2 ULB Yaveh no tanjako sy hirako, ary efa nanjary famonjena ahy Izy. Izany no Andriamanitro, ary hidera Azy aho, Andriamanitr'ireo razako, ary hanandratra Azy aho. BSB BSB: The LORD is my strength and my song, and He has become my salvation. He is my God, and I will praise Him, my father’s God, and I will exalt Him.
3 ULB Yaveh dia mpiady; Yaveh no anarany. BSB BSB: The LORD is a warrior, the LORD is His name.
4 ULB Nanipy ny kalesin'i Farao sy ny tafika tao anaty ranomasina Izy. Ireo manam-boninahitra voafidin'i Farao dia nilentika tao anatin'ny Ranomasina Mena. BSB BSB: Pharaoh’s chariots and army He has cast into the sea; the finest of his officers are drowned in the Red Sea.
5 ULB Ny lalina nanarona azy ireo; dia nilentika tany amin'ny lalina tahaka ny vato izy ireo. BSB BSB: The depths have covered them; they sank there like a stone.
6 ULB Ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia manam-boninahitra amin'ny hery; ny tananao ankavanana, ry Yaveh, dia nanorotoro ny fahavalo. BSB BSB: Your right hand, O LORD, is majestic in power; Your right hand, O LORD, has shattered the enemy.
7 ULB Tamin'ny voninahitra lehibe no nanjeranao ireo izay nitsangana hanohitra Anao. Nalefanao ny fahatezeranao; nandevona azy ireo tahaka ny mololo izany. BSB BSB: You overthrew Your adversaries by Your great majesty. You unleashed Your burning wrath; it consumed them like stubble.
8 ULB Tamin'ny fofonain'ny vavoronao no nampiangona ireo rano; ireo rano mikoriana nijoro mahitsy toy ny antontan-javatra; ny rano lalina dia nivaingana tany amin'ny fanambanin'ny ranomasina. BSB BSB: At the blast of Your nostrils the waters piled up; like a wall the currents stood firm; the depths congealed in the heart of the sea.
9 ULB Hoy ny fahavalo: 'Hanenjika aho, hisambotra aho, hizara izay babo aho; ny faniriako dia ho tanteraka amin'izy ireo; hamoaka ny sabatro aho; hamotika azy ireo ny tanako.' BSB BSB: The enemy declared, ‘I will pursue, I will overtake. I will divide the spoils; I will gorge myself on them. I will draw my sword; my hand will destroy them.’
10 ULB Nitsoka tamin'ny rivotrao ianao, ka nandrakotra azy ireo ny ranomasina; nilentika tahaka ny firaka anatin'ny rano mahery izy ireo. BSB BSB: But You blew with Your breath, and the sea covered them. They sank like lead in the mighty waters.
11 ULB Iza no tahaka Anao, ry Yaveh, eo amin'ireo andriamanitra? Iza no tahaka Anao, manam-boninahitra amin'ny fahamasinana, omem-boninahitra amin'ny dera, manao fahagagana? BSB BSB: Who among the gods is like You, O LORD? Who is like You—majestic in holiness, revered with praises, performing wonders?
12 ULB Naninjitra ny tananao ankavanana Ianao, dia nitelina azy ireo ny tany. BSB BSB: You stretched out Your right hand, and the earth swallowed them up.
13 ULB Tao amin'ny fanekenao tsy mivadika no nitarihinao ny vahoaka izay navotanao. Tamin'ny tanjakao no nitarihinao azy ireo tany amin'ny toerana masina izay nitoeranao. BSB BSB: With loving devotion You will lead the people You have redeemed; with Your strength You will guide them to Your holy dwelling.
14 ULB Handre ireo vahoaka, ary hangovitra izy ireo; hisambotra ireo mponin'i Filistia ny horohoro. BSB BSB: The nations will hear and tremble; anguish will grip the dwellers of Philistia.
15 ULB Dia hatahotra ireo lehiben'i Edoma; ireo miaramilan'i Moaba dia hihozongozona; ny mponin'i Kanana rehetra dia ho ketraka. BSB BSB: Then the chiefs of Edom will be dismayed; trembling will seize the leaders of Moab; those who dwell in Canaan will melt away,
16 ULB Ny horohoro sy ny tahotra dia hianjera amin'izy ireo. Noho ny herin'ny sandrinao, dia ho hanjary hijanona tahaka ny vato mandra-pandalon'ny vahoakanao izy ireo, ry Yaveh— mandra-pandalon'ireo vahoaka navotanao. BSB BSB: and terror and dread will fall on them. By the power of Your arm they will be as still as a stone until Your people pass by, O LORD, until the people You have bought pass by.
17 ULB Hitondra azy ireo ary hametraka azy ireo eny an-tendrombohitry ny lovanao Ianao, ilay toerana, ry Yaveh, izay efa nataonao hitoerana, ny fitoerana masina, ry Tomponay, izay efa namboarin'ny tananao. BSB BSB: You will bring them in and plant them on the mountain of Your inheritance—the place, O LORD, You have prepared for Your dwelling, the sanctuary, O Lord, Your hands have established.
18 ULB Hanjaka mandrakizay doria Yaveh." BSB BSB: The LORD will reign forever and ever!”
19 ULB Fa ireo soavalin'i Farao dia nandeha niaraka tamin'ireo kalesiny sy ireo mpitaingin-tsoavaliny tany anaty ranomasina. Namerina ny ranon'ny ranomasina tamin'izy ireo i Yaveh. Nefa ireo Israelita nandeha tamin'ny tany maina teo anelanelan'ny ranomasina. BSB BSB: For when Pharaoh’s horses, chariots, and horsemen went into the sea, the LORD brought the waters of the sea back over them. But the Israelites walked through the sea on dry ground.
20 ULB Miriama ilay mpaminany vavy, anabavin'i Arona, naka ampongatapaka, ary ireo vehivavy rehetra nivoaka niaraka tamin'ny ampongatapaka, nandihy nanaraka azy. BSB BSB: Then Miriam the prophetess, Aaron’s sister, took a tambourine in her hand, and all the women followed her with tambourines and dancing.
21 ULB Nihira tamin'izy ireo Miriama hoe: "Mihirà ho an'i Yaveh, fa nandresy am-boninahitra Izy. Ny soavaly sy ny mpitaingina izany dia natsipiny tao anaty ranomasina." BSB BSB: And Miriam sang back to them: “Sing to the LORD, for He is highly exalted; the horse and rider He has thrown into the sea.”
22 ULB Dia nitarika ny Israely nanomboka teo amin'ny ranomasina Mena i Mosesy. Nivoaka avy tao amin'ny efitr'i Sora izy ireo. Nandeha hateloana tany an'efitra ary tsy nahita rano izy ireo. BSB BSB: Then Moses led Israel from the Red Sea, and they went out into the Desert of Shur. For three days they walked in the desert without finding water.
23 ULB Dia tonga tany Mara izy ireo, nefa tsy afaka nisotro ny rano tao satria nangidy izany. Dia nantsoin'izy ireo hoe Mara izany toerana izany. BSB BSB: And when they came to Marah, they could not drink the water there because it was bitter. (That is why it was named Marah.)
24 ULB dia nitaraina tamin'i Mosesy ireo vahoaka ary niteny hoe: "Inona no azonay sotroina?" BSB BSB: So the people grumbled against Moses, saying, “What are we to drink?”
25 ULB Niantso mafy an'i Yaveh i Mosesy, ary nampiseho azy hazo iray i Yaveh. Nanipy izany tao anatin'ny rano Mosesy, ka lasa azo sotroina ny rano. Teo no nanomezan'i Yaveh lalàna hentitra azy ireo, ary teo no nitsapany azy ireo. BSB BSB: And Moses cried out to the LORD, and the LORD showed him a log. And when he cast it into the waters, they were sweetened. There the LORD made for them a statute and an ordinance, and there He tested them,
26 ULB Hoy Izy: "Raha mihaino tsara ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary manao izay marina eo imasony, ary raha manongilan-tsofina amin'ireo didiny ka mankatoa ireo lalàny rehetra ianareo— dia tsy misy ataoko aminareo ireo aretina izay nataoko tamin'ireo Egyptiana, fa Izaho no Yaveh izay manasitrana anareo." BSB BSB: saying, “If you will listen carefully to the voice of the LORD your God, and do what is right in His eyes, and pay attention to His commands, and keep all His statutes, then I will not bring on you any of the diseases I inflicted on the Egyptians. For I am the LORD who heals you.”
27 ULB Ary ireo vahoaka tonga tany Elima, izay nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazon-drofia fitopolo. Nitoby tany teo akaikin'ny rano izy ireo. BSB BSB: Then they came to Elim, where there were twelve springs of water and seventy palm trees, and they camped there by the waters.