1 ULB Ary dia vita ny lanitra sy ny tany, sy ny zava-manan'aina rehetra izay mameno azy. BSB BSB: Thus the heavens and the earth were completed in all their vast array.
2 ULB Tamin'ny andro fahafito Andriamanitra dia efa hamarana ny asany izay nataony, ka noho izany dia nitsahatra tamin'ny asany rehetra Izy tamin'ny andro fahafito. BSB BSB: And by the seventh day God had finished the work He had been doing; so on that day He rested from all His work.
3 ULB Notahin'Andriamanitra ny andro fahafito ary nanamasina izany, satria tamin'izany no nitsaharany tamin'ny asa rehetra izay nataony tamin'ny famoronany. BSB BSB: Then God blessed the seventh day and sanctified it, because on that day He rested from all the work of creation that He had accomplished.
5 ULB Tsy mbola nisy ny kirihitrin'ny saha teny amin'ny tany, ary tsy mbola nitsimoka ny zava-maniry teny an-tsaha, satria Yaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka orana tamin'ny tany, ary tsy nisy olona niasa tany. BSB BSB: Now no shrub of the field had yet appeared on the earth, nor had any plant of the field sprouted, for the LORD God had not yet sent rain upon the earth, and there was no man to cultivate the ground.
6 ULB Fa nisy zavona avy tamin'ny tany ka nandena ny velaran'ny tany rehetr. BSB BSB: But springs welled up from the earth and watered the whole surface of the ground.
8 ULB Yaveh Andriamanitra nanamboatra saha tao atsinanana, tao Edena, ary napetrany tao ny olona izay novolavolainy. BSB BSB: And the LORD God planted a garden in Eden, in the east, where He placed the man He had formed.
9 ULB Tambonin'ny tany no nampanirin'i Yaveh Andriamanitra ny hazo rehetra izay hita fa mahafinaritra ny maso sady tsara ho amin'ny sakafo. Anisan'izany ny hazon'aina izay teo afovoan'ny saha, sy ny hazon'ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. BSB BSB: Out of the ground the LORD God gave growth to every tree that is pleasing to the eye and good for food. And in the middle of the garden were the tree of life and the tree of the knowledge of good and evil.
10 ULB Nisy ony nivoaka avy ao Edena nanondraka ny saha. Nizarazara avy tany izany ka tonga ony efatra. BSB BSB: Now a river flowed out of Eden to water the garden, and from there it branched into four headwaters:
11 ULB Pisona no anaran'ilay vohalohany. Izy irery ihany no mikoriana manodidina ilay tany rehetran'i Havila, izay misy volamena. BSB BSB: The name of the first river is the Pishon; it winds through the whole land of Havilah, where there is gold.
12 ULB Tsara ny volamenan'izany tany izany. Misy bedola sy vato berila ihany koa. BSB BSB: And the gold of that land is pure, and bdellium and onyx are found there.
13 ULB Gihona no anaran'ilay ony faharoa. Izy io dia mikoriana manerana ny tany Kosy. BSB BSB: The name of the second river is the Gihon; it winds through the whole land of Cush.
14 ULB Ny anaran'ilay ony fahatelo dia Tigra, izay mikoriana atsinanan'i Asyria. Eofrata ny ony faha-efatra. BSB BSB: The name of the third river is the Tigris; it runs along the east side of Assyria. And the fourth river is the Euphrates.
15 ULB Nalain'i Yaveh Andriamanitra ralehilahy ary nametraka azy tao amin'ny saha Edena mba hiasa sy hihazona izany. BSB BSB: Then the LORD God took the man and placed him in the Garden of Eden to cultivate and keep it.
17 ULB Fa avy amin'ilay hazon'ny fahalalana ny tsara sy ratsy kosa no tsy azonao hihinana, fa amin'ny andro hihinananao avy amin'izany, dia ho faty tokoa ianao." BSB BSB: but you must not eat from the tree of the knowledge of good and evil; for in the day that you eat of it, you will surely die.”
20 ULB Nomen-dralehilahy anarana daholo ny biby fiompy, ny voro-manidina rehetra eny amin'ny habakabaka, ary ny bibidian'ny saha. Nefa tsy nahitàna namana sahaza azy ralehilahy. BSB BSB: The man gave names to all the livestock, to the birds of the air, and to every beast of the field. But for Adam no suitable helper was found.
21 ULB Nampatorian'i Yaveh Andriamanitra lalina ralehilahy, ka dia natory ralehilahy. Naka iray tamin'ny taolan-tehezany i Yaveh Andriamanitra ary nanakatona ny nofo izay nakany ilay taolan-tehezana. BSB BSB: So the LORD God caused the man to fall into a deep sleep, and while he slept, He took one of the man’s ribs and closed up the area with flesh.
22 ULB Tamin'ilay taolan-tehezana izay nalain'i Yaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy, no nanamboarany vehivavy iray sy nitondràna azy teo amin-dralehilahy. BSB BSB: And from the rib that the LORD God had taken from the man, He made a woman and brought her to him.
23 ULB Hoy ralehilahy hoe: "Izao kosa, dia taolana avy amin'ny taolako ity, ary nofo avy amin'ny nofoko. Hantsoina hoe 'Vehivavy' izy, satria nalaina avy tamin'ny lehilahy." BSB BSB: And the man said: “This is now bone of my bones and flesh of my flesh; she shall be called ‘woman,’ for out of man she was taken.”
25 ULB Samy nitanjaka izy ireo, ralehilahy sy ny vadiny, fa tsy nahalala menatra. BSB BSB: And the man and his wife were both naked, and they were not ashamed.