1 ULB Tamin'i Abrama sivy amby sivifolo taona, dia niseho taminy Yaveh ary niteny taminy hoe: "Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anoloako, ary aoka tsy hisy tsiny. BSB BSB: When Abram was ninety-nine years old, the LORD appeared to him and said, “I am God Almighty. Walk before Me and be blameless.
2 ULB Dia hanamafy ny fanekeko teo Amiko sy ianao Aho, ary hanamaro anao fatratra." BSB BSB: I will establish My covenant between Me and you, and I will multiply you exceedingly.”
3 ULB Niankohoka tamin'ny tany Abrama ary niteny taminy Andriamanitra, nanao hoe: BSB BSB: Then Abram fell facedown, and God said to him,
4 ULB "Raha ny Amiko, dia indro, aminao ny fanekeko. Ho rain'ny firenena maro ianao. BSB BSB: “As for Me, this is My covenant with you: You will be the father of many nations.
5 ULB Tsy ho Abrama intsony ny anaranao, fa hatao hoe Abrahama—satria manendry anao ho rain'ny firenena maro Aho. BSB BSB: No longer will you be called Abram, but your name will be Abraham, for I have made you a father of many nations.
6 ULB Hahamaro anao fatrara Aho, ary hataoko firenena maro ianao, ary hisy mpanjaka ho avy aminao. BSB BSB: I will make you exceedingly fruitful; I will make nations of you, and kings will descend from you.
7 ULB Haoriko ny fanekeko eo Amiko sy aminao ary ny taranaka aorianao, amin'ireo taranaka faramandimbin'izy ireo ho fanekena tsy manam-pahataperana, mba ho Andriamanitrao sy ho an'ireo taranaka mandimby anao Aho. BSB BSB: I will establish My covenant as an everlasting covenant between Me and you and your descendants after you, to be your God and the God of your descendants after you.
8 ULB Homeko anao, sy ireo taranaka mandimby anao, ny tany nipetrahanao, dia ny tany Kanàna rehetra, ho fananana mandrakizay, ary Izaho ho Andriamanitr'izy ireo." BSB BSB: And to you and your descendants I will give the land where you are residing—all the land of Canaan—as an eternal possession; and I will be their God.”
9 ULB Avy eo Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny aminao, dia tsy maintsy mitandrina ny fanekeko, ianao sy ny taranakao aorianao hatramin'ny taranaka faramandimbin'izy ireo. BSB BSB: God also said to Abraham, “You must keep My covenant—you and your descendants in the generations after you.
11 ULB Tsy maintsy foraina ny nofon'ny loha tsitsinareo, ka izany no famantarana ny fanekena eo Amiko sy aminao. BSB BSB: You are to circumcise the flesh of your foreskin, and this will be a sign of the covenant between Me and you.
12 ULB Ny zazalahy valo andro rehetra eo aminao, hatramin'ny taranak'ireo olonao dia tsy maintsy foraina. Anisan'izany izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana vola avy tamin'ny vahiny izay tsy iray amin'ireo taranakao. BSB BSB: Generation after generation, every male must be circumcised when he is eight days old, including those born in your household and those purchased from a foreigner—even those who are not your offspring.
13 ULB Tsy maintsy foraina avokoa izay teraka avy tao amin'ny ankohonanao sy izay novidiana tamin'ny volanao. Amin'izany ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo mba ho fanekena mandrakizay. BSB BSB: Whether they are born in your household or purchased, they must be circumcised. My covenant in your flesh will be an everlasting covenant.
14 ULB Na iza na iza lehilahy tsy mifora izay tsy noforaina ny nofon'ny loha tsitsiny dia hesorina amin'ny vahoakany. Nandika ny fanekeko izy." BSB BSB: But if any male is not circumcised, he will be cut off from his people; he has broken My covenant.”
15 ULB Ary Andriamanitra niteny tamin'i Abrahama hoe: "Raha ny amin'i Saray vadinao, dia aza antsoina hoe Saray intsony izy. Fa kosa, Saraha no ho anarany. BSB BSB: Then God said to Abraham, “As for Sarai your wife, do not call her Sarai, for her name is to be Sarah.
16 ULB Hitahy azy Aho, ary homeko zanaka lahy avy aminy ianao. Hitahy azy Aho, ary ho renin'ny firenena maro izy. Avy aminy ireo mpanjakan'ny olona." BSB BSB: And I will bless her and will surely give you a son by her. I will bless her, and she will be the mother of nations; kings of peoples will descend from her.”
17 ULB Avy eo niankohoka tamin'ny tany Abrahama, ary nihomehy, ka niteny tao am-pony hoe: "Moa mbola hisy zaza afaka hateraka ho an'ny lehilahy izay efa zato taona ve? Ahoana no hahafahan'i Saraha, izay efa sivifolo taona, hitondra vohoka?" BSB BSB: Abraham fell facedown. Then he laughed and said to himself, “Can a child be born to a man who is a hundred years old? Can Sarah give birth at the age of ninety?”
19 ULB Hoy Andriamanitra hoe: "Tsia, fa Saraha vadinao dia hanome zanaka lahy ho anao, ary tsy maintsy ataonao hoe Isaka ny anarany. Haoriko aminy ho fanekena mandrakizay miaraka amin'ireo taranaka faramandimbiny ny fanekeko. BSB BSB: But God replied, “Your wife Sarah will indeed bear you a son, and you are to name him Isaac. I will establish My covenant with him as an everlasting covenant for his descendants after him.
21 ULB Fa ny fanekeko dia haoriko amin'Isaka, izay haterak'i Saraha ho anao amin'ny fotoana toy izao amin'ny taona manaraka." BSB BSB: But I will establish My covenant with Isaac, whom Sarah will bear to you at this time next year.”
22 ULB Rehefa avy niresaka taminy Izy, dia niakatra niala avy teo amin'i Abrahama Andriamanitr. BSB BSB: When He had finished speaking with Abraham, God went up from him.
23 ULB Avy eo Abrahama naka an'Ismaela zanany lahy, sy ireo rehetra tao amin'ny ankohonany, ary ireo rehetra novidiany vola, ny lehilahy rehetra tao amin'ny tokantranon'i Abrahama, ka namora ny nofon'izy ireo tamin'io andro io, araka ny nolazain'Andriamanitra taminy. BSB BSB: On that very day Abraham took his son Ishmael and all those born in his household or purchased with his money—every male among the members of Abraham’s household—and he circumcised them, just as God had told him.
24 ULB Sivy amby sivifolo taona Abrahama tamin'izy noforaina ny lohantsitsiny. BSB BSB: So Abraham was ninety-nine years old when he was circumcised,
25 ULB Telo ambin'ny folo taona Ismaela tamin'izy noforaina tamin'ny nofo. BSB BSB: and his son Ishmael was thirteen;
26 ULB Tamin'io andro io dia samy voafora Abrahama sy Ismaela zanany. BSB BSB: Abraham and his son Ishmael were circumcised on the same day.
27 ULB Noforaina niaraka taminy ireo lehilahy rehetra tao an-tokantranony, anisan'izany ireo teraka avy tao amin'ny tokantranony sy ireo novidiana vola avy tamin'ny vahiny. BSB BSB: And all the men of Abraham’s household—both servants born in his household and those purchased from foreigners—were circumcised with him.