1 ULB Naka vady hafa i Abrahama; Ketora no anarany. BSB BSB: Now Abraham had taken another wife, named Keturah,
2 ULB Niteraka an'i Zamrana, Joksana, Medana, Midiana, BSB BSB: and she bore him Zimran, Jokshan, Medan, Midian, Ishbak, and Shuah.
3 ULB Jisbaka ary Soaha izy. Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ireo taranak'i Dedana dia olona Asorima, olona Letosima, ary Leomima. BSB BSB: Jokshan was the father of Sheba and Dedan. And the sons of Dedan were the Asshurites, the Letushites, and the Leummites.
4 ULB Efaha no zanaka lahin'i Midiana, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak'i Ketora. BSB BSB: The sons of Midian were Ephah, Epher, Hanoch, Abida, and Eldaah. All these were descendants of Keturah.
5 ULB Nomen'i Abrahama an'Isaka izay nananany rehetra. BSB BSB: Abraham left everything he owned to Isaac.
6 ULB Fa kosa, fony mbola velona izy, dia nanome fanomezana an'ireo zanaky ny vaditsindranony ary nandefa azy ireo tany amin'ny tany antsinanana, lavitra an'Isaka, zanany. BSB BSB: But while he was still alive, Abraham gave gifts to the sons of his concubines and sent them away from his son Isaac to the land of the east.
7 ULB Ary ny andro niainan'i Abrahama dia 175 taona. BSB BSB: Abraham lived a total of 175 years.
8 ULB Niala aina Abrahama ka maty tratra antitra, lehilahy zokiolona voky andro, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy. BSB BSB: And at a ripe old age he breathed his last and died, old and contented, and was gathered to his people.
9 ULB Isaka sy Ismaela, zanany lahy, no nandevina azy tao amin'ilay lava-baton'i Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona zanak'i Zohara Hetita, izay eo akaikin'ny Mamre. BSB BSB: His sons Isaac and Ishmael buried him in the cave of Machpelah near Mamre, in the field of Ephron son of Zohar the Hittite.
10 ULB Novidian'i Abrahama tamin'ireo zanaka lahin'i Heta izany saha izany. Nalevina tany niaraka tamin'i Saraha vadiny i Abrahama. BSB BSB: This was the field that Abraham had bought from the Hittites. Abraham was buried there with his wife Sarah.
11 ULB Tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, dia nitahy an'i Isaka zanany lahy Andriamanitra, ary Isaka nonina nanakaiky an'i Bera-lahai-roy. BSB BSB: After Abraham’s death, God blessed his son Isaac, who lived near Beer-lahai-roi.
12 ULB Ary ireto ny taranak'Ismaela, zanak'i Abrahama, izay naterak'i Agara Egyptiana, mpanompon'i Saraha, tamin'i Abrahama. BSB BSB: This is the account of Abraham’s son Ishmael, whom Hagar the Egyptian, Sarah’s maidservant, bore to Abraham.
13 ULB Ireto no anaran'ny zanak'Ismaela, araka ny filaharan'ny fahaterahany: Nabaiota—ilay lahimatoan'Ismaela, Kedara, Adbela, BSB BSB: These are the names of the sons of Ishmael in the order of their birth: Nebaioth the firstborn of Ishmael, then Kedar, Adbeel, Mibsam,
14 ULB Mibsama, Masmà, Domà, Masa, BSB BSB: Mishma, Dumah, Massa,
15 ULB Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedma. BSB BSB: Hadad, Tema, Jetur, Naphish, and Kedemah.
16 ULB Ireo avy no zanaka lahin'Ismaela, ary ireo ny anaran'izy ireo, araka ny tanànany, sy ny toby misy azy ireo; andrian-dahy roa ambin'ny folo araka ny fokon'izy ireo. BSB BSB: These were the sons of Ishmael, and these were their names by their villages and encampments—twelve princes of their tribes.
17 ULB Ny andro niainan'i Ismaela dia 137 taona: niala aina izy ary maty, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy. BSB BSB: Ishmael lived a total of 137 years. Then he breathed his last and died, and was gathered to his people.
18 ULB Nonina tany Havila ka hatrany Sora izy ireo, izay nanakaiky an'i Egypta, ilay iray izay mankany Asyria. Niaina tamin'ny fifankahalana izy ireo. BSB BSB: Ishmael’s descendants settled from Havilah to Shur, which is near the border of Egypt as you go toward Asshur. And they lived in hostility toward all their brothers.
19 ULB Ireto avy ireo tranga nahakasika an'Isaka, zanaka lahin'i Abrahama: tonga rain'Isaka i Abrahama. BSB BSB: This is the account of Abraham’s son Isaac. Abraham became the father of Isaac,
20 ULB Efapolo taona Isaka raha naka vady an'i Rebeka izy, ilay zanaka vavin'i Betoela ilay Syrian'i Padan-Arama, ilay anabavin'i Labana Syriana. BSB BSB: and Isaac was forty years old when he married Rebekah, the daughter of Bethuel the Aramean from Paddan-aram and the sister of Laban the Aramean.
21 ULB Nivavaka tamin'i Yaveh ho an'ny vadiny i Isaka satria momba izy, ary namaly ny vavaka nataony Yaveh, ka nitoe-jaza Rebeka. BSB BSB: Later, Isaac prayed to the LORD on behalf of his wife, because she was barren. And the LORD heard his prayer, and his wife Rebekah conceived.
22 ULB Niady ireo zaza tao an-kibony, ary nilaza izy hoe: "Nahoana izany no miseho amiko?" Koa nandeha nanontany an'i Yaveh momba izany izy. BSB BSB: But the children inside her struggled with each other, and she said, “Why is this happening to me?” So Rebekah went to inquire of the LORD,
23 ULB Nilaza taminy Yaveh hoe: "Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa no ho sarahana avy ao anatinao. Ny vahoaka iray dia mafimafy kokoa noho ilay hafa, ary ny zokiny dia hanompo ny zandriny." BSB BSB: and He declared to her: “Two nations are in your womb, and two peoples from within you will be separated; one people will be stronger than the other, and the older will serve the younger.”
24 ULB Rehefa tonga ny fotoana hahaterahany, dia indro, nisy kambana tao an-kibony. BSB BSB: When her time came to give birth, there were indeed twins in her womb.
25 ULB Nivoaka ny zaza voalohany ary dia mena tanteraka toy ny lamba voloina. Esao no niantsoan'izy ireo azy. BSB BSB: The first one came out red, covered with hair like a fur coat; so they named him Esau.
26 ULB Tao aorian'izany, dia nivoaka ny rahalahiny. Nihazona ny voditongotr'i Esao ny tanany. Jakoba no niantsoana azy. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy ireo ny vadiny. BSB BSB: After this, his brother came out grasping Esau’s heel; so he was named Jacob. And Isaac was sixty years old when the twins were born.
27 ULB Nitombo ireo zaza, ary lasa mpihaza mahay Esao, lehilahy iray tantsaha; kanefa Jakoba dia lehilahy tsy be teny, izay nandany ny fotoany tao an-day. BSB BSB: When the boys grew up, Esau became a skillful hunter, a man of the field, while Jacob was a quiet man who stayed at home.
28 ULB Ary dia Esao no tian'Isaka satria nihinana ireo biby izay voahazany izy, fa i Jakoba kosa no tian'i Rebeka. BSB BSB: Because Isaac had a taste for wild game, he loved Esau; but Rebekah loved Jacob.
29 ULB Ary nahandro hanina i Jakoba. Dia tonga avy tany an-tsaha Esao, ary nalemin'ny hanohanana izy. BSB BSB: One day, while Jacob was cooking some stew, Esau came in from the field and was famished.
30 ULB Hoy Esao tamin'i Jakoba hoe: "Mamelà ahy hihinana amin'ity hanina mena ity. Miangavy re, fa valaka loatra aho!" Izany no antony hilazàna ny anarany hoe Edoma. BSB BSB: He said to Jacob, “Let me eat some of that red stew, for I am famished.” (That is why he was also called Edom.)
31 ULB Nilaza i Jakoba hoe: "Amidio amiko aloha ny fizokianao." BSB BSB: “First sell me your birthright,” Jacob replied.
32 ULB Ary hoy Esao hoe: "Jereo, efa ho faty aho. Inona ny soa azoko avy amin'ny fizokiana?" BSB BSB: “Look,” said Esau, “I am about to die, so what good is a birthright to me?”
33 ULB Ary nilaza Jakoba hoe: "mianianà aloha amiko," ka nianiana taminy i Esao ary tamin'izany dia nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba izy. BSB BSB: “Swear to me first,” Jacob said. So Esau swore to Jacob and sold him the birthright.
34 ULB Nomen'i Jakoba mofo sy hanina vita amin'ny voanemba i Esao. Nihinana sy nisotro izy, ary avy eo dia nitsangana ka nandeha. Tamin'izany fomba izany no nanaovan'i Esao tsinontsinona ny fizokiany. BSB BSB: Then Jacob gave some bread and lentil stew to Esau, who ate and drank and then got up and went away. Thus Esau despised his birthright.