1 ULB Niseho tamin'i Abrahama teo akaikin'ny hazo terebintan'ny Mamre i Yaveh, raha nipetraka teo antokanam-baravaran'ny lay tamin'ny misandratr'andro izy. BSB BSB: Then the LORD appeared to Abraham by the Oaks of Mamre in the heat of the day, while he was sitting at the entrance of his tent.
2 ULB Niandrandra izy ary, indro, nahita lehilahy telo nitsangana teo amin'ny tandrifiny. Rehefa hitany izy ireo, dia nihazakazaka hijery azy ireo avy eo am-baravaran'ny lay izy ary niankohoka ambany tamin'ny tany. BSB BSB: And Abraham looked up and saw three men standing nearby. When he saw them, he ran from the entrance of his tent to meet them and bowed low to the ground.
3 ULB Hoy izy hoe: "Tompo, raha nahita sitraka teo imasonao aho, dia aza mandalo na mandao ity mpanomponao. BSB BSB: “My lord,” said Abraham, “if I have found favor in your sight, please do not pass your servant by.
4 ULB Aoka hisy rano kely ho entina, sasao ny tongotrareo, ary mijànona eo ambany hazo. BSB BSB: Let a little water be brought, that you may wash your feet and rest yourselves under the tree.
5 ULB Avelao aho hitondra sakafo kely, mba hahafahanareo mamelombelona ny tenanao. Rehefa afaka izany dia afaka mandeha amin'ny lalanareo ianareo, satria tonga teo amin'ny mpanomponareo ianareo." Namaly izy ireo hoe: "Ataovy toy ny noteneninao." BSB BSB: And I will bring a bit of bread so that you may refresh yourselves. This is why you have passed your servant’s way. After that, you may continue on your way.” “Yes,” they replied, “you may do as you have said.”
6 ULB Avy eo Abrahama niditra haingana tao an-day tao amin'i Saraha, ary nanao hoe: "Faingàna, mitondrà koba tsara intelon'ny Sea, volavolay izany, ary ataovy mofo." BSB BSB: So Abraham hurried into the tent and said to Sarah, “Quick! Prepare three seahs of fine flour, knead it, and bake some bread.”
7 ULB Dia nihazakazaka tany amin'ny mpiandry ondry Abrahama, ary naka zanak'omby izay malambolambo sy tsara, ary nanome izany an'ilay mpanompo, ary nikoropaka hikarakara izany izy. BSB BSB: Meanwhile, Abraham ran to the herd, selected a tender and choice calf, and gave it to a servant, who hurried to prepare it.
8 ULB Naka vaingan-dronono sy ronono izy, ary ilay zanak'omby izay efa voakarakara, ary nametraka ny sakafo teo anoloan'izy ireo, ary nitsangana teo akaikin'izy ireo teo ambanin'ny hazo izy raha mbola nihinana izy ireo. BSB BSB: Then Abraham brought curds and milk and the calf that had been prepared, and he set them before the men and stood by them under the tree as they ate.
9 ULB Niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Aiza i Saraha vadinao?" Namaly izy hoe: "Ao anaty lay ao." BSB BSB: “Where is your wife Sarah?” they asked. “There, in the tent,” he replied.
10 ULB Hoy izy hoe: "Hiverina aty aminao tokoa aho amin'ny lohataona, ary indro, hanan-janaka lahy i Saraha vadinao." Nihaino teo antokonam-baravaran'ny lay, izay tao aoriany i Saraha. BSB BSB: Then the LORD said, “I will surely return to you at this time next year, and your wife Sarah will have a son!” Now Sarah was behind him, listening at the entrance to the tent.
11 ULB Ary efa antitra Abrahama sy Saraha, nandroso taona tokoa, ary efa nihoatra ny taona izay hahafahan'ny vehivavy mitondra anaka i Saraha. BSB BSB: And Abraham and Sarah were already old and well along in years; Sarah had passed the age of childbearing.
12 ULB Dia nihomehy ny tenany Saraha, nanao tamin'ny tenany hoe: "Rehefa tsy misy ilaina ahy ary ny tompoko dia antitra, hanana izany fahafinaretana izany ve aho ankehitriny?" BSB BSB: So she laughed to herself, saying, “After I am worn out and my master is old, will I now have this pleasure?”
13 ULB Yaveh niteny tamin'i Abrahama hoe: "Naninona no nihomehy Saraha ary niteny hoe: 'Hanan'anaka tokoa ve aho, na dia antitra aza aho?' BSB BSB: And the LORD asked Abraham, “Why did Sarah laugh and say, ‘Can I really bear a child when I am old?’
14 ULB Moa misy zavatra sarotra loatra amin'i Yaveh ve? Amin'ny fotoana voatondroko, amin'ny lohataona, hiverina any aminao Aho. Amin'izany fotoana izany amin'ny taona ho avy dia hanan-janaka lahy Saraha." BSB BSB: Is anything too difficult for the LORD? At the appointed time I will return to you—in about a year—and Sarah will have a son.”
15 ULB Ary nandà izany Saraha ary nanao hoe: "Tsy nihomehy aho," satria natahotra izy. Namaly Izy hoe: "Tsia, nihomehy tokoa ianao." BSB BSB: But Sarah was afraid, so she denied it and said, “I did not laugh.” “No,” replied the LORD, “but you did laugh.”
16 ULB Dia nitsangana ireo lehilahy mba handeha ary nijery tany Sodoma. Nandeha niaraka tamin'izy ireo Abrahama mba hijery azy ireo teny amin'ny lalan'izy ireo. BSB BSB: When the men got up to leave, they looked out over Sodom, and Abraham walked along with them to see them off.
17 ULB Fa hoy Yaveh hoe: "Tokony afeniko amin'i Abrahama ve izay ho ataoko, BSB BSB: And the LORD said, “Shall I hide from Abraham what I am about to do?
18 ULB satria tokoa Abrahama dia ho lasa firenena lehibe sy mahery, ary ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho tahiana avy aminy? BSB BSB: Abraham will surely become a great and powerful nation, and through him all the nations of the earth will be blessed.
19 ULB Fa nifidy azy Aho mba hahafahany mampianatra ireo zanany sy ny ankohonany hanaraka azy mba hitandrina ny lalàn'i Yaveh, mba hanao ny fahamarinana sy ny rariny, mba hahafahan'i Yaveh mitondra eo amin'ny i Abrahama izay nolazainy taminy." BSB BSB: For I have chosen him, so that he will command his children and his household after him to keep the way of the LORD by doing what is right and just, in order that the LORD may bring upon Abraham what He has promised.”
20 ULB Dia niteny Yaveh hoe: "Satria lehibe loatra ny fitarainana ny amin'i Sodoma sy Gomora, ary satria be loatra ny fahotan'izy ireo, BSB BSB: Then the LORD said, “The outcry against Sodom and Gomorrah is great. Because their sin is so grievous,
21 ULB dia hidina any Aho izao ary hijery ny fitarainana ny aminy izay tonga tamiko, na nanao izany tokoa izy ireo. Raha tsy izany, dia ho fantatro." BSB BSB: I will go down to see if their actions fully justify the outcry that has reached Me. If not, I will find out.”
23 ULB Avy eo Abrahama nanatona ary niteny hoe: "Hifaoka ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy ve Ianao?" BSB BSB: Abraham stepped forward and said, “Will You really sweep away the righteous with the wicked?
24 ULB Angamba misy marina dimampolo ao amin'ny tanàna. Handripaka izany ve Ianao ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimampolo marina izay ao? BSB BSB: What if there are fifty righteous ones in the city? Will You really sweep it away and not spare the place for the sake of the fifty righteous ones who are there?
26 ULB Hoy Yaveh hoe: "Raha mahita marina dimampolo ao an-tanàna ao Sodoma Aho, dia hamindra fo ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo." BSB BSB: So the LORD replied, “If I find fifty righteous ones within the city of Sodom, on their account I will spare the whole place.”
27 ULB Namaly Abrahama ary nanao hoe: "Indro, nanaiky ny niresahako taminy ny Tompoko, na dia vovoka sy lavenona ihany aza aho! BSB BSB: Then Abraham answered, “Now that I have ventured to speak to the Lord—though I am but dust and ashes—
28 ULB Ahoana raha latsaka dimy ny dimampolo marina? Handrava ny tanàna manontolo nohon'ny dimy tsy ampy ve Ianao?" Dia hoy Izy hoe: "Tsy handrava izany Aho, raha mahita dimy amby efapolo ao." BSB BSB: suppose the fifty righteous ones lack five. Will You destroy the whole city for the lack of five?” He replied, “If I find forty-five there, I will not destroy it.”
29 ULB Dia mbola niteny taminy indray izy, ary nanao hoe: "Ahoana raha misy efapolo hita ao?" Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany nohon'ny efapolo Aho." BSB BSB: Once again Abraham spoke to the LORD, “Suppose forty are found there?” He answered, “On account of the forty, I will not do it.”
30 ULB Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, mba hafahako miteny. Angamba telopolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy hanao izany Aho, raha mahita telopolo ao." BSB BSB: Then Abraham said, “May the Lord not be angry, but let me speak further. Suppose thirty are found there?” He replied, “If I find thirty there, I will not do it.”
31 ULB Hoy izy hoe: "Indro, nanaiky hiteny tamin'ny Tompoko aho! Angamba roapolo no ho hita ao." Namaly Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny roapolo Aho." BSB BSB: And Abraham said, “Now that I have ventured to speak to the Lord, suppose twenty are found there?” He answered, “On account of the twenty, I will not destroy it.”
32 ULB Hoy izy hoe: "Azafady aza tezitra, ry Tompo, ary hiteny ity farany aho. Angamba folo no ho hita ao." Dia niteny Izy hoe: "Tsy handrava izany nohon'ny folo Aho. BSB BSB: Finally, Abraham said, “May the Lord not be angry, but let me speak once more. Suppose ten are found there?” And He answered, “On account of the ten, I will not destroy it.”
33 ULB Nandeha tamin'ny lalany Yaveh vantany vao avy niresaka tamin'i Abrahama, ary Abrahama niverina nody. BSB BSB: When the LORD had finished speaking with Abraham, He departed, and Abraham returned home.