2 ULB Koa hoy Saray tamin'i Abrama hoe: "Indro, tsy namela ahy hanan-janaka Yaveh. Mandehana mandry miaraka amin'ny mpanompo vaviko. Izany angamba no mety hahazoako zanaka avy aminy." Nihaino ny feon'i Saray i Abrama. BSB BSB: So Sarai said to Abram, “Look now, the LORD has prevented me from bearing children. Please go to my maidservant; perhaps I can build a family by her.” And Abram listened to the voice of Sarai.
3 ULB Folo taona taorian'ny nonenan'i Abrama tao an-tany Kanàna no nanomezan'i Saray, vadin'i Abrama, an'i Hagara mpanompo vaviny Egyptiana, ho vadin'ny vadiny. BSB BSB: So after he had lived in Canaan for ten years, his wife Sarai took her Egyptian maidservant Hagar and gave her to Abram to be his wife.
4 ULB Koa niray tamin'i Hagara izy, ary nitoe-jaza. Rehefa hitany fa nitoe-jaza izy, dia nijery ny tompo vaviny tamin'ny fanamavoana. BSB BSB: And he slept with Hagar, and she conceived. But when Hagar realized that she was pregnant, she began to despise her mistress.
5 ULB Ary hoy Saray tamin'i Abrama hoe: "Noho ny aminao ihany izao ratsy mihatra amiko izao. Nomeko ho eo an-tratranao ny mpanompo vaviko, ary rehefa hitany fa nitoe-jaza izy, dia namavoina teo imasony aho. Aoka Yaveh no hitsara ahy sy ianao." BSB BSB: Then Sarai said to Abram, “May the wrong done to me be upon you! I delivered my servant into your arms, and ever since she saw that she was pregnant, she has treated me with contempt. May the LORD judge between you and me.”
6 ULB Fa hoy Abrama tamin'i Saray hoe: "Indro, eo amin'ny fahefanao ny mpanompo vavinao, ataovy aminy izay heverinao ho mety indrindra." Koa dia nanao fitondrana mafy taminy i Saray, ka nandositra azy. BSB BSB: “Here,” said Abram, “your servant is in your hands. Do whatever you want with her.” Then Sarai treated Hagar so harshly that she fled from her.
8 ULB Hoy izy hoe: "Ry Hagara, mpanompon'i Saray, avy aiza ianao ary handeha ho aiza?" Ary hoy izy hoe: "Mandositra an'i Saray tompoko vavy aho." BSB BSB: “Hagar, servant of Sarai,” he said, “where have you come from, and where are you going?” “I am running away from my mistress Sarai,” she replied.
9 ULB Ny anjelin'i Yaveh niteny taminy hoe: "Miverena any amin'ny tompo vavinao, ary mihareta amin'ny fahefany." BSB BSB: So the angel of the LORD told her, “Return to your mistress and submit to her authority.”
10 ULB Ary hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Hampitombo isa ny taranakao tokoa Aho, hany ka tsy ho tambo isaina izy ireo." BSB BSB: Then the angel added, “I will greatly multiply your offspring so that they will be too numerous to count.”
11 ULB Hoy ihany koa ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Indro, mitoe-jaza ianao, ary hiteraka zaza lahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Ismaela, satria nandre ny fahorianao Yaveh. BSB BSB: The angel of the LORD proceeded: “Behold, you have conceived and will bear a son. And you shall name him Ishmael, for the LORD has heard your cry of affliction.
12 ULB Ho borikidian'ny olona izy. Handrafy ny olona rehetra izy, ary ny olona rehetra hirafy aminy, ary honina lavitra ny rahalahiny rehetra izy. BSB BSB: He will be a wild donkey of a man, and his hand will be against everyone, and everyone’s hand against him; he will live in hostility toward all his brothers.”
13 ULB Ary nomeny an'i Yaveh izay niresaka taminy izao anarana izao: "Ianao no Andriamanitra izay mahita ahy," fa hoy izy hoe: "Mbola mahita ihany tokoa ve aho, na dia taorian'ny nahitany ahy aza?" BSB BSB: So Hagar gave this name to the LORD who had spoken to her: “You are the God who sees me,” for she said, “Here I have seen the One who sees me!”
14 ULB Noho izany dia nantsoina hoe Bera-lahai-roy ilay fantsakana; indro, eo anelanelan'i Kadesa sy Bereda izany. BSB BSB: Therefore the well was called Beer-lahai-roi. It is located between Kadesh and Bered.
15 ULB Niteraka ny zanaka lahin'i Abrama i Hagara, ary nomen'i Abrama anarana hoe Ismaela ny zanany, izay naterak'i Hagara. BSB BSB: And Hagar bore Abram a son, and Abram gave the name Ishmael to the son she had borne.
16 ULB Enina amby valopolo taona i Abrama tamin'ny niterahan'i Hagara an'Ismaela ho zanany. BSB BSB: Abram was eighty-six years old when Hagar bore Ishmael to him.