1 ULB Tamin'ny volana faharoa ambin'ny folon'ny taona faharoa ambin'ny folo, tamin'ny voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: In the twelfth year, on the first day of the twelfth month, the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, manandràta fisaonana mahakasika an'i Farao ilay mpanjakan'i Egypta; lazao azy hoe: 'Tahaka ny liona tanora eo amin'ireo firenena ianao, saingy tahaka ny biby masiaka ao an-dranomasina; mijoboka ao anaty rano ianao, ary manakobakobana ny rano amin'ny tongotra ka mandoto ny ranon'izy ireo. BSB BSB: “Son of man, take up a lament for Pharaoh king of Egypt and say to him: ‘You are like a lion among the nations; you are like a monster in the seas. You thrash about in your rivers, churning up the waters with your feet and muddying the streams.’
3 ULB Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Koa dia handatsaka ny haratoko ao aminao eo amin'ireo fivondronan'ny vahoaka maro Aho, ary hampiakatra anao amin'ny haratoko izy ireo. BSB BSB: This is what the Lord GOD says: ‘I will spread My net over you with a company of many peoples, and they will draw you up in My net.
4 ULB Hamela anao ao amin'ilay tany Aho. Hatsipiko any an-tsaha ianao ary hangoniko eo aminao ireo voron'ny lanitra rehetra; ho voky miatiaty aminao ny hanoanan'ireo biby velona amin'ny tany rehetra. BSB BSB: I will abandon you on the land and hurl you into the open field. I will cause all the birds of the air to settle upon you, and all the beasts of the earth to eat their fill of you.
5 ULB Fa hametraka ny nofonao eo an-tendrombohitra Aho, ary ho fenoiko ny fahalovan'ny fatinao ireo lohasaha. BSB BSB: I will put your flesh on the mountains and fill the valleys with your remains.
6 ULB Ary handraraka ny rànao manerana ny tendrombohitra Aho, ary ho feno ny rànao ny fandrian-drano. BSB BSB: I will drench the land with the flow of your blood, all the way to the mountains—the ravines will be filled.
7 ULB Ary rehefa hamono anao Aho, dia handrakotra ny lanitra sy hanamaizina ny kintan'izy ireo; ho rakofako rahona ny masoandro, ary tsy hamirapiratra amin'ny hazavany ny volana. BSB BSB: When I extinguish you, I will cover the heavens and darken their stars. I will cover the sun with a cloud, and the moon will not give its light.
8 ULB Hanamaizina ny famirapiratana rehetran'ny lanitra eo aminareo Aho, ary handrakotra aizina eo amin'ny taninareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: All the shining lights in the heavens I will darken over you, and I will bring darkness upon your land,’ declares the Lord GOD.
9 ULB Koa hampihorohoro ny fon'ny vahoaka maro ao amin'ny tany izay tsy fantatrao Aho, rehefa mby hitondra fahalavoana ho anao eo amin'ireo firenana, eo amin'ireo tany izay tsy mbola fantatrao Aho. BSB BSB: ‘I will trouble the hearts of many peoples, when I bring about your destruction among the nations, in countries you do not know.
10 ULB Hanafintohina vahoaka maro mahakasika anao Aho; hangovitry ny horohoro mahakasika anao ireo mpanjakan'izy ireo rehefa mampandihy ny sabatro eo anoloan'izy ireo Aho. Hangovitra noho ianao amin'ny fotoana rehetra ny tsirairay, amin'ny andron'ny faharavanao. BSB BSB: I will cause many peoples to be appalled over you, and their kings will shudder in horror because of you when I brandish My sword before them. On the day of your downfall each of them will tremble every moment for his life.’
11 ULB Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Ho avy hanohitra anao ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona. BSB BSB: For this is what the Lord GOD says: ‘The sword of the king of Babylon will come against you!
12 ULB Hataoko ringan'ny sabatr'ireo mpiady ireo vahoaka maronao—mpiady samy horohoron'ireo firenena. Ireo mpiady ireo dia handrava ny avonavon'i Egypta sy hamotika ireo vahoakany maro. BSB BSB: I will make your hordes fall by the swords of the mighty, the most ruthless of all nations. They will ravage the pride of Egypt and all her multitudes will be destroyed.
13 ULB Fa hamotika ny biby fiompy rehetra avy eo akaikin'ireo rano be dia be Aho; tsy hanakobakobana ny rano intsony ny tongotry ny olona, na hitsabaka ireo ny kitron'ny biby fiompy. BSB BSB: I will slaughter all her cattle beside the abundant waters. No human foot will muddy them again, and no cattle hooves will disturb them.
14 ULB Avy eo dia hampitony ireo ranony sy hampikoriana ireo oniny tahaka ny menaka Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: Then I will let her waters settle and will make her rivers flow like oil,’ declares the Lord GOD.
15 ULB Rehefa manao ny tany Egypta ho tanàna haolo Aho, rehefa sakanana amin'ny fahafenoany rehetra ny tany, rehefa manafika ny mponina rehetra ao aminy Aho, dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh. BSB BSB: ‘When I make the land of Egypt a desolation and empty it of all that filled it, when I strike down all who live there, then they will know that I am the LORD.’
16 ULB Hisy fisaonana; hisaona manerana azy ireo zanaka vavin'ny firenena; hisaona manerana an'i Egypta izy ireo, eo amin'ireo vahoakany maro rehetra no hisaonan'izy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" BSB BSB: This is the lament they will chant for her; the daughters of the nations will chant it. Over Egypt and all her multitudes they will chant it, declares the Lord GOD.”
17 ULB Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: In the twelfth year, on the fifteenth day of the month, the word of the LORD came to me, saying,
18 ULB "Ry zanak'olona, mitomania ho an'ireo vahoka maron'i Egypta ary ampidino izy ireo—izy sy ireo zanaka vavin'ireo firenena lehibe—ho any amin'ny tany iva indrindra miaraka amin'ireo izay nidina ao an-davaka. BSB BSB: “Son of man, wail for the multitudes of Egypt, and consign her and the daughters of the mighty nations to the depths of the earth with those who descend to the Pit:
19 ULB 'Tena tsara noho ny olon-kafa tokoa ve ianao? Midìna ka miampara miaraka amin'ireo tsy voafora.' BSB BSB: Whom do you surpass in beauty? Go down and be placed with the uncircumcised!
20 ULB Ho lavo eo amin'ireo izay matin'ny sabatra izy ireo. Efa vita soritra ny sabatra! Efa nomena ny sabatra izy; hisambotra azy sy ireo vahoakany maro izy ireo. BSB BSB: They will fall among those slain by the sword. The sword is appointed! Let them drag her away along with all her multitudes.
21 ULB Hanambara momban'i Egypta sy ireo mpiara-dia aminy ireo mpiady mahery indrindra hoe: 'Efa nidina teto izy ireo! Hiampatra miaraka amin'ireo tsy voafora, miaraka amin'ireo izay matin'ny sabatra izy ireo.' BSB BSB: Mighty chiefs will speak from the midst of Sheol about Egypt and her allies: ‘They have come down and lie with the uncircumcised, with those slain by the sword.’
22 ULB Asyria sy ireo fiangonany rehetra dia ao. Manodidina azy ny fasany; izy rehetra dia maty tamin-tsabatra. BSB BSB: Assyria is there with her whole company; her graves are all around her. All of them are slain, fallen by the sword.
23 ULB Ireo izay manana fasana miorina eo amin'ny fakan-drivotry ny lavaka dia ao, miaraka amin'ireo fiangonany rehetra. Ireo fasany dia manodidina an'ireo izay maty, izay lavon'ny sabatra, ireo izay nitondra horohoro teo amin'ny tanin'ny velona. BSB BSB: Her graves are set in the depths of the Pit, and her company is all around her grave. All of them are slain, fallen by the sword—those who once spread terror in the land of the living.
24 ULB Ao Elama miaraka amin'ireo vahokany maro rehetra. Manodidina azy ny fasany; maty avokoa izy rehetra. Ireo izay lavon'ny sabatra, izay tafidina tsy voafora any amin'ny fanambanin'ny tany, izay nitondra ny horohoron'izy ireo teo amin'ny tanin'ny velona sy mitondra ny fahafaham-barakany manokana, miaraka amin'ireo midina ao an-davaka. BSB BSB: Elam is there with all her multitudes around her grave. All of them are slain, fallen by the sword—those who went down uncircumcised to the earth below, who once spread their terror in the land of the living. They bear their disgrace with those who descend to the Pit.
25 ULB Nametraka kitapo fandriana ho an'i Elama sy ireo vahoakany maro rehetra eo afovoan'ny faty izy ireo; manodidina azy ny fasany. Izy rehetra dia tsy voafora, voalefon'ny sabatra, satria nitondra ny horohoron'izy ireo teo amin'ilay tanin'ny velona izy ireo. Koa dia mitondra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin'ireo midina ao an-davaka eo amin'ireo izay efa maty, ireo izay midina ao an-davaka. Elama dia isan'ireo rehetra izay maty. BSB BSB: Among the slain they prepare a resting place for Elam with all her hordes, with her graves all around her. All of them are uncircumcised, slain by the sword, although their terror was once spread in the land of the living. They bear their disgrace with those who descend to the Pit. They are placed among the slain.
26 ULB Meseka, Tobala, sy ireo vahoakany maro rehetra dia tao! Manodidina azy ireo ny fasany. Izy rehetra dia samy tsy voafora avokoa, matin'ny sabatra, satria nitondra ny fampihorohorony teo amin'ny tanin'ny velona izy ireo. BSB BSB: Meshech and Tubal are there with all their multitudes, with their graves all around them. All of them are uncircumcised, slain by the sword, because they spread their terror in the land of the living.
27 ULB Tsy miara-miampatra eo amin'ireo mpiady tsy voafora lavo izay nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita miaraka amin'ireo fitaovam-piadiany, ary miaraka amin'ireo sabany apetraka ao ambanin'ny lohan'izy ireo sy ireo helony eo amin'ny taolan'izy ireo. Fa izy ireo no mpampihorohoro ny mpiady tao amin'ny tanin'ny velona. BSB BSB: They do not lie down with the fallen warriors of old, who went down to Sheol with their weapons of war, whose swords were placed under their heads, whose shields rested on their bones, although the terror of the mighty was once in the land of the living.
28 ULB Koa noho izany ianao, ry Egypta, dia ho potika eo anivon'ny ireo tsy voafora! Hiampatra manaraka ireo izay voalefon'ny sabatra ianao. BSB BSB: But you too will be shattered and lie down among the uncircumcised, with those slain by the sword.
29 ULB Ao i Edoma sy ireo mpanjakany ary ireo mpitariny. Efa voapetraka ao amin'ny tanjany miaraka amin'ireo matin'ny sabatra izy ireo. Miara-miampatra amin'ireo tsy voafora izy ireo, miaraka amin'ireo izay nidina tany an-davaka. BSB BSB: Edom is there, and all her kings and princes, who despite their might are laid among those slain by the sword. They lie down with the uncircumcised, with those who descend to the Pit.
30 ULB Ireo andriandahin'ny avaratra dia ao—izy rehetra miaraka amin'ireo Sidoniana rehetra izay nidina niaraka tamin'ireo izay efa voalefona. Nahery sy nampitahotra ny hafa izy ireo, fa ao anaty henatra izy ireo ankehitriny, tsy voafora miaraka amin'ireo izay voalefon'ny sabatra. Mitondra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin'ireo izay nidina tany an-davaka. BSB BSB: All the leaders of the north and all the Sidonians are there; they went down in disgrace with the slain, despite the terror of their might. They lie uncircumcised with those slain by the sword and bear their shame with those who descend to the Pit.
31 ULB Hijery Farao ary ho ampaherezina ny amin'ireo vahoakany maro rehetra izay voalefon'ny sabatra—Farao sy ireo tafiny rehetra—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: Pharaoh will see them and be comforted over all his multitude—Pharaoh and all his army, slain by the sword, declares the Lord GOD.
32 ULB Napetrako ho mpampatahotro eo amin'ny tanin'ny velona izy, kanefa hiampatra eo anivon'ireo tsy voafora izy, eo amin'ireo voalefon'ny sabatra, i Farao sy ireo vahoakany maro rehetra—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: For I will spread My terror in the land of the living, so that Pharaoh and all his multitude will be laid to rest among the uncircumcised, with those slain by the sword, declares the Lord GOD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.