1 ULB Nandeha niala teo Abrahama ka nankany amin'ny tany Negeva, ary nitoetra teo anelanelan'i Kadesa sy Sora. Vahiny nipetraka tany Gerara izy. BSB BSB: Now Abraham journeyed from there to the region of the Negev and settled between Kadesh and Shur. While he was staying in Gerar,
2 ULB Niteny ny mahakasika an'i Saraha vadiny Abrahama hoe: "Anabaviko izy." Noho izany dia nandefa ireo lehilahiny i Abimeleka mpanjakan'i Gerara ary nalain'izy ireo i Saraha. BSB BSB: Abraham said of his wife Sarah, “She is my sister.” So Abimelech king of Gerar had Sarah brought to him.
3 ULB Fa Andriamanitra niseho tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy ny alina, ary niteny taminy hoe: "Indro, ho faty ianao ralehilahy noho ny vehivavy nalainao, satria vadin'olona izy." BSB BSB: One night, however, God came to Abimelech in a dream and told him, “You are as good as dead because of the woman you have taken, for she is a married woman.”
4 ULB Ary Abimeleka tsy mbola nanakaiky azy ka hoy izy hoe: "Tompo, ho vonoinao koa ve na dia ny firenena marina aza? BSB BSB: Now Abimelech had not gone near her, so he replied, “Lord, would You destroy a nation even though it is innocent?
5 ULB Tsy izy ihany ve no niteny tamiko hoe: 'Anabaviko izy?' Na izy tenany aza dia niteny tamiko hoe: 'Anadahiko izy.' Nataoko tamin'ny hitsim-poko izany ary tamin'ny tanako tsy manan-tsiny." BSB BSB: Didn’t Abraham tell me, ‘She is my sister’? And she herself said, ‘He is my brother.’ I have done this in the integrity of my heart and the innocence of my hands.”
6 ULB Avy eo Andriamanitra niteny taminy tamin'ny nofy hoe: "Eny, efa fantatro koa fa tamin'ny hitsim-ponao no nanaovanao izany, ary efa niaro anao tsy hanota amiko ihany koa aho. Noho izany, tsy namela anao hikasika azy aho. BSB BSB: Then God said to Abimelech in the dream, “Yes, I know that you did this with a clear conscience, and so I have kept you from sinning against Me. That is why I did not let you touch her.
7 ULB Ka noho izany, avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy. Hivavaka ho anao izy, ary ho velona ianao. Fa raha tsy averinao izy, dia fantàro fa tena ho faty tokoa ianao sy izay rehetra anao." BSB BSB: Now return the man’s wife, for he is a prophet; he will pray for you and you will live. But if you do not restore her, be aware that you will surely die—you and all who belong to you.”
8 ULB Nifoha maraina be Abimeleka ary niantso ireo mpanompony rehetra ho eo aminy. Nolazainy tamin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, ary dia natahotra mafy ireo lehilahy. BSB BSB: Early the next morning Abimelech got up and summoned all his servants; and when he described to them all that had happened, the men were terrified.
9 ULB Avy eo Abimekela nampiantso ny an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: "Inona ity nataonao taminay?" Ahoana ny nanotàko taminao, no dia nitondra fahotana lehibe teo amiko sy ny fanjakako ianao? Nataonao tamiko izay tsy tokony natao." BSB BSB: Then Abimelech called Abraham and asked, “What have you done to us? How have I sinned against you, that you have brought such tremendous guilt upon me and my kingdom? You have done things to me that should not be done.”
10 ULB Hoy Abimeleka tamin'i Abrahama hoe: "Inona no nanosika anao hanao izao zavatra izao?" BSB BSB: Abimelech also asked Abraham, “What prompted you to do such a thing?”
11 ULB Abrahama niteny hoe: "Satria nieritreritra aho hoe: 'Azo antoka fa tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, ary hamono ahy izy ireo noho ny amin'ny vadiko.' BSB BSB: Abraham replied, “I thought to myself, ‘Surely there is no fear of God in this place. They will kill me on account of my wife.’
12 ULB Ary koa, anabaviko tokoa izy, zanaka vavin'ny raiko, fa tsy zanaka vavin'ny reniko; ary dia lasa vadiko izy. BSB BSB: Besides, she really is my sister, the daughter of my father—though not the daughter of my mother—and she became my wife.
13 ULB Rehefa nahatonga ahy handao ny tokantranon'ny raiko sy nampifindrafindra toerana ahy Andriamanitra, dia hoy aho taminy hoe: 'Tsy maintsy asehonao amiko amin'ny maha-vadiko anao ity fahatokiana ity: any amin'izay toerana rehetra izay alehantsika, dia teneno ny momba ahy hoe: "Anadahiko izy."" BSB BSB: So when God had me journey from my father’s house, I said to Sarah, ‘This is how you can show your loyalty to me: Wherever we go, say of me, “He is my brother.”’”
14 ULB Avy eo naka ondry sy omby, andevo lahy sy vavy Abimeleka, ary nanome izany an'i Abrahama. Avy eo naveriny tany aminy i Saraha, vadin'i Abrahama. BSB BSB: So Abimelech brought sheep and cattle, menservants and maidservants, and he gave them to Abraham and restored his wife Sarah to him.
15 ULB Hoy Abimeleka hoe: "Indro, eo anoloanao ny taniko. Mitoera amin'izay mety aminao." BSB BSB: And Abimelech said, “Look, my land is before you. Settle wherever you please.”
16 ULB Hoy izy tamin'i Saraha hoe: "Indro, nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao. Izany dia mba ho tampimaso amin'ny fandikan-dalàna natao anao teo imason'ireo olon-drehetra izay miaraka aminao, tena nanao ny marina ianao." BSB BSB: And he said to Sarah, “See, I am giving your brother a thousand pieces of silver. It is your vindication before all who are with you; you are completely cleared.”
17 ULB Avy eo Abrahama nivavaka tamin'Andriamanitra, ary Andriamanitra nanasitrana an'i Abimeleka, ny vadiny, ary ireo andevo vaviny mba hafahan'izy ireo mahazo zanaka. BSB BSB: Then Abraham prayed to God, and God healed Abimelech and his wife and his maidservants, so that they could again bear children—
18 ULB Satria Yaveh no nahatonga ny vehivavy rehetra tao an-tokatranon'i Abimeleka ho momba tanteraka, noho i Saraha, vadin'i Abrahama. BSB BSB: for on account of Abraham’s wife Sarah, the LORD had completely closed all the wombs in Abimelech’s household.