1 ULB Ary efa tena antitra tokoa Abrahama ary notahian'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra. BSB BSB: By now Abraham was old and well along in years, and the LORD had blessed him in every way.
2 ULB Hoy Abrahama tamin'ny mpanompony, izay zokiny indrindra teo amin'ny ankohonany ary nanapaka teo amin'ny izay rehetra nananany hoe: "Apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao BSB BSB: So Abraham instructed the chief servant of his household, who managed all he owned, “Place your hand under my thigh,
3 ULB ary asaiko mianiana amin'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany ianao, mba tsy haka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, eo amin'ireo izay hanorenako ny fonenako. BSB BSB: and I will have you swear by the LORD, the God of heaven and the God of earth, that you will not take a wife for my son from the daughters of the Canaanites among whom I am dwelling,
4 ULB Fa handeha ho any amin'ny fireneko ianao, any amin'ireo havako, ka makà vady ho an'Isaka zanako lahy." BSB BSB: but will go to my country and my kindred to take a wife for my son Isaac.”
5 ULB Hoy ilay mpanompo taminy hoe: "Ahoana raha tsy vonona ny handeha hanaraka ahy ho aty amin'ity tany ity ilay vehivavy? Tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina any amin'ny tany niavianao ve aho?" BSB BSB: The servant asked him, “What if the woman is unwilling to follow me to this land? Shall I then take your son back to the land from which you came?”
6 ULB Dia hoy Abrahama taminy hoe: "Mahazò antoka ny tsy hitondranao ny zanako lahy hiverina any! BSB BSB: Abraham replied, “Make sure that you do not take my son back there.
7 ULB Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay naka ahy avy tao an-tranon'ny raiko sy avy tany amin'ny tanin'ny havako, sady nampanantena ahy tamin'ny fianianana manetriketrika nilaza hoe: 'Omeko ho an'ny taranakao ity tany ity,' Izy no haniraka ny anjeliny hialoha anao, ary hahita vady ho an'ny zanako any ianao. BSB BSB: The LORD, the God of heaven, who brought me from my father’s house and my native land, who spoke to me and promised me on oath, saying, ‘To your offspring I will give this land’—He will send His angel before you so that you can take a wife for my son from there.
8 ULB Saingy raha tsy vonona ny hanaraka anao ilay vehivavy, dia ho afaka amin'ny fianianako ianao. Tsy tokony hitondra ny zanako miverina any fotsiny ianao." BSB BSB: And if the woman is unwilling to follow you, then you are released from this oath of mine. Only do not take my son back there.”
9 ULB Koa nametraka ny tanany tao ambanin'ny fen'i Abrahama tompony ilay mpanompo, ary nianiana mahakasika izany raharaha izany. BSB BSB: So the servant placed his hand under the thigh of his master Abraham and swore an oath to him concerning this matter.
11 ULB Nataony nipetraka teny ivelan'ny tanàna teo akaikin'ny fatsakan-drano ireo rameva. Hariva tamin'izany, fotoana fivoahan'ny vehivavy hatsaka rano. BSB BSB: As evening approached, he made the camels kneel down near the well outside the town at the time when the women went out to draw water.
12 ULB Hoy izy avy eo hoe: "Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, omeo ahy anio ny fanambinana ary asehoy ny tsy fivadiham-panekena amin'i Abrahama tompoko. BSB BSB: “O LORD, God of my master Abraham,” he prayed, “please grant me success today, and show kindness to my master Abraham.
13 ULB Indro, inty aho mitsangana eto akaikin'ny loharano, ary mivoaka mba haka rano ireo zanaka vavin'ny olon'ny tanàna. BSB BSB: Here I am, standing beside the spring, and the daughters of the townspeople are coming out to draw water.
14 ULB Aoka ho tanteraka tahaka izao izany. Rehefa milaza amina vehivavy iray aho hoe: 'Mba ampidino re ny sininao mba hafahako misotro,' ka miteny amiko izy hoe: 'misotroa, ary homeko rano ihany koa ireo ramevanao,' dia aoka ho izy ilay iray izay notendrenao ho an'Isaka mpanomponao. Amin'izany no hahitako fa nampiseho tsy fivadiham-panekena tamin'ny tompoko Ianao." BSB BSB: Now may it happen that the girl to whom I say, ‘Please let down your jar that I may drink,’ and who responds, ‘Drink, and I will water your camels as well’—let her be the one You have appointed for Your servant Isaac. By this I will know that You have shown kindness to my master.”
15 ULB Ary mbola tsy nahavita niteny akory aza izy, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sinin-dranony teo an-tsorony i Rebeka. Rebeka dia naterak'i Betoela, zanaka lahin'i Milka, vadin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. BSB BSB: Before the servant had finished praying, Rebekah came out with her jar on her shoulder. She was the daughter of Bethuel son of Milcah, the wife of Abraham’s brother Nahor.
16 ULB Tsara tarehy tokoa ilay tovovavy sady virijiny. Tsy mbola nisy lehilahy nandry taminy. Nandeha nidina teny amin'ilay loharano izy ka nameno ny sininy, ary niakatra. BSB BSB: Now the girl was very beautiful, a virgin who had not had relations with any man. She went down to the spring, filled her jar, and came up again.
17 ULB Ary nihazakazaka mba hihaona aminy ilay mpanompo ary niteny hoe: "Mba omeo rano kely ho sotroina amin'ny sininao re aho." BSB BSB: So the servant ran to meet her and said, “Please let me have a little water from your jar.”
18 ULB Hoy izy hoe: "Misotroa, tompoko," ary nampidininy faingana ho eo an-tanany ilay siny, ka nomeny rano izy. BSB BSB: “Drink, my lord,” she replied, and she quickly lowered her jar to her hands and gave him a drink.
19 ULB Rehefa avy nanome ho sotroina ho azy izy, dia niteny hoe: "Hisintomako rano ihany koa ireo ramevanao, ambara-pisotron'izy ireo hatramin'ny farany." BSB BSB: After she had given him a drink, she said, “I will also draw water for your camels, until they have had enough to drink.”
20 ULB Koa nahidiny faingana ary noritrainy ny rano tao anaty sininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, ary niverina nihazakazaka nankeo amin'ny fantsakana mba haka rano izy, ary naka rano ho an'ireo ramevany rehetra. BSB BSB: And she quickly emptied her jar into the trough and ran back to the well to draw water, until she had drawn water for all his camels.
21 ULB Nandinika azy mangingina ilay lehilahy mba hahitany raha nanambina ny diany Yaveh na tsia. BSB BSB: Meanwhile, the man watched her silently to see whether or not the LORD had made his journey a success.
22 ULB Rehefa avy nisotro rano ireo rameva, dia namoaka kavin'orona volamena milanja antsasaka sekely, sy firavaka volamena anankiroa fanao amin'ny sandry milanja folo sekely ralehilahy, BSB BSB: And after the camels had finished drinking, he took out a gold ring weighing a beka, and two gold bracelets for her wrists weighing ten shekels.
23 ULB ary nanontany hoe: "Zanaka vavin'iza moa ianao? Mba lazao ahy, misy efitra mba handanianay ny alina ve ao an-tranon'ny rainao?" BSB BSB: “Whose daughter are you?” he asked. “Please tell me, is there room in your father’s house for us to spend the night?”
24 ULB Hoy izy taminy hoe: "Zanaka vavin'i Betoela zanaka lahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora aho." BSB BSB: She replied, “I am the daughter of Bethuel, the son that Milcah bore to Nahor.”
25 ULB Hoy ihany koa izy taminy hoe: "Ary manana mololo sy vilona be dia be ihany koa izahay, ary toerana ho anareo mba handaniana ny alina." BSB BSB: Then she added, “We have plenty of straw and feed, as well as a place for you to spend the night.”
26 ULB Avy eo dia niankohoka ilay lehilahy ary nitsaoka an'i Yaveh. BSB BSB: Then the man bowed down and worshiped the LORD,
27 ULB Hoy izy hoe: "Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Abrahama tompoko, izay tsy nahafoy ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fahamendreham-pitokisany nanoloana ny tompoko. Raha ny amiko, dia nentin'i Yaveh mivantana tao an-tranon'ny havan'ny tompoko aho." BSB BSB: saying, “Blessed be the LORD, the God of my master Abraham, who has not withheld His kindness and faithfulness from my master. As for me, the LORD has led me on the journey to the house of my master’s relatives.”
28 ULB Avy eo nihazakazaka ilay tovovavy ary nitantara tamin'ny ankohonan-dreniny momba izany zavatra rehetra izany. BSB BSB: The girl ran and told her mother’s household about these things.
29 ULB Ary nanana anadahy i Rebeka, Labana no anarany. Nihazakazaka nankany amin'ilay lahilahy izay teny an-dalana tany ivelany teo akaikin'ny fantsakana i Labana. BSB BSB: Now Rebekah had a brother named Laban, and he rushed out to the man at the spring.
30 ULB Rehefa nahita ny kavin'orona sy ireo firavaka teo amin'ny sandrin'ny anabaviny izy, ary rehefa nandre ny tenin'i Rebeka anabaviny hoe: "Izao no nolazain'ilay lehilahy tamiko," dia nankany amin'ilay lehilahy izy, ary indro, nijoro niaraka tamin'ireo rameva teo akaikin'ny fantsakana izy. BSB BSB: As soon as he saw the ring, and the bracelets on his sister’s wrists, and heard Rebekah’s words, “The man said this to me,” he went and found the man standing by the camels near the spring.
31 ULB Dia hoy Labana hoe: "Avia, ianao ry voatahin'i Yaveh. Nahoana ianao no mijoro eny ivelany eny? Efa nanomana ny trano, ary ny toeran'ireo rameva aho." BSB BSB: “Come, you who are blessed by the LORD,” said Laban. “Why are you standing out here? I have prepared the house and a place for the camels.”
32 ULB Koa dia niditra tao an-trano ilay lehilahy ary nampidina ny entana teo amin'ireo rameva izy. Nomena mololo sy vilona ireo rameva, ary nisy rano novatsiana hanasana ny tongony sy ny tongotr'ireo lehilahy izay niaraka taminy. BSB BSB: So the man came to the house, and the camels were unloaded. Straw and feed were brought to the camels, and water to wash his feet and the feet of his companions.
33 ULB Nandroso sakafo teo anoloany ho hanina izy ireo, saingy hoy izy hoe: "Tsy hihinana aho raha tsy efa voalazako izay tokony hambarako." Koa dia hoy Labana hoe: "Lazao ary." BSB BSB: Then a meal was set before the man, but he said, “I will not eat until I have told you what I came to say.” So Laban said, “Please speak.”
34 ULB Hoy izy hoe: "Mpanompon'i Abrahama aho. BSB BSB: “I am Abraham’s servant,” he replied.
35 ULB Nitahy azy tokoa Yaveh ary nanjary lasa olona manam-be izy. Nanome azy ondry aman'osy sy omby, volafotsy sy volamena, mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva sy boriky Izy. BSB BSB: “The LORD has greatly blessed my master, and he has become rich. He has given him sheep and cattle, silver and gold, menservants and maidservants, camels and donkeys.
36 ULB Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zaza lahy ho an'ny tompoko tamin'ny fahanterany, ary nomeny azy avokoa ny zavatra nananany. BSB BSB: My master’s wife Sarah has borne him a son in her old age, and my master has given him everything he owns.
37 ULB Nasain'ny tompoko nianiana aho, tamin'ny nilazany hoe: 'Ianao tsy mahazo maka vady ho an'ny zanako lahy avy amin'ireo zanaka vavin'ny Kananita, izay nataoko fonenana ny taniny. BSB BSB: My master made me swear an oath and said, ‘You shall not take a wife for my son from the daughters of the Canaanites in whose land I dwell,
38 ULB Fa kosa, tsy maintsy mandeha mankany amin'ny fianakavian-draiko ianao, ary any amin'ireo havako, ka haka vady ho an'ny zanako.' BSB BSB: but you shall go to my father’s house and to my kindred to take a wife for my son.’
39 ULB Hoy aho tamin'ny tompoko hoe: 'Mety tsy hanaraka ahy ilay vehivavy.' BSB BSB: Then I asked my master, ‘What if the woman will not come back with me?’
40 ULB Fa hoy kosa izy tamiko hoe: 'Yaveh, izay andehanako eo anoloana, dia haniraka anjely hiaraka aminao ary hanambina ny lalanao izy, mba hahazoanao vady ho an'ny zanako lahy eo amin'ireo havako sy avy amin'ny firazanan'ny raiko. BSB BSB: And he told me, ‘The LORD, before whom I have walked, will send His angel with you and make your journey a success, so that you may take a wife for my son from my kindred and from my father’s house.
41 ULB Saingy ho afaka amin'ny fianianako ianao raha mankany amin'ireo havako ka tsy hanome azy ho anao izy ireo. Dia ho afaka amin'ny fianianako ianao.' BSB BSB: And when you go to my kindred, if they refuse to give her to you, then you will be released from my oath.’
42 ULB Koa dia tonga teo amin'ny loharano aho androany, ary niteny hoe: "Yaveh o, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, aoka re, raha tena manao izay hanambinana ny diako tokoa Ianao— BSB BSB: So when I came to the spring today, I prayed: O LORD, God of my master Abraham, if only You would make my journey a success!
43 ULB indro aho, mijoro eto akaikin'ny loharano—aoka izay tovovavy mivoaka hantsaka rano, izay vehivavy hilazako hoe: "Mba omeo rano kely amin'ny sininao re aho mba ho sotroina," BSB BSB: Here I am, standing beside this spring. Now if a maiden comes out to draw water and I say to her, ‘Please let me drink a little water from your jar,’
44 ULB izay vehivavy milaza amiko hoe: "Misotroa, ary haka rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho,"—aoka ho izy ilay vehivavy izay nosafidianao, ry Yaveh, ho an'ny zanaka lahin'ny tompoko.' BSB BSB: and she replies, ‘Drink, and I will draw water for your camels as well,’ may she be the woman the LORD has appointed for my master’s son.
45 ULB Raha mbola tsy nahavita niteny tao am-poko akory aho, dia indro, nivoaka niaraka tamin'ny sininy teo an-tsorony i Rebeka ary nandeha nidina ho eo amin'ny loharano izy ka naka rano. Ka hoy aho taminy hoe: 'Mba omeo rano re aho.' BSB BSB: And before I had finished praying in my heart, there was Rebekah coming out with her jar on her shoulder, and she went down to the spring and drew water. So I said to her, ‘Please give me a drink.’
46 ULB Nampidina faingana ny sininy avy teo an-tsorony izy ary nilaza hoe: 'Misotroa, ary hanome rano ho an'ny ramevanao ihany koa aho.' Koa dia nisotro aho, ary nomeny rano ihany koa ireo rameva. BSB BSB: She quickly lowered her jar from her shoulder and said, ‘Drink, and I will water your camels as well.’ So I drank, and she also watered the camels.
47 ULB Nanontany taminy aho ary niteny hoe: 'Zanak'iza moa ianao?' Hoy izy hoe: 'Zanaka vavin'i Betoela, zanak'i Nahora, izay naterak'i Milka taminy.' Dia napetrako teo amin'ny orony ny kavina ary teo amin'ny sandriny ireo ravaka. BSB BSB: Then I asked her, ‘Whose daughter are you?’ She replied, ‘The daughter of Bethuel son of Nahor, whom Milcah bore to him.’ So I put the ring on her nose and the bracelets on her wrists.
48 ULB Avy eo aho niankohoka ka nihoby an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny tompoko, izay nitondra ahy tamin'ny lalana marina mba hahita ny zanaka vavin'ny havan'ny tompoko ho an'ny zanany lahy. BSB BSB: Then I bowed down and worshiped the LORD; and I blessed the LORD, the God of my master Abraham, who led me on the right road to take the granddaughter of my master’s brother for his son.
49 ULB Koa ankehitriny, raha vonona ny hitondra ny tompoko amin'ny fitokiam-pianakaviana sy fahamendreham-pitokiana ianareo, dia ambarao amiko. Kanefa raha tsy izany, dia lazao ahy, mba hitodiako miankavia na miankavanana." BSB BSB: Now if you will show kindness and faithfulness to my master, tell me; but if not, let me know, so that I may go elsewhere.”
50 ULB Avy eo Labana sy Betoela namaly ka nanao hoe: "Avy amin'i Yaveh izany zavatra izany; tsy afaka ny hilaza aminao na ratsy na tsara izahay. BSB BSB: Laban and Bethuel answered, “This is from the LORD; we have no choice in the matter.
51 ULB Indro, eo anoloanao i Rebeka. Ento izy ary mandehana, mba ho vadin'ny zanaky ny tomponao, araka ny nolazain'i Yaveh." BSB BSB: Rebekah is here before you. Take her and go, and let her become the wife of your master’s son, just as the LORD has decreed.”
52 ULB Rehefa nandre ny tenin'izy ireo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo amin'i Yaveh izy. BSB BSB: When Abraham’s servant heard their words, he bowed down to the ground before the LORD.
53 ULB Nitondra karazan-javatra volafotsy sy karazan-javatra volamena ilay mpanompo, ary fitafiana, ka nomeny ho an'i Rebeka ireo. Nanolotra fanomezana sarobidy ho an'ny anadahiny sy ny reniny ihany koa izy. BSB BSB: Then he brought out jewels of silver and gold, and articles of clothing, and he gave them to Rebekah. He also gave precious gifts to her brother and her mother.
54 ULB Avy eo dia nihinana sy nisotro izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy. Nitoetra tao nandritry ny alina izy ireo, ary rehefa nifoha maraina, dia hoy izy hoe: "Alefaso any amin'ny tompoko aho." BSB BSB: Then he and the men with him ate and drank and spent the night there. When they got up the next morning, he said, “Send me on my way to my master.”
55 ULB Hoy ny anadahiny sy ny reniny hoe: "Avelao mba hitoetra miaraka aminay mandritry ny andro vitsivitsy ny tovovavy, mba folo andro farafahakeliny. Aorian'izany dia afaka mandeha izy." BSB BSB: But her brother and mother said, “Let the girl remain with us ten days or so. After that, she may go.”
56 ULB Fa hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza hazonina aho, satria nanambina ny lalako Yaveh. Alefaso amin'ny lalako aho mba hafahako mandeha any amin'ny tompoko." BSB BSB: But he replied, “Do not delay me, since the LORD has made my journey a success. Send me on my way so that I may go to my master.”
57 ULB Hoy izy ireo hoe: "Hiantso ny tovovavy izahay ary hanontany azy." BSB BSB: So they said, “We will call the girl and ask her opinion.”
58 ULB Koa dia niantso an'i Rebeka izy ireo ary nanontany taminy hoe: "Handeha hiaraka amin'io lehilahy io ve ianao?" Dia namaly izy hoe: "Handeha aho." BSB BSB: They called Rebekah and asked her, “Will you go with this man?” “I will go,” she replied.
59 ULB Koa dia nalefan'izy ireo tamin'ny diany niaraka tamin'ny mpanompon'i Abrahama sy ireo olony i Rebeka anabaviny, niaraka tamin'ny mpanompo vaviny. BSB BSB: So they sent their sister Rebekah on her way, along with her nurse and Abraham’s servant and his men.
60 ULB Nitso-drano an'i Rebeka izy ireo, ary nilaza taminy hoe: "Ranabavy, ho renin'ny aman'arivony sy aman'aliny anie ianao, ary ho tompon'ny vavahadin'ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao." BSB BSB: And they blessed Rebekah and said to her, “Our sister, may you become the mother of thousands upon thousands. May your offspring possess the gates of their enemies.”
61 ULB Avy eo nitsangana Rebeka, ka nitaingina ny rameva izy sy ireo mpanompo vaviny, ary nanaraka ilay lehilahy. Koa nentin'ilay mpanompo i Rebeka, ary roso tamin'ny lalany izy. BSB BSB: Then Rebekah and her servant girls got ready, mounted the camels, and followed the man. So the servant took Rebekah and left.
62 ULB Ary nipetraka tany Negeva Isaka, ary vao niverina avy tany Bera-lahai-roy. BSB BSB: Now Isaac had just returned from Beer-lahai-roi, for he was living in the Negev.
63 ULB Nandeha nivoaka hariva mba hivavaka tany an-tsaha Isaka. Rehefa niandrandra izy dia nahita, indreny, nisy rameva tamy! BSB BSB: Early in the evening, Isaac went out to the field to meditate, and looking up, he saw the camels approaching.
64 ULB Nitazana Rebeka, ary rehefa nahita an'i Isaka izy, dia nitsambikina nidina avy teo amin'ny rameva. BSB BSB: And when Rebekah looked up and saw Isaac, she got down from her camel
65 ULB Hoy izy tamin'ilay mpanompo hoe: "Iza iny lehilahy tonga hitsena antsika avy eny an-tsaha iny?" Namaly ilay mpanompo hoe: "Iny no tompoko." Koa nalain'i Rebeka ny voaliny, ary nosaronany ny tenany. BSB BSB: and asked the servant, “Who is that man in the field coming to meet us?” “It is my master,” the servant answered. So she took her veil and covered herself.
66 ULB Namerina nitantara tamin'Isaka ny zavatra rehetra nataony ilay mpanompo. BSB BSB: Then the servant told Isaac all that he had done.
67 ULB Ary nitondra azy tao an-dain'i Saraha reniny i Isaka ka naka an'i Rebeka, dia lasa vadiny izy, ary tiany. Koa nionona Isaka taorian'ny fahafatesan-dreniny. BSB BSB: And Isaac brought her into the tent of his mother Sarah and took Rebekah as his wife. And Isaac loved her and was comforted after his mother’s death.