1 ULB Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, atodiho manatrika an'i Jerosalema ny tavanao, ary mitenena hanohitra ireo toerana masina; maminania hanohitra ny tanin'Israely. BSB BSB: “Son of man, set your face against Jerusalem and preach against the sanctuaries. Prophesy against the land of Israel
3 ULB Lazao amin'ny tanin'Israely hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Indro! Manohitra anao Aho! Havoakako avy ao amin'ny fitoerany ny sabatro ka hanapaka ny olo-marina sy ny ratsy fanahy hiala aminao! BSB BSB: and tell her that this is what the LORD says: ‘I am against you, and I will draw My sword from its sheath and cut off from you both the righteous and the wicked.
4 ULB Mba hanapahako ny marina sy ny ratsy fanahy hiala aminao, dia hivoaka avy amin'ny fitoerany hamely ny nofo rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra ny sabatro. BSB BSB: Because I will cut off both the righteous and the wicked, My sword will be unsheathed against everyone from south to north.
5 ULB Dia ho fantatry ny firenena rehetra fa Izaho, Yaveh, no namoaka ny sabatro avy tao amin'ny fitoerany. Tsy hihemotra intsony izany!' BSB BSB: Then all flesh will know that I, the LORD, have taken My sword from its sheath, not to return it again.’
6 ULB Ny aminao, ry zanak'olona, misentoa raha vaky ny voanao! Misentoa am-pahangidiana eo imason'izy ireo! BSB BSB: But you, son of man, groan! Groan before their eyes with a broken heart and bitter grief.
7 ULB Ary hanontany anao izy ireo hoe: "Inona no antony hisentoanao?' Dia hiteny ianao hoe: 'Nohon'ny amin'ny vaovao izay ho avy, fa ho ketraka ny fo rehetra, ary halemy ny tanana rehetra! Hiha-ketraka ny fanahy rehetra, ary hikoriana toy ny rano ny lohalika rehetra. Indro! Ho avy izany ary ho tahaka izany! —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh."' BSB BSB: And when they ask, ‘Why are you groaning?’ you are to say, ‘Because of the news that is coming. Every heart will melt, and every hand will go limp. Every spirit will faint, and every knee will turn to water.’ Yes, it is coming and it will surely happen, declares the Lord GOD.”
8 ULB Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Again the word of the LORD came to me, saying,
9 ULB "Ry zanak'olona, maminania ary lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo: Lazao hoe: Sabatra! Sabatra! Ho ranitina izany ary hatao mangirana! BSB BSB: “Son of man, prophesy and tell them that this is what the Lord says: ‘A sword, a sword, sharpened and polished—
10 ULB Ho ranitina izany mba hampiasaina amin'ny famonoana lehibe! Hatao mangirana izany mba ho tahaka ny tselatra! Tokony hifaly amin'ny tehim-panjakan'ny zanako ve isika? Halan'ny sabatra ho avy ny tsora-kazo rehetra tahaka izany! BSB BSB: it is sharpened for the slaughter, polished to flash like lightning! Should we rejoice in the scepter of My son? The sword despises every such stick.
11 ULB Koa dia homena hatao mangirana ny sabatra, ary mba ho hazonin'ny tanana avy eo! Voaranitra ny sabatra ary natao mangirana ary homena ho eo an-tanan'ilay iray izay mamono izany!' BSB BSB: The sword is appointed to be polished, to be grasped in the hand. It is sharpened and polished, to be placed in the hand of the slayer.
12 ULB Miantsoa vonjy ary mitomania, ry zanak'olona! Fa izany sabatra izany dia tonga hamely ny oloko! Manohitra ireo mpitarik'Israely izany. Natsipy ho amin'ny sabatra niaraka tamin'ny oloko izy ireo. Noho izany, mikapokapoa fe! BSB BSB: Cry out and wail, O son of man, for the sword is wielded against My people; it is against all the princes of Israel! They are tossed to the sword with My people; therefore strike your thigh.
13 ULB Fa misy ny fitsaràna, saingy ahoana raha tsy maharitra ny tehina? —izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: Surely testing will come! And what if even the scepter, which the sword despises, does not continue?’ declares the Lord GOD.
14 ULB Ankehitriny ianao, ry zanak'olona, maminania ary mitehafa tanana, fa hamely fanintelony mihitsy aza ny sabatra! Sabatra ho an'ireo izay ho vonoina! Sabatra ho an'ireo maro izay ho vonoina izany, mitrobaka azy ireo na aiza na aiza! BSB BSB: ‘So then, son of man, prophesy and strike your hands together. Let the sword strike two times, even three. It is a sword that slays, a sword of great slaughter closing in on every side!
15 ULB Mba hampitsonika ny fony sy hampitombo ireo lavony, dia napetrako hanohitra ny vavahadin'izy ireo ny famononan'ny sabatra! Loza! Natao tahaka ny tselatra izany, izay nafahana ho any amin'ny mpivaro-kena! BSB BSB: So that their hearts may melt and many may stumble, I have appointed at all their gates a sword for slaughter. Yes, it is ready to flash like lightning; it is drawn for slaughter.
16 ULB Ianao, ry Sabatra! Mameleza avy eo ankavanana! Mameleza avy eo ankavia! Mandehana eo amin'izay rehetra hitodiahan'ny tavanao. BSB BSB: Slash to the right; set your blade to the left—wherever your blade is directed.
17 ULB Fa hamely ny tanako roa ihany koa Aho; ary avy eo dia hitondra ny fahavinirako ho amin'ny fitsaharana! Izaho, Yaveh no manambara izany!" BSB BSB: I too will strike My hands together, and I will satisfy My wrath.’ I, the LORD, have spoken.”
18 ULB Tonga tamiko indray ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
19 ULB "Ankehitriny ianao, ry zanak'olona, manendre lalana roa hiavian'ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona. Samy hanomboka eo amin'ny tany iray ihany ireo lalana roa, ary hisy takelaby hanamarika ny iray amin'ireo hitondra any amin'ny tanàna. BSB BSB: “Now you, son of man, mark out two roads for the sword of the king of Babylon to take, both starting from the same land. And make a signpost where the road branches off to each city.
20 ULB Mariho ho an'ny tafika Babyloniana ny lalana iray mba hankany Raba, ilay tanànan'ny Amonita. Mariho hitondra any amin'ny tafik'i Joda sy ny tanànan'i Jerosalema, izay voaaro mafy ilay iray hafa. BSB BSB: Mark out one road for the sword to come against Rabbah of the Ammonites, and another against Judah into fortified Jerusalem.
21 ULB Fa ny mpanjakan'i Babylona dia hijanona eo amin'ny sampanan-dalana, eo amin'ny fifanenana, mba hanao sikidy. Hanozongozona tsipika maromaro izy ary hangataka tondro-lalana avy amin'ny sampy ary hizaha amin'ny atin-kena. BSB BSB: For the king of Babylon stands at the fork in the road, at the junction of the two roads, to seek an omen: He shakes the arrows, he consults the idols, he examines the liver.
22 ULB Eo amin'ny tanany havanana dia hisy fambara momban'i Jerosalema, mba hametraka andry vy fandrodanana hamely izany, mba hanokatra ny vavany hibaiko ny amin'ny famonoana, hamoaka hiakan'ady, hametraka andry vy fandrodanana hamelezana ny vavahady, hanamboatra tovon-tany, ary hampitsangana ny tilikambo fanaovana fahirano. BSB BSB: In his right hand appears the portent for Jerusalem, where he is to set up battering rams, to call for the slaughter, to lift a battle cry, to direct the battering rams against the gates, to build a ramp, and to erect a siege wall.
23 ULB Ho ohatrin'ny fambara tsy misy dikany eo imason'ireo izay ao Jerosalema izany, dia ireo izay nanao fianianana voady tamin'ny Babyloniana! Fa hiampanga azy ireo nohon'ny fandikana ny dina ny mpanjaka mba hanaovana fahirano azy ireo! BSB BSB: It will seem like a false omen to the eyes of those who have sworn allegiance to him, but it will draw attention to their guilt and take them captive.
24 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Satria hampatsiahivinao Ahy ny helokao, dia hiseho ny faharatsianao! Ho hita amin'ny asanao rehetra ny fahotanao! Noho izany antony izany dia hampatsiahy ny olona rehetra ianao fa ho babon'ny tanan'ny fahavalonao ianao! BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: ‘Because you have drawn attention to your guilt, exposing your transgressions, so that your sins are revealed in all your deeds—because you have come to remembrance—you shall be taken in hand.
25 ULB Ny aminao, ry mpanapak'Israely mpanimbazimba sady ratsy fanahy, izay efa tonga ny andron'ny fanasaziana azy, ary efa tapitra ny fotoana fanotàny, BSB BSB: And you, O profane and wicked prince of Israel, the day has come for your final punishment.’
26 ULB izao no lazain'ny Tompo Yaveh aminao: tsoahy ny hamama ary esory ny satro-boninahitra! Tsy hitovy intsony ny zava-drehetra! Asandrato ireo mietry ary ahetreo ireo misandratra! BSB BSB: This is what the Lord GOD says: ‘Remove the turban, and take off the crown. Things will not remain as they are: Exalt the lowly and bring low the exalted.
27 ULB Faharavàna! Faharavàna! Hataoko faharavàna ity! Tsy ho tafaverina amin'ny laoniny izany mandra-pahatongan'ilay iray izay voatendry hanatanteraka fitsaràna. BSB BSB: A ruin, a ruin, I will make it a ruin! And it will not be restored until the arrival of Him to whom it belongs, to whom I have assigned the right of judgment.’
28 ULB Koa ianao, ry zanak'olona, maminania ary lazao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ny vahoakan'i Amona mahakasika ny fahafaham-barakan'izy ireo ho avy: Sabatra, nisy sabatra navoaka! Noranitina ho an'ny famonoana izany mba handrapaka, koa dia ho tahaka ny tselatra izany! BSB BSB: Now prophesy, son of man, and declare that this is what the Lord GOD says concerning the Ammonites and their contempt: ‘A sword! A sword is drawn for slaughter, polished to consume, to flash like lightning—
29 ULB Raha mahita fahitam-poana ho anao ireo mpaminany, raha mbola manao fombafomba izay hiafara amin'ny lainga ho anao izy ireo, dia hanambana eo amin'ny tendan'ireo rasty fanahy izay efa ho vonoina, izay efa tonga ny andron'ny fitsaràna azy ary izay efa ho tapitra ny fotoan'ny fahotany io sabatra io. BSB BSB: while they offer false visions for you and lying divinations about you—to be placed on the necks of the wicked who are slain, whose day has come, the time of their final punishment.
30 ULB Avereno ao amin'ny fitoerany ny sabatra. Ao amin'ny toerana nahariana anao, ao amin'ny tany nipoiranao, no hitsaràko anao! BSB BSB: Return the sword to its sheath! In the place where you were created, in the land of your origin, I will judge you.
31 ULB Halatsako aminao ny fahatezerako! Ho tsofiko hamely anao ny afon'ny fahasosorako ary hapetrako ho eo an-tanan'ny olon-dozabe ianao, dia lehilahy kinga amin'ny fandringanana! BSB BSB: I will pour out My anger upon you; I will breathe the fire of My fury against you; I will hand you over to brutal men, skilled in destruction.
32 ULB Ho lasa solika ho an'ny afo ianao! Ho eo afovoan'ny tany ny rànao. Tsy ho tsarovana ianao, fa Izaho, Yaveh no nanambara izany!"' BSB BSB: You will be fuel for the fire. Your blood will stain your own land. You will not be remembered, for I, the LORD, have spoken.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.