1 ULB Avy eo ilay lehilahy dia nitondra ahy nankao amin'ny fidirana ao amin'ny tempoly, ary nisy rano nikoriana avy ao ambanin'ny tokonam-baravaran'ny trano amin'ny atsinanan'ny tempoly—teo anoloan'ny tempoly manatrika ny atsinanana—ary ny rano dia nikoriana nankany amin'ny ilany atsimon'ny tempoly, mankany an-kavanan'ny alitara. BSB BSB: Then the man brought me back to the entrance of the temple, and I saw water flowing from under the threshold of the temple toward the east (for the temple faced east). The water was coming down from under the south side of the temple, south of the altar.
2 ULB Koa nentiny nivoaka tamin'ny vavahady andrefana aho ary nanodidina ny vavahady manatrika ny atsinanana, ary nisy rano nikoriana avy amin'io vavahady io tamin'ny ilany atsimo. BSB BSB: Next he brought me out through the north gate and led me around the outside to the outer gate facing east, and there I saw the water trickling out from the south side.
3 ULB Raha nandeha nankany atsinanana ilay lehilahy, dia nisy famolaina teny an-tanany; nandrefy arivo hakiho izy ary nitondra ahy namakivaky rano izay rano lalina hatreny an-kitrokely. BSB BSB: As the man went eastward with a measuring line in his hand, he measured off a thousand cubits and led me through ankle-deep water.
4 ULB Dia nandrefy arivo hakiho indray izy ary nitondra ahy namakivaky rano izay rano lalina hatreny an-dohalika; ary nandrefy arivo hakiho hafa izy ka nitondra ahy tamin'ny rano lalina hatreny am-balahana. BSB BSB: Then he measured off a thousand cubits and led me through knee-deep water. Again he measured a thousand cubits and led me through waist-deep water.
5 ULB Avy eo dia nandrefy arivo hakiho hafa izy, kanefa renirano izay tsy afaka niampitako izany satria niakatra ny rano ary lalina tsy afaka hilomanosana—renirano izay tsy afaka niampitàna izany. BSB BSB: Once again he measured off a thousand cubits, but now it was a river that I could not cross, because the water had risen and was deep enough for swimming—a river that could not be crossed on foot.
6 ULB Hoy ilay lehilahy tamiko: "Ry zanak'olona, hitanao ve io?" ary nitondra ahy nivoaka izy ary nampiverina ahy teny amin'ny sisin'ny renirano. BSB BSB: “Son of man, do you see this?” he asked. Then he led me back to the bank of the river.
7 ULB Raha iny niverina iny aho, dia nisy hazo maro teny amin'ny sisin'ilay renirano ary teny amin'ny andaniny ilany ihany koa. BSB BSB: When I arrived, I saw a great number of trees along both banks of the river.
8 ULB Hoy ilay lehilahy tamiko: "Mivoaka mankany amin'ny faritany atsinanana io rano io ary midina mankany Arabaha; mikoriana mankany amin'ny Ranomasin'ny Sira izany ary hampadio azy. BSB BSB: And he said to me, “This water flows out to the eastern region and goes down into the Arabah. When it empties into the Dead Sea, the water there becomes fresh.
9 ULB Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena dia hivelona any amin'izay handehanan'ny rano; hisy hazandrano maro ao, satria mikoriana any ny rano. Hampadio ilay rano masira izany. Hivelona any amin'izay handehanan'ilay renirano ny zavatra rehetra. BSB BSB: Wherever the river flows, there will be swarms of living creatures and a great number of fish, because it flows there and makes the waters fresh; so wherever the river flows, everything will flourish.
10 ULB Ary avy eo dia hitsangana eo amoron'ny rano ny mpanjonon'i En-jedy, ary hisy toerana fanamainana ny harato fanjonoana eo amoron'i En-eglaima. Hisy karazana hazandrano maro ao amin'ny Ranomasin'ny Sira, tahaka ny habetsaky ny hazandrano ao amin'ny Ranomasim-be. BSB BSB: Fishermen will stand by the shore; from En-gedi to En-eglaim they will spread their nets to catch fish of many kinds, like the fish of the Great Sea.
11 ULB Fa ireo honahona sy ireo henihenin'ny Ranomasin'ny Sira dia tsy ho voadio; hamokarana sira ireny. BSB BSB: But the swamps and marshes will not become fresh; they will be left for salt.
12 ULB Eny an-kilan'io renirano io amin'ny sisiny, amin'ny ilany roa, dia hisy karazan-kazo haniry izay hamokatra sakafo. Ny ravin'ireo dia tsy halazo ary ny voan'izy ireo dia tsy hitsahatra hitombo. Isam-bolana ireo hazo ireo dia hamoa voa, satria ny rano avy ao amin'ny fitoerana masina dia mikoriana mankao amin'ireo. Ho sakafo ny voan'ireo, ary ny ravin'ireo dia ho fanasitranana. BSB BSB: Along both banks of the river, fruit trees of all kinds will grow. Their leaves will not wither, and their fruit will not fail. Each month they will bear fruit, because the water from the sanctuary flows to them. Their fruit will be used for food and their leaves for healing.”
13 ULB Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: Izany no fomba hizaranao ny tany ho an'ireo foko roa ambin'ny folon'Israely: hanana anjara roa i Josefa. BSB BSB: This is what the Lord GOD says: “These are the boundaries by which you are to divide the land as an inheritance among the twelve tribes of Israel; Joseph shall receive two portions.
14 ULB Ho zarainao mitovy izay nanandratako ny tanako sy nianianako fa homena ireo razambenao. Ity tany ity dia ho tonga lovanao. BSB BSB: You are to divide it equally among them. Because I swore with an uplifted hand to give it to your forefathers, this land will fall to you as an inheritance.
15 ULB Ity no ho sisin-tanin'ny tany any amin'ny ilany andrefana manomboka amin'ny Ranomasim-Be mandalo amin'ny lalana Hetlona, ary hatrany Zedada. BSB BSB: This shall be the boundary of the land: On the north side it will extend from the Great Sea by way of Hethlon through Lebo-hamath to Zedad,
16 ULB Ary hitohy any Berota ny sisin-tany, hatrany Sibraima, izay eo anelanelan'i Damaskosy sy Hamata, ary avy eo hatrany Hazara Hatikona, izay eo ankilan'ny sisin-tanin'i Haorana. BSB BSB: Berothah, and Sibraim (which is on the border between Damascus and Hamath), as far as Hazer-hatticon, which is on the border of Hauran.
17 ULB Koa hitohy manomboka amin'ny ranomasina hatrany Hazar-enana any amin'ny fari-tanin'i Damaskosy sy Hamata mankany andrefana ny sisin-tany. Izany no ho sisiny andrefana. BSB BSB: So the border will run from the Sea to Hazar-enan, along the northern border of Damascus, with the territory of Hamath to the north. This will be the northern boundary.
18 ULB Tamin'ny sisiny atsinanana, teo anelanelan'i Haorana sy Damaskosy ary teo anelanelan'i Gileada sy ny tanin'Israely ny Reniranon'i Jordana. Tsy maintsy refesinao hatrany amin'ny sisin'ny ranomasina atsinanana; izany rehetra izany no ho sisin-tany atsinanana. BSB BSB: On the east side the border will run between Hauran and Damascus, along the Jordan between Gilead and the land of Israel, to the Eastern Sea and as far as Tamar. This will be the eastern boundary.
19 ULB Avy eo ny sisiny atsinanana: ny atsimon'i Tamara mankany amin'ireo ranon'i Meriba Kadesy, ny lohasahan-driakan'i Egypta mankany amin'ny Ranomasim-Be, ary ny ilany atsimo manatrika ny atsimo. BSB BSB: On the south side it will run from Tamar to the waters of Meribath-kadesh, and along the Brook of Egypt to the Great Sea. This will be the southern boundary.
20 ULB Ary ny sisin-tany andrefana no ho Ranomasim-Be mankany amin'izay mifanohitra amin'i Hamata. Izany no ho ilany andrefana. BSB BSB: And on the west side, the Great Sea will be the boundary up to a point opposite Lebo-hamath. This will be the western boundary.
21 ULB Amin'izany fomba izany no hizaranareo ity tany ity ho anareo, ho an'ireo fokon'Israely. BSB BSB: You are to divide this land among yourselves according to the tribes of Israel.
22 ULB Koa hizara ireo lova ho an'ny tenanareo ianareo ary ho an'ireo vahiny eo anivonareo, ireo izay niteraka zanaka teo anivonareo sy ireo, miaraka aminareo, tahaka ny olona tera-tanin'Israely. Hanome lova maro eo amin'ireo fokon'Israely ianareo. BSB BSB: You shall allot it as an inheritance for yourselves and for the foreigners who dwell among you and who have children. You are to treat them as native-born Israelites; along with you, they shall be allotted an inheritance among the tribes of Israel.
23 ULB Ary ny vahiny dia hiaraka amin'ny foko eo amin'ireo izay hipetrahany. Tsy maintsy manome lova ho azy ianareo—izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh." BSB BSB: In whatever tribe a foreigner dwells, you are to assign his inheritance there,” declares the Lord GOD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.