1 ULB Tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny vahoakan'i Israely ny tany Egypta, tamin'io andro io ihany, no nahatongavan'izy ireo tao an'efitr'i Sinay. BSB BSB: In the third month, on the same day of the month that the Israelites had left the land of Egypt, they came to the Wilderness of Sinai.
2 ULB Koa rehefa niala tao Refidima izy ireo ka nankany an'efritr'i Sinay, dia nitoby tao an'efitra teo anoloan'ny tendrombohitra. BSB BSB: After they had set out from Rephidim, they entered the Wilderness of Sinai, and Israel camped there in front of the mountain.
3 ULB Dia niakatra tao amin'Andriamanitra Mosesy. Dia niantso azy avy eo amin'ny tendrombohitra Yaveh ka nanao hoe: "Tsy maintsy hilazanao ny ankohonan'i Jakoba, dia ny vahoakan'i Israely hoe: BSB BSB: Then Moses went up to God, and the LORD called to him from the mountain, “This is what you are to tell the house of Jacob and explain to the sons of Israel:
4 ULB Efa hitanareo izay nataoko tamin'ny Egyptiana, ny fomba nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery sy ny nitaomako anareo ho eto amiko. BSB BSB: ‘You have seen for yourselves what I did to Egypt, and how I carried you on eagles’ wings and brought you to Myself.
5 ULB Koa ankehitriny àry, raha mihaino am-pankatoavana ny feoko ianareo ka mitandrina ny fanekeko, dia ho harena manokana ho Ahy ianareo mihoatra amin'ny olona rehetra, satria Ahy ny tany rehetra. BSB BSB: Now if you will indeed obey My voice and keep My covenant, you will be My treasured possession out of all the nations—for the whole earth is Mine.
6 ULB Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no tsy maintsy ho lazainao amin'ny vahoakan'Israely." BSB BSB: And unto Me you shall be a kingdom of priests and a holy nation.’ These are the words that you are to speak to the Israelites.”
7 ULB Dia tonga Mosesy ka niantso ireo loholon'ny vahoaka. Dia nalahany nanoloana azy ireo ny teny rehetra izay nandidian'i Yaveh azy. BSB BSB: So Moses went back and summoned the elders of the people and set before them all these words that the LORD had commanded him.
8 ULB Koa niara-namaly ireo vahoaka ka nanao hoe: "Hataonay izay rehetra nolazain'i Yaveh." Dia notanterin'i Mosesy tamin'i Yaveh ny tenin'ny olona. BSB BSB: And all the people answered together, “We will do everything that the LORD has spoken.” So Moses brought their words back to the LORD.
9 ULB Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ho tonga eo aminao anaty rahona matevina Aho mba hahafahan'ny vahoaka mandre anao raha miteny miaraka aminao Aho ary mba hahafahany hino anao mandrakariva koa." Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Yaveh ireo tenin'ny vahoaka. BSB BSB: The LORD said to Moses, “Behold, I will come to you in a dense cloud, so that the people will hear when I speak with you, and they will always put their trust in you.” And Moses relayed to the LORD what the people had said.
10 ULB Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'ny vahoaka. Anio sy rahampitso no tsy maintsy hanamasinanao ho Ahy azy ireo, ary ataovy diovin'izy ireo ny fitafiany. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Go to the people and consecrate them today and tomorrow. They must wash their clothes
11 ULB Mivonona amin'ny andro fahatelo, fa amin'ny andro fahatelo dia hidina ho eo amin'ny tendrombohitr'i Sinay Yaveh. BSB BSB: and be prepared by the third day, for on the third day the LORD will come down on Mount Sinai in the sight of all the people.
12 ULB Asio fefy ny manodidina ny tendrombohitra ho an'ny vahoaka. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Tandremo mba tsy hiakaranareo ny tendrombohitra na hikasihanareo ny sisin'izany. Na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty tokoa izy.' BSB BSB: And you are to set up a boundary for the people around the mountain and tell them, ‘Be careful not to go up on the mountain or touch its base. Whoever touches the mountain shall surely be put to death.
13 ULB Tsy hisy tànana hikasika olona tahaka izany. Fa kosa, hotoraham-bato tokoa izy na hotifirina. Na olona izany na biby, dia tsy maintsy vonoina izy. Rehefa lavareny ny feon'ny trompetra, vao afaka mankeo ho eo am-pototry ny tedrombohitra izy ireo." BSB BSB: No hand shall touch him, but he shall surely be stoned or shot with arrows—whether man or beast, he must not live.’ Only when the ram’s horn sounds a long blast may they approach the mountain.”
14 ULB Dia nidina ny tendrombohitra Mosesy mba ho eo amin'ny vahoaka. Nohamasininy ho an'i Yaveh ny olona ary ireo kosa nanadio ny fitafiany. BSB BSB: When Moses came down from the mountain to the people, he consecrated them, and they washed their clothes.
15 ULB Dia hoy izy tamin'ny vahoaka hoe: "Mivonona amin'ny andro fahatelo; koa aza manakaiky ny vadinareo." BSB BSB: “Be prepared for the third day,” he said to the people. “Do not draw near to a woman.”
16 ULB Tamin'ny andro fahatelo, nony maraina, dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary feon-trompetra mafy faneno. Toran-kovitra ny olona rehetra teo amin'ny toby. BSB BSB: On the third day, when morning came, there was thunder and lightning. A thick cloud was upon the mountain, and a very loud blast of the ram’s horn went out, so that all the people in the camp trembled.
17 ULB Dia nentin'i Mosesy nivoaka ny toby ny olona mba hihaona amin'Andriamanitra, ary nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo. BSB BSB: Then Moses brought the people out of the camp to meet with God, and they stood at the foot of the mountain.
18 ULB Rakotra setroka tanteraka ny tendrombohitra Sinay satria nidina teo aminy tamin'ny afo sy ny setroka Yaveh. Dia niakatra toy ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihonzongozona mafy ny tendrombohitra iray manontolo. BSB BSB: Mount Sinai was completely enveloped in smoke, because the LORD had descended on it in fire. And the smoke rose like the smoke of a furnace, and the whole mountain quaked violently.
19 ULB Rehefa nihamafy dia mafy ny feon'ny trompetra, dia niteny Mosesy, ary namaly feo azy Andriamanitra. BSB BSB: And as the sound of the ram’s horn grew louder and louder, Moses spoke and God answered him in the thunder.
20 ULB Dia nidina teo an-tendrombohitra Sinay Yaveh, teo an-tampon-tendrombohitra, ary niantso an'i Mosesy ho ao an-tampony Izy. Dia niakatra Mosesy noho izany. BSB BSB: The LORD descended to the top of Mount Sinai and called Moses to the summit. So Moses went up,
21 ULB Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Midina ka hampitandremo ny olona tsy hisisika ho aty amiko mba hizaha, raha tsy izany dia ho maro amin'izy ireo no ho faty. BSB BSB: and the LORD said to him, “Go down and warn the people not to break through to see the LORD, lest many of them perish.
22 ULB Aoka ihany koa ireo mpisorona izay manakaiky Ahy mba hanokana ny tenany—hampiomàno izy ireo ny amin'ny fahatongavako—mba tsy hamely azy ireo Aho." BSB BSB: Even the priests who approach the LORD must consecrate themselves, or the LORD will break out against them.”
23 ULB Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Tsy afaka hiakatra ny tendrombohitra ny olona, fa nanandidy anay Ianao hoe: 'Asio fefy manodidina ny tendrombohitra ka hatokano ho an'i Yaveh izany.'" BSB BSB: But Moses said to the LORD, “The people cannot come up Mount Sinai, for You solemnly warned us, ‘Put a boundary around the mountain and set it apart as holy.’”
24 ULB Dia hoy Yaveh taminy hoe: "Mandehana, midina ny tendrombohitra, ka ento miakatra miaraka aminao i Arona, nefa aza avela handrava ny fefy mankaty amiko ireo mpisorona sy ireo vahoaka, fandrao hamely azy ireo Aho." BSB BSB: And the LORD replied, “Go down and bring Aaron with you. But the priests and the people must not break through to come up to the LORD, or He will break out against them.”
25 ULB Dia nidina teo amin'ny vahoaka Mosesy ka niresaka tamin'izy ireo. BSB BSB: So Moses went down to the people and spoke to them.