. BSB BSB: A temporary resident or hired hand shall not eat the Passover.
46 ULB Ny sakafo dia tsy maintsy hohanina ao an-trano. Tsy tokony hitondra ny hena any ivelan'ny trano ianareo, ary tsy tokony hanapaka taolana amin'izany mihitsy. BSB BSB: It must be eaten inside one house. You are not to take any of the meat outside the house, and you may not break any of the bones.
47 ULB Tsy maintsy mitandrina ny firavoravoana avokoa ny fiaraha-monina Israely rehetra. BSB BSB: The whole congregation of Israel must celebrate it.
48 ULB Raha misy vahiny miara-mipetraka aminareo ka te-hitandrina ny Paskan'i Yaveh, dia tsy maintsy foraina avokoa ireo havany lehilahy rehetra. Ary afaka tonga izy ka mitandrina izany. Na izany aza, dia tsy misy olona tsy voafora afaka mihinana amin'ny sakafo. BSB BSB: If a foreigner resides with you and wants to celebrate the LORD’s Passover, all the males in the household must be circumcised; then he may come near to celebrate it, and he shall be like a native of the land. But no uncircumcised man may eat of it.
49 ULB Izany lalàna izany sady hihatra amin'ny teratany sy ny vahiny izay mipetraka eo aminareo." BSB BSB: The same law shall apply to both the native and the foreigner who resides among you.”
50 ULB Koa dia tena nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy sy Arona ireo Israelita rehetra. BSB BSB: Then all the Israelites did this—they did just as the LORD had commanded Moses and Aaron.
51 ULB Ary tamin'io andro io indrindra no nitondran'i Yaveh ny isan-tokon'Israely nivoaka ny tany Egypta. BSB BSB: And on that very day the LORD brought the Israelites out of the land of Egypt by their divisions.