1 ULB Ary nisy mosary nitranga teo amin'ilay tany, ankoatran'ilay niseho voalohany tamin'ny andron'i Abrahama. Nankany amin'i Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina tany Gerara i Isaka. BSB BSB: Now there was another famine in the land, subsequent to the one that had occurred in Abraham’s time. And Isaac went to Abimelech king of the Philistines at Gerar.
2 ULB Ary niseho taminy Yaveh ary niteny hoe: "Aza midina any Egypta ianao; mitoera amin'ny tany izay lazaiko anao. BSB BSB: The LORD appeared to Isaac and said, “Do not go down to Egypt. Settle in the land where I tell you.
3 ULB Mijanòna amin'io tany io, homba sy hitahy anao Aho; fa ho anao sy ho an'ireo taranakao, no hanomezako ireo tany rehetra ireo, ary ho tanterahiko ny fianianana izay nianianako tamin'i Abrahama rainao. BSB BSB: Stay in this land as a foreigner, and I will be with you and bless you. For I will give all these lands to you and your offspring, and I will confirm the oath that I swore to your father Abraham.
4 ULB Ho hampitomboiko toy ireo kintan'ny lanitra ireo taranakao, ary homeko ireo taranakao ireo tany rehetra ireo. Avy amin'ireo taranakao no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany. BSB BSB: I will make your descendants as numerous as the stars in the sky, and I will give them all these lands, and through your offspring all nations of the earth will be blessed,
5 ULB Ho ataoko izany satria Abrahama dia nankatò ny feoko sy nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko." BSB BSB: because Abraham listened to My voice and kept My charge, My commandments, My statutes, and My laws.”
6 ULB Koa dia nanorim-ponenana tany Gerara i Isaka. BSB BSB: So Isaac settled in Gerar.
7 ULB Rehefa nanontany azy momban'ny vadiny ireo lehilahy teo an-toerana, dia hoy izy hoe: "Anabaviko izy." Natahotra izy hilaza hoe: "Vadiko izy," satria niheritreritra izy hoe: "Hamono ahy ireo lehilahy eto an-toerana mba hahazoana an'i Rebeka, satria tena tsara tarehy izy." BSB BSB: But when the men of that place asked about his wife, he said, “She is my sister.” For he was afraid to say, “She is my wife,” since he thought to himself, “The men of this place will kill me on account of Rebekah, because she is so beautiful.”
8 ULB Rehefa nitoetra ela tao Isaka, dia nisy fotoana Abimeleka mpanjakan'i Filistina nitazana teo ambaravarankely. Indro, hitany i Isaka nanafosafo an'i Rebeka, vadiny. BSB BSB: When Isaac had been there a long time, Abimelech king of the Philistines looked down from the window and was surprised to see Isaac caressing his wife Rebekah.
9 ULB Nampiantso an'Isaka i Abimeleka ary niteny hoe: "Ita tokoa izao fa vadinao izy. Nahoana ianao no niteny hoe: 'Anabaviko izy'?" Hoy Isaka taminy hoe: "Satria nihevitra aho fa ho vonoin'ny olona aho mba hahazoana azy." BSB BSB: Abimelech sent for Isaac and said, “So she is really your wife! How could you say, ‘She is my sister’?” Isaac replied, “Because I thought I might die on account of her.”
10 ULB Hoy Abimaleka hoe: "Fa inona izao nataonao anay izao? Mety efa nisy olona iray tamin'ireo vahoaka niaraka natory mora foana tamin'ny vadinao, ary dia nitondra fanamelohana eto aminay ianao." BSB BSB: “What is this you have done to us?” asked Abimelech. “One of the people could easily have slept with your wife, and you would have brought guilt upon us.”
11 ULB Koa nampitandrina ny olona rehetra Abimeleka ary niteny hoe: "Na iza na iza mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia azo antoka fa tena ho vonoina tokoa." BSB BSB: So Abimelech warned all the people, saying, “Whoever harms this man or his wife will surely be put to death.”
12 ULB Namboly masom-boly tamin'izany tany izany Isaka ary nahavokatra avo zato heny tamin'io taona io ihany, satria nitahy azy Yaveh. BSB BSB: Now Isaac sowed seed in the land, and that very year he reaped a hundredfold. And the LORD blessed him,
13 ULB Lasa nanan-karena ralehilahy, ary nitombo hatrany izany mandra-pahatonga azy ho mpanakarem-be. BSB BSB: and he became richer and richer, until he was exceedingly wealthy.
14 ULB Nanana ondry sy omby, ary ankohonana marobe izy. Nialona azy ireo Filistina. BSB BSB: He owned so many flocks and herds and servants that the Philistines envied him.
15 ULB Ary ireo fantsakana rehetra izay nohadian'ireo mpanompon'ny rainy tamin'ny andron'i Abrahama rainy, dia natsahatr'ireo Filistina izany tamin'ny fanotofana tany izany. BSB BSB: So the Philistines took dirt and stopped up all the wells that his father’s servants had dug in the days of his father Abraham.
16 ULB Hoy Abimeleka tamin'Isaka hoe: "Mialà lavitra anay, satria mahery lavitra noho izahay ianao." BSB BSB: Then Abimelech said to Isaac, “Depart from us, for you are much too powerful for us.”
17 ULB Koa dia niala teo Isaka ary nanorim-ponenana tany an-dohasahan'i Gerara, ary nonina tany. BSB BSB: So Isaac left that place and encamped in the Valley of Gerar and settled there.
18 ULB Naverin'Isaka nohadiana indray ireo lava-drano, izay efa voahady tamin'ny andron'i Abrahama rainy. Izay efa novonoin'ireo Filistina taorian'ny nahafatesan'i Abrahama. Ireo lava-drano ireo dia nataon'Isaka tahaka izay efa niantsoan'ny rainy azy ihany. BSB BSB: Isaac reopened the wells that had been dug in the days of his father Abraham, which the Philistines had stopped up after Abraham died. And he gave these wells the same names his father had given them.
19 ULB Rehefa nandavaka teny an-dohasaha ny mpanompon'Isaka, dia nahita loharano velona teny izy ireo. BSB BSB: Then Isaac’s servants dug in the valley and found a well of fresh water there.
20 ULB Nifanditra tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ireo mpiandry omby tao Gerara, ary niteny hoe: "Anay io rano io." Koa dia nantsoin'Isaka hoe "Eseka" ilay lava-drano, satria nifanditra taminy izy ireo. BSB BSB: But the herdsmen of Gerar quarreled with Isaac’s herdsmen and said, “The water is ours!” So he named the well Esek, because they contended with him.
21 ULB Ary dia nihady lava-drano hafa indray izy ireo, ary mbola nifandiran'izy ireo koa izany, ka dia nantsoiny hoe "Sitna" izany. BSB BSB: Then they dug another well and quarreled over that one also; so he named it Sitnah.
22 ULB Niala teo izy ary mbola nihady lava-drano hafa, kanefa tsy mba nifandiran'izy ireo izany. Ary dia natsoiny hoe "Rehobota" izany, ary hoy izy hoe: "Ankehitriny efa nanamboatra fonenana ho antsika Yaveh, ary ho hambinina eo amin'ilay tany isika." BSB BSB: He moved on from there and dug another well, and they did not quarrel over it. He named it Rehoboth and said, “At last the LORD has made room for us, and we will be fruitful in the land.”
23 ULB Dia niakatra avy tany Isaka ka nankany Beri-sheba. BSB BSB: From there Isaac went up to Beersheba,
24 ULB Niseho taminy i Yaveh tamin'io alina io ihany ary niteny hoe: "Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao. Aza matahotra, fa homba sy hitahy anao Aho ary hampitombo ireo taranakao, noho ny amin'i Abrahama mpanompoko." BSB BSB: and that night the LORD appeared to him and said, “I am the God of your father Abraham. Do not be afraid, for I am with you. I will bless you and multiply your descendants for the sake of My servant Abraham.”
25 ULB Nanorina alitara teo Isaka ary niantso ny anaran'i Yaveh. Teo no nanorenany ny lainy, ary nandavaka fantsakana ireo mpanompony. BSB BSB: So Isaac built an altar there and called on the name of the LORD, and he pitched his tent there. His servants also dug a well there.
26 ULB Avy eo Abimeleka niala tao Gerara ho any aminy, niaraka tamin'i Ahozata, namany, ary Pikola lehiben'ny tafikany. BSB BSB: Later, Abimelech came to Isaac from Gerar, with Ahuzzath his adviser and Phicol the commander of his army.
27 ULB Hoy Isaka tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no makaty amiko, nefa nankahalana ahy sy nandroaka ahy taminareo ianareo. BSB BSB: “Why have you come to me?” Isaac asked them. “You hated me and sent me away.”
28 ULB Avy eo hoy izy ireo hoe: "Hitanay tsara izao fa efa nomba anao Yaveh. Ka dia nanapa-kevitra izahay fa tokony hisy fianianana eo amintsika, eny, eo aminay sy ianao. Aoka izahay hanao fifanekena aminao, BSB BSB: “We can plainly see that the LORD has been with you,” they replied. “We recommend that there should now be an oath between us and you. Let us make a covenant with you
29 ULB fa tsy hanao ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanaovanay ratsy taminao, sy tahaka ny fomba tsara nitondranay anao ary nandefasanay am-pitoniana anao. Voatahin'i Yaveh tokoa ianao." BSB BSB: that you will not harm us, just as we have not harmed you but have done only good to you, sending you on your way in peace. And now you are blessed by the LORD.”
30 ULB Ary dia nanao sakafo be ho azy ireo i Isaka, ka nihinana sy nisotro izy ireo. BSB BSB: So Isaac prepared a feast for them, and they ate and drank.
31 ULB Nifoha maraim-be izy ireo ary nifampianiana. Avy eo dia nalefan'Isaka nandeha izy ireo, ary nandao azy am-pitoniana izy ireo. BSB BSB: And they got up early the next morning and swore an oath to each other. Then Isaac sent them on their way, and they left him in peace.
32 ULB Tamin'io andro io ihany dia nanatona ireo mpanompon'Isaka ary nilaza taminy momban'ny lava-drano izay nohadian'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Efa nahita rano izahay." BSB BSB: On that same day, Isaac’s servants came and told him about the well they had dug. “We have found water!” they told him.
33 ULB Nantsoiny hoe Sheba ilay lava-drano, ary ny anaran'izany tanàna izany dia Beri-sheba mandrak'ankehitriny. BSB BSB: So he called it Shibah, and to this day the name of the city is Beersheba.
34 ULB Rehefa efapolo taona Esao, dia naka vady an'i Jodita zanaka vavin'i Bery Hetita, sy Basemata zanaka vavin'i Elona Hetita. BSB BSB: When Esau was forty years old, he took as his wives Judith daughter of Beeri the Hittite and Basemath daughter of Elon the Hittite.
35 ULB Nampitondra fahoriana an'i Isaka sy Rebeka izy ireo. BSB BSB: And they brought grief to Isaac and Rebekah.