1 ULB Tamin'ny volana fahafito rehefa avy niverina tany an-tanànany avy ny vahoakan'Israely, no niangonan'izy ireo ho iray tany Jerosalema. BSB BSB: By the seventh month, the Israelites had settled in their towns, and the people assembled as one man in Jerusalem.
2 ULB Niainga ka nanangana ny alitaran'ny Andriamanitr'Israely i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka sy ireo mpisorona rahalahiny, ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, mbamin'ireo rahalahiny mba hanolotra fanatitra dorana araka ny voadidy ao amin'ny lalàn'i Mosesy, ilay lehilahin'Andriamanitra. BSB BSB: Then Jeshua son of Jozadak and his fellow priests, along with Zerubbabel son of Shealtiel and his associates, began to build the altar of the God of Israel to sacrifice burnt offerings on it, as it is written in the Law of Moses the man of God.
3 ULB Dia napetrak'izy ireo teo amin'ny fitoerany ilay alitara, fa nanenika azy ireo ny horohoro nohon'ny amin'ny olon'ilay tany. Nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh vao mangiran-dratsy sy tamin'ny hariva izy ireo. BSB BSB: They set up the altar on its foundation and sacrificed burnt offerings on it to the LORD—both the morning and evening burnt offerings—even though they feared the people of the land.
4 ULB Nitandrina ny Firavoravoan'ny Fialofana ihany koa izy ireo araka ny voasoratra ary nanolotra fanatitra dorana isan'andro isan'andro araka ny didy, araka ny andraikitra isan'andro avy. BSB BSB: They also celebrated the Feast of Tabernacles in accordance with what is written, and they offered burnt offerings daily based on the number prescribed for each day.
5 ULB Araka izany, dia nisy ny fanatitra dorana andavanandro sy isam-bolana ary fanatitra ho an'ireo firavoravoan'i Yaveh efa voatondro rehetra, mbamin'ireo fanati-tsitrapo rehetra. BSB BSB: After that, they presented the regular burnt offerings and those for New Moons and for all the appointed sacred feasts of the LORD, as well as all the freewill offerings brought to the LORD.
6 ULB Nanomboka nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh izy ireo ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito, na dia mbola tsy voaisy fototra aza ny tempoly. Koa dia nomen'izy ireo volafotsy avy ireo mpanao vato sy ireo mpanao tao-zavatra, BSB BSB: On the first day of the seventh month, the Israelites began to offer burnt offerings to the LORD, although the foundation of the temple of the LORD had not been laid.
7 ULB ary nomen'izy ireo sakafo, zava-pisotro, sy menaka ny vahoakan'i Sidona sy Tyra, dia nitondra hazo sedera teny an-dranomasina avy any Libanona ka hatrany Jopa izy ireo, araka ny nanomezan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia alalana azy ireo. BSB BSB: They gave money to the masons and carpenters, and food and drink and oil to the people of Sidon and Tyre to bring cedar logs from Lebanon to Joppa by sea, as authorized by Cyrus king of Persia.
8 ULB Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nandehanan'izy ireo tao an-tranon'Andriamanitra tao Jerosalema, no nanomboka niasa i Zerobabela, i Jesoa zanaka lahin'i Jozadaka, ireo mpisorona sisa, ireo Levita, ary ireo izay tonga avy tany amin'ny fahababoana niverina tany Jerosalema. Nanendry ireo Levita roapolo taona no ho miakatra izy ireo mba hanara-maso ny asan'ny tranon'i Yaveh. BSB BSB: In the second month of the second year after they had arrived at the house of God in Jerusalem, Zerubbabel son of Shealtiel, Jeshua son of Jozadak, and the rest of their associates including the priests, the Levites, and all who had returned to Jerusalem from the captivity, began the work. They appointed Levites twenty years of age or older to supervise the construction of the house of the LORD.
9 ULB Napetrak'i Jesoa mba hanara-maso ny olona manao ny asa fanorenana ny tranon'Andriamanitra ireo zanany lahy sy ireo rahalahiny, i Kadmiela sy ireo zanany, ary ireo taranak'i Joda. Niaraka tamin'izy ireo ihany koa ireo taranak'i Henadada, ny taranany, ary ireo Levita namany. BSB BSB: So Jeshua and his sons and brothers, Kadmiel and his sons (descendants of Yehudah), and the sons of Henadad and their sons and brothers—all Levites—joined together to supervise those working on the house of God.
10 ULB Nametraka fototra ho an'ny Tempolin'i Yaveh ireo mpanorina. Nahafahan'ireo mpisorona nitsangana nanao ireo akanjony miaraka amin'ny trompetra izany, ary nahafahan'ireo Levita, ireo zanaka lahin'i Asafa, nidera an'i Yaveh tamin'ny kipantsona, araka ny nandidian'ny tanan'i Davida, mpanjakan'Israely. BSB BSB: When the builders had laid the foundation of the temple of the LORD, the priests in their apparel with trumpets, and the Levites (the sons of Asaph) with cymbals, took their positions to praise the LORD, as David king of Israel had prescribed.
11 ULB Nihira fiderana sy fisaorana ho an'i Yaveh izy ireo hoe: "Tsara Izy! Maharitra mandrakizay ny fanekeny mahatoky amin'Israely." Nihorakoraka mafy tamin'ny hiakam-pifaliana ho fiderana an'i Yaveh ny vahoaka rehetra fa voapetraka ny fototra iorenan'ny tempoly. BSB BSB: And they sang responsively with praise and thanksgiving to the LORD: “For He is good; for His loving devotion to Israel endures forever.” Then all the people gave a great shout of praise to the LORD, because the foundation of the house of the LORD had been laid.
12 ULB Saingy maro tamin'ireo mpisorona, Levita, lohan'ny patriarka, ary ireo zokiolona izay nahita ny trano voalohany no nitomany mafy, rehefa voapetraka teo anoloan'ny mason'izy ireo izany fototra iorenan'izany trano izany. Fa maro no nihiaka fifaliana tam-piravoravoana ary tamin'ny feo mangitakitaka. BSB BSB: But many of the older priests, Levites, and family heads who had seen the first temple wept loudly when they saw the foundation of this temple. Still, many others shouted joyfully.
13 ULB Vokatr'izany, tsy afaka nanavaka ny feo falifaly sy ravoravo tamin'ireo feon'olona nitomany ny vahoaka, satria nihiaka mafy tamin'ny fifaliana lehibe ny olona, ary re avy lavitra tokoa ilay feo. BSB BSB: The people could not distinguish the shouts of joy from the sound of weeping, because the people were making so much noise. And the sound was heard from afar.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.