1 ULB Ireo fiarahamonin'Israely manontolo dia nandeha avy any amin'ny efitr'i Sina, nanaraka ireo torolalan'Andriamanitra. Nitoby tao Refidima izy ireo, nefa tsy nisy rano ho sotroin'ny vahoaka tao. BSB BSB: Then the whole congregation of Israel left the Desert of Sin, moving from place to place as the LORD commanded. They camped at Rephidim, but there was no water for the people to drink.
2 ULB Dia nanome tsiny an'i Mosesy noho izany zava-nisy tamin'izy ireo izany ny vahoaka ary nanao hoe: "Omeo rano hosotroina izahay." Hoy Mosesy hoe: "Nahoana no mifanditra amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Yaveh ianareo?" BSB BSB: So the people contended with Moses, “Give us water to drink.” “Why do you contend with me?” Moses replied. “Why do you test the LORD?”
3 ULB Nangetaheta mafy ireo vahoaka, ka nitaraina tamin'i Mosesy izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Nahoana no nitondra anay niakatra avy tao Egypta ianao? Mba hamono anay sy ireo zanakay ary ireo biby fiompinay amin'ny hetaheta?" BSB BSB: But the people thirsted for water there, and they grumbled against Moses: “Why have you brought us out of Egypt—to make us and our children and livestock die of thirst?”
4 ULB Dia niantso mafy an'i Yaveh i Mosesy hoe: "Inona no tokony ataoko amin'ity vahoaka ity? Efa saika vonona hitora-bato ahy izy ireo." BSB BSB: Then Moses cried out to the LORD, “What should I do with these people? A little more and they will stone me!”
5 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Mandehana eo alohan'ireo vahoaka, ary ento miaraka aminao ireo loholon'i Israely sasany. Ento miaraka aminao ny tehina izay nikapohanao ny renirano, ary mandehana. BSB BSB: And the LORD said to Moses, “Walk on ahead of the people and take some of the elders of Israel with you. Take along in your hand the staff with which you struck the Nile, and go.
6 ULB Hijoro eo alohanao any eo amin'ny vatolampy ao Horeba Aho, ary hikapoka ny vatolampy ianao. Hisy rano hivoaka amin'izany mba hosotroin'ny vahoaka." Dia nanao izany teo imason'ireo loholon'Israely i Mosesy. BSB BSB: Behold, I will stand there before you by the rock at Horeb. And when you strike the rock, water will come out of it for the people to drink.” So Moses did this in the sight of the elders of Israel.
7 ULB Niantso izany toerana izany hoe Masa sy Meriba noho ny fitarainan'ireo Israelita izy, ary satria efa naka fanahy ny Tompo izy ireo tamin'ny nitenenany hoe: "Eto aminay ve Yaveh sa tsia?" BSB BSB: He named the place Massah and Meribah because the Israelites quarreled, and because they tested the LORD, saying, “Is the LORD among us or not?”
8 ULB Dia tonga ary nanafika an'Israely tao Refidima ny tafiky ny vahoaka Amalekita. BSB BSB: After this, the Amalekites came and attacked the Israelites at Rephidim.
9 ULB Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: "Mifidiana lehilahy maromaro ary mivoaha. Miadia amin'ny Amalekita. Rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra eo an-tanako aho." BSB BSB: So Moses said to Joshua, “Choose some of our men and go out to fight the Amalekites. Tomorrow I will stand on the hilltop with the staff of God in my hand.”
10 ULB Dia niady tamin'ny Amalekita araka ny nandidian'i Mosesy azy Josoa, raha niakatra tao an-tampon'ny havoana kosa Mosesy, Arona, ary Hora. BSB BSB: Joshua did as Moses had instructed him and fought against the Amalekites, while Moses, Aaron, and Hur went up to the top of the hill.
11 ULB Rehefa nanangana ny tanany ho ambony Mosesy, dia nandresy Israely; rehefa namela ny tanany haka aina izy, dia nanomboka nandresy ny Amalekita. BSB BSB: As long as Moses held up his hands, Israel prevailed; but when he lowered them, Amalek prevailed.
12 ULB Rehefa nihanavesatra ny tanan'i Mosesy, dia naka vato i Arona sy Hora ary nametraka izany tao ambaniny mba hipetrahany. Tamin'io fotoana io ihany, dia nihazona ny tanany ho ambony i Arona sy Hora, ny olona iray teo andaniny, ary ny olona iray hafa teo amin'ny ankilany. Ary dia voatazona mafy ireo tanan'i Mosesy mandra-pilentiky ny masoandro. BSB BSB: When Moses’ hands grew heavy, they took a stone and put it under him, and he sat on it. Then Aaron and Hur held his hands up, one on each side, so that his hands remained steady until the sun went down.
13 ULB Dia nandresy ny vahoakan'ny Amalekita tamin'ny sabatra i Josoa. BSB BSB: So Joshua overwhelmed Amalek and his army with the sword.
15 ULB Dia nanorina alitara i Mosesy ary niantso izany hoe: "Yaveh no fanevako." BSB BSB: And Moses built an altar and named it The LORD Is My Banner.
16 ULB Hoy izy: "Fa ny tanana dia nasandratra ambony ho amin'ny seza fiandrianan'i Yaveh—fa Yaveh hiady amin'ny Amalekita amin'ireo taranaka fara mandimby rehetra." BSB BSB: “Indeed,” he said, “a hand was lifted up toward the throne of the LORD. The LORD will war against Amalek from generation to generation.”