1 ULB Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ary ianao, ry zanak'olona, hitsara ve ianao? Hitsara ny tanànan'ny rà ve ianao? Ampahafantaro azy ny fahavetavetany rehetra. BSB BSB: “As for you, son of man, will you judge her? Will you pass judgment on the city of bloodshed? Then confront her with all her abominations
3 ULB Tsy maintsy lazainao hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ity dia tanàna izay mandraraka rà eo afovoany mba hahatongavan'ny fotoany; tanàna izay manao sampy mba handotoana ny tenany. BSB BSB: and tell her that this is what the Lord GOD says: ‘O city who brings her own doom by shedding blood within her walls and making idols to defile herself,
4 ULB Meloka nohon'ny rà izay efa nalatsakao ianao, ary voaloton'ireo sampy izay nataonao. Fa efa nanafoy ny andronao sy nampanatona ny taonanao farany ianao. Noho izany dia hataoko ho henatra ho an'ireo firenena ianao ary fihomehezana eo imason'ny tany rehetra. BSB BSB: you are guilty of the blood you have shed, and you are defiled by the idols you have made. You have brought your days to a close and have come to the end of your years. Therefore I have made you a reproach to the nations and a mockery to all the lands.
5 ULB Ireo izay akaiky anao sy ireo izay lavitra anao dia samy haneso anao, ianao ry tanàna maloto, sady fantatra na aiza na aiza ny lazanao amin'ny maha feno fifanjevona anao. BSB BSB: Those near and far will mock you, O infamous city, full of turmoil.
6 ULB Indro! Ireo mpanapak'Israely, samy amin'ny fahefany avy, dia efa tonga teo aminao mba handatsa-drà. BSB BSB: See how every prince of Israel within you has used his power to shed blood.
7 ULB Efa nanala baraka ireo ray sy reny tao aminao izy ireo, ary nanatanteraka fampahoriana tamin'ireo vahiny teo afovoanao. Ratsy fitondra ireo kamboty sy ireo mpitondratena tao aminao izy ireo. BSB BSB: Father and mother are treated with contempt. Within your walls the foreign resident is exploited, the fatherless and the widow are oppressed.
8 ULB Efa nanao tsinontsinona ireo zavatro masina ianao ary nanimbazimba ny Sabatako. BSB BSB: You have despised My holy things and profaned My Sabbaths.
9 ULB Ireo lehilahy mpanendrikendrika dia efa tonga teo aminao mba handatsa-drà, ary mihinana eny an-tendrombohitra izy ireo. Manatanteraka faharatsiana eo afovoanao izy ireo. BSB BSB: Among you are slanderous men bent on bloodshed; within you are those who eat on the mountain shrines and commit acts of indecency.
10 ULB Efa niharihary tao aminao ny fitanjahan'ny ray. Efa nanararaotra ny vehivavy tsy madio nandritry ny fadim-bolany tao aminao izy ireo. BSB BSB: In you they have uncovered the nakedness of their fathers; in you they violate women during their menstrual impurity.
11 ULB Ireo lehilahy izay manao fahavetavetana miaraka amin'ireo vadin'ny mpiray vodirindrina aminy, ary ireo lehilahy izay mandoto amin-kenatra ireo vinanto vaviny ihany; ireo lehilahy izay manararaotra ireo anabaviny—dia ireo zanakavavin'ny rainy ihany—ireo rehetra ireo dia eo aminao. BSB BSB: One man commits an abomination with his neighbor’s wife; another wickedly defiles his daughter-in-law; and yet another violates his sister, his own father’s daughter.
12 ULB Ireo lehilahy ireo dia mandray kolikoly eo aminao mba handatsahan-drà. Efa nandray tombony ianao ary nahazo tombony betsaka tokoa, nandrava ireo mpiray monina tamin'ny fampahoriana ianao, ary nanadino Ahy—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: In you they take bribes to shed blood. You engage in usury, take excess interest, and extort your neighbors. But Me you have forgotten, declares the Lord GOD.
13 ULB Indro! Tamin'ny tanako no namelezako ireo tombony tsy ara-drariny izay azonao, sy ny fandatsahan-drà izay eo afovoanao. BSB BSB: Now look, I strike My hands together against your unjust gain and against the blood you have shed in your midst.
14 ULB Hahazaka ve ny fonao, hahery ve ny tananao amin'ny andro izay hamelezako anao? Izaho, Yaveh, no manambara izany, ary hataoko izany. BSB BSB: Will your courage endure or your hands be strong in the day I deal with you? I, the LORD, have spoken, and I will act.
15 ULB Koa hanaparitaka anao eo amin'ireo firenana Aho ary hampiely anao manerana ny tany. Amin'izany fomba izany, no hanadiovako ny fahalotoanao aminao. BSB BSB: I will disperse you among the nations and scatter you throughout the lands; I will purge your uncleanness.
16 ULB Ka haloto eo imason'ireo firenena ianao. Ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh."' BSB BSB: And when you have defiled yourself in the eyes of the nations, then you will know that I am the LORD.’”
17 ULB Avy eo dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
18 ULB "Ry zanak'olona, amiko ny ankohonan'Israely dia efa lasa tain-drendrika. Izy rehetra ireo dia sisam-barahina sy vy fotsy, ary vy sy firaka eo afovoanao. Ho tahaka ny tain-drendrika volafotsy ao anaty lafaoronao lehibe izy ireo. BSB BSB: “Son of man, the house of Israel has become dross to Me. All of them are copper, tin, iron, and lead inside the furnace; they are but the dross of silver.
19 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Satria efa lasa tahaka ny tain-drendrika ianareo rehetra, noho izany, indro! Efa hanangona anareo eo afovoan'i Jerosalema Aho. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: ‘Because all of you have become dross, behold, I will gather you into Jerusalem.
20 ULB Tahaka ny volafotsy sy varahina, vy, firaka ary vy fotsy voahangona eo afovoan'ny lafaoro lehibe izay tsy maintsy hisy afo hitsoka izany, no handrendrehako anao. Koa hanangona anao ao amin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako Aho. Hatsofoko ao ianao ary hitsoka ny afo ao amin'izany Aho mba handrendrika izany; koa hanangona anao amin'ny fahatezerako sy amin'ny fahavinirako Aho, ary hametraka anao ao Aho ka handrendrika anao. BSB BSB: Just as one gathers silver, copper, iron, lead, and tin into the furnace to melt with a fiery blast, so I will gather you in My anger and wrath, leave you there, and melt you.
21 ULB Koa hanangona anao Aho ary hitsoka anao amin'ny afon'ny fahatezerako ka ho rendrika eo afovoany ianao. BSB BSB: Yes, I will gather you together and blow on you with the fire of My wrath, and you will be melted within the city.
22 ULB Tahaka ny volafotsy rendrika ao afovoan'ny lafaoro lehibe, no haharendrika anao eo afovoany, ka ho fantatrao fa Izaho, Yaveh, no efa nandraraka ny fahatezerako taminao!'" BSB BSB: As silver is melted in a furnace, so you will be melted within the city. Then you will know that I, the LORD, have poured out My wrath upon you.’”
23 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the word of the LORD came to me, saying,
24 ULB "Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: 'Ianao dia tany mbola tsy voadio. Tsy misy orana amin'ny andron'ny fahatezerana! BSB BSB: “Son of man, say to her, ‘In the day of indignation, you are a land that has not been cleansed, upon which no rain has fallen.’
25 ULB Misy fiaraha-mitsikombakomban'ireo mpaminaniny eo afovoany, tahaka ny liona mierona mamiravira ny hazany. Mandevona ny fiainana izy ireo ary maka harena sarobidy; namela mpitondratena maro tao aminy izy ireo! BSB BSB: The conspiracy of the princes in her midst is like a roaring lion tearing its prey. They devour the people, seize the treasures and precious things, and multiply the widows within her.
26 ULB Manao herisetra amin'ny lalàko ireo mpisorony, ary manimbazimba ireo zavatro masina izy ireo. Tsy manavaka ny zava-masina sy zavatra voazimbazimba izy ireo, ary tsy mampianatra ny fahasamihafana eo amin'ny maloto sy ny madio. Manafina ny masony amin'ny Sabatako izy ireo mba hanimbazimbana Ahy eo afovoany. BSB BSB: Her priests do violence to My law and profane My holy things. They make no distinction between the holy and the common, and they fail to distinguish between the clean and the unclean. They disregard My Sabbaths, so that I am profaned among them.
27 ULB Ireo andrian-dahiny ao aminy dia tahaka ny amboadia mamiravira ireo hazany. Mandatsa-drà izy ireo ary mandrava fiainana, mba hahazoana tombony tsy ara-drariny. BSB BSB: Her officials within her are like wolves tearing their prey, shedding blood, and destroying lives for dishonest gain.
28 ULB Nandoko azy ireo tamin'ny lalotra fotsy ireo mpaminaniny; mahita fahitana diso izy ireo ary maminany lainga amin'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Izao no lazain'ny Tompo Yaveh" nefa tsy niteny akory Yaveh. BSB BSB: Her prophets whitewash these deeds by false visions and lying divinations, saying, ‘This is what the Lord GOD says,’ when the LORD has not spoken.
29 ULB Ireo mponin'ny tany dia nampahory tamin-kery sy nambabo tamin'ny fandrobana, ary manao ratsy fitondra ny mahantra sy ny fadiranovana izy ireo, sady mampahory ny vahiny tsy amin-drariny. BSB BSB: The people of the land have practiced extortion and committed robbery. They have oppressed the poor and needy and have exploited the foreign resident without justice.
30 ULB Koa nitady lehilahy iray tao amin'izy ireo izay hanangana manda sy hitsangana eo anatrehako eo amin'ny elakelak'izany ho an'ny tany Aho mba tsy handravako izany, fa tsy nahita Aho. BSB BSB: I searched for a man among them to repair the wall and stand in the gap before Me on behalf of the land, so that I should not destroy it. But I found no one.
31 ULB Koa handraraka ny fahatezerako eo amin'izy ireo Aho. Handringana azy ireo amin'ny afon'ny fahatezerako Aho ary hametraka ny lalany eo amin'ny lohan'izy ireo ihany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" BSB BSB: So I have poured out My indignation upon them and consumed them with the fire of My fury. I have brought their ways down upon their own heads, declares the Lord GOD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.