1 ULB Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, tamin'ny volana fahatelo, tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: In the eleventh year, on the first day of the third month, the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, lazao amin'i Farao, ilay mpanjakan'i Egypta, ary amin'ny vahoakany rehetra manodidina azy hoe: 'Ao amin'ny fahalebiazanao, tahaka an'iza ianao? BSB BSB: “Son of man, say to Pharaoh king of Egypt and to his multitude: ‘Who can be compared to your greatness?
3 ULB Indro! Asyria dia sedera nisy sampany tsara tarehy tao Libanona, nanome alokaloka ho an'ny ala, ary avo indrindra tamin'ny halavany, ary ny sampany nananika ny rahona. BSB BSB: Look at Assyria, a cedar in Lebanon, with beautiful branches that shaded the forest. It towered on high; its top was among the clouds.
4 ULB Rano maro no nahalava izany; ny rano lalina no nahagoavana izany. Nikoriana nanodidina ny faritra rehetra nisy azy ny renirano, satria ny lakan-dranony dia nivelatra tamin'ny hazo rehetra tao an-tsaha. BSB BSB: The waters made it grow; the deep springs made it tall, directing their streams all around its base and sending their channels to all the trees of the field.
5 ULB Ny hahavony dia nihoatra noho ny hazo hafa rehetra tany an-tsaha, ary ny sampany dia nanjary maro tokoa; niha-lava ny sampany noho ireo rano maro raha naniry iny izy ireo. BSB BSB: Therefore it towered higher than all the trees of the field. Its branches multiplied, and its boughs grew long as it spread them out because of the abundant waters.
6 ULB Nanao ny akaniny teo amin'ny sampany ny voron'ny lanitra rehetra, raha niteraka ny zanany teo ambanin'ny raviny ny zava-manan'aina rehetra tao an-tsaha. Nitoetra tao ambanin'ny alokany ny firenena maro rehetra. BSB BSB: All the birds of the air nested in its branches, and all the beasts of the field gave birth beneath its boughs; all the great nations lived in its shade.
7 ULB Fa tsara tarehy izany tao amin'ny fahalebiazany sy ny halavan'ny sampany, satria tao amin'ny rano maro ny fakany. BSB BSB: It was beautiful in its greatness, in the length of its limbs, for its roots extended to abundant waters.
8 ULB Tsy afa-nitaha tamin'izany ireo sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra. Tsy nisy tamin'ireo kypreso no sahala tamin'ny sampany, ary ny hazo platana tsy nitaha tamin'ny rantsany. Tsy nisy hazo hafa tao amin'ny sahan'Andriamanitra izay nitovy tamin'izany tamin'ny fahatsarany. BSB BSB: The cedars in the garden of God could not rival it; the cypresses could not compare with its branches, nor the plane trees match its boughs. No tree in the garden of God could compare with its beauty.
9 ULB Nataoko tsara tarehy tamin'ny sampany maro izany ary ny hazon'i Edena rehetra izay tao amin'ny sahan'Andriamanitra dia nialona izany. BSB BSB: I made it beautiful with its many branches, the envy of all the trees of Eden, which were in the garden of God.’
10 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Satria lava tamin'ny haavony izy, ary teo anelanelan'ny sampany no napetrany ny tendrony, nanandratra ny fony izany nohon'ny haavony. BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: ‘Since it became great in height and set its top among the clouds, and it grew proud on account of its height,
11 ULB Nomeko teo an-tanan'ilay iray maherin'ireo firenena izy, mba hifampiraharaha amin'izany araka izay mendrika ny faharatsiany. Efa nariako tany ivelany izany. BSB BSB: I delivered it into the hand of the ruler of the nations, for him to deal with it according to its wickedness. I have banished it.
12 ULB Ireo vahiny izay horohoron'ny firenena rehetra no nanapaka azy ka namela azy ho faty. Nianjera teo an-tendrombohitra sy ireo lohasaha rehetra ny sampany, ary ireo rantsany dia mitoetra potipotika ao amin'ny riaky ny tany rehetra. Dia nivoaka avy tao ambanin'ny alokany ny firenena rehetra teto an-tany ary niala lavitra izany. BSB BSB: Foreigners, the most ruthless of the nations, cut it down and left it. Its branches have fallen on the mountains and in every valley; its boughs lay broken in all the earth’s ravines. And all the peoples of the earth left its shade and abandoned it.
13 ULB Ny voron'ny lanitra rehetra dia nijanona teo amin'ny vatan'ilay hazo nianjera, ary ny biby rehetra tao an-tsaha dia nankeo amin'ny sampany. BSB BSB: All the birds of the air nested on its fallen trunk, and all the beasts of the field lived among its boughs.
14 ULB Nitranga izany mba tsy hisy hazo hafa haniry eo akaikin'ny rano ka hanangana ny raviny hatreny amin'ny haavon'ny hazo avo indrindra, ary mba tsy hisy hazo hafa haniry eo akaikin'ny rano ka hahatratra izany haavo izany. Efa voatendry ho amin'ny fahafatesana avokoa izy rehetra, ho any ambany tany, eo amin'ireo zanak'olombelona, miaraka amin'ireo izay midina any an-davaka. BSB BSB: This happened so that no other trees by the waters would become great in height and set their tops among the clouds, and no other well-watered trees would reach them in height. For they have all been consigned to death, to the depths of the earth, among the mortals who descend to the Pit.’
15 ULB Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Tamin'ny andro izay nidinan'ilay sedera tany amin'ny fiainan-tsy hita dia nitondra fisaonana teto an-tany Aho. Nasaroko teo ambonin'izany ny rano lalina, ary nahemotro ny ranon'ny ranomasim-be. Nosakanako ny rano be, ary nitondra fisaonana teo amin'i Libanona ho azy Aho. Koa dia nisaona ny hazon'ny saha rehetra noho izany. BSB BSB: This is what the Lord GOD says: ‘On the day it was brought down to Sheol, I caused mourning. I covered the deep because of it; I held back its rivers; its abundant waters were restrained. I made Lebanon mourn for it, and all the trees of the field fainted because of it.
16 ULB Nitondra hovitrovitra teo amin'ireo firenena tamin'ny feon'ny fianjerany Aho, rehefa natsipiko tany amin'ny fiainan-tsy hita niaraka tamin'ireo izay nidina tany an-davaka izy. Koa dia nampionona ny hazon'i Edena rehetra tany amin'ny fanambanin'ny tany Aho. Ireny no hazo voafantina sy tsara indrindra an'i Libanona; dia ireo hazo izay nisotro ny rano. BSB BSB: I made the nations quake at the sound of its downfall, when I cast it down to Sheol with those who descend to the Pit. Then all the trees of Eden, the choicest and best of Lebanon, all the well-watered trees, were consoled in the earth below.
17 ULB Fa nidina tany amin'ny fiainan-tsy hita niaraka tamin'izany ihany koa ireo, ho any amin'ireo izay matin'ny sabatra. Ireny no sandriny mahery, ireo firenena izay nitoetra teo amin'ny alokalony. BSB BSB: They too descended with it to Sheol, to those slain by the sword. As its allies they had lived in its shade among the nations.
18 ULB Iza tamin'ireo hazo tao Edena no sahala aminao amin'ny voninahitra sy fahalebiazana? Fa hazera miaraka amin'ireo hazon'i Edena ho any amin'ny fanambanin'ny tany eo amin'ireo tsy voafora ianao; hiaina tahaka ireo izay matin'ny sabatra ianao.' Farao sy ny vahoakany rehetra izany—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: Who then is like you in glory and greatness among the trees of Eden? You also will be brought down to the depths of the earth to be with the trees of Eden. You will lie among the uncircumcised, with those slain by the sword. This is Pharaoh and all his multitude, declares the Lord GOD.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.