2 ULB Tsy nisy endriny ary foana ny tany. Nandrakotra ny rano lalina ny fahamaizinana. Ary nivezivezy teo ambonin'ny rano ny Fanahin' Andriamanitra. BSB BSB: Now the earth was formless and void, and darkness was over the surface of the deep. And the Spirit of God was hovering over the surface of the waters.
3 ULB Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy mazava," dia nisy ny mazava. BSB BSB: And God said, “Let there be light,” and there was light.
4 ULB Hitan'Andriamanitra ny fahazavana, ary hitany fa tsara izany. Nampisaraka ny hazavana tamin'ny aizina Izy. BSB BSB: And God saw that the light was good, and He separated the light from the darkness.
5 ULB Andriamanitra niantso ny mazava hoe: "andro," ary niantso ny maizina hoe: "alina." Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro voalohany. BSB BSB: God called the light “day,” and the darkness He called “night.” And there was evening, and there was morning—the first day.
6 ULB Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka hisy habakabaka eo anelanelan'ny rano, ary aoka izany hanasaraka ny rano amin'ny rano." BSB BSB: And God said, “Let there be an expanse between the waters, to separate the waters from the waters.”
7 ULB Andriamanitra nanao ny habakabaka sy nanasaraka ny rano izay tao ambanin'ilay habakabaka tamin'ny rano izay teo ambonin'ilay habakabaka. Dia nisy izany. BSB BSB: So God made the expanse and separated the waters beneath it from the waters above. And it was so.
8 ULB Ary nantsoin'Andriamanitra hoe: "lanitra" ilay habakabaka. Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faharoa. BSB BSB: God called the expanse “sky.” And there was evening, and there was morning—the second day.
9 ULB Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny rano ambanin'ny lanitra hiangona amin'ny toerana iray, ary aoka hiseho ny tany maina." Dia natao izany. BSB BSB: And God said, “Let the waters under the sky be gathered into one place, so that the dry land may appear.” And it was so.
10 ULB Nantsoin'Andriamanitra hoe: "tany" ny tany maina, ary ny rano miangona nataony hoe: "ranomasina." Hitany fa tsara izany. BSB BSB: God called the dry land “earth,” and the gathering of waters He called “seas.” And God saw that it was good.
11 ULB Hoy Andriamanitra hoe: "Aoka ny tany hitsimoka zava-maitso: zava-maniry mamoa voa ary hazo hamokatra vokatra izay misy ny voa ao aminy, araka ny karazany avy." Dia nisy izany. BSB BSB: Then God said, “Let the earth bring forth vegetation: seed-bearing plants and fruit trees, each bearing fruit with seed according to its kind.” And it was so.
12 ULB Namokatra zava-maitso ny tany, ny zava-maniry mamoa voa araka ny karazany avy, ary ny hazo mamokatra voankazo izay ao aminy ny voany, araka ny karazany avy. Dia hitan'Andriamanitra fa tsara izany. BSB BSB: The earth produced vegetation: seed-bearing plants according to their kinds and trees bearing fruit with seed according to their kinds. And God saw that it was good.
13 ULB Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahatelo. BSB BSB: And there was evening, and there was morning—the third day.
15 ULB Aoka ireo ho mazava eo amin'ny lanitra mba hanome hazavana eny amin'ny tany." Dia nisy izany. BSB BSB: And let them serve as lights in the expanse of the sky to shine upon the earth.” And it was so.
16 ULB Andriamanitra nanao ireo hazavana roa lehibe, ilay hazavana lehibe kokoa mba hanamarika ny andro, ary ny hazavana kelikely kokoa mba hanamarika ny alina. Nanao ny kintana ihany koa Izy. BSB BSB: God made two great lights: the greater light to rule the day and the lesser light to rule the night. And He made the stars as well.
17 ULB Nandefa izany teny amin'ny lanitra Andriamanitra mba hanome hazavana ny tany, BSB BSB: God set these lights in the expanse of the sky to shine upon the earth,
18 ULB mba hanapaka ny andro sy ny alina, ary mba hanasaraka ny hazavana amin'ny aizina. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany. BSB BSB: to preside over the day and the night, and to separate the light from the darkness. And God saw that it was good.
19 ULB Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro faha-efatra. BSB BSB: And there was evening, and there was morning—the fourth day.
21 ULB Andriamanitra namorona ireo bibin-dranomasina vaventy, ary koa ireo karazan-java-manan'aina rehetra, ireo zava-manan'aina mihetsika sy izay mameno ny rano eny rehetra eny, ary ireo karazana voro-manan'elatra rehetra. Hitan'Andriamanitra fa tsara izany. BSB BSB: So God created the great sea creatures and every living thing that moves, with which the waters teemed according to their kinds, and every winged bird after its kind. And God saw that it was good.
22 ULB Nitso-drano azy ireo Andriamanitra, nanao hoe: "Miteraha maro ary mihamaroa, ka mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina. Aoka hihamaro eny ambonin'ny tany ireo vorona." BSB BSB: Then God blessed them and said, “Be fruitful and multiply and fill the waters of the seas, and let birds multiply on the earth.”
23 ULB Dia nisy hariva sy maraina izany, ny andro fahadimy. BSB BSB: And there was evening, and there was morning—the fifth day.
25 ULB Nataon'Andriamanitra araka ny karazany avy ireo bibi-dian'ny tany, ireo biby fiompy araka ny karazany avy, ary ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany araka ny karazany avy. Hitany fa tsara izany. BSB BSB: God made the beasts of the earth according to their kinds, the livestock according to their kinds, and everything that crawls upon the earth according to its kind. And God saw that it was good.
26 ULB Hoy Andriamanitra hoe: "Andeha isika hamorona olona amin'ny endritsika, tahaka antsika. Aoka izy ireo hanjaka eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny lanitra, eo amin'ireo biby fiompy, manerana ny tany rehetra, ary eo amin'ireo zavatra mikisaka rehetra izay mandady eny ambonin'ny tany." BSB BSB: Then God said, “Let Us make man in Our image, after Our likeness, to rule over the fish of the sea and the birds of the air, over the livestock, and over all the earth itself and every creature that crawls upon it.” 28 ULB Nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nilaza tamin'izy ireo hoe: "Miteraha maro, ary mihamaroa. Mamenoa ny tany, ary hanjakao izany. Manàna fanjakana eo amin'ireo hazan-dranomasina, eo amin'ireo voron'ny habakabaka, ary eo amin'ireo zava-manan'aina rehetra izay mihetsika eny ambonin'ny tany." BSB BSB: God blessed them and said to them, “Be fruitful and multiply, and fill the earth and subdue it; rule over the fish of the sea and the birds of the air and every creature that crawls upon the earth.”
30 ULB Ho an'ny bibi-dian'ny tany, ho an'ireo voron'ny habakabaka, sy ho an'ireo zavatra rehetra izay mikisaka amin'ny tany, ary ho an'ireo zava-manan'aina izay manana fofon'aina eto an-tany no nanomezako ny zava-maitso rehetra ho fihinana." Dia nisy izany. BSB BSB: And to every beast of the earth and every bird of the air and every creature that crawls upon the earth—everything that has the breath of life in it—I have given every green plant for food.” And it was so.