1 ULB Tonga tao Sodoma ireo anjely anankiroa rehefa hariva, raha mbola nipetraka teo ambavahadin'i Sodoma i Lota. Hitan'i Lota izy ireo, nitsangana hitsena azy ireo, ary nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany. BSB BSB: Now the two angels arrived at Sodom in the evening, and Lot was sitting in the gateway of the city. When Lot saw them, he got up to meet them, bowed facedown,
2 ULB Hoy izy hoe: "Tompoko, miangavy anareo re aho mba hivily ao an-tranon'ny mpanomponareo, mijanòna ao anio alina, ary sasao ny tongotrareo. Dia afaka mifoha vao mangiran-dratsy ianareo ary mandeha amin'izay lalan-kalehanareo. Namaly izy ireo hoe: "Tsia, handany ny alina eo an-kianjan'ny tanàna izahay." BSB BSB: and said, “My lords, please turn aside into the house of your servant; wash your feet and spend the night. Then you can rise early and go on your way.” “No,” they answered, “we will spend the night in the square.”
3 ULB Fa niangavy fatratra azy ireo izy, ka niaraka taminy izy ireo, ary nandroso tao an-tranony. Nahandro sakafo sy nanendy mofo tsy misy masirasira izy, dia nihinana izy ireo. BSB BSB: But Lot insisted so strongly that they followed him into his house. He prepared a feast for them and baked unleavened bread, and they ate.
4 ULB Kanefa talohan'ny natorian'izy ireo, ny lehilahin'ny tanàna, ny lehilahin'i Sodoma, dia nihodidina ny trano, ny tanora sy ny antitra, ireo lehilahy rehetra avy amin'ny faritry ny tanàna. BSB BSB: Before they had gone to bed, all the men of the city of Sodom, both young and old, surrounded the house.
5 ULB Nantsoin'izy ireo Lota, ka niteny taminy hoe: "Aiza ireo lehilahy izay tonga tato aminao tamin'ity alina ity? Ento aty aminay izy ireo, mba hafahanay miara-mandry amin'izy ireo." BSB BSB: They called out to Lot, saying, “Where are the men who came to you tonight? Send them out to us so we can have relations with them!”
6 ULB Ka nivoaka ny varavarana ho eo amin'izy ireo Lota ary nanakatona ny varavarana tao aoriany. BSB BSB: Lot went outside to meet them, shutting the door behind him.
7 ULB Hoy izy hoe: "Ry rahalahiko, miangavy anareo aho, aza manao zava-dratsy loatra. BSB BSB: “Please, my brothers,” he pleaded, “don’t do such a wicked thing!
9 ULB Hoy izy ireo hoe: "Mialà!" Hoy ihany koa izy ireo hoe: "Ity iray ity dia tonga teto mba hitoetra ho vahiny, ary izao izy indray no ho lasa mpitsara antsika! Ary ankehitriny dia hanao izay ratsy indrindra miaraka aminao noho ny miaraka amin'izy ireo izahay." Nanosika mafy nanohitra an'ilay lehilahy izy ireo, nanohitra an'i Lota, ary nanakaiky mba hamaky ny varavarana. BSB BSB: “Get out of the way!” they replied. And they declared, “This one came here as a foreigner, and he is already acting like a judge! Now we will treat you worse than them.” And they pressed in on Lot and moved in to break down the door.
10 ULB Fa ireo lehilahy nanandratra ny tanan'izy ireo sy nisintona an'i Lota hiditra ao an-trano hiaraka amin'izy ireo ary nanakatona ny varavarana. BSB BSB: But the men inside reached out, pulled Lot into the house with them, and shut the door.
11 ULB Ary ireo vahinin'i Lota namely hajambana ireo lehilahy izay tao ivelan'ny varavaran'ny trano, ny kely sy lehibe, mba hahatonga azy ireo sasa-poana raha niezaka nitady ny varavarana izy ireo. BSB BSB: And they struck the men at the entrance, young and old, with blindness, so that they wearied themselves trying to find the door.
12 ULB Dia niteny tamin'i Lota ireo lehilahy hoe: "Mbola misy olon-kafa ve ato aminao? Vinanto lahy, ireo zanaka lahinao sy ireo zanaka vavinao, ary izay hanananao eto amin'ity tanàna ity, dia ento mivoaka eto izy ireo. BSB BSB: Then the two men said to Lot, “Do you have anyone else here—a son-in-law, your sons or daughters, or anyone else in the city who belongs to you? Get them out of here,
13 ULB Fa efa ho ravainay ity toerana ity, satria ny fiampangana izany eo anatrehan'i Yaveh dia tonga mafy loatra ka nirahany handrava izany izahay." BSB BSB: because we are about to destroy this place. For the outcry to the LORD against its people is so great that He has sent us to destroy it.”
14 ULB Nandeha Lota ary nampilaza ireo vinanto lahiny, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy, ary niteny hoe: "Faingàna, mialà amin'ity toerana ity ianareo, fa efa ho ravain'i Yaveh ity tanàna ity." Fa tamin'ireo vinanto lahiny dia toy ny nivazivazy izy. BSB BSB: So Lot went out and spoke to the sons-in-law who were pledged in marriage to his daughters. “Get up,” he said. “Get out of this place, for the LORD is about to destroy the city!” But his sons-in-law thought he was joking.
15 ULB Vao mangiran-dratsy ny andro, dia nitalaho tamin'i Lota ireo anjely, niteny hoe: "Mandehana, ento ny vadinao sy ireo zanakao roa vavy izay eto, mba tsy ho voaringana koa ianao amin'ny famaizana ny tanàna." BSB BSB: At daybreak the angels hurried Lot along, saying, “Get up! Take your wife and your two daughters who are here, or you will be swept away in the punishment of the city.”
17 ULB Rehefa tafavoakan'izy ireo teny ivelany izy ireo, dia niteny ny iray tamin'ireo lehilahy hoe: "Mandosira ho amin'ny ainareo! Aza miherika, na mijanona amin'ny tany lemaka. Mandosira any an-tendrombohitra mba tsy ho voaringana ianareo." BSB BSB: As soon as the men had brought them out, one of them said, “Run for your lives! Do not look back, and do not stop anywhere on the plain! Flee to the mountains, or you will be swept away!”
18 ULB Hoy Lota tamin'izy ireo hoe: "Tsia re tompoko o! BSB BSB: But Lot replied, “No, my lords, please!
19 ULB Efa nahita sitraka teo imasonao ny mpanomponao, ary efa naneho hatsaram-panahy lehibe tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko, kanefa tsy afaka ny handositra ho any an-tendrombohitra aho, satria hahatratra ahy ny loza, ary ho faty aho. BSB BSB: Your servant has indeed found favor in your sight, and you have shown me great kindness by sparing my life. But I cannot run to the mountains; the disaster will overtake me, and I will die.
20 ULB Fa indro, iry tanàna iry dia akaiky kokoa azo handosirana tsara, ary kely izy io. Tompoko, aoka re aho handositra ao (tsy kely ve io?), ary dia ho voavonjy ny aiko." BSB BSB: Look, there is a town nearby where I can flee, and it is a small place. Please let me flee there—is it not a small place? Then my life will be saved.”
21 ULB Hoy izy taminy hoe: "Eny ary, ekeko ihany koa izany fangatahana izany, fa tsy hamotika ny tanàna izay nolazainao teo aho. BSB BSB: “Very well,” he answered, “I will grant this request as well, and will not demolish the town you indicate.
22 ULB Faingàna! Mandosira any, fa tsy afaka hanao na inona na inona aho mandra-pahatonganao any." Noho izany no niantsoana ny tanàna hoe: Zoara. BSB BSB: Hurry! Run there quickly, for I cannot do anything until you reach it.” That is why the town was called Zoar.
23 ULB Efa niposaka tamin'ny tany ny masoandro nony tonga tao Zoara i Lota. BSB BSB: And by the time the sun had risen over the land, Lot had reached Zoar.
25 ULB Nopotehiny ireo tanàna ireo, sy ny lemaka rehetra, sy ireo mponina rehetra tao amin'ireo tanàna, ary ireo zava-maniry izay naniry tamin'ny tany. BSB BSB: Thus He destroyed these cities and the entire plain, including all the inhabitants of the cities and everything that grew on the ground.
26 ULB Nefa ny vadin'i Lota, izay tao aoriany, niherika, ary dia tonga vongan-tsira izy. BSB BSB: But Lot’s wife looked back, and she became a pillar of salt.
27 ULB Nifoha vao maraina Abrahama ka nankany amin'ilay toerana izay nijoroany teo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: Early the next morning, Abraham got up and returned to the place where he had stood before the LORD.
28 ULB Nitazana an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy. Nijery izy ka indro, niakatra tahaka ny setrokin'ny lafaoro lehibe ny setroka avy tamin'ny tany. BSB BSB: He looked down toward Sodom and Gomorrah and all the land of the plain, and he saw the smoke rising from the land like smoke from a furnace.
29 ULB Ary rehefa nandrava ireo tany lemaka Andriamanitra, dia nahatsiaro an'i Abrahama. Nentiny niala avy tao afovoan'ny fandravana i Lota rehefa nandrava ny tanàna izay nonenan'i Lota Izy. BSB BSB: So when God destroyed the cities of the plain, He remembered Abraham, and He brought Lot out of the catastrophe that destroyed the cities where he had lived.
32 ULB Avia, Andeha hampisotrointsika divay ny raintsika, ary hiaraka handry aminy isika, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." BSB BSB: Come, let us get our father drunk with wine so we can sleep with him and preserve his line.”
33 ULB Ka dia nampisotroin'izy ireo divay ny rainy tamin'io alina io. Avy eo dia niditra ilay vavimatoa ary nandry niaraka tamin-drainy; kanefa izy dia tsy nahafantatra ny fotoana izay nandriany, na ny nifohazany. BSB BSB: So that night they got their father drunk with wine, and the firstborn went in and slept with her father; he was not aware when she lay down or when she got up.
34 ULB Nony ampitso dia niteny tamin'ny zandriny ilay vavimatoa hoe: "Henoy, nandry niaraka tamin'ny raiko aho alina. Koa andeha hampisotrointsika divay ihany koa izy anio alina, ary tokony miditra ao ianao ary mandry miaraka aminy, mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika." BSB BSB: The next day the older daughter said to the younger, “Look, I slept with my father last night. Let us get him drunk with wine again tonight so you can go in and sleep with him and we can preserve our father’s line.”
35 ULB Ka nampisotroin'izy ireo divay indray ny rainy tamin'io alina io, ary nandeha nandry niaraka taminy ilay zandriny. Tsy nahafantatra izay nandriany izy, na izay nifohazany. BSB BSB: So again that night they got their father drunk with wine, and the younger daughter went in and slept with him; he was not aware when she lay down or when she got up.
36 ULB Noho izany dia samy nanan'anaka tamin'ny rainy ireo zanaka vavin'i Lota. BSB BSB: Thus both of Lot’s daughters became pregnant by their father.
37 ULB Ny vavimatoa dia niteraka zazalahy, ary nantsoina hoe Moaba. Izy no lasa razamben'ny Moabita ankehitriny. BSB BSB: The older daughter gave birth to a son and named him Moab. He is the father of the Moabites of today.
38 ULB Ary ilay faravavy, dia niteraka zazalahy ihany koa, ary niantso azy hoe Benamy. Lasa razamben'ny taranak'i Amona izy ankehitriny. BSB BSB: The younger daughter also gave birth to a son, and she named him Ben-ammi. He is the father of the Ammonites of today.