1 ULB Rehefa antitra Isaka ka mpahina ireo masony koa dia tsy nahita izy, ary nampiantso an'i Esao, zanany lahimatoa izy, ka niteny taminy hoe: "Ry zanako." Ary hoy izy taminy hoe: "Inty aho." BSB BSB: When Isaac was old and his eyes were so weak that he could no longer see, he called his older son Esau and said to him, “My son.” “Here I am,” Esau replied.
2 ULB Ary hoy izy hoe: "Henoy tsara, efa antitra aho. Tsy fantatro ny andro hahafatesako. BSB BSB: “Look,” said Isaac, “I am now old, and I do not know the day of my death.
3 ULB Noho izany raiso ireto fitaovam-piadianao, ny fitifitrao ary ny tsipïkao, ka mandehana any an-tsaha ary mihazà bibi-dia ho ahy. BSB BSB: Take your weapons—your quiver and bow—and go out into the field to hunt some game for me.
4 ULB Handrahoy sakafo matsiro, amin'ilay tena tiko aho, ary ento aty amiko izany hafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao mialohan'ny hahafatesako." BSB BSB: Then prepare a tasty dish that I love and bring it to me to eat, so that I may bless you before I die.”
5 ULB Ary ren'i Rebeka izany rehefa niresaka tamin'i Esao zanany lahy i Isaka. Nankany an-tsaha i Esao mba hihaza bibi-dia ary hitondra izany hody. BSB BSB: Now Rebekah was listening to what Isaac told his son Esau. So when Esau went into the field to hunt game and bring it back,
6 ULB Niresaka tamin'i Jakoba zanany i Rebeka ary niteny hoe: "Henoy tsara, reko ny rainao niresaka tamin'i Esao rahalahinao. Hoy izy hoe: BSB BSB: Rebekah said to her son Jacob, “Behold, I overheard your father saying to your brother Esau,
7 ULB 'Hitondray haza aho ary hanamboary sakafo matsiro, mba hahafahako mihinana izany sy hanomezako tso-drano anao eo anatrehan'i Yaveh mialohan'ny hahafatesako.' BSB BSB: ‘Bring me some game and prepare me a tasty dish to eat, so that I may bless you in the presence of the LORD before I die.’
8 ULB Ary noho izany, ry anaka, dia ankatoavy ny teniko araka izay handidiako anao. BSB BSB: Now, my son, listen to my voice and do exactly as I tell you.
9 ULB Mandehana mankany amin'ny ondry aman'osy, ka angalao zanak'osy roa tsara aho; dia hanao sakafo matsiro amin'ireo ho an'ny rainao aho, tahaka ny tiany. BSB BSB: Go out to the flock and bring me two choice young goats, so that I can make them into a tasty dish for your father—the kind he loves.
10 ULB Ary ho entinao mankany amin'ny rainao izany, mba hahafahany mihinana izany, ka hanomezany tso-drano anao mialohan'ny hahafatesany." BSB BSB: Then take it to your father to eat, so that he may bless you before he dies.”
11 ULB Niteny tamin'i Rebeka reniny i Jakoba hoe: "Jereo, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho kosa dia lehilahy malama hoditra. Mety hikasika ahy ny raiko, ka ho fantany fa mamitaka azy aho. BSB BSB: Jacob answered his mother Rebekah, “Look, my brother Esau is a hairy man, but I am smooth-skinned.
12 ULB Hitondra ozona amin'ny tenako aho fa tsy tso-drano." BSB BSB: What if my father touches me? Then I would be revealed to him as a deceiver, and I would bring upon myself a curse rather than a blessing.”
13 ULB Hoy ny reniny taminy hoe: "Anaka, aleo ny rainao hanozona ahy. Araho fotsiny ny teniko, dia mandehana, ento aty amiko ireo." BSB BSB: His mother replied, “Your curse be on me, my son. Just obey my voice and go get them for me.”
14 ULB Koa nandeha naka ireo zanak'osy i Jakoba ary nitondra ireo tany amin'ny reniny, ka nanao sakafo matsiro ny reniny, araka ny hitiavan'ny rainy azy. BSB BSB: So Jacob went and got two goats and brought them to his mother, who made the tasty food his father loved.
15 ULB Nalain'i Rebeka ny fitafiana tsara indrindran'i Esao, zanany lahimatoa, izay niaraka taminy tao an-trano, ary nampitafiany an'i Jakoba, ilay zanany faralahy. BSB BSB: And Rebekah took the finest clothes in the house that belonged to her older son Esau, and she put them on her younger son Jacob.
16 ULB Napetrany teny amin'ny tanany sy ny faritra malama eny amin'ny vozony ny hoditrin'ireo zanak'osy. BSB BSB: She also put the skins of the young goats on his hands and on the smooth part of his neck.
17 ULB Napetrany teny an-tanan'i Jakoba zanany ilay sakafo matsiro sy ny mofo izay efa nokarakarainy. BSB BSB: Then she handed her son Jacob the tasty food and bread she had made.
18 ULB Nankany amin'ny rainy i Jakoba ka nanao hoe: "Raiko o!" Hoy izy hoe: "Inty aho; iza moa ianao, anaka?" BSB BSB: So Jacob went to his father and said, “My father.” “Here I am!” he answered. “Which one are you, my son?”
19 ULB Hoy Jakoba tamin'ny rainy hoe: "Esao ilay lahimatoanao; efa vitako izay nasainao nataoko. Mipetraha ary mihinàna ny hazako, mba hitsofanao rano ahy." BSB BSB: Jacob said to his father, “I am Esau, your firstborn. I have done as you told me. Please sit up and eat some of my game, so that you may bless me.”
20 ULB Hoy Isaka tamin'ny zanany lahy hoe: "Ahoana no nataonao nahitana izany tao anaty fotoana fohy anaka?" Hoy izy hoe: "Satria Yaveh Andriamanitrao no nitondra izany tamiko." BSB BSB: But Isaac asked his son, “How did you ever find it so quickly, my son?” “Because the LORD your God brought it to me,” he replied.
21 ULB Dia hoy Isaka tamin'i Jakoba hoe: "Manatòna eto akaikiko, mba hahafahako mikasika anao, ry zanako, ka hahafantarana raha tena Esao zanako marina ianao na tsia." BSB BSB: Then Isaac said to Jacob, “Please come closer so I can touch you, my son. Are you really my son Esau, or not?”
22 ULB Nanatona an'Isaka rainy i Jakoba; ary nikasika azy Isaka ka nanao hoe: "Ilay feo dia ny feon'i Jakoba, fa ireo tanana kosa dia an'i Esao." BSB BSB: So Jacob came close to his father Isaac, who touched him and said, “The voice is the voice of Jacob, but the hands are the hands of Esau.”
23 ULB Tsy nahafantatra azy Isaka, satria voloina ny tanany, tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny, ka dia nitso-drano azy Isaka. BSB BSB: Isaac did not recognize him, because his hands were hairy like those of his brother Esau; so he blessed him.
24 ULB Hoy izy hoe: "Tena Esao zanako marina ve ianao?" Namaly izy hoe: "Izaho tokoa." BSB BSB: Again he asked, “Are you really my son Esau?” And he replied, “I am.”
25 ULB Hoy Isaka hoe: "Arosoy eto amiko ny sakafo fa hohaniko ny hazanao, mba hafahako mitso-drano anao." Nentin'i Jakoba teny aminy ny sakafo. Dia nihinana Isaka, ary nitondran'i Jakoba divay izy, ka nisotro. BSB BSB: “Serve me,” said Isaac, “and let me eat some of my son’s game, so that I may bless you.” Jacob brought it to him, and he ate; then he brought him wine, and he drank.
26 ULB Avy eo dia hoy Isaka rainy taminy hoe: "Manatòna akaiky ahy izao ary orohy aho, anaka." BSB BSB: Then his father Isaac said to him, “Please come near and kiss me, my son.”
27 ULB Nanatona i Jakoba ka nanoroka azy, ary nifofona ny fofon'ireo akanjony izy ka nitso-drano azy. Hoy izy hoe: "Indro, ny fofon'ny zanako dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahian'i Yaveh. BSB BSB: So he came near and kissed him. When Isaac smelled his clothing, he blessed him and said: “Ah, the smell of my son is like the smell of a field that the LORD has blessed.
28 ULB Andriamanitra anie hanome anao anjara amin'ny andon'ny lanitra, anjara amin'ny tsiron'ny tany, ary voa sy divay vaovao betsaka. BSB BSB: May God give to you the dew of heaven and the richness of the earth—an abundance of grain and new wine.
29 ULB Hanompo anao anie ireo olona ary hiankohoka eo anatrehanao ireo firenena. Ho tompon'ireo rahalahinao ianao, ary hiankohoka eo anatrehanao anie ireo zanakin'ny reninao. Ho voahozona anie ireo rehetra izay nanozona anao; ary ho tahiana anie ireo rehetra mitso-drano anao." BSB BSB: May peoples serve you and nations bow down to you. May you be the master of your brothers, and may the sons of your mother bow down to you. May those who curse you be cursed, and those who bless you be blessed.”
30 ULB Vantany vao avy nitso-drano an'i Jakoba i Isaka, ary nivoaka tamin-tahotra niala teo amin'ny fanatrehan'ny rainy i Jakoba, ary niverina avy nihaza i Esao rahalahiny. BSB BSB: As soon as Isaac had finished blessing him and Jacob had left his father’s presence, his brother Esau returned from the hunt.
31 ULB Nanao sakafo matsiro ihany koa izy ary nitondra izany tany amin'ny rainy. Ho izy tamin'ny rainy hoe: "Ray o, mifohaza ary mihinàna amin'ireto hazan'ny zanakao ireto, mba hahafahanao mitso-drano ahy." BSB BSB: He too made some tasty food, brought it to his father, and said to him, “My father, sit up and eat of your son’s game, so that you may bless me.”
32 ULB Hoy Isaka rainy taminy hoe: "Fa iza ianao?" Hoy izy hoe: "Zanakao aho, zanakao lahimatoa, Esao." BSB BSB: But his father Isaac replied, “Who are you?” “I am Esau, your firstborn son,” he answered.
33 ULB Nangovitra mafy Isaka ka niteny hoe: "Fa iza no nihaza ny osy ary nitondra izany tamiko? Nohaniko daholo izany mialohan'ny natongavanao, ary efa nitso-drano azy aho. Dia ho tahina tokoa izy." BSB BSB: Isaac began to tremble violently and said, “Who was it, then, who hunted the game and brought it to me? Before you came in, I ate it all and blessed him—and indeed, he will be blessed!”
34 ULB Rehefa nandre ireo tenin'ny rainy i Esao, dia nitomany mafy, ary niteny tamin'ny rainy hoe: "Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." BSB BSB: When Esau heard his father’s words, he let out a loud and bitter cry and said to his father, “Bless me too, O my father!”
35 ULB Hoy Isaka hoe: "Ny rahalahinao no efa tonga teto namitaka ahy ary naka ny tso-dranonao." BSB BSB: But Isaac replied, “Your brother came deceitfully and took your blessing.”
36 ULB Hoy Esao hoe: "Tsy izy ve ilay antsoina hoe Jakoba? Fa izy dia efa namitaka ahy indroa. Efa nalainy ny maha-lahimatoa ahy, ary izao dia mbola nalainy ihany koa ny tso-drano tokony ho ahy." Hoy izy avy eo hoe: "Tsy misy tso-drano efa voatokanao ho ahy ve?" BSB BSB: So Esau declared, “Is he not rightly named Jacob? For he has cheated me twice. He took my birthright, and now he has taken my blessing.” Then he asked, “Haven’t you saved a blessing for me?”
37 ULB Namaly Isaka ary niteny tamin'i Esao hoe: "Indro, efa voahosotro ho tomponareo izy ary efa natolotro ho mpanompony ireo rahalahiny, ary efa nomeko azy ny voa sy divay vaovao. Inona no mbola afaka ataoko ho anao, ry anaka?" BSB BSB: But Isaac answered Esau: “Look, I have made him your master and given him all his relatives as servants; I have sustained him with grain and new wine. What is left that I can do for you, my son?”
38 ULB Hoy Esao tamin'ny rainy hoe: "Tsy mba manana tso-drano na dia iray ho ahy ary ve ianao, ry raiko? Tsofy rano ihany koa aho, ry raiko." Nitomany mafy Esao. BSB BSB: Esau said to his father, “Do you have only one blessing, my father? Bless me too, O my father!” Then Esau wept aloud.
39 ULB Namaly Isaka rainy ary niteny taminy hoe: "Indro, ny toerana izay misy anao dia lavitry ny tany lonaka, lavitry ny andon'ny lanitra ambony. BSB BSB: His father Isaac answered him: “Behold, your dwelling place shall be away from the richness of the land, away from the dew of heaven above.
40 ULB Amin'ny alalan'ny sabatrao no hivelomanao, ary hanompo ny rahalahinao ianao. Fa rehefa mikomy ianao, dia hanala ny tenanao amin'ny fitondrany." BSB BSB: You shall live by the sword and serve your brother. But when you rebel, you will tear his yoke from your neck.”
41 ULB Nankahala an'i Jakoba i Esao nohon'ny tso-drano izay nomen'ny rainy azy. Niteny tao am-pony Esao hoe: "Manakaiky ireo andro fisaonana ny raiko; aorian'izay dia ho vonoiko Jakoba rahalahiko." BSB BSB: Esau held a grudge against Jacob because of the blessing his father had given him. And Esau said in his heart, “The days of mourning for my father are at hand; then I will kill my brother Jacob.”
42 ULB Ireo tenin'i Esao zanany lahimatoa dia notantaraina tany amin'i Rebeka. Koa nandefa ary nampiantso an'i Jakoba zanany faralahy izy ary niteny taminy hoe: "Indro, Esao rahalahinao dia mampionona ny tenany amin'ny fikasana hamono anao. BSB BSB: When the words of her older son Esau were relayed to Rebekah, she sent for her younger son Jacob and told him, “Look, your brother Esau is consoling himself by plotting to kill you.
43 ULB Ary noho izany, anaka, araho ny teniko ary mandosira any amin'i Labana, anadahiko, ao Harana. BSB BSB: So now, my son, obey my voice and flee at once to my brother Laban in Haran.
44 ULB Mijanona miaraka aminy fotoana fohy, mandra-pihenan'ny fahatezeran'ny rahalahinao, BSB BSB: Stay with him for a while, until your brother’s fury subsides—
45 ULB mandra-paha-afaka ny hatezeran'ny rahalahinao aminao, ka hanadinoany izay nataonao taminy. Avy eo dia hampaka anao any aho. Ataoko ahona no hamoy anareo roa anatin'ny andro iray? BSB BSB: until your brother’s rage against you wanes and he forgets what you have done to him. Then I will send for you and bring you back from there. Why should I lose both of you in one day?”
46 ULB Hoy Rebeka tamin'Isaka hoe: "Tezitra mafy aho noho ireo zanakavavin'i Hetita. Raha maka vady amin'ny iray amin'ireo zanakavavin'i Hetita i Jakoba, tahak'ireny vehivavy mipetraka amin'io tany io ireny, dia inona no soa ho ahy amin'ny fiainako?" BSB BSB: Then Rebekah said to Isaac, “I am weary of my life because of these Hittite women. If Jacob takes a Hittite wife from among them, what good is my life?”