1 ULB Nanohy ny dian'izy ireo avy tany Elima ny vahoaka, ary ny fivondronan'ny Israelita dia tonga tany amin'ny tany efitr'i Sina, izay manelanelana an'i Elima sy Sinay, tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana faharoa taorian'ny fialan'izy ireo avy tao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: On the fifteenth day of the second month after they had left the land of Egypt, the whole congregation of Israel set out from Elim and came to the Desert of Sin, which is between Elim and Sinai.
2 ULB Nitaraina noho i Mosesy sy Aarona ny fivondronan'ny Israelita rehetra tany an'efitra. BSB BSB: And there in the desert the whole congregation of Israel grumbled against Moses and Aaron.
3 ULB Ary hoy ny Israelita tamin'izy ireo hoe: "Raha mba matin'ny tanan'i Yaveh tany amin'ny tany Egypta mantsy isika tamin'ny nipetrahantsika teo akaikin'ireo vilanin-kena ka nihinana mofo dia voky. Fa nentinao nivoaka ho aty amin'ity tany efitra ity izahay mba hahafaty noana ny fivondronanay manontolo." BSB BSB: “If only we had died by the LORD’s hand in the land of Egypt!” they said. “There we sat by pots of meat and ate our fill of bread, but you have brought us into this desert to starve this whole assembly to death!”
4 ULB Avy eo i Yaveh niteny tamin'ny Mosesy hoe: "Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka ireo olona ary hanangona ny sahaza hohaniny isan'andro mba hahafahako mitsapa azy ireo, hahitàko raha handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Behold, I will rain down bread from heaven for you. Each day the people are to go out and gather enough for that day. In this way I will test whether or not they will follow My instructions.
5 ULB Ary amin'ny andro fahenina, izy ireo dia hanangona indroa mihoatra amin'izay efa nangonin'izy ireo isan'andro teo aloha, ka hahandro izay ho entin'izy ireo." BSB BSB: Then on the sixth day, when they prepare what they bring in, it will be twice as much as they gather on the other days.”
6 ULB Avy eo dia niteny tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy sy Arona hoe: "Anio hariva dia ho fantatrareo fa Yaveh no namoaka anareo avy any amin'ny tany Egypta. BSB BSB: So Moses and Aaron said to all the Israelites, “This evening you will know that it was the LORD who brought you out of the land of Egypt,
7 ULB Ny maraina dia hahita ny voninahitr'i Yaveh ianareo, fa Izy mandre ny fitarainanareo nohon'ny Aminy. Iza moa izahay no dia mampitaraina anareo?" BSB BSB: and in the morning you will see the LORD’s glory, because He has heard your grumbling against Him. For who are we, that you should grumble against us?”
8 ULB Hoy koa Mosesy hoe: "Ho fantatrareo izany rehefa homen'i Yaveh hena ianareo ny hariva ary sakafo ny maraina mba ho voky— satria reny ny taraina izay ambaranareo nohon'ny Aminy. Mba iza moa izaho sy Aarona? Tsy manohitra anay ny fitarainanareo; fa manohitra an'i Yaveh." BSB BSB: And Moses added, “The LORD will give you meat to eat this evening and bread to fill you in the morning, for He has heard your grumbling against Him. Who are we? Your grumblings are not against us but against the LORD.”
9 ULB Mosesy niteny an'i Arona hoe: "Ambarao amin'ny ny fivondronan'ny vahoakan'Isarely rehetra hoe: 'Manatòna eo anatrehan'i Yaveh, fa efa reny ny fitarainanareo.'" BSB BSB: Then Moses said to Aaron, “Tell the whole congregation of Israel, ‘Come before the LORD, for He has heard your grumbling.’”
10 ULB Ary raha niresaka tamin'ny fivondronan'ny vahoakan'Israely rehetra i Arona, dia nijery nanatrika ny tany an'efitra izy ireo, ary indro, niseho tamin'izy ireo teny amin'ny rahona ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: And as Aaron was speaking to the whole congregation of Israel, they looked toward the desert, and there in a cloud the glory of the LORD appeared.
11 ULB Dia niresaka tamin'i Mosesy Yaveh ary nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
12 ULB "Efa reko ny fitarainan'ireo vahoakan'Israely. Ary miresaha amin'izy ireo ka lazao hoe: 'Hihinan-kena ianareo ny hariva, ary ho vokisana mofo ianareo ny maraina. Dia ho fantatrareo fa izaho ilay Yaveh Andriamanitrareo."' BSB BSB: “I have heard the grumbling of the Israelites. Tell them, ‘At twilight you will eat meat, and in the morning you will be filled with bread. Then you will know that I am the LORD your God.’”
13 ULB Ary nony hariva dia nisy papelika niakatra sy nandrakotra ny toby. Ny maraina dia nandry manodidina ny toby ny ando. BSB BSB: That evening quail came and covered the camp, and in the morning there was a layer of dew around the camp.
14 ULB Rehefa lasa ny ando, dia nisy vaingambaingan-javatra manify toa fanala teo amin'ny tany tamin'ny faritry ny efitra. BSB BSB: When the layer of dew had evaporated, there were thin flakes on the desert floor, as fine as frost on the ground.
15 ULB Ary rehefa nahita izany ny vahoakan'Israely, dia nifanontany izy ireo hoe: 'Inona io?" Tsy fantatr'izy ireo hoe inona ilay izy. Dia hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Io no mofo izay nomen'i Yaveh hohanina. BSB BSB: When the Israelites saw it, they asked one another, “What is it?” For they did not know what it was. So Moses told them, “It is the bread that the LORD has given you to eat.
16 ULB Izao no didy izay nomen'i Yaveh: "Aoka ny tsirairay aminareo hanangona izay sahaza hohaninareo, dia ny fatran'ny gomara iray isan'ny vahoakanao. Toy izao no hanangonanao izany: Manangona izay ampy hohanin'ny olona tsiriaray izay mitoetra ao anaty lainao.'" BSB BSB: This is what the LORD has commanded: ‘Each one is to gather as much as he needs. You may take an omer for each person in your tent.’”
17 ULB Ary nataon'ireo vahoakan'Israely izany. Ny sasany nanangona maro, ary ny sasany nanangona vitsy. BSB BSB: So the Israelites did this. Some gathered more, and some less.
18 ULB Raha nafatran'izy ireo tamin'ny gomara famarana izany, ireo izay nanangona betsaka dia tsy nisy ambiny, ary izay nanangona kely dia nanana ny ampy. Ny olona tsirairay dia nanangona izay ampy ho an'ny filany. BSB BSB: When they measured it by the omer, he who gathered much had no excess, and he who gathered little had no shortfall. Each one gathered as much as he needed to eat.
19 ULB Dia hoy Mosesy tamin'izy ireo: "Aoka tsy hisy hamela sisa amin'izany mandra-pahatonga ny maraina." BSB BSB: Then Moses said to them, “No one may keep any of it until morning.”
20 ULB Na izany aza, dia tsy nihaino an'i Mosesy izy ireo. Nisy sasany tamin'izy ireo no namela sisa tamin'izany mandra-maraina, fa nivoaka olitra sy lasa maimbo izany. BSB BSB: But they did not listen to Moses; some people left part of it until morning, and it became infested with maggots and began to smell. So Moses was angry with them.
21 ULB Dia nanjary tezitra tamin'izy ireo Mosesy. Dia nangonin'izy ireo isa-maraina izany. Samy nanangona ny sahaza azy ny olona tsirairay mba hohanina tamin'io andro io. Rehefa nahamay ny masoandro, dia levona izany. BSB BSB: Every morning each one gathered as much as was needed, and when the sun grew hot, it melted away.
22 ULB Ary tamin'ny andro fahenina dia nanangona mofo indroa mihoatra isan'olona izy ireo, gomara roa isan'olona. Ny lehiben'ny fivondronana rehetra dia nanatona ary nilaza izany tamin'i Mosesy. BSB BSB: On the sixth day, they gathered twice as much food—two omers per person—and all the leaders of the congregation came and reported this to Moses.
23 ULB Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no voalzan'i Yaveh: 'Fitsaharana masina rahampitso, Sabata masina ho fanajana an'i Yaveh. Hendaso izay tianareo hendasina, ary andrahoy izay tianareo handrahoina. Ary tehirizo ho anareo, hatramin'ny maraina ny ambiny rehetra amin'izany."' BSB BSB: He told them, “This is what the LORD has said: ‘Tomorrow is to be a day of complete rest, a holy Sabbath to the LORD. So bake what you want to bake, and boil what you want to boil. Then set aside whatever remains and keep it until morning.’”
24 ULB Dia nampirimin'izy ireo mandra-maraina izany, araka izay nandidian'i Mosesy. Ary tsy maimbo izany, na nahitana olitra taminy. BSB BSB: So they set it aside until morning as Moses had commanded, and it did not smell or contain any maggots.
25 ULB Hoy Mosesy: "Hano anio ireto sakafo ireto, fa anio dia andro voatokana ho Sabata mba hanajana an'i Yaveh. Ary anio dia tsy hahita izany any an-tsaha ianareo. BSB BSB: “Eat it today,” Moses said, “because today is a Sabbath to the LORD. Today you will not find anything in the field.
26 ULB Ary hanangona izany mandritra ny enina andro ianareo, fa ny andro fahafito dia andro Sabata. Ny andro Sabata dia tsy hisy mana. BSB BSB: For six days you may gather, but on the seventh day, the Sabbath, it will not be there.”
27 ULB Ary tamin'ny andro faha fito dia maro ireo olona no nandeha nivoaka nanangona mana, fa tsy nahita na inona na inona izy ireo. BSB BSB: Yet on the seventh day some of the people went out to gather, but they did not find anything.
28 ULB Ary hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandra-pahovina no handavanareo hitandrina ireo didiko sy ireo lalàko? BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “How long will you refuse to keep My commandments and instructions?
29 ULB Indro, nomen'i Yaveh anareo ny andro Sabata. Ary amin'ny andro fahenina dia hanome anareo ireo mofo mandritra ny roa andro Izy. Aoka hijanona eo amin'ny toerana misy azy avy ianareo; tsy misy mahazo mivoaka eo amin'ny toerana misy azy amin'ny andro fahafito." BSB BSB: Understand that the LORD has given you the Sabbath; that is why on the sixth day He will give you bread for two days. On the seventh day, everyone must stay where he is; no one may leave his place.”
30 ULB Noho izany dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito ny vahoaka. BSB BSB: So the people rested on the seventh day.
31 ULB "Mana" no niantsoan'ireo vahoakan'Israely izany sakafo izany. Fotsy toy ny voan-drafy ireo, ary manana tsiro toy ny koriandra manify misy tantely. BSB BSB: Now the house of Israel called the bread manna. It was white like coriander seed and tasted like wafers made with honey.
32 ULB Hoy Mosesy: "Izao no didin'i Yaveh: 'Aoka hisy mana iray gomara ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoakanao, mba hahita ireo mofo namahanako anareo tany an'efitra ny taranakareo, taorian'ny nitondrako anareo nivoaka avy tany Egypta."' BSB BSB: Moses said, “This is what the LORD has commanded: ‘Keep an omer of manna for the generations to come, so that they may see the bread I fed you in the wilderness when I brought you out of the land of Egypt.’”
33 ULB Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: "Mangalà vilany ary asio mana iray gomara ao. Ataovy eo alohan'Yaveh izany mba ho voatahiry mandritra ny taranaky ny vahoaka." BSB BSB: So Moses told Aaron, “Take a jar and fill it with an omer of manna. Then place it before the LORD to be preserved for the generations to come.”
34 ULB Araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy, dia notehirizin'i Arona tamin'ny lalàn'ny fanekena tao anaty fiara izany. BSB BSB: And Aaron placed it in front of the Testimony, to be preserved just as the LORD had commanded Moses.
35 ULB Nihinana mana nandritra ny efapolo taona ny vahoakan'Israely mandra-pahatonga azy ireo tany amin'ny tany misy mponina. Nihinana izany izy ireo mandra-pahatonga azy ireo teo amin'ny sisin-tanin'ny tany Kanana. BSB BSB: The Israelites ate manna forty years, until they came to a land where they could settle; they ate manna until they reached the border of Canaan.
36 ULB Ary ny gomara iray dia mira ampahafolon'ny efaha iray. BSB BSB: (Now an omer is a tenth of an ephah.)