1 ULB Avy dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Ry zanak'olona, maminania manohitra ireo mpiandry ondrin'Israely. Maminania ary lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'ny Tompo Yaveh amin'ireo mpiandry ondry: Loza ho an'ireo mpiandry ondrin'Israely izay miandry ny tenan'izy ireo ihany. Moa ve tsy tokony hiandry ny ondry aman'osy ny mpiandry ondry? BSB BSB: “Son of man, prophesy against the shepherds of Israel. Prophesy and tell them that this is what the Lord GOD says: ‘Woe to the shepherds of Israel, who only feed themselves! Should not the shepherds feed their flock?
3 ULB Mihinana ny ampahan'ny matavy ianao ary mitafy volon'ondry. Mamono ny matavin'ny ondry ianao. Tsy miandry ondry akory ianao. BSB BSB: You eat the fat, wear the wool, and butcher the fattened sheep, but you do not feed the flock.
4 ULB Tsy nanamafy ireo izay manana aretina ianao, na nanasitrana an'ireo izay marary. Tsy manambatra ireo izay tapaka ianao, ary tsy mamerina izay voaroaka na mitady ny very. Fa kosa, manapaka eo amin'ireo amin'ny alalan'ny hery sy herisetra ianao. BSB BSB: You have not strengthened the weak, healed the sick, bound up the injured, brought back the strays, or searched for the lost. Instead, you have ruled them with violence and cruelty.
5 ULB Avy eo dia niparitaka tsy nisy mpiandry izy ireo, ary lasa sakafo ho an'ny bibidia eny an-tsaha, taorian'ny nanaparitahana azy ireo. BSB BSB: They were scattered for lack of a shepherd, and when they were scattered they became food for all the wild beasts.
6 ULB Nirenireny teny amin'ny tendrombohitra rehetra sy ny havoana rehetra ny ondriko, ary voaely nanerana ny tany izany. Nefa tsy mbola misy olona mitady ireo. BSB BSB: My flock went astray on all the mountains and every high hill. They were scattered over the face of all the earth, with no one to search for them or seek them out.’
7 ULB Noho izany, ry mpiandry ondry, henoy ny tenin'i Yaveh: BSB BSB: Therefore, you shepherds, hear the word of the LORD:
8 ULB Raha mbola velona koa Aho—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh—satria lasa babo sy sakafo ho an'ny bibidia rehetra eny an-tsaha ny ondriko, satria tsy nisy mpiandry ondry ary tsy nisy tamin'ireo mpiandry ondriko nitady ny ondriko, fa niambina ny tenany ihany ireo mpiandry ondry fa tsy niandry ny ondriko. BSB BSB: ‘As surely as I live, declares the Lord GOD, because My flock lacks a shepherd and has become prey and food for every wild beast, and because My shepherds did not search for My flock but fed themselves instead,
9 ULB Noho izany, ry mpiandry ondry, henoy ny tenin'i Yaveh: BSB BSB: therefore, you shepherds, hear the word of the LORD!’
10 ULB Tompo Yaveh milaza izao: Indro! manohitra ireo mpiandry ondry Aho, ary hitaky ny ondriko eo an-tanan'izy ireo Aho. Avy eo dia ho roahiko amin'ny fiandrasana ny ondry izy ireo; na ny mpiandry ondry aza tsy hiandry ny tenan'izy ireo intsony satria hanala ireo ondriko tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo Aho, mba tsy ho sakafon'izy ireo intsony ny ondriko. BSB BSB: This is what the Lord GOD says: ‘Behold, I am against the shepherds, and I will demand from them My flock and remove them from tending the flock, so that they can no longer feed themselves. For I will deliver My flock from their mouths, and it will no longer be food for them.’
11 ULB Fa ny Tompo Yaveh milaza izao: Indro! Hitady ny ondriko Aho ary hikarakara ireo, BSB BSB: For this is what the Lord GOD says: ‘Behold, I Myself will search for My flock and seek them out.
12 ULB tahaka ny mpiandry ondry mitady ny ondriny amin'ny andro rehefa eo afovoan'ny ondriny miparitaka izy. Noho izany dia hitady ny ondriko Aho, ary hamonjy azy ireo amin'ny toerana rehetra izay nanaparitahana azy ireo amin'ny andron'ny rahona sy ny fahamaizinana. BSB BSB: As a shepherd looks for his scattered sheep when he is among the flock, so I will look for My flock. I will rescue them from all the places to which they were scattered on a day of clouds and darkness.
13 ULB Avy eo ho entiko mivoaka avy eo amin'ireo vahoaka izy ireo; hangoniko any amin'ny tany ireo ary ho entiko any amin'ny tanin'izy ireo. Hametraka azy ireo eny amin'ny tanin' ahitrin'ireo moron-tendrombohitr'Israely, amin'ny renirano, ary any amin'ny fonenana rehetra ao amin'ny tany Aho. BSB BSB: I will bring them out from the peoples, gather them from the countries, and bring them into their own land. I will feed them on the mountains of Israel, in the ravines, and in all the settlements of the land.
14 ULB Hametraka ireo any amin'ny ahitra tsara Aho; ny tendrombohitra avon'Israely no ho fitoeram-bilony. Handry eo amin'ireo toerana tsara firaofam-bilona ireo, any amin'ny tany feno ahitra, ary hiraoka eny amin'ny tendrombohitr'Israely izy ireo. BSB BSB: I will feed them in good pasture, and the lofty mountains of Israel will be their grazing land. There they will lie down in a good grazing land; they will feed in rich pasture on the mountains of Israel.
15 ULB Izaho mihitsy no hiandry ny ondriko, ary izaho mihitsy no hampandry azy ireo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh— BSB BSB: I will tend My flock and make them lie down, declares the Lord GOD.
16 ULB Hitady ny very Aho ary hamerina izay noroahina. Hamehy ireo ondry tapaka Aho ary hanasitrana ny ondry marary fa ny matavy sy ny mafy dia ho ringaniko. Hiandry ondry ara-drariny Aho BSB BSB: I will seek the lost, bring back the strays, bind up the broken, and strengthen the weak; but the sleek and strong I will destroy. I will shepherd them with justice.’
17 ULB Koa ankehitriny ianao, ry ondriko— izao no lazain'ny Tompo Yaveh—indro, ho mpitsara eo amin'ny ondry sy ondry Aho ary eo amin'ireo ondry lahy sy osy lahy. BSB BSB: This is what the Lord GOD says to you, My flock: ‘I will judge between one sheep and another, between the rams and the goats.
18 ULB Moa ve tsy ampy hohanina ny ahitra tsara, no tsy maintsy hitsakitsahinao amin'ny tongotrao ny sisa tavela amin'ilay ahitra; ary ho sotroina ny rano madio, no tsy maintsy lotoinao ho fotaka amin'ny tongotrao ny renirano? BSB BSB: Is it not enough for you to feed on the good pasture? Must you also trample the rest of the pasture with your feet? Is it not enough for you to drink the clear waters? Must you also muddy the rest with your feet?
19 ULB Moa ve ny ondriko tsy maintsy mihinana izay nitsakitsahinao tamin'ny tongotrao, ary misotro izay nolotoinao ho fotaka tamin'ny tongotrao? BSB BSB: Why must My flock feed on what your feet have trampled, and drink what your feet have muddied?’
20 ULB Noho izany ny Tompo Yaveh dia milaza izao amin'izy ireo: Indro Izaho mihitsy no hitsara eo amin'ireo ondry matavy sy ireo mahia, BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says to them: ‘Behold, I Myself will judge between the fat sheep and the lean sheep.
21 ULB satria ianareo efa nanositosika azy ireo tamin'ny tehezanareo sy sorokareo, ary efa notrongisinareo tamin'ny tandrokareo ireo malemy nandra-panaparitakareo azy ireo nivoaky ny tany. BSB BSB: Since you shove with flank and shoulder, butting all the weak ones with your horns until you have scattered them abroad,
22 ULB Hamonjy ny ondriko Aho ary tsy ho babo intsony ireo, ary hitsara eo amin'ny ondry iray sy iray hafa Aho! BSB BSB: I will save My flock, and they will no longer be prey. I will judge between one sheep and another.
23 ULB Hametraka mpiandry ondry iray eo amin'izy ireo Aho, dia Davida mpanompoko. Hiandry azy ireo izy, hanome hanina azy ireo, ary ho mpiandrin'izy ireo. BSB BSB: I will appoint over them one shepherd, My servant David, and he will feed them. He will feed them and be their shepherd.
24 ULB Fa Izaho, Yaveh, ho Andriamanitr'izy ireo, ary Davida mpanompoko dia ho andriana eo amin'izy ireo— Izaho, Yaveh, no efa nanambara izany. BSB BSB: I, the LORD, will be their God, and My servant David will be a prince among them. I, the LORD, have spoken.
25 ULB Dia hanao fanekem-pihavanana amin'izy ireo Aho ary hanala ireo bibidia masiaka avy amin'ny tany, mba hahafahan'izy ireo miaina am-pilaminana any amin'ny tany efitra ary hatory soa aman-tsara any amin'ireo ala. BSB BSB: I will make with them a covenant of peace and rid the land of wild animals, so that they may dwell securely in the wilderness and sleep in the forest.
26 ULB Izaho dia hitondra fitahiana amin'izy ireo sy amin'ireo toerana manodidina ny havoanako, satria handefa orana amin'ny andro voatondro Aho. Ho oran'ny fitahiana izany. BSB BSB: I will make them and the places around My hill a blessing. I will send down showers in season—showers of blessing.
27 ULB Dia hamokatra ireo voany ny hazon'ny saha, ary ny tany dia hanome alalana ny vokany. Ho voaaro ao amin'ny tanin'izy ireo ny ondriko; dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, rehefa manapaka ireo hidin'ny ziogan'izy ireo Aho, sy rehefa manavotra azy ireo avy amin'ny tanan'ireo izay nanandevo azy ireo. BSB BSB: The trees of the field will give their fruit, and the land will yield its produce; My flock will be secure in their land. Then they will know that I am the LORD, when I have broken the bars of their yoke and delivered them from the hands that enslaved them.
28 ULB Tsy ho babo ho an'ireo firenena intsony izy ireo, ary tsy handrapaka azy ireo intsony ireo bibidia ambonin'ny tany. Fa hiaina am-pilaminana izy ireo, ary tsy hisy na iza na iza hampitahotra azy ireo. BSB BSB: They will no longer be prey for the nations, and the beasts of the earth will not consume them. They will dwell securely, and no one will frighten them.
29 ULB Fa hanamboatra toerana fambolena milamina ho azy ireo Aho mba tsy ho fatin'ny hanoanana intsony izy ireo ao amin'ilay tany, ary ireo firenena tsy hitondra faniratsirana amin'izy ireo. BSB BSB: And I will raise up for them a garden of renown, and they will no longer be victims of famine in the land or bear the scorn of the nations.
30 ULB Dia ho fantatr'izy ireo fa Izaho, Yaveh Andriamanitr'izy ireo, dia miaraka amin'izy ireo. Izy ireo no oloko, ny ankohonan'Israely—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh. BSB BSB: Then they will know that I, the LORD their God, am with them, and that they, the house of Israel, are My people,’ declares the Lord GOD.
31 ULB Fa ianareo no ondriko, ondry aman'osin'ny ahitro, ary oloko, ary Izaho no Andriamanitrareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh.'" BSB BSB: ‘You are My flock, the sheep of My pasture, My people, and I am your God,’ declares the Lord GOD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.