2 ULB Hoy Andriamanitra avy eo hoe: "Alaivo ny zanakao lahy, ilay lahy tokanao, izay tianao, dia Isaka, ary ento any amin'ny tanin'i Moria. Atolory any toy ny fanatitra dorana eny ambonin'ny iray amin'ireo tendrombohitra any, izay ho lazaiko anao izy. BSB BSB: “Take your son,” God said, “your only son Isaac, whom you love, and go to the land of Moriah. Offer him there as a burnt offering on one of the mountains, which I will show you.” 3 ULB Ary nifoha maraim-be i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ary naka tovolahy roa hiaraka aminy sy Isaka zanany lahy. Notapahiny ny hazo ho amin'ilay fanatitra dorana, avy eo dia nanomboka ny diany ho any amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra taminy. BSB BSB: So Abraham got up early the next morning, saddled his donkey, and took along two of his servants and his son Isaac. He split the wood for a burnt offering and set out for the place God had designated.
4 ULB Tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nitady ary nahita ilay toerana avy lavitra. BSB BSB: On the third day Abraham looked up and saw the place in the distance.
7 ULB Niteny tamin'i Abrahama rainy i Isaka hoe: "Ry raiko," ary hoy izy hoe: "Inty aho ry zanako." Hoy izy hoe: "Jereo, indreo ny afo sy ny hazo fa aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana?" BSB BSB: Then Isaac said to his father Abraham, “My father!” “Here I am, my son,” he replied. “The fire and the wood are here,” said Isaac, “but where is the lamb for the burnt offering?”
9 ULB Rehefa tonga teo amin'ilay toerana izay nolazain'Andriamanitra azy izy ireo dia nanamboatra alitara Abrahama ary nametraka ilay hazo teo amboniny. Avy eo dia namatotra an'Isaka zanany izy ary nametraka azy teo ambony alitara, ambonin'ilay hazo. BSB BSB: When they arrived at the place God had designated, Abraham built the altar there and arranged the wood. He bound his son Isaac and placed him on the altar, atop the wood.
10 ULB Naninjitra ny tanany Abrahama ary naka ilay antsy hamonoana ny zanany. BSB BSB: Then Abraham reached out his hand and took the knife to slaughter his son.
12 ULB Hoy izy hoe: "Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, na manao zavatra handratra azy satria fantatro ankehitriny fa matahotra an'Andriamanitra ianao rehefa hita fa tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahitokana, avy amiko ianao." BSB BSB: “Do not lay a hand on the boy or do anything to him,” said the angel, “for now I know that you fear God, since you have not withheld your only son from me.”
13 ULB Nitodika Abrahama ary indro nisy ondry lahy nisaringotra tamin'ireo kirihitra ireo ny tandrony. Nandeha i Abrahama ary naka ilay ondry lahy ary nanao izany fanatitra dorona izany ho solon'ny zanany lahy. BSB BSB: Then Abraham looked up and saw behind him a ram in a thicket, caught by its horns. So he went and took the ram and offered it as a burnt offering in place of his son.
14 ULB Koa dia nantsoin'i Abrahama hoe: "Yaveh no hamatsy" ilay toerana, ary nolazaina hatramin'izao andro izao hoe: "Eny amin'ny tendrombohitr'i Yaveh no hamatsiana." BSB BSB: And Abraham called that place The LORD Will Provide. So to this day it is said, “On the mountain of the LORD it will be provided.”
15 ULB Niantso an'i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ny anjelin'i Yaveh BSB BSB: And the angel of the LORD called to Abraham from heaven a second time,
16 ULB ary niteny hoe—izao ny fanambaran'i Yaveh—amin'ny tenako no nianianako fa satria nahavita izany zavatra izany ianao, ary tsy niaro ny zanakao lahy, ilay zanakao lahy tokana, BSB BSB: saying, “By Myself I have sworn, declares the LORD, that because you have done this and have not withheld your only son,
17 ULB hitahy anao tokoa Aho ary hampitombo fatratra ireo taranakao toy ireny kintana eny amin'ireo lanitra sy toy ireo fasika eny amoron-dranomasina; ary ireo taranakao ireo dia ho tompon'ny vavahadin'ireo fahavalon'izy ireo. BSB BSB: I will surely bless you, and I will multiply your descendants like the stars in the sky and the sand on the seashore. Your descendants will possess the gates of their enemies.
18 ULB Ireo firenena rehetra eto ambonin'ny tany dia ho voatahy amin'ny alalan'ny taranakao satria nankatoa ny feoko ianao." BSB BSB: And through your offspring all nations of the earth will be blessed, because you have obeyed My voice.”
19 ULB Noho izany dia niverina teo amin'ireo zatovony i Abrahama, dia nanainga izy ireo ary nandeha niaraka nankany Beri-sheba, ary nonina tao Beri-sheba izy. BSB BSB: Abraham went back to his servants, and they got up and set out together for Beersheba. And Abraham settled in Beersheba.
20 ULB Tao aorian'ireo zavatra ireo no nilazana tamin'i Abrahama hoe: "niteraka zaza tamin'i Nahora rahalahinao koa i Milka." BSB BSB: Some time later, Abraham was told, “Milcah has also borne sons to your brother Nahor:
21 ULB Dia i Oza izay lahimatoany, Boza rahalahiny, Kemoela rain'i Arama, BSB BSB: Uz the firstborn, his brother Buz, Kemuel (the father of Aram),
22 ULB Kaseda, Hazo, Pildasy, Jidiafa ary i Betoela. BSB BSB: Chesed, Hazo, Pildash, Jidlaph, and Bethuel.”
23 ULB Ary Betoela niteraka an'i Rebeka. Ireo zaza valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. BSB BSB: And Bethuel became the father of Rebekah. Milcah bore these eight sons to Abraham’s brother Nahor.
24 ULB Ary ny vaditsindranony izay nantsoina hoe Reoma ihany koa dia niteraka an'i Teba, Gahama, Tahasy ary Meaka. BSB BSB: Moreover, Nahor’s concubine, whose name was Reumah, bore Tebah, Gaham, Tahash, and Maacah.