1 ULB Tao aorian'ireo zavatra ireo dia tonga tamin'i Abrama tamin'ny fahitana ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao sy valisoa lehibe indrindra ho anao." BSB BSB: After these events, the word of the LORD came to Abram in a vision: “Do not be afraid, Abram. I am your shield, your very great reward.”
3 ULB Hoy Abrama hoe: "Satria tsy nomenao taranaka aho, dia indro, ny mpitatan-draharaha ny tranoko no mpandova ahy." BSB BSB: Abram continued, “Behold, You have given me no offspring, so a servant in my household will be my heir.”
4 ULB Avy eo, dia indro, tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Tsy ho mpandova anao izany lehilahy izany; fa izay avy amin'ny nofonao ihany kosa no ho lasa mpandova anao." BSB BSB: Then the word of the LORD came to Abram, saying, “This one will not be your heir, but one who comes from your own body will be your heir.”
5 ULB Dia nitondra azy nivoaka Izy, ary nanao hoe: "Jereo ny lanitra, ary isao ireo kintana, raha afaka ny hanisa ireo ianao." Avy eo niteny taminy Izy hoe: "Dia ho toy izany ireo taranakao." BSB BSB: And the LORD took him outside and said, “Now look to the heavens and count the stars, if you are able.” Then He told him, “So shall your offspring be.”
6 ULB Nino an'i Yaveh izy, ary nisainy ho fahamarinana ho azy izany. BSB BSB: Abram believed the LORD, and it was credited to him as righteousness.
7 ULB Niteny taminy Izy hoe: "Izaho no Yaveh, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny Oran'ny Kaldeanina, mba hanome anao ity tany ity mba handova izany." BSB BSB: The LORD also told him, “I am the LORD, who brought you out of Ur of the Chaldeans to give you this land to possess.”
8 ULB Hoy izy hoe: "Ry Tompo Yaveh, ahoana no hahafantarako fa handova izany aho?" BSB BSB: But Abram replied, “Lord GOD, how can I know that I will possess it?”
9 ULB Avy eo hoy Izy taminy hoe: "Hitondrao zanak'omby vavy telo taona aho, osy vavy telo taona, ondry vavy telo taona, voromailala, ary zana-boromailala." BSB BSB: And the LORD said to him, “Bring Me a heifer, a goat, and a ram, each three years old, along with a turtledove and a young pigeon.”
10 ULB Nentiny teo aminy avokoa ireo rehetra ireo, ary nanapaka ireo ho roa, ka nametraka ny antsasany tsirairay avy nifanatrika, fa ireo vorona kosa tsy nozarainy. BSB BSB: So Abram brought all these to Him, split each of them down the middle, and laid the halves opposite each other. The birds, however, he did not cut in half.
11 ULB Raha vao nidina teo ambonin'ny karakasy ireo voron'ny haza, dia noroahin'i Abrama izy ireo. BSB BSB: And the birds of prey descended on the carcasses, but Abram drove them away.
12 ULB Ary rehefa nilentika ny masoandro, dia latsaka tao anaty tori-maso lalina i Abrama ary, indro, nisy aizina lalina sy nampihororo nandifotra azy. BSB BSB: As the sun was setting, Abram fell into a deep sleep, and suddenly great terror and darkness overwhelmed him.
13 ULB Dia niteny tamin'i Abrama i Yaveh hoe: "Fantaro marina fa ireo taranakao dia ho vahiny amin'ny tany izay tsy azy ireo, ary ho andevozina sy ampahoriana mandritry ny efajato taona. BSB BSB: Then the LORD said to Abram, “Know for certain that your descendants will be strangers in a land that is not their own, and they will be enslaved and mistreated four hundred years.
14 ULB Hitsara izany firenena izay ho tompoin'izy ireo izany Aho, ary rehefa afaka izany dia hivoaka miaraka amin'ny fananana mitobaka izy ireo. BSB BSB: But I will judge the nation they serve as slaves, and afterward they will depart with many possessions.
15 ULB Fa ianao dia ho any amin'ny razambenao am-piadanana, ary halevina amin'ny fahanterana. BSB BSB: You, however, will go to your fathers in peace and be buried at a ripe old age.
17 ULB Rehefa nilentika ny masoandro ary maizina, dia indro, nisy vilany nivoaka setrok'afo sy fanilo nandalo teo anelanelan'ireo singany. BSB BSB: When the sun had set and darkness had fallen, behold, a smoking firepot and a flaming torch appeared and passed between the halves of the carcasses.
18 ULB Tamin'io andro io dia nanao fanekena niaraka tamin'i Abrama i Yaveh, nanao hoe: "Homeko ho an'ny taranakao etoana ity tany ity, manomboka amin'ny reniranon'i Egypta ka hatrany amin'ny renirano lehibe, Eofrata— BSB BSB: On that day the LORD made a covenant with Abram, saying, “To your descendants I have given this land—from the river of Egypt to the great River Euphrates—
19 ULB ireo Kenita, Kenizita, Kadmonita, BSB BSB: the land of the Kenites, Kenizzites, Kadmonites,
20 ULB Hetita, Perizita, Refaita, BSB BSB: Hittites, Perizzites, Rephaites,
21 ULB Amorita, Kananita, Girgasita, ary ireo Jebosita." BSB BSB: Amorites, Canaanites, Girgashites, and Jebusites.”