1 ULB Ary ireo sasany tamin'ny fahavalon'i Joda sy Benjamina dia nandre fa ny vahoaka izay natao sesitany dia manorina tempoly ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ankehitriny. BSB BSB: When the enemies of Judah and Benjamin heard that the exiles were building a temple for the LORD, the God of Israel,
2 ULB Koa nanatona an'i Zerobabela sy ireo lohan'ny fokon'ny razambe izy ireo. Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Avelao izahay hanorina hiaraka aminareo, fa satria, mitady ny Andriamanitrareo, tahaka anareo izahay, ary nanao sorona ho Azy hatramin'ny andro nitondran'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, anay teto amin'ity toerana ity." BSB BSB: they approached Zerubbabel and the heads of the families, saying, “Let us build with you because, like you, we seek your God and have been sacrificing to Him since the time of King Esar-haddon of Assyria, who brought us here.”
3 ULB Fa i Zerobabela, Jesoa, ary ireo lohan'ny fokon'ny razamben'izy ireo nanao hoe: "Tsy ianareo, fa izahay no tsy maintsy manorina ny tranon'ny Andriamanitray, satria izahay no hanorina ho an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely, araka izay nandidian'i Kyrosy mpanjakan'i Persia." BSB BSB: But Zerubbabel, Jeshua, and the other heads of the families of Israel replied, “You have no part with us in building a house for our God, since we alone must build it for the LORD, the God of Israel, as Cyrus king of Persia has commanded us.”
4 ULB Koa nataon'ireo vahoakan'ny tany nalemy ny tanan'ireo Jodiana; nataon'izy ireo natahotra ny hanorina ireo Jodiana. BSB BSB: Then the people of the land set out to discourage the people of Judah and make them afraid to build.
5 ULB Nolangolangoin'izy ireo ihany koa ny mpanolotsaina mba hahafoana ny tetik'izy ireo. Nandritry ny andron'i Kyrosy rehetra sy tamin'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia izy ireo no nanao izany. BSB BSB: They hired counselors against them to frustrate their plans throughout the reign of Cyrus king of Persia and down to the reign of Darius king of Persia.
6 ULB Ary tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Ahasoerosy dia nanoratra fiampangana an'ireo mponin'i Joda sy Jerosalema izy ireo. BSB BSB: At the beginning of the reign of Xerxes, an accusation was lodged against the people of Judah and Jerusalem.
7 ULB Nandritry ny andron'i Ahaseorosy no nanoratan' i Bislama, Mitredata, Tabela, ary ireo namany ho an'i Ahasoerosy. Nosoratana tamin'ny Aramaika ny taratasy ary nadika. BSB BSB: And in the days of Artaxerxes king of Persia, Bishlam, Mithredath, Tabeel, and the rest of his associates wrote a letter to Artaxerxes. It was written in Aramaic and then translated.
8 ULB Rehoma mpifehy sy i Simsay mpanora-dalàna dia nanoratra momban'i Jerosalema ho an'i Artaksersesy. BSB BSB: Rehum the commander and Shimshai the scribe wrote the letter against Jerusalem to King Artaxerxes as follows:
9 ULB Avy eo i Rehoma, Simsay, ary ireo naman'izy ireo, izay mpitsara sy manam-boninahitra hafa tao amin'ny governemanta, avy any Ereka, Babylona, ary Sosa avy any Elama dia nanoratra taratasy— BSB BSB: From Rehum the commander, Shimshai the scribe, and the rest of their associates—the judges and officials over Tripolis, Persia, Erech and Babylon, the Elamites of Susa,
10 ULB mbamin'ireo vahoaka izay noteren'i Asnapara lehibe sy manan-kaja hanorim-ponenana tany Samaria, niaraka tamin'ireo sisa izay tany amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. BSB BSB: and the rest of the peoples whom the great and honorable Ashurbanipal deported and settled in the cities of Samaria and elsewhere west of the Euphrates.
11 ULB Ity dia dika mitovy amin'ilay lahatsoratra nalefa tany amin'i Artaksersesy: "Ireo mpanomponao, olona avy amin'ny Faritany Andafin'ny Ony, no manoratra izao: BSB BSB: (This is the text of the letter they sent to him.) To King Artaxerxes, From your servants, the men west of the Euphrates:
12 ULB Aoka ny mpanjaka hahafantatra fa ireo Jiosy izay avy tany aminao dia tonga hanohitra anay aty Jerosalema mba hanorina tanàna mpikomy. Izy ireo dia nanampina ny manda ary nanamboatra ny fototra. BSB BSB: Let it be known to the king that the Jews who came from you to us have returned to Jerusalem and are rebuilding that rebellious and wicked city. They are restoring its walls and repairing its foundations.
13 ULB Ary aoka ny mpanjaka hahafantatra fa raha voaorina izany tanàna izany ary voatampina ny manda, dia tsy hanome haba sy hetra izy ireo, fa hanisy ratsy ireo mpanjaka. BSB BSB: Let it now be known to the king that if that city is rebuilt and its walls are restored, they will not pay tribute, duty, or toll, and the royal treasury will suffer.
14 ULB Tena izany tokoa satria nihinana tamin'ny siran'ny lapa izahay, ka tsy mety aminay ny hahita ny fahafaham-baraka hiseho amin'ny mpanjaka. Noho izany no hampahafantaranay ny mpanjaka BSB BSB: Now because we are in the service of the palace and it is not fitting for us to allow the king to be dishonored, we have sent to inform the king
15 ULB mba hitady ny firaketana an-tsoratry ny rainao ary hanamarina fa tanàna mpikomy izay hanisy ratsy ny mpanjaka sy ireo faritany io. Nahatonga olana maro ho an'i mpanjaka sy ireo faritany izany. Foiben'ny fikomiana hatry ny ela izy io. Noho izany antony izany no naharava ilay tanàna. BSB BSB: that a search should be made of the record books of your fathers. In these books you will discover and verify that the city is a rebellious city, harmful to kings and provinces, inciting sedition from ancient times. That is why this city was destroyed.
16 ULB Mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha voaorina io tanàna sy manda io, dia tsy hisy na inona na inona ho tavela ho anao ao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. BSB BSB: We advise the king that if this city is rebuilt and its walls are restored, you will have no dominion west of the Euphrates.
17 ULB Koa nandefa valinteny tany amin'i Rehoma sy Simsay ary ireo namany tao Samaria sy ireo ambiny izay tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony ny mpanjaka hoe: "Fiadanana anie ho anareo. BSB BSB: Then the king sent this reply: To Rehum the commander, Shimshai the scribe, and the rest of your associates living in Samaria and elsewhere in the region west of the Euphrates: Greetings.
18 ULB Ny taratasy izay nalefanareo ho ahy dia efa voadika ary novakiana tamiko. BSB BSB: The letter you sent us has been translated and read in my presence.
19 ULB Ka nampanao fanadihadiana aho ary nahafantatra fa tamin'ny andro taloha dia efa nikomy nanohitra ireo mpanjaka izy ireo. BSB BSB: I issued a decree, and a search was conducted. It was discovered that this city has revolted against kings from ancient times, engaging in rebellion and sedition.
20 ULB Ireo mpanjaka mahery dia nanapaka teo amin'i Jerosalema ary nanana fahefana tamin'ny zavatra rehetra tao amin'ny Faritany Andafin'ny Ony. Naloa tamin'izy ireo ny haba sy ireo hetra. BSB BSB: And mighty kings have ruled over Jerusalem and exercised authority over the whole region west of the Euphrates; and tribute, duty, and toll were paid to them.
21 ULB Ankehitriny, manaova lalàna ho an'ireo lehilahy ireo mba hanajanona sy tsy hanorina io tanàna io izy ireo mandra-panaovako lalàna. BSB BSB: Now, therefore, issue an order for these men to stop, so that this city will not be rebuilt until I so order.
22 ULB Mitandrema mba tsy hanao tsirambina izany. Nahoana izany fandrahonana izany no avela hitombo ka ho fatiantoka fahaverezana maro ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana? BSB BSB: See that you do not neglect this matter. Why allow this threat to increase and the royal interests to suffer?
23 ULB Rehefa novakiana teo anatrehan'i Rehoma, Simsay, ary ireo namany, ny lalàn'i Artarkersesy Mpanjaka, dia nivoaka an'i Jerosalema haingana izy ireo ary nanery ireo Jiosy mba hanajanona ny fanorenana. BSB BSB: When the text of the letter from King Artaxerxes was read to Rehum, Shimshai the scribe, and their associates, they went immediately to the Jews in Jerusalem and forcibly stopped them.
24 ULB Koa nijanona ny asa fanaovana ny tranon'Andriamanitra tao Jerosalema mandra-pahatongan'ny taona faharoan'ny fanjakan'i Dariosy mpanjakan'i Persia. BSB BSB: Thus the construction of the house of God in Jerusalem ceased, and it remained at a standstill until the second year of the reign of Darius king of Persia.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.