1 ULB Rehefa hitan'ny vahoaka fa nitaredretra ny hidina avy any an-tendrombohitra i Mosesy, dia nitangorona nanodidina an'i Arona izy ireo ka nanao taminy hoe: "Avia, manaova sampy ho anay mba hialoha lalana antsika. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy." BSB BSB: Now when the people saw that Moses was delayed in coming down from the mountain, they gathered around Aaron and said, “Come, make us gods who will go before us. As for this Moses who brought us up out of the land of Egypt, we do not know what has happened to him!”
2 ULB Dia hoy Arona tamin'izy ireo hoe: "Esory ireo kavina volamena izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo, sy eny amin'ny sofin'ny zanakareo lahy sy vavy, dia ento ety amiko izany." BSB BSB: So Aaron told them, “Take off the gold earrings that are on your wives and sons and daughters, and bring them to me.”
3 ULB Dia samy nanala ireo kavina volamena teny amin'ny sofin'izy ireo avokoa ny vahoaka rehetra ka nitondra izany teny amin'i Arona. BSB BSB: Then all the people took off their gold earrings and brought them to Aaron.
4 ULB Nandray ny volamena avy amin'izy ireo izy, namolavola izany, ary nanao izany ho zanak'omby voavolavola. Dia hoy ny vahoaka hoe: "Ry Israely, ity no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta." BSB BSB: He took the gold from their hands, and with an engraving tool he fashioned it into a molten calf. And they said, “These, O Israel, are your gods, who brought you up out of the land of Egypt!”
5 ULB Rehefa hitan'i Arona izany, dia nanamboatra alitara teo anoloan'ilay zanak'omby izy ka nanao fanambarana; hoy izy hoe: "Ho andro firavoravoana amin'ny voninahitr'i Yaveh rahampitso." BSB BSB: When Aaron saw this, he built an altar before the calf and proclaimed: “Tomorrow shall be a feast to the LORD.”
6 ULB Nifoha maraina ny vahoaka ny ampitson'io ka nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Avy eo dia nipetraka mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary nitsangana nanao fomba fankalazana vetaveta. BSB BSB: So the next day they arose, offered burnt offerings, and presented peace offerings. And the people sat down to eat and drink and got up to indulge in revelry.
7 ULB Avy eo Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana faingana, satria manao ratsy, ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: Then the LORD said to Moses, “Go down at once, for your people, whom you brought up out of the land of Egypt, have corrupted themselves.
8 ULB Nivily faingana tamin'ny lalana izay nandidiako azy izy ireo. Namolavola ombikely ho azy izy ireo ka nanompo izany sy nanao sorona ho an'izany. Hoy izy ireo hoe: "Ry Israely, ity no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta.'" BSB BSB: How quickly they have turned aside from the way that I commanded them! They have made for themselves a molten calf and have bowed down to it. They have sacrificed to it and said, ‘These, O Israel, are your gods, who brought you up out of the land of Egypt.’”
9 ULB Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Efa hitako ity vahoaka ity. Indro, vahoaka mafy hatoka izy ireo. BSB BSB: The LORD also said to Moses, “I have seen this people, and they are indeed a stiff-necked people.
10 ULB Koa ankehitriny, aza manakana Ahy akory. Hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako, ka haringako izy ireo. Dia hanao firenena lehibe avy aminao Aho." BSB BSB: Now leave Me alone, so that My anger may burn against them and consume them. Then I will make you into a great nation.”
11 ULB Fa niezaka nampitony an'i Yaveh Andriamaniny i Mosesy. Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, nahoana ny hatezeranao no mirehitra amin'ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy tanana mahery? BSB BSB: But Moses sought the favor of the LORD his God, saying, “O LORD, why does Your anger burn against Your people, whom You brought out of the land of Egypt with great power and a mighty hand?
12 ULB Nahoana ireo Egyptiana no tokony hilaza hoe: 'Fikasàna ratsy no nitarihany azy ireo hivoaka, mba hamonoana azy ireo any an-tendrombohitra sy handringanana azy ireo hiala amin'ny tany?' Mialà amin'ny fahatezeranao ary atsaharo ity famaizana amin'ny vahoakanao ity. BSB BSB: Why should the Egyptians declare, ‘He brought them out with evil intent, to kill them in the mountains and wipe them from the face of the earth’? Turn from Your fierce anger and relent from doing harm to Your people.
13 ULB Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Israely, mpanomponao, izay nianiananao ka nilazanao tamin'izy ireo hoe: "Hanamaro ny taranakareo toy ny kintana eny an-danitra Aho, ary homeko ny taranakareo ny tany rehetra izay efa noresahako taminareo. Handova izany mandrakizay izy ireo.'" BSB BSB: Remember Your servants Abraham, Isaac, and Israel, to whom You swore by Your very self when You declared, ‘I will make your descendants as numerous as the stars in the sky, and I will give your descendants all this land that I have promised, and it shall be their inheritance forever.’”
14 ULB Avy eo dia nilefitra tamin'ny famaizana izay nolazainy fa hampiariny amin'ny vahoakany i Yaveh. BSB BSB: So the LORD relented from the calamity He had threatened to bring on His people.
15 ULB Avy eo dia nitodika i Mosesy ary nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ireo vato fisaka roa misy ireo lalàn'ny fanekena. Samy voasoratra ny andaniny roa amin'ilay vato, ny ao aloha sy ao aoriana. BSB BSB: Then Moses turned and went down the mountain with the two tablets of the Testimony in his hands. They were inscribed on both sides, front and back.
16 ULB Asan'Andriamanitra manokana ireo vato, ary sora-tanan'Andriamanitra manokana ny soratra voasokitra eo amin'ireo vato fisaka. BSB BSB: The tablets were the work of God, and the writing was the writing of God, engraved on the tablets.
17 ULB Rehefa ren'i Josoa ny tabataban'ireo vahoaka izay nihikiaka, dia hoy izy tamin'i Mosesy hoe: "Misy feon'ny ady ao amin'ny toby." BSB BSB: When Joshua heard the sound of the people shouting, he said to Moses, “The sound of war is in the camp.”
18 ULB Fa hoy Mosesy hoe: "Tsy feon'ny mpandresy izany reko izany, ary tsy feon'ny olona resy, fa feon'olona mihira no reko." BSB BSB: But Moses replied: “It is neither the cry of victory nor the cry of defeat; I hear the sound of singing!”
19 ULB Rehefa nanatona ilay toby Mosesy, dia nahita ilay zanak'omby sy vahoaka nandihy. Tezitra mafy izy. Natsipiny avy teny an-tanany ireo vato fisaka ary nopotehiny teny ambanin'ny tendrombohitra. BSB BSB: As Moses approached the camp and saw the calf and the dancing, he burned with anger and threw the tablets out of his hands, shattering them at the base of the mountain.
20 ULB Nalainy ilay zanak'omby izay namboarin'ny vahoaka, nodorany, ary notorotoroiny ho vovoka, ka nafafiny tany amin'ny rano. Avy eo nampisotroiny ny vahoakan'Israely izany. BSB BSB: Then he took the calf they had made, burned it in the fire, ground it to powder, and scattered the powder over the face of the water. Then he forced the Israelites to drink it.
21 ULB Dia hoy i Mosesy tamin'i Arona hoe: "Inona no nataon'ity vahoaka ity taminao, no dia nitondranao fahotana lehibe tahaka izao izy ireo?" BSB BSB: “What did this people do to you,” Moses asked Aaron, “that you have led them into so great a sin?”
22 ULB Fa hoy Arona hoe: "Aza avela hirehitra ny hatezeranao, ry tompoko. Fantatrao ireo vahoaka ireo, ny faharisihan'izy ireo hanao ratsy. BSB BSB: “Do not be enraged, my lord,” Aaron replied. “You yourself know that the people are intent on evil.
23 ULB Hoy izy ireo tamiko hoe: 'Hanamboary andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra anay niakatra avy any amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.' BSB BSB: They told me, ‘Make us gods who will go before us. As for this Moses who brought us up out of the land of Egypt, we do not know what has happened to him!’
24 ULB Ka hoy aho tamin'izy ireo hoe: 'Na iza na iza manana volamena, dia aoka izy hanala izany.' Nomen'izy ireo ahy ny volamena dia natsipiko tao anaty afo izany, ary avy amin'izany no nahazoana ity ombikely ity." BSB BSB: So I said to them, ‘Whoever has gold, let him take it off,’ and they gave it to me. And when I threw it into the fire, out came this calf!”
25 ULB Hitan'i Mosesy fa nanao fitondran-tena tsy mendrika ireo vahoaka (satria navelan'i Arona hioha-pefy izy ireo, namela ireo fahavalon'izy ireo haneso azy ireo). BSB BSB: Moses saw that the people were out of control, for Aaron had let them run wild and become a laughingstock to their enemies.
26 ULB Avy eo Mosesy nijoro teo amin'ny fidirana mankao amin'ny toby ka nanao hoe: "Na iza na iza miaraka amin'i Yaveh, dia mankanesa ety amiko." Nitangorona nanodidina azy ireo Levita rehetra. BSB BSB: So Moses stood at the entrance to the camp and said, “Whoever is for the LORD, come to me.” And all the Levites gathered around him.
27 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hanao ny sabatrany ho eo am-balahany ary hivezivezy eo amin'ny isam-baravarana manerana ny toby, ka hamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny namany aminy.'" BSB BSB: He told them, “This is what the LORD, the God of Israel, says: ‘Each of you men is to fasten his sword to his side, go back and forth through the camp from gate to gate, and slay his brother, his friend, and his neighbor.’”
28 ULB Nataon'ireo Levita izay nandidian'i Mosesy. Tamin'io andro io dia teo amin'ny telo arivo olona no maty. BSB BSB: The Levites did as Moses commanded, and that day about three thousand of the people fell dead.
29 ULB Hoy Mosesy tamin'ireo Levita hoe: "Anio dia natao ho mpanompon'i Yaveh ianareo, satria namono ny zanany lahy sy ny rahalahiny ny tsirairay aminareo, mba hanomezan'i Yaveh fitahiana ho anareo anio." BSB BSB: Afterward, Moses said, “Today you have been ordained for service to the LORD, since each man went against his son and his brother; so the LORD has bestowed a blessing on you this day.”
30 ULB Ny ampitson'iny dia hoy Mosesy tamin'ireo vahoaka hoe: "Nanao fahotana lehibe tokoa ianareo. Ankehitriny dia hiakatra ho any amin'i Yaveh aho. Angamba mety afaka mitondra fanavotana amin'ny fahotanareo aho." BSB BSB: The next day Moses said to the people, “You have committed a great sin. Now I will go up to the LORD; perhaps I can make atonement for your sin.”
31 ULB Dia niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ka nanao hoe: "Indrisy! Nanao fahotana lehibe ireto vahoaka ireto ary nanamboatra sampy vita tamin'ny volamena ho an'ny tenan'izy ireo. BSB BSB: So Moses returned to the LORD and said, “Oh, what a great sin these people have committed! They have made gods of gold for themselves.
32 ULB Nefa ankehitriny, avelao re ny fahotan'izy ireo; fa raha tsy izany, dia esory ao amin'ny boky izay nosoratanao ny anarako." BSB BSB: Yet now, if You would only forgive their sin.... But if not, please blot me out of the book that You have written.”
33 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Na iza na iza nanota tamiko, dia ho esoriko ao anatin'ny boky ny anaran'izany olona izany. BSB BSB: The LORD replied to Moses, “Whoever has sinned against Me, I will blot out of My book.
34 ULB Koa mandehana ankehitriny, tariho ho any amin'ny toerana izay efa nolazaiko anao ny vahoaka. Indro, hialoha anao ny anjeliko. Fa amin'ny andro hamaizako azy ireo, dia ho faiziko nohon'ny fahotany izy ireo." BSB BSB: Now go, lead the people to the place I described. Behold, My angel shall go before you. But on the day I settle accounts, I will punish them for their sin.”
35 ULB Avy eo Yaveh nandefa loza teo amin'ireo vahoaka satria izy ireo nanamboatra ilay ombikely, izay nataon'i Arona. BSB BSB: And the LORD sent a plague on the people because of what they had done with the calf that Aaron had made.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.